BELGIQUE-BELGIE P.P 5060 SAMBREVILLE 6/69330 destinataire 40, Boulevard Bischoffscheim, 1000 Bruxelles. Taona faha 9, Laharana 02 Oktobra 2005. Matoandahatsoratra H. Rasoamanana Mensuel Editeur Responsable: Hery Rasoamanana. Rue A.Chif 31 6 200 CHATELINEAU. AZA MIFANILAKA Miha mafana ny andro any an-tanindrazana. Tsy ela intsony tokoa dia hiditra ny fahavaratra. Amin'izao fotoana anoratanay izao dia efa saiky tapitra mianatra avokoa ny ambaratonga rehetra. Tsy laitra ny halafosan'ny kojakoja sy ny fitaovana ho an'ny ankizy. Tsy maintsy mikipy anefa satria mba te hanan-janaka tafita, te hiala amin'ny fahoriana : ara-tsaina, ara-nofo, ary ara-panahy. Lany fatotra amam-pondrana ny fianakaviana ary manao ny ainy tsy ho zavatra ny raiamandreny amin'ny fitadiavam-bola satria raha ny fanjakana no antenaina amin'ny fanampiana dia aoka ho tsorina fa tsy ho arany. Ny mahalasa fisainana nefa dia ity : maro dia maro ny tanora no mahavita fianarana saingy eo amin'ny asa atao hampisehoana ny talenta no tsy tsy ampy na tsy misy. Dia voatery 'manao ny tsy fanaony' ny ankamaroany satria tsy maintsy mihinana ary ny taona mandroso. Tsy vitsy no mivarilavo amin'ny zava-pisotro sy ny zavamahadonelina. Fantiatoka iray lavaka ny an'ny firenena, izany hoe ny fianakaviako sy ny anao. Iza no tompon'andraikitra? Aoka tsy hifanilaka. Apetraka ny fanontaniana : inona no antony mahatonga ny tsy fahampin'ny asa any amintsika? Miankina amin'ny paik'adin'ny mpitantana ny firenena io. Arakaraka ny programan'ny fitondrana misy. Ny fomba iray tsotra itarafana fa mandroso ny firenena iray, ho an'ny manampahaizana iraisampirenena, na mahomby ny fitondrana iray dia amin'ny alalan'ny taha-n'ny tsy an'asa. Betsaka ny tsy an'asa : tsy tafita ny paikan'ny mpitondra ; misondrotra ny tahan'ny mahita asa : mahomby ny fitondrana. Aiza ho aiza ary isika izao? Aoka tsy hifanilaka ka samia mandini-tena, na ny mpanabe, na ny mpitantana ny fanjakana isan'ambaratongany.tsarovy fa tompon'andraikitra koa izaho sy ianao satria olom-pirenena. Saingy izay akaiky vilany feno harina...misy fiteny manao hoe : aleo maty reniomby toy izay resy doika. Irina tsy hanana izany toetsaina izany ny akaiky 'vilany' rehetra ary tsy hilaza hoe ' tsy izahay no mahatonga izao fa ry zalahy teo aloha', na koa hoe 'noho ny fanatontoloana no mahatonga izao '(mondialisation). Raha sanatria tena tsy nety ny natao dia tokony hitsotra. Azo atao tsara ny manarina na mamerin-taona... Ho antsika Protestanta mandova ny reformasiona (loterana na kalvinista) dia tena vaindohan-draharaha ny fanovana toe-tsaina sy ny fiovam-po. Amin'izao volan'ny reformasiona izao( Oktobra), ndeha re hifampitondra ambavaka ka samy hitaratra ny tenany avy ary hanaraka sy hamaly ilay sombim-bavak'i Lotera, misarimpanontaniana manao hoe : ' inona no mbola tsy vitako tamin'ireo kely manodidina ahy, hialako amin'ny fitiavantenako?'...atsipy ny teny ho an'ny mana-panahy. FIHAONAMBE FANOKAFANA NY TAONA 2005/2006 ALAHADY 30 OKTOBRA 2005 ALAHADIN'NY REFORMASIONA Eglise Protestante Bruxelles-Botanique 40, Bd Bischoffsheim 1000 Bruxelles (Métro Botanique) Ento ny namana sy ny vahininao hiaramisakafo amintsika, indrindra ireo Malagasy vao tonga. Volana Oktobra 2005-1 - Mois d octobre 2005 Bulletin TANDREMO de liaison et FA d information MIOVA de NY la Communauté ORA!!! (fandaharana: Chrétienne Malgache pejy au BéNéLux faha-4)
