Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara
|
|
|
- Judith Villeneuve
- il y a 10 ans
- Total affichages :
Transcription
1 Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Boky Torolalana ho an ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara
2 Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Boky Torolalana ho an ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara Navoakan Ny Fiangonan i Jesoa Kristy ho an ny Olomasin ny Andro Farany Salt Lake City, Utah
3 Ho raisina an-tanan-droa ireo fanamarihana sy fanitsiana. Mba alefaso izany, miaraka amin ireo zavatra diso, ao amin ny: Birao Mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara 50 E. North Temple Street, Floor 9 Salt Lake City, UT , USA ces-manuals@ ldschurch.org Soraty ao azafady ny anaranao feno, ny adiresinao, ny paroasy sy ny tsatòka misy anao. Ampidiro tsara ao ny lohatenin ny boky, dia zarao ny fanamarihana avy aminao an ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana Natonta tany Etazonia Fankatoavana ny teny Anglisy: 12/11 Fankatoavana ny Fandikana: 12/11 Fandikana ny Gospel Teaching and Learning Malagasy
4 Votoatiny Teny Fanolorana...V Mampianatra araka ny Fomban ny Mpamonjy...V Sasinteny... IX Ny Departemantan ny Fampianarana an ny Fiangonana... IX Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara... IX 1. Ny Tanjona... 1 Ny Andraikitsika [1.1]... 1 Miaina [1.2]... 2 Mampianatra [1.3]... 6 Mitantana [1.4] Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Hampianatra sy hianatra amin ny alalan ny Fanahy [2.1] Manorina tontolo fianarana hanjakan ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona [2.2] Halalino isan andro ny soratra masina ary mamakia ny lahatsoratra mifandray amin ny lesona [2.3] Manakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny ary ireo tenin ny mpaminany [2.4] Mamantatra sy manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara, ary mahatsapa ny fahamarinany sy ny lanjany, ary mampihatra izany [2.5] Manazava, mizara, ary mijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara [2.6]...39 Mifehy ireo andalan-tsoratra masina manan-danja sy ireo fotopampianarana fototra [2.7] Fampianarana ny Soratra Masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara Fampidirana Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara [3.1] Lioka 5: Ohatra iray [3.2] Miomana Hampianatra...57 Fiomanan ny Tena Manokana [4.1] Fiomanan ny Mpianatra [4.2] Fanomanana ny lesona [4.3] Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Fanontaniana [5.1] Fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana [5.2] Mamaky soratra masina miaraka ao am-pianarana [5.3]...80 Famelabelarana ataon ny mpampianatra [5.4]...81 Tantara [5.5] Fifanakalozan-kevitra sy asa asaina ataon ny vondrona kely [5.6]...84 Asa atao an-tsoratra [5.7] Solaitrabe na Tableau blanc [5.8] Zavatra azo tsapain-tanana sy sary [5.9] Famelabelarana amin ny alalan ny fitaovan ny haino aman-jery sy solosaina [5.10] Hira [5.11] Torohevitra sy fampitandremana amin ny ankapobeny [5.12] Fanohizana ny fivoarana amin ny maha-mpampianatra Ny fampanantenan ny Tompo [6.1] Fanoroana lohahevitra manaraka ny abidia...99
5
6 Teny Fanolorana Inona ilay ohatra tsaratsara kokoa mety hitantsika rehefa manomboka mandinika ny tenantsika isika sy maniry hampivoatra ny tenantsika amin ny maha-mpampianatra antsika? Inona indray moa no fandalinana tsara kokoa azontsika atomboka mihoatra noho ny fandalinana ireo fenitra tsara indrindra sy tanjona ary fomba fiasantsika ary mampitaha azy ireo amin ny nataon i Jesoa Kristy? (Boyd K. Packer, Teach Ye Diligently, edisiona. nohavaozina. [1991], 22). Mampianatra araka ny Fomban ny Mpamonjy Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy. Afaka maka sary an-tsaina Azy miaraka amin ireo mpianany manodidina azy ve ianao? Afaka maka sary an-tsaina Azy mampianatra ireo vahoaka teo akaikin ny Ranomasin i Galilia na miresaka manokana amin ilay vehivavy teo