Dinika Vahinintsika eto amin'ny "DINIKA" amin'ity volana ity ry havana ny Talen'ny 'Radio Fahazavana', an'ny FJKM, Andriamatoa Ravoahangiharisoa Didier. Radio kristiana ny Radio Fahazavana ary azontsika henoina ao amin'ny tambatseraserany www.radiofahazavana.org ny fandaharana sasany avy amin'izany radio izany,toy ny vaovaompirenena isan'andro.fanombohan'ny fiarahamiasa izao dinika izao fa ny manetsabe mbola hoavy. Mampirisika antsika mpamaky ny Finoana sy fahazavana' aty ampita izahay mba hanohana ny 'radio fahazavana' satria hitan'ny masonay fa mitaiza sy manabe amin'ny lafiny rehetra ity radio ity ary ho an'ny olona rehetra. Mirary soa ny Radio Fahazavana isika ary misaotra manokana ny tale nanaiky nitafa taminay. Hery Rasoamanana - Faly miarahaba anao... Fantatra fa feno valo taona sahady izao tompoko ny RF. Inona moa tompoko no antony nahatonga ny FJKM nanangana io radio io? Ary azonao fintinina eto ve ny tanjon'ny RF? ny isan'ny mpiasa? Ravoahangiharisoa Didier - Mialohan ny hamaliana ny fanontaniana dia mamelà ahy ianao, mba hiarahaba sy haneho fisaorana sy fankatelemana ny Mpiara-mivavaka Kristiana Malagasy aty Benelux (MKMB) izay maneho fiaraha-miasa sy fiombonan aina amin ny Radio Fahazavana. Na dia sarahin ny elanelan-tany aza isika dia tsaroana ho Mpirahalahy mianala tokoa eo amin ny fitoriana sy fijoroana ho Vavolombelon i Kristy. Noho ny mbola mahasarotra ny fifaneraserana vokatry ny tsy fahampian ny lalana sy fisian ny faritra mitoka-monina (zones enclavées) dia mbola manana ny maha izy azy ny Haino aman-jery, indrindra ny Radio eo amin ny fanabeazana sy fampahalalam-baovao ary ny fifandraisana.tsapan ny FJKM izany ka nahatonga azy hanangana ny Radio Fahazavana,araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe faha- XIII tany Antsiranana ny taona 1996. Natao hitoriana ny Filazantsara sy hanabeazana ny RF ka natsangana ho teny faneva ny hoe «Ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo» ;izany hoe hisahana ny sokajin olona rehetra na aiza na aiza sy ny maha-olona (saina -vatana-fanahy) Tanteraka soamantsara io fanapahankevitra io ny 17 Septambra 1997 tamin ny 5 ora hariva, teo ambany fitarihan ny Mpitandrina Théodore Randriamanantena sy ny Mpiara-miasa taminy. Nihatsara tsikelikely na ara-pitaovana na ara-pitantanana ny Radio : Tanjany : 20watts ->150 -> 500 watts. Mpiasa: Mpiasa Raikitra = 17 Antselika = 4 Maimaim-poana = 65 H.R.- Aiza sy aiza avy ny toerana ahazoana mihaino ny RF? sa ao Antananarivo ihany? Ary rahoviana no hahenika an'i Madagasikara manontolo? R.D. - Antananarivo sy ny manodidina no mahazo ny Radio Fahazavana.Avy eo Mahajanga nanomboka ny taona 2004, amin ny alalan ny zanabolana.nefa rehefa ratsy ny andro dia tapaka ny fifandraisana ka nahatonga alahelo amin ireo Mpankafy.Koa hametrahana Studio locale any amin ity volana Oktobra ity. Izany moa no tanteraka dia noho ny ezaky ny Fikambanan ny Sakaizan ny Radio ( SKRF ) izay nanao fitadiavam-bola tamin ny 17/09/05 ka nahazoany vola 16 000 000 Ariary (80 000 000FMG) Efa misy ihany koa ny vinavinam-panitarana any amin ny faritra hafa, miaraka amin ireo Mpiara miombon antoka, toy ny CWM. H.R.- Azo fantarina ve tompoko ny "budget"- ny RF? iza no mamatsy azy? R.D. - Raha ny ny taona 2004 no raisina dia nahatratra TELONJATO TAPITRISA IRAIMBILANJA MAHERY ( 314 MILLIONS FMG ) ny Kaontim-pitantanan ny RF. H.R.- Fandaharana miresaka ny finoana Protestanta ranofotsiny sy hira kristiana ve no mameno fandaharana sa misy fandaharana miresaka ny ara-tsaina sy aranofo na ara-tsosialy? R.D. Maro ny fandaharana ary mahasahana ny lafim-piainana rehetra araka izao taha izao: 2003 mahakasika ny Fivavahana:20 % 2004 fampahalalam-baovao:11 % 2005 kolotoraly: 9 % 2006 Sosialy: 7 % 2007 Dokam-barotra: 7 % 2008 Fanabeazana : 8 % 2009 Fanentanana sy Hira :38 % H.R.- Fantatra fa azo atao ny mihaino ny fandaharana sasantsany ao amin'ny Rf amin'ny alalan'ny 'serasera' amin'izao fotoana izao. Inona no nahatonga anareo nanangana io tambatserasera io (site)? Volana Oktobra 2005-2 - Mois d octobre 2005
R.D. : Ho fanatrarana hatrany ny tanjona : ny fampandrosoana ny olona rehetra na aiza na aiza misy azy dia najoro ny Tranonkala.Ny Fandaharana sasantsasany, iundrindra fa ny momba ny Fivavahana sy ny Fampahalalam-baovao dia mandeha ao amin ny Tranonkala : www.radiofahazavana.org. Na somary mavesatra ihany aza ny fampandehanana azy io dia tena mahaliana ny olona aty ampitan-dranomasina tokoa, indrindra ny Kristiana.Tokony ho ny ankamaroan ny Fandaharana anefa no ho heno ao, saingy voafetran ny vola. H.R.-Misy milaza fa miandany loatra amin'ny mpitondra ankehitriny ny Rf? Misy fahamarinany ve izany tompoko sa tena mijoro amin'ny maha-radio-mpiangonana azy izy? R.D. - Ny RF dia Radion ny FJKM izay anisan ny Fiangonana Mpiakambana feno ao amin ny FFKM. Ny foto-kevitra sy ny Foto-dalàna ary ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana no mibaiko azy na tohanany na voiziny.raha mifanaraka amin ny an ny Mpitondra izany dia arahaba soa arahaba tsara fa raha mifanohitra kosa dia tsy maintsy toheriny. H.R.- Inona tokoa moa no atao hoe radiompiangonana (radio FJKM)? R.D. - Ny Radiom-piangonana dia Fitaovana iray eo am-pela-tanan izany Fiangonana izany, natao hanatanterahany ny Asany araka ny baikon ny Tompo hoe Mandehana, ataovy Mpianatro ny Firenena rehetra H.R.- Ndeha hiresaka ny fiainam-pirenena kely isika ho an'ny namana aty ampita. Ny gazety mpiseho isan'andro avy any antanindrazana dia mitanisa ny fiakaran'ny vidim-piainana tsy mijanona. Aminao, inona no mahatonga izany? Ho tafavoaka ihany ve isika sa tsia? R.D. - Antony maro no mahatonga ny fiakaran ny vidim-piainana : ao ny antony Iraisam-pirenena ( vidin-tsolika, ny ady etsy sy eroa,ny fanatontoloana.). Nefa tena ao tokoa avy ato anatiny : Ny Toetsaina :-vahoaka zatra tolorana ary ny Fanjakana mpitady ; izany hoe tahaka ny zaza eo ankohonan-dray aman-dreniny.- mifamingana na mifampialona : raha misy olona iray mahavita zavatra ohatra, na mba manamanana dia atao izay haminganana azy fa tsy miezaka hitovy amin iny (nivellement par le bas). Ngeza loatra ny elanelana eo amin ny Mpitondra sy ny vahoaka eo amin ny lafiny maro. Ny resaka politika. Azo ambara fa Firenena tian Andriamanitra ny Firenena Malagasy raha ny zavaniainana no dinihina. Koa izany no ametrahana fanantenana ny hotafita. Ny fotoana no tsy fantatra na ho ela na ho haingana. H.R.-Hamaranantsika ny dinika, Inona no andrasanareo amin'ny Kristiana malagasy zanaky ny fiangonana aty ivelany? Misy antso manokana tianao atao ve mikasika ny RF ho an'ny zanaky ny FJKM aty ampita? R.D. - Antso : Manana ny Vinany ny RF: Fanatsarana ny Fitaovana, Fitadiavana Loharanombola maharitra, Fanitarana ny Radio manerana ny Nosy Antenaina fiaraha-miasa betsaka amin izany ny Sakaizan ny RF SKRF. Isaorana an Andriamanitra aloha ny zava-bitany hatreto ary irariana hitohy ny hiely any amin ny Faritra hafa izany, indrindra aty Ampitan-dranoamasina. Anisan ny mahafaly anay raha atombokareo amin ny fanohanana io Tranonkala io izany; izay mandany 600.000 FMG/mois amin izao fotoana izao ny saram-pifandraisana (téléchargement) na dia mbola tsy mahafapo aza. Ento izay fanomezam-pahasoavana anananao mba hatambantsika ho asa ho vavolombelon Ilay Tompon ny Asa Dia mirary soa ho anareo ary manao veloma finaritra eo ambany fitahian Andriamanitra. Ho Azy irery ihany ny voninahitra. www.radiofahazavana.org Manasa anao hihaino ny vaavaon'ny Nosy isan'andro sy fampianaram-pinoana samihafa ary ireo hira ankafizin'ny vavanao isa-maraina raha sendra irery iny ianao... Manasa anao : tsidiho ny tambatseraseran'ny radio fahazavana Mila tohana avy amintsika Kristiana Malagasy aty ampita anefa io radio io ry havana, koa mampirisika anao izahay hanampy azy. Compte bancaire : 00008/ 00001 05004000161 90 Banque BFV-SG Analakely-Antananarivo. Raha mila fanazavana hafa, aoka tsy hisalasala hanoratra amin'ny tale Atoa Didier Ravoahangiharisoa. fahazavana@dts.mg Manantena ny fanampianao rizareo mpikarakara ny radio FJKM any an-tanindrazana. Volana Oktobra 2005-3 - Mois d octobre 2005