amin ny fantsakana ve ianao? Inona no zavatra tsikaritrao amin ny fomba fampianarany sy fitarihany? Ahoana no nanampiany ny hafa hianatra, hivoatra ara-panahy ary hiova fo ao amin ny filazantsarany? Nitia azy ireo Izy, nivavaka ho azy ireo ary nanompo tsy tapaka azy ireo. Nitady fotoana niarahana tamin izy ireo Izy ary naneho ny fitiavany. Fantany ny zavatra mahaliana azy ireo, ny fanantenany sy ny faniriany ary ny zava-nitranga teo amin ny fiainan izy ireo. Fantany hoe iza izy ireo ary afaka ho tonga manao ahoana izy ireo. Nahita fomba miavaka nanampiana azy ireo hianatra sy hivoatra Izy fomba natokana ho azy ireo mihitsy. Rehefa sahirana izy ireo dia tsy mba nilavo lefona tamin izy ireo Izy fa nanohy nitia sy nanompo azy ireo hatrany. Nanomana ny tenany mba hampianatra tamin ny alalan ny fitokanana irery mba hivavaka sy hifady hanina Izy. Isan andro, mandritra ireo fotoana tsy iarahany amin iza na amin iza, dia nikatsaka ny fitarihan ny Rainy any an-danitra Izy. Nampiasa ny soratra masina mba entina hampianarana sy hijoroana ho vavolombelona momba ny iraka nampanaovina azy Izy. Nampianatra ny olona hisaintsaina ny soratra masina ho an ny tenan izy ireo Izy ary hampiasa azy ireny mba hahazoana valiny amin ireo fanontaniana ananan izy ireo. Nangorakoraka ny fon izy ireo rehefa nampianatra ny tenin Andriamanitra tamin-kery sy fahefana Izy ary fantatr izy ireo mivantana fa marina ny soratra masina. Nizara tantara tsotra, fanoharana ary ohatra niseho marina teo amin ny fiainana Izy izay takatr izy ireo tsara ny dikany. Nampiany izy ireo hahita leson ny filazantsara ao anatin ny zavatra iainan izy ireo manokana ary ao anatin ny tontolo manodidina azy ireo. Niresaka momba ny fanaratoana, ny fahaterahan ny zaza, ary ny fiasana eny an-tsaha Izy. Mba hampianarana mikasika ny fifampiahian ny tsirairay dia nizara tantara mikasika ny famonjena ny ondry very Izy. Mba hampianarana ireo mpianany hatoky ny fiahiana feno fitiavana nasehon ny Ray any an-danitra dia namporisika azy ireo [handinika] ny fanirin ny voninkazo eny an-tsaha Izy. Nametraka fanontaniana izay nahatonga azy ireo hisaintsaina sy hikatsaka fahatsapana lalina Izy. Tena liana tamin-kitsimpo hahafantatra ny valintenin izy ireo Izy ary nifaly tamin ny fanehoan izy ireo finoana. Nomeny fahafahana hametraka ny fanontaniany manokana izy ireo sy hizara ireo hevi-baovao izay tonga tao an-tsain izy ireo, ary namaly ny fanontanian izy ireo Izy sy nihaino ny zavatra niainan izy ireo. Noho ny fitiavany dia nahatsapa ho nanana fahatokian-tena nizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapan ny tenany manokana izy ireo. V
7 VI Nanasa azy ireo hijoro ho vavolombelona Izy ary rehefa nanao izany izy ireo dia nikasika ny fon izy ireo ny Fanahy. Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza? Hoy Izy nanontany. Nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananan i Petera rehefa namaly izy hoe: Hianao no Kristy, Zanak Andriamanitra velona. Natoky azy ireo Izy, nanomana azy ireo ary nanome azy ireo andraikitra manan-danja mba hampianatra, hitahy, ary hanompo ny hafa. Nodidiany izy ireo hoe: Mandehana any amin izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin ny olombelona rehetra. Ny tanjony dia ny hanampy azy ireo hiova fo amin ny alalan ny fanompoan izy ireo ny hafa. Nanasa azy ireo hampihatra finoana sy hiaina ireo fahamarinana nampianariny Izy. Nifantoka tamin ny fanampiana ireo mpanara-dia azy hiaina ny filazantsara amin ny fony iray manontolo Izy tao anatin ny fampianarany rehetra. Mba hanatanterahana izany dia nanome fahafahana ho azy ireo mba hianatra amin ny alalan ny zavatra mahery vaika iainana Izy. Rehefa niseho tamin ireo Nefita Izy dia nanasa azy ireo hanatona Azy tsirairay, mba hahafahan izy ireo mahita, mitsapa ary mahafantatra Azy mivantana. Rehefa tsapany fa tsy takatr izy ireo tsara ny hafany dia nasainy izy ireo mba hody any an-tranony sy hanomana ny tenany hiverina indray ary hianatra bebe kokoa.
8 Ohatra sy mpanofana ho azy ireo tamin ny zava-drehetra Izy. Nampianatra azy ireo hivavaka tamin ny alalan ny fiarahana mivavaka tamin izy ireo Izy. Nampianatra azy ireo hitia sy hanompo araka ny fomba nitiavany sy nanompoany azy ireo Izy. Nampianatra azy ireo ny fomba ampianarana ny filazantsarany araka ny fomba nampianarany izany Izy. Mazava ho azy fa hafa amin ny fomba fampianaran izao tontolo izao ny fomba fampianaran ny Mpamonjy. Dia izay izany ilay antso masina nomena anao hampianatra araka ny fomba nampianaran ny Mpamonjy. Rehefa manao izany ianao dia hanome toerana ny voan ny filazantsara mba hovolena sy haniry ary hitombo ao am-pony ireo tanora. Izany dia hitarika any amin ny fiovam-po ilay tanjona faratampon ny fampianaranao. Rehefa manampy ireo tanora hiova fo ianao dia manampy azy ireo hiomana amin ny fanarahana ny Mpamonjy mandritra ny androm-piainan izy ireo hanao asa fitoriana, handray ireo ôrdônansin ny tempoly, hanorina fianakaviana miaina ny fahamarinana ary hanorina ny fanjakan Andriamanitra manerana izao tontolo izao. VII
9
10 Sasinteny Ny Departemantan ny Fampianarana an ny Fiangonana Ny Departemantan ny Fampianarana an ny Fiangonana (DFF) an Ny Fiangonan i Jesoa Kristy ho an ny Olomasin ny Andro Farany dia miasa eo ambany fitarihan ny Filankevim-pitantanan ny Fampianarana sy ireo Filankevim-pitantanana an Ny Fiangonan i Jesoa Kristy ho an ny Olomasin ny Andro Farany. Ny ao anatin izany Filankevim-pitantanan ny Fampianarana izany dia ireo ao amin ny Fiadidiana Voalohany, mpikambana voafantina ao amin ny Kôlejin ny Apôstôly Roambinifolo, ary ireo Manampahefana Ambony sy mpitondra ambony hafa ato amin ny Fiangonana. Ireo sampana manokana ao anatin ny Departemantan ny Fampianarana an ny Fiangonana dia ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, Oniversite Brigham Young, Oniversite Brigham Young Idaho, Oniversite Brigham Young Hawaii, ary ny LDS Business College. Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara Ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara (S&I) dia manolotra fampianarana ny filazantsara mandritra ny herinandro ho an ireo zatovo sy tanora mbola tsy manambady sy efa manambady. Miahy ireo sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa any amin ny faritra sasantsasany ivelan i Etazonia ihany koa ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara. Ny andraikitsika ato amin ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia tsy fampianarana fotsiny ihany ireo tanora fampianarana ny filazantsara izany. Ny fampianarana ny filazantsara dia manana fiantraikany mandrakizay ary mitaky ny fitarihan ny Fanahin ny Tompo. Rehefa niresaka tamin ireo mpampianatra seminera sy institiota ny Filoha J. Reuben Clark zanany dia nampianatra hoe: Manana iraka goavana hotontosaina ianareo mpampianatra. Amin ny maha-mpampianatra anareo dia mijoro eo amin ny tendrony avo indrindra ao amin ny fampianarana ianareo satria karazam-pampianarana inona moa no azo ampitahaina amin ny zavatra sarobidy sy misy fiantraikany lalina mikasika ny zava-drehetra niainan ny olombelona talohan izao rehetra izao, sy iainany amin izao fiainana eto an-tany ankehitriny izao ary hiainany amin ny hoavy (The Charted Course of the Church in Education, edisiona nohavaozina [1994], 9). An arivony ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin ny seminera sy institiota manerana an izao tontolo izao no manampy ireo zatovo sy tanora mbola tsy manambady sy efa manambady ato am-piangonana hianatra ny filazantsaran i Jesoa Kristy sy hiaina araka ny fitsipika ao anatin izany. Mba hanampiana ireo mpampianatra amin ny ezaka ataon izy ireo dia navoaka ity boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara ity. Boky misy loharanompanampiana izany. Tokony ho hain ireo mpampianatra ny votoatin izany ary tokony hampiasa izany foana izy ireo, ka hifantoka amin ireo lohahevitra izay ho fanampiana goavana ho azy ireo. Rehefa mandalina ity boky torolalana ity sy mikatsaka ny fitarihan ny Tompo ireo mpampianatra dia hanentana ny fanahin izy ireo mandritra ny fiomanana ataon izy ireo Izy, hanentana ny fanahin izy ireo mba hanamafy orina ny fifandraisan izy ireo amin ny mpianany, hanandriana ny fampianaran izy ireo ary hanome azy ireo ny Fanahy mba hanatontosana tsara ny asany. IX