HAFATRA : FIVORIAMBEN'NY M.K.M.B Hatao ny Alahady 30 Oktobra hoavy izao, aorian'ny fanompoampivavahana, miatomboka amin'ny Dimy ora sy sasany hariva ny fivoriambe ara-dàlana voalohany an'ny Mpiaramivavaka kristiana Malagasy aty Benelux (M.K.M.B). Hisy fihainoana sy fandaniana ny tatitra samihafa ataon'ireo tompon'andraikitry ny vaomiera (Fiombonambavaka, Gazety, Kolontsaina sy Biblioteka, Ekiomenika, Fanentana sy tanora ary Antokompihira, kojakoja ). Henoina koa ny tatitry ny komity amin'ny asa taona 2004/2005 ; fandaniana ny tatitry ny mpitahirivola ary fandaniana ny tetibola taona 2005/2006. Fanolorantena masina ny fanatrehanao ny fivoriambe satria porofoinao amin'izany ny fiombonanao antoka amin'ny kristiana ny asa tanterahina ho voninahitr'ilay Tompon'ny asa sy mpaniraka antsika. Koa manentana anao ny komity mpitantana ny M.K.M.B mba hanatrika izany fotoana izany ary indrindra haharitra hatramin'ny farany. Mahazo manatrika ny rehetra saingy eo amin'ny fanapahankevitra dia ny mpikambana mahefa (membre actif) ihany no mandray anjara amin'ny fandaniana na fifidianana. Marihina moa fa ny atao hoe mpikambana mahefa dia ireo izay voasoratra ao amin'ny bokim-piangonana ka mankato ny fitsipipitondrana. Mbola azo atao tsara ny misoratra ho mpikambana mahefa alohan'ny fivoriambe. Dia manantena ny fahatongavantsika ary samia mitondra am-bavaka ny fotoana dieny izao. Ho an'andriamanitra irery ihany ny voninahitra! Ny komity. VAOVAON'NY M.K.M.B. * Arahabaintsika ny fianakaviana Claudia sy Patrick Lemmens (Mellet) fa nahazo zazalahy tamin'ny volana Aogositra. Andriamanitry ny fiadanana anie hampitombo ny zaza amin'ny lafiny rehetra ary hitahy ny fianakaviana. *Toy izany koa, ny fianakaviana Yves sy Claudy Guerin-Rajaosera (Charleroi) dia nahazo lahikely tamin'ny 24 Septambra lasa teo. Dia faly miarahaba an'i Claude Rajaosera (komity MKMB) isika fa nahazo zafikely. Ny Tompo anie homba mandrakariva ny fianakaviana manontolo. * Antso : ny fivorian'ny Antoko mpihira dia tsiahivina fa isaky ny Asabotsy farany amin'ny volana. Koa manainga antsika samy ho tonga hanomana ny Noely sy fihaonana any Frantsa (Lille, Paris). ZORO HO AN'NY FIOMBONAMBAVAKA. Isika izay mila famangiana na fampaherezana dia aoka tsy hisalasala hiantso ny tompon'andraikitra : Erik (0497 05 19 69 Jeanine (0473 68 09 07) Caroline (0474 36 79 55). Manantena antsika rehetra amin'ity volana ity mba hitondra am-bavaka : -Ireo namana vao tonga, mba ho tomombana araka ny tokony ho izy nyfipetrahany. -Ny fotoana sy ny fivoriamben'ny M.K.M.B amin'ny Alahady 30 Oktobra hoavy izao. -Ny tsy salama rehetra tato ho ato. -Ireo vao nanorina tokantrano sy ireo manam-pikasana hanao izany ato ho ato. -Ireo tompon'andraikitry ny vaomiera rehetra ato amin'ny M.K.M.B. Perikopa FJKM : Fandaharana Alahady 30 Oktobra 2005 11h : Fandraisana sy Fifampiarahabana 12h : Fiarahamisakafo (samy mitondra, iarahana daholo, ny zava-pisotro efa misy) 15h : Fanompoampivavahana sy Fandraisana (Pasteur : Patrick Evrard) 17h : Fiarahana maka sary taona 2006 17h30 : Fivoriambe ara-dàlana M.K.M.B (mahazo manatrika hatramin'ny farany ny rehetra) 18h30 : Firavana -Fandaminana MANANTENA ANAO- AMPITAMPITAO IZAO HAFATRA IZAO- TONGAVA - AZA MISALASALA. Raha mila fanazavana, antsoy : 0495 50 96 59 ; 0474 36 79 55 ; 0497 05 19 69 ; 0473 68 09 07 ; 0494 72 07 98. Oktobra : Miala @ fanompoantsampy. 23/10 : Mpits. 6/25-32 Lio 4/ 31-37 II Korint.6/11-16 30/10 : Mika 5/8-14 Mar.2/18-22 IPet.4/1-6 Réactions, commentaires, témoignages, inspirations, critiques? Participez car c'est votre journal! Novambra : Arovy ny Tontolo iainana. 06/11 : Gen.2/4-15 Mat.6/25-30 Rom.11/33-36 13/11 : Job.12/6-12 Mat.13/24-32 Heb.1/1-4 Envoyez vos articles ou courriers à 20/11 : To.Sol.7/11-14 Lio.13/6-9 Apo.7/1-3 Volana Oktobra 2005-4 - Mois d octobre coordinateur@mkmb.be 2005 avant la fin de 27/11 : Amo.9/11-15 Lio.3/1-6 Gazety avoakan ny Jak.5/7-11 Mpiaramivavaka Kristianina Malagasy eto BéNéLux chaque (M.K.M.B.) mois. Merci.
Dossiers ENVIRONNEMENT : VERS LA MISE EN PLACE D UN SYSTEME D AIRES PROTEGEES NATIONALES MALAGASY. (suite) Par Holy Rasolofojaona. Ancienne de la Fac. De Gembloux Madagascar est en train de bâtir son système d aires protégées. Le contexte international est plus que jamais favorable à cette initiative dont particulièrement le Programme de Travail sur les Aires Protégées de la Convention sur la Diversité Biologique (CBD) à la quelle M/car est membre permanent. La Grande Ile est justement considérée comme en avance par rapport à d autres pays dans la mise en œuvre de ce plan de travail dont l objectif principal est bien la conservation de la biodiversité. Tous les acteurs nationaux sont unanimes sur le fait qu il faudrait viser un vrai système d Aires protégées (AP) si l on tient à relever le défi de combattre la pauvreté rurale et activer le processus de développement durable tant prôné actuellement. Les catégories et les types de gouvernance de l UICN sont des moyens forts utiles dans le développement de ce système, particulièrement pour répondre de manière appropriée aux besoins du territoire et de la population sans porter préjudice à la conservation. Il est à rappeler que 3 des 6 catégories d AP de l IUCN existent déjà à M/car. Elles font partie du réseau national des AP géré par l ANGAP ou Association Nationale pour la Gestion des Aires Protégées qui comprend actuellement 46 Aires Protégées dont 11 Parcs Naturels (PS), 6 Réserves Naturelles Intégrales (RNI), et 25 Réserves spéciales (RS). Les 3 autres AP à créer sont les Monuments Naturels, les Paysages Protégés et les Aires protégées de ressources naturelles, ces dernières sont essentiellement vouées aux activités de développement (agriculture, pêche sauf extraction minière qui est formellement interdite dans toutes catégories d AP). Donc elles ne sont pas forcément incluses dans le réseau d Aires protégées national. Comme le but est de les ancrer dans le développement régional et local, plusieurs formes de gestion seraient possibles telles que : gestion par l Etat (ANGAP, Ministère de l Environnement, des Eaux et Forets, Collectivités Territoriales Décentralisées, intercommunalité), Cogestion ou gestion collaborative ou conjointe (Etat- privé), gestion par les opérateurs (Aires Protégées privées), gestion par les associations communautaires, lignages, fokonolona : Aires du Patrimoine Communautaire. En somme, les 6 catégories d aire protégée Malagasy sont : Catégorie I : Réserve naturelle intégrale/zone de nature sauvage ; aires protégées gérées principalement à des fins scientifiques ou de protection des ressources sauvages. Catégorie II : Parc National : aire protégée gérée principalement dans le but de protéger les écosystèmes et à des fins récréatives. Catégorie III : Monument naturel : aire protégée gérée principalement dans le but de préserver des éléments naturels spécifiques (Aire avec des valeurs culturelles associées à la biodiversité). Catégorie IV : Réserve Spéciale : aire protégée gérée principalement à des fins de conservation, avec intervention au niveau de la gestion. Catégorie V : Paysage protégé : aire protégée gérée principalement dans le but d assurer la conservation de paysages terrestres ou marins et à des fins récréatives. Catégorie VI : Aire protégée de ressources naturelles : aire protégée gérée principalement à des fins d utilisation durable des écosystèmes naturels. Le prochain article relatera les caractéristiques de chaque catégorie ainsi que les sites identifiés par catégorie. PROTESTANTISME BELGE : Histoire du protestantisme en Belgique (suite) par Michel DANDOY, Porte-parole du bureau du Synode de L'EPUB. A la fin du siècle, les Baptistes s implantèrent en Belgique et les Eglises Réformées aux Pays-Bas créaient chez nous deux églises. Au cours de l entre-deux Guerres trois organisations d origine américaine Volana Oktobra 2005-5 - Mois d octobre 2005