11 Ny Tanjon ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin ny fampianarana sy ny Sorompanavotan i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafea ho amin ny fiainana mandrakizay miaraka amin ny Ray any an-danitra. Mba hanatratrarana izany tanjontsika izany dia ilaina ny: Miaina Miaina ao anatin ny filazantsaran i Jesoa Kristy isika ary miezaka ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Ny fitondrantenantsika sy ny fifandraisantsika dia ohatra tsara ao antokantrano, any an-dakilasy, ary eo amin ny fiaraha-monina. Mikatsaka hatrany isika ny hanatsara ny zava-bitantsika, ny fahalalantsika, ny fitondrantenantsika, ary ny toetrantsika. Mampianatra Ampianarintsika amin ny mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara hita ao amin ny soratra masina ary ny tenin ireo mpaminany. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin' ny fomba izay mitarika any amin' ny fahatakarana sy fiorenana mafy. Manampy ny mpianatra isika mba hanatontosan izy ireo ny andraikiny ao anatin ny dingan ny fianarana sy manomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin ny hafa. Mitantana Mitantana ny fandaharam-pampianarana sy ireo loharano maro samihafa araka ny tokony ho izy isika. Ny ezaka ataontsika dia manampy ireo ray aman-dreny amin ny andraikitr izy ireo hanamafy ny fianakavian izy ireo. Miara-miasa akaiky amin ny mpitarika ao amin ny fisoronana isika rehefa manasa ireo mpianatra handray anjara sy rehefa manamboatra tontolo manentana ny ara-panahy mba hahafahan ireo mpianatra mifandray sy miara-mianatra. X
12 Ny Tanjona Nomena andraikitra masina ireo mpampianatra ny filazantsaran i Jesoa Kristy. Ny tanjon izy ireo dia mihoatra ny fampianarana fotsiny ihany ireo lesona. Nilaza ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: Tsy ho afa-po na oviana na oviana amin ny fizarana hafatra iray na fitorian-teny fotsiny ny mpampianatra filazantsara iray. Ny mpampianatra ny filazantsara iray izay tena tsara dia maniry ny hitondra anjara biriky ao amin ny asan ny Tompo, dia ny hitondra ny zanany ho amin ny fiainana mandrakizay izany ( Gospel Teaching, Ensign, Nôv. 1999, 80). Ny Tanjon ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia manome torolalana mazava ho an ireo mpampianatra sy mpitarika mikasika ny ezaka ataon izy ireo amin ny fitondrana fanampiana ao amin ny asan ny Tompo. Notes 1 Ny Andraikitsika [1.1] Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin ny fampianarana sy ny Sorompanavotan i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin ny fiainana mandrakizay miaraka amin ny Ray any An-danitra. Maniry ny hahazoan ny zanany tsirairay ny fiainana mandrakizay ny Ray any an-danitra (jereo ny Mosesy 1:39). Hoy ny Mpamonjy hoe: Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, izay efa nirahinao (Jaona 17:3). Noho izany, ny zavatra imasoan ny fampianarana ny filazantsara dia ny hanampy ireo mpianatra hahafantatra sy hitia ny Rain izy ireo any an-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy, ary hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fampianarana sy ny Sorompanavotan ny Mpamonjy sy hiantehitra amin izany. Ny Sorompanavotan i Jesoa Kristy no ivon ny drafitry ny famonjena. Izany no fahamarinana fototra izay iorenan ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary tokony ho ivon ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara rehetra. Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Boyd K. Packer fa ny Sorompanavotana no tena fototry ny fotopampianarana Kristianina. Mety hahafantatra bebe kokoa momba ny filazantsara ianao rehefa misampana avy amin izany ilay izy, kanefa raha ny sampany fotsiny no fantatrao ary ireo sampany ireo dia tsy mahakasika ny fakany, raha toa izy ireo ka tapahina hiala amin ny fahamarinana, dia tsy hisy fiainana na zavatra mivaingana na famonjena ho azy ireo ( The Mediator, Ensign, Mey 1977, 56). 1
13 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Rehefa mampianatra ny tanorantsika hitia ny Mpamonjy Jesoa Kristy isika dia ho tonga mpanara-dia marin ny Tompo izy ireo. Izany dingana izany dia hanomana azy ireo ho vady sy ray ary reny marin-toetra sy be fitiavana mpitarika fianakaviana mandrakizay. Ho lasa ampahan-javatra mahazatra sy manan-danja eo amin ny fiainan izy ireo ny tempoly. Ho lasa misiônera izy ireo, hanompo ny Tompo ao anatin ny fanaovana asa fitoriana rehefa tanora mbola tsy manambady ary any aoriana rehefa mpivady efa lehibe.... Rehefa mampatanjaka ireo tanorantsika isika amin ny alalan ny fitarihana azy ireo ho any amin i Kristy dia manamafy orina ireo fianakaviana sy ny Fiangonana ihany koa. (Dieter F. Uchtdorf, A Teacher of God s Children [takariva niarahana tamin ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, 28 Jan. 2011], 3) Rehefa mianatra momba an i Jesoa Kristy ireo mpianatra, manaraka ireo fampianarany sy ohatra nasehony ary mampihatra ny Sorompanavotany eo amin ny fiainan izy ireo dia afaka mahazo tanjaka sy miaina famelan-keloka sy fahasitranana ary fiovam-po. Nampianatra ny Loholona Henry B. Eyring hoe: Tsy maintsy mametraka tanjona ambony isika. Tsy maintsy mihazona ireo tanjona izay efa nananantsika hatrany isika: fisoratana anarana, fanatrehana tsy tapaka, fahavitan ny fianarana, fahalalana ny soratra masina, fiainana ny fahatsapana ny Fanahy Masina manamarina ny fahamarinana. Ankoatra izany dia tsy maintsy mametraka tanjona hanampy ny mpianatra hiomana hanao asa fitoriana sy hiditra ny tempoly isika. Mila zavatra bebe kokoa anefa ireo mpianatsika mandritra ny fotoana maha-mpianatsika azy ireo.... Tokony ho latsa-paka ao am-pon ireo mpianatra amin ny alalan ny herin ny Fanahy Masina ny filazantsara madion i Jesoa Kristy.... Ny tanjontsika ho azy ireo dia ny hanana fiovam-po marina ao amin ny filazantsaran i Jesoa Kristy naverina tamin ny laoniny mandritra ny fotoana iarahany amintsika ( We Must Raise Our Sights [CES conference on the Book of Mormon, 14 Aog. 2001], 2). Ny fiovam-po marina dia mitondra any amin ireo fitahiana ambony indrindran ny filazantsaran i Jesoa Kristy, izay tanteraka tamin ny alalan ireo ôrdônansin ny tempoly. Rehefa mandray sy mitandrina amim-pahatokiana ireo fanekempihavanan ny tempoly ireo ankizy dia ho mendrika ny handray ireo fitahiana izay ahitana ny fisandratana sy ny fianakaviana mandrakizay. Hiaina tanjaka ara-panahy fanampiny izy ireo, sy fiadanana bebe kokoa ary fanambarana fanampiny ho an ny tena manokana. Afaka mahazo fiarovana lehibe kokoa amin ny fakam-panahy sy ny famitahan izao tontolo izao ny mpianatra izay mampifantoka ny fiainan izy ireo amin ny Mpamonjy sy ny tempoly ary ho vonona bebe kokoa hanatanteraka ny zava-drehetra izay mety angatahin ny Ray any an-danitra azy ireo. Afaka manana ny tanjaka hijanonana mafy tsara eo amin ny lalana izay mitondra any amin ny fiainana mandrakizay izy ireo ary afaka manampy tsara kokoa ny fianakaviany sy ireo hafa amin ny fikarohana sy fanarahana izany lalan ny maha-mpanara-dia izany. Miaina [1.2] Miaina ny filazantsaran i Jesoa Kristy isika ary miezaka ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. [1.2.1] Ny iray amin ireo anjara biriky tena lehibe azon ireo mpampianatra entina eo amin ny fanampiana ireo mpianatra hahatontosa ilay tanjona voafaritra ao amin ny Tanjon ny Seminera sy Institiota dia ny fankatoavana tsy tapaka sy amim-pahatokiana ny filazantsaran i Jesoa Kristy. Rehefa miezaka 2
14 Ny Tanjona mampivelatra ny toetra tahaka ny an i Kristy sy mikatsaka ny hahafantatra sy hanome fahafaham-po ny Ray any an-danitra amin ny lafiny rehetra eo amin ny fiainany ireo mpampianatra dia hahazo ampahan-kery masina izy ireo izay afaka hisy fiantraikany eo amin ny fomba fandraisan ireo mpianatra sy fahatakarany ny hafatry ny filazantsara. Rehefa miaina ny filazantsara amim-pahatokiana ireo mpampianatra dia ho mendrika hanana ny Fanahy Masina ho namana. Zava-dehibe eo amin ny fahombiazan ireo mpampianatra ao amin ny seminera sy institiota ity fananana ny Fanahy ho namana ity. Manantitrantitra ny Tompo ao amin ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manao hoe raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra (F&F 42:14). Nanoro hevitra ny Loholona Robert D. Hales hoe: Maro ny andraikitr ireo mpampianatra ao amin ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara, kanefa mba hahafahana manatontosa ireo andraikitra ireo dia tsy maintsy miezaka miaina amim-pahamarinana aloha ireo mpampianatra. Amin ny maha-mpampianatra dia tsy maintsy miaina ny filazantsara amin ny fomba izay hananana lalandava ny Fanahy hiaraka amintsika isika ( Teaching by Faith [takariva niarahana tamin ny Loholona Robert D. Hales, 1 Feb. 2002], 1). Ny fitondrantenantsika sy ny fifandraisantsika dia ohatra tsara ao an-tokantrano, any an-dakilasy, ary eo amin ny fiaraha-monina. [1.2.2] Ny