s implantèrent chez nous : la Mission Evangélique Belge qui créa l Institut Biblique Belge; la Mission Méthodiste, de structure épiscopalienne ; les Assemblées de Pentecôte de caractère charismatique et qui se sont fédérées en Assemblées de Dieu. La paix retrouvée amena le retour de deux Eglises : l Eglise Evangélique Luthérienne Belge et les Eglises Mennonites. En 1950, fut fondée à Bruxelles la Faculté Universitaire de Théologie Protestante. En 1969, l Eglise Evangélique Protestante de Belgique ( 46 communautés et qui avait incorporé l Association «Silo») s unissait à la Conférence Belge des Eglises Méthodistes (16 communautés) pour former l Eglise Protestante de Belgique (EPB). De son côté, l Eglise Missionnaire prenait le titre d Eglise Réformée de Belgique (ERB). Les pourparlers de ces deux Eglises EPB et ERB, avec le district belge des «Gereformeerde Kerken» aboutit le premier janvier 1979 à la création de l Eglise Protestante Unie de Belgique (EPUB). De lors côté les communautés de la mouvance évangélique se regroupèrent en 1989, dans la Fédération Evangélique Francophone de Belgique. Ces deux branches du protestantisme belge (évangéliques et EPUB) mirent en place en janvier 2003 le CACPE (Conseil Administratif du Culte Protestant Evangélique) qui est l interlocuteur des autorités publiques en matières administratives ; chaque branche conserve son autonomie sur le plan théologique. Comment est organisée l EPUB (Eglise Protestante Unie de Belgique)? Dans l EPUB l Eglise locale est dirigée par un Conseil presbytéral, appelé ici «Consistoire» ou Conseil des Anciens. Le Consistoire qui peut être présidé par un laïc a notamment pour tâche d engager un pasteur. Après ses études à la Faculté le pasteur effectue une période de proposanat et ensuite de vicariat dans une communauté locale. Il est ensuite consacré pasteur au cours d une cérémonie, solennelle mais non sacramentelle, d introduction au ministère ; liturgiquement il s agit d une prière accompagnée du geste de l imposition des mains et précédée d un engagement du candidat. Le pasteur ainsi consacré ne fait pas de lui un homme sacré, sorte de représentant de Dieu sur terre mais il peut alors être élu par l ensemble des fidèles de la paroisse réunis en Assemblée. Il n est donc pas parachuté par une autorité supérieure. Son mandat couvre généralement une période de 5 à 7 ans, renouvelable ; dans la majorité des cas il est payé par l Etat ; certains pasteurs donnent en plus des cours de religion protestante dans les écoles officielles et une caisse de solidarité au niveau national peut aider financièrement les communautés démunies. Environ 10% des pasteurs sont des femmes. Pour le protestant l Eglise locale est le lieu privilégié où il nourrit sa foi (culte du dimanche, études bibliques, catéchèse d adultes, Ecole du Dimanche pour les enfants, fêtes paroissiales, groupes de jeunes et du troisième âge, ). L Assemblée d Eglise se réunit au moins une fois l an pour adopter les comptes et le rapport d activités et débattre du budget et du programme d activités. Dans les villes la diaconie locale (équipe de diacres bénévoles qui se soucient des visites aux malades et de l aide aux personnes en difficulté) travaille en étroite collaboration avec des Centres sociaux protestants. Au plan régional l EPUB est divisée en 6 «districts» dont 4 francophones. Les Assemblées de district constituent des synodes régionaux qui règlent les questions supra-locales. Chaque Eglise locale y envoie 3 délégués, généralement le pasteur et 2 laïcs. Sur le plan national l Assemblée synodale, autorité souveraine, est constituée des délégués des districts (chaque Eglise locale n est donc plus représentée au Synode national) et de représentants des ministères spécialisés (ex. : aumônerie des prisons, de l armée, Faculté de Théologie, inspecteurs de l enseignement religieux protestant, Service Protestant de la Jeunesse, ). Le nombre de pasteurs délégués ne peut être supérieur au nombre de laïcs. Le modérateur de l Assemblée synodale, élu pour 2 ans, peut être un laïc, généralement en alternance après une modération pastorale. Le Conseil synodal (Exécutif) est composé de dix membres, élus pour 4 ans. Le système se veut donc démocratique puisque les mandats sont limités dans le temps, que les clercs ne disposent pas de la majorité, que les responsables de chaque niveau sont élus par l ensemble de leurs mandants. Quatre «Coordinations nationales» (Administration et Finances ; Ministères ; Témoignage et Service au monde ; Réflexion et relations interconfessionnelles) Volana Oktobra 2005-6 - Mois d octobre 2005