mpampianatra dia manana andraikitra mba hitondra ny fiainany ao anatin ny fahamarinana sy mba ho ohatra mendrika amin ny fotopampianarana sy fitsipika izay ampianariny. Ny mpampianatra ao anatin ny zava-miseho rehetra dia tokony hiresaka, hanompo ary hiaina amin ny fomba izay mifanaraka amin ny hoe olona tia ny Tompo sy manana ny Fanahy Masina ho namany. Zava-dehibe voalohany ny fomba fihetsik ireo mpampianatra ao an-tokantranony sy ny fomba ifandraisany amin ireo vady aman-janany. Ireo fifandraisana manan-danja indrindra ireo dia tokony haneho ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy (F&F 121:41). Nilaza izao zavatra manaraka izao ny Filoha Ezra Taft Benson: Manantena izahay fa tsy misy tomika ny fifandraisana eo aminareo mpivady. Manantena izahay fa ahatsapana ny fanahin ny fiadanana sy fitiavan ny Mpamonjy ny tokantranonareo ary miharihary izany ho an ireo rehetra izay tonga ao an-tokantranonareo. Tokony tsy hisy fifamaliana sy fifandirana ao an-tokantranonareo.... Ianareo, amin ny maha mpivady anareo, dia misolo tena ny Fiadidiana Voalohany amin ny zava-drehetra izay ataonareo sy amin ny fomba isehoanareo ( The Gospel Teacher and His Message [lahateny natao ho an ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin ny DFF, 17 Sept. 1976], 7). Ianareo tsirairay avy dia mahafantatra, hatrizay ela izay fa mampianatra ny maha-ianareo anareo.... Ho tsaroana kokoa ireo toetranareo rehetra mitambatra, noho ny fahamarinana miavaka iray nampitaina nandritra ny lesona iray.... Satria raha tena mafy orina ny maha mpampianatra antsika dia ho hita izany ary ho tsaroan ireo mpianatra. Ireo zavatra vinavinaina mikasika ny fomba hahatsiarovana anareo ireo, miampy ny fahamarinan-toetranareo manokana, dia hanome fahafahana anareo hitondra anjara biriky goavana eo amin ny fiainan ireo mpianatrareo. (Neal A. Maxwell, But a Few Days [lahateny natao ho an ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin ny DFF, 10 Sept. 1982], 2) 3
15 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Ao am-pianarana, ny mpampianatra isan andro dia manana fahafahana maneho toetra tahaka ny an i Kristy toy ny fiantrana, faharetana, hatsarampanahy, fanajana ary fanomezam-boninahitra ireo zavatra masina. Tokony hanana fifandraisana tsara sy araka ny tokony ho izy amin ireo mpianatra ireo mpampianatra ary tsy tokony hiraiki-po diso tafahoatra na amin iza na amin iza izay mety hiteraka hevi-diso na fandikana vilana na fieritreretanjavatra na honohono tsy mitombina. Tokony hiezaka haneho toetra tahaka ny an i Kristy ireo mpampianatra rehefa mandray anjara sy manatrika asa aman-danonana sy hetsika any ampianarana, sy eo amin ny fiaraha-monina ary any am-piangonana. Tokony hikatsaka ny hampivelatra sy hihazona fifandraisana araka ny tokony ho izy sy mifono fanohanana amin ireo ray aman-dreny, mpiara-miasa, mpitarika ao am-piangonana ary ireo olona eo anivon ny fiaraha-monina izy ireo. Amin ny alalan ny fanaovana tsy tapaka ireo zavatra ireo dia maneho fanoloran-tena anaty marina amin ny fiainana ny filazantsaran i Jesoa Kristy ireo mpampianatra, ary hitombo ny heriny hitondra zava-tsoa eo amin ny fiainan ny olona. Mikatsaka hatrany isika ny hanatsara ny zava-bitantsika, ny fahalalantsika, ny fitondrantenantsika, ary ny toetrantsika. [1.2.3] Amin ny maha zanak Andriamanitra azy dia manana ampahan-javatra avy any an-danitra ao anatiny ireo mpampianatra izay loharanon ny faniriana te-hivoatra, hivelatra, ho tonga bebe kokoa tahaka ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Tokony hikolokolo tsy tapaka izany faniriana izany ny mpampianatra ary miaraka amin ny fanampian ny Tompo sy ireo hafa dia handray andraikitra rehefa mahazo fanentanam-panahy izay mitondra any amin ny fivoarana. Nanantitrantitra ny ilana foana ny fivoaran ny tena manokana ny Loholona Gordon B. Hinckley: Mino ny fivoarana aho. Mino ny fitomboana.... Mivoara hatrany ry rahalahy sy anabaviko, na telopolo taona ianao na fitopolo taona ( Four Imperatives for Religious Educators [lahateny natao ho an ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin ny DFF, 15 Sept. 1978], 2). Mitaky faniriana, zotom-po sy faharetana ary fanampiana avy amin ny Tompo izay katsahina amin ny alalan ny fisaintsainana sy vavaka ny fivoarana. Nampianatra fitsipika manan-danja enti-mampivoatra ny tena manokana ny Loholona Henry B. Eyring: Efa samy nanana traikefa mikasika ireo ezaka enti-mampivoatra ny tena manokana ny ankamaroantsika rehetra. Ny zavatra niainako dia nampianatra ahy ity zavatra ity mikasika ny fomba hivoaran ny olona sy ireo fikambanana: ny toerana tsara indrindra hikatsahana izany dia any amin ireo fiovana kely azontsika atao amin ireo zavatra ataontsika matetika. Misy hery amin ny fikirizana sy famerimberenana. Ary raha afaka ny ho tarihan ny fanentanam-panahy mba hisafidy ireo zavatra madinika tena tokony hovaina isika, dia hitondra fivoarana lehibe ny fankatoavana tsy tapaka ( The Lord Will Multiply the Harvest [takariva niarahana tamin ny Loholona Henry B. Eyring, Feb. 6, 1998], 3). Ireo mpampianatra ao amin ny seminera sy institiota dia tokony hikatsaka tsy tapaka ny hampivoatra ny zava-bitany, ny fahalalany, ny toe-tsainy ary ny toetoetrany. 4
16 Ny Tanjona Zava-bita. Tokony hikatsaka tsy tapaka ny hampivoatra ny zava-bitany ireo mpampianatra eo anatrehan ireo andraikiny eo amin ny fampianarana sy fitantanana. Afaka manao izany izy ireo amin ny alalan ny ezaka voalanjalanja sy mafy orina ary feno faharisihana mba hahatakatra sy hampihatra ireo fitsipika sy fahaiza-manao fototra. Ny fikatsahana fanampiana avy amin ireo fitaovam-pampianarana ao amin ny seminera sy institiota sy avy amin ireo mpiandraikitra, mpiara-miasa, mpianatra, mpitarika ao amin ny fisoronana ary ireo olon-kafa dia hanampy ireo mpampianatra sy mpitarika hanana tombantombana mari-pototra kokoa mikasika ny zava-bitany, ary koa ny fitarihana ilaina amin ny fanampiana azy ireo hivoatra eo amin ny lafiny izay tena ilana izany. Fahalalana. Tokony hiezaka tsy tapaka handalina ny toejavatra miseho, ny votoatiny ary ny fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin ny soratra masina sy ny tenin ireo mpa- Tsy misy manam-pahalalana feno amintsika, ry rahalahiko sy anabaviko. minany ireo mpampianatra. Rehefa manao izany izy ireo dia Ny dingan ny fianarana dia dingana hivoatra eo amin ny fahatakarany ny filazantsara sy ny Sorompanavotan ny Mpamonjy ary ho afaka kokoa hitahy ny tsy manam-pahataperana. Isika dia fiainan ireo mpianany. Ireo mpampianatra dia tokony hampivelatra ny fahalalany sy ny fahatakarany mikasika ireo fitsi- mampihatra ary tsy maintsy misaintsaina izay zavatra tsy maintsy mamaky, mandinika, pika sy fomba mahomby enti-mampianatra izay hita ao manoloana ny saintsika. amin ny soratra masina ary koa ao amin ireo fitaovampampianarana ao amin ny seminera sy institiota. Tokony (Gordon B. Hinckley, Four Imperatives for Religious Educators, 2) hahafantatra tsara koa ireo fitsipika mikasika ny fitantanana araka ny tokony ho izy izy ireo (jereo ny fizarana 1.4, Mitantana ao amin ny pejy 9) sy hahatakatra ireo lalàna sy fomba fanaon ny seminera sy institiota. Toe-tsaina. Ny toe-tsaina ananan ireo mpampianatra dia mamaritra be dia be ny fifaliana ananany manokana sy ny Ary raha manatona Ahy ny olona, fahafahana ananany mba hitarihana ny mpianatra amin ny tsara. Ireo mpampianatra izay miezaka tsy tapaka ny hanana dia hasehoko azy ny fahalemeny.... herimpo (jereo ny F&F 68:6), hikatsaka ny hanompo ny hafa, Ary ampy ho an ny olon-drehetra ny hiasa mba hisian ny firaisan-kina ary hanao izay tsara indrindra vitany manoloana ireo toe-javatra sarotra dia hitahy ny anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary fahasoavako mba hanetreny tena eo fiainan ireo mpianatra sy mpampianatra namana izay ifaneraseran izy ireo. manam-pinoana Ahy, amin izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy. Toetra. Ireo mpampianatra izay miezaka ny miaina ny filazantsara sy miezaka tsy tapaka ary amin-kitsimpo ny hampi- (Etera 12:27.) voatra ny zava-bitany, ny fahalalany ary ny toe-tsainy dia hampivelatra ho azy ireo toetra ilaina mba hanampiana amin ny fanatontosana ny Tanjon ny Seminera sy Institiota. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: Ho tonga amin ilay karazan olona izay iriantsika hahatongavana isika amin ny alalan ny fanaovana tsy tapaka ny zavatra izay ataon'ilay karazan olona tiantsika hahatongavana isan andro. Ny toetra marina dia fanehoana sarobidy ny hoe lasa olona toy ny ahoana ianao.... Ny toetra marina dia zava-tsarobidy kokoa noho izay mety ho fananan ny tena, na fahalalana azonao tamin ny alalan ny fandalinana, na tanjona izay efa tratranao ( The Transforming Power of Faith and Character, Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 43). 5