remplissent leurs missions à travers des groupes de travail, permanents ou temporaires. Les Coordinations communautaires (1 francophone, 1 néerlandophone) ont en charge les questions relatives au diaconat ; à l évangélisation ; la liturgie ; la jeunesse ; l enseignement ; la formation d adultes ; les médias ; En principe tous les 3 ans est organisé un Rassemblement National qui a pour objectif de réunir pour un moment festif un maximum de fidèles et sympathisants autour de thèmes à débattre comme «Accueillir l étranger» ; «Heureux les artisans de paix» ; «Jésus-christ guérit et réconcilie - Notre témoignage en Europe». L EPUB est membre de la Concertation d Eglises chrétiennes en Belgique, participe à diverses manifestations œcuméniques (Semaine de prière pour l unité des chrétiens,..). L EPUB est membre du Conseil Œcuménique des Eglises, de l Alliance Réformée Mondiale, de la Conférence des Eglises Européennes, de la Conférence des Eglises Protestantes des pays Latins d Europe, de la Conférence Méthodiste Mondiale, de la concorde de Leuenberg, et entretient des relations privilégiées avec l Eglise Protestante du Rwanda. Chaque mois l EPUB publie un magazine d information «Mosaïque» et chaque semaine une émission radio est diffusée sur les ondes de la RTBF. Les émissions télévisées programment des cultes et invitent des responsables d Eglises ou d associations culturelles et sociales à présenter leur travail. Belpro, le service du porte-parole de l EPUB (belpro@epub.be) diffuse des communiqués de presse, gère les relations entre la presse et l EPUB et organise des manifestations comme tout récemment la célébration des 25 ans d existence de l EPUB. Liens avec les différents mouvements protestants (néerlandais et anglophones de Belgique) L EPUB (Eglise protestante unie de Belgique)regroupe un peu plus de cent communautés en Belgique, dont l Eglise protestante du Botanique. Une soixantaine sont de langue française, une quarantaine de langue néerlandaise et quelques unes en langue anglaise comme L International Protestant Church (Bruxelles) ou la Saint Andrew s Church of Scotland (Bruxelles), en langue allemande comme la Deutschsprachige Evangelische Gemeinde (Bruxelles). Il existe aussi d autres mouvements protestants qui soit ont conclu des accords de partenariat avec l EPUB comme l Union des Baptistes en Belgique, la fédération belgo-luxembourgeoise des Eglises Adventistes ou l Armée du Salut, soit sont affiliées aux districts de l EPUB comme l Eglise protestante luthérienne belge de la confession d Augsbourg, l Eglise protestante française de Cantorbéry ou la Korean Chruch in Brussels. FONY AHO... TONONKALO Fony aho lavitra Anao, Dia jamba ny masoko; Tao anaty aizim-pito foana Ny androan-tokon' ny fiainako. Ankehitriny izao, Jeso ô, Sitrakao ny hampahiratra ahy; Ka ny famirapiratrin' ny voninahitrao No banjinin' ny masoko efa nohavaozinao. Fony aho lavitra Anao, tsy afaka nandre Ny teny soa fiainana nomenao; Ankehitriny aho, Jeso ô, Bitsihinao mangina, Fa Ianao manafaka ahy Manomboka anio. Fony aho lavitra Anao, Dia moana tsy niteny ny vavako; Tsy nahay nanambara Na niantso ny anaranao. Ankehitriny aho, Jeso ô, toloranao feo Mba hitory ny fitiavanao Sy hidera ny anaranao: Fahasovan-dehibe ifaliako Aminao, Mpamomjy be fitia, Mamindra fo sy miantra. Sambatra izay voavonjinao; Tsy isainao ny hadalany; Toy izay efa natao tamin'ny mpanomponao: Novonainao ny fahotako re! Fony aho lavitra Anao, dia vato ny foko: Tsy niaina tsy nitepo maty tato anatiko. Ankehitriny aho, Jeso ô, nampianarinao; Dia niova ho nofo ilay foko efa vato; Ka tsy hiala Aminao Fa izaho dia olona. Nandramako ka tsapako Fa tia ahy Ianao. HANITRA Lin Volana Oktobra 2005-7 - Mois d octobre 2005
Nouvelles du Pays Régions : Création de droits et taxes propres Midi Madagasikara 07-10-2005 / 09:52 C est officialisé. Le Président de la République s est déclaré à deux reprises favorable à leur création. Des droits et taxes au profit des régions sont actuellement en étude pour être bientôt applicables. Et ce, afin que les régions disposent de plus de ressources pour leur fonctionnement et leur investissement en matière d infrastructures. Après cette déclaration de Marc Ravalomanana, il a été décidé par accord entre l exécutif régional et les ministères concernés, lors de l atelier «Chefs de région et leadership» de mardi et mercredi à Iavoloha, de procéder à l élaboration de ces droits et taxes. Alors que les régions devraient déjà disposer, selon les textes, de trois sortes de ressources. Il s agit du transfert budgétaire ou subvention de fonctionnement de la part de l Etat, de la subvention d investissement venant de la Présidence pour la construction et la réhabilitation des infrastructures ainsi que de 30% sur les taxes professionnelles et les ristournes recouverts au niveau communal. Inquiétude Avec l instauration de ces taxes régionales, l Etat veut aboutir à une autonomie financière des collectivités territoriales. Or, de telles mesures risquent d instaurer une certaine inquiétude chez le contribuable, qui craint qu on ne lui impose encore d autres taxes, outre ce dont il doit déjà s acquitter auprès des communes. Par ailleurs, elle pose aussi la question de savoir si les subventions étatiques et recettes fiscales destinées aux régions leur parviennent régulièrement. Car la création de ces nouvelles taxes tend à confirmer la thèse selon laquelle l Etat traverse actuellement de grandes difficultés de trésorerie. En tous les cas, pour le moment on ignore quelle sera la nature de ces taxes et sur qui ou quoi elles seront prélevées. Décisions En outre, l idée de mettre en place des fonds régionaux a été aussi émise à Iavoloha. Avec le soutien des bailleurs de fonds, la répartition et l utilisation de ceux-ci seront décidées par les chefs de région, leurs conseillers et leurs maires. Et ce, à l instar du FDL (Fonds de Développement Local) destiné aux infrastructures communales qui est en cours d instauration. Pour l heure, chaque région est en train de réfléchir sur leur budget de fonctionnement et d investissement pour l année à venir. Et selon le ministre de la Décentralisation et de l Aménagement du Territoire, Jean Angelin Randrianarison, les régions entrent dans les projets de Programme d'investissements Publics (PIP) 2006 afin qu elles disposent, par là aussi, de moyens pour œuvrer pour le développement partant de la base. Tout cela en fonction des priorités fixées par les Programmes Régionaux de Développement (PRD). Et pour plus d autonomie et de responsabilité aux régions. Nirina R. Midi Madagasikara Compte Bancaire n 068-226503919 Adressez vos articles et correspondances avant la fin de chaque mois soit : - Par courrier au 40, bd Bischoffscheim 1000 Bruxelles - Par courriel à liliane@mkmb.be ou à coordinateur@mkmb.be Pour d autres renseignements, composez le 071/74 19 38 ou surfez sur notre site : www.mkmb.be Secrétaire de rédaction: L. Ralaivoavy Collaborateurs: Pasteur J.Rakotoarimanana, Pasteur F.J. Ravalitera, E. Barijaona, N. Ranohavimanana Membres du Comité de rédaction: M. Raharinelina, C. Rajaosera, R. Rakotoaly, H. Rakotoaly, H. Rakotosalama,, L. Ralaivoavy, M.T. Ralalasoa, B. Ramampandrison, H. Rasoamanana, L. Ravelomanantsoa. Volana Oktobra 2005-8 - Mois d octobre 2005