17 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Farany, ny fanalahidin ny fikatsahana ny hampivoatra ny zava-bitantsika, ny fahalalantsika, ny toe-tsaintsika dia mitoetra ao anatin ny fanarahana ny ohatra nataon i Jesoa Kristy. Nilaza ny Filoha Howard W. Hunter hoe: Ny fampianarana sy ny ohatra nasehon ny Tompo Jesoa Kristy no mamolavola ny fitondrantenantsika ary mandrafitra ny toetrantsika amin ny lafiny rehetra eo amin ny fiainantsika manokana, ao an-tokantranontsika, eo amin ny asantsika sy ny fiaraha-monintsika, ary koa eo amin ny fanoloran-tenantsika amin ny Fiangonana izay mitondra ny anarany ( Standing as Witnesses of God, Ensign, Mey 1990, 60). Mampianatra [1.3] Ampianarintsika amin ny mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin ny soratra masina ary ny tenin ireo mpaminany. [1.3.1] Ny fahalalana, fahatakarana, ary fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsaran i Jesoa Kristy dia hanome fitarihana ireo mpianatra sy hery ampy mba hanaovana safidy izay mifanaraka amin ny sitrapon ny Ray any an-danitra. Ny fotopampianarana dia fahamarinana fototra sy tsy miovaova mikasika ny filazantsaran i Jesoa Kristy. Nampianatra ny Loholona Boyd K. Packer fa: Ny fotopampianarana marina rehefa takatra dia manova ny toetra sy ny fitondran-tena. Hanatsara haingana kokoa ny fitondran-tena ny fandalinana ny fotopampianaran ny filazantsara noho ny fandalinana ny momba ny fitondran-tena mba ho entina hanatsarana ny fitondran-tena ( Little Children, Ensign, Nôv. 1986, 17). Nanantitrantitra ny Loholona Richard G. Scott hoe: Ireo fitsipika dia fahamarinana mitambatra, natambatra mba ho ampiharina amin ny karazanjava-mitranga maro samihafa. Ny fitsipika marina iray dia mampazava ny fanapaha-kevitra na dia ao anatin ny toe-javatra tena mampikorontan-tsaina sy feno faneriterena aza ( Acquiring Spiritual Knowledge, Ensign, Nôv. 1993, 86). Ireo soratra masina sy tenin ireo mpaminany dia ahitana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izay tokony ho katsahin ireo mpampianatra sy mpianatra ny hahatakatra sy hampianatra ary hampihatra azy. Nanome toromarika an ireo izay mampianatra ny filazantsara amin ny andro farany ny Tompo hoe: Hampiana[ro] ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin ny Baiboly sy ny Bokin i Môrmôna izay ao aminy no misy ny fahafenoan ny filazantsara. (F&F 42:12). Nanamafy koa ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana sy ny fanarahana ireo fampianaran ny mpaminanin ny andro farany ny Tompo. Hampandrianareo sofina amin ny teniny rehetra sy ny didy rehetra izay homeny anareo araka ny andraisany azy ireny.... Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin ny vavako ireny (F&F 21:4 5). 6
18 Ny Tanjona Tamin ny 1938, ny Filoha J. Reuben Clark zanany, raha nandray fitenenana nisolo tena ny Fiadidiana Voalohany dia nanao lahateny miavaka niantefa tamin ireo mpampianatra seminera sy institiota. Hoy izy tao anatin izany lahateny izany hoe: Ny zavatra imasoanareo voalohany, ny andraikitrareo izay tena ilaina ary hany andraikitrareo, dia ny mampianatra ny filazantsaran ny Tompo Jesoa Kristy araka izay nanambarana azy amin izao andro farany izao. Ianareo dia natao hampianatra ity filazantsara ity, ka hampiasa mba ho loharanonareo sy fahefanareo, ireo soratra masina ankatoavin ny Fiangonana sy ireo tenin ireo izay nantsoin Andriamanitra hitarika ny vahoakany amin izao andro farany izao.... Ianareo, na ambony na ambany, dia tsy afaka ny hanova ireo fotopampianaran ny Fiangonana na hanitsy azy ireo araka ny nanambarana azy ireo tamin ny alalan ny Fiangonana ary ao amin ny soratra masina ankatoavin ny Fiangonana ary araka ny nanambarana azy ireo tamin ny alalan ireo izay manana fahefana hilaza ny ao an-tsain ny Tompo sy ny sitrapony mikasika ny Fiangonana (The Charted Course of the Church in Education, edisiona nohavaozina [1994], 10; jereo koa ny F&F 42:12 13). Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin' ny fomba izay mitarika any amin' ny fahatakarana sy fiorenana mafy. [1.3.2] Rehefa manapa-kevitra mikasika ny fomba hampianarana ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia tokony hifantina fomba izay mitarika ireo mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana manan-danja ireo mpampianatra ary hahazo hery ara-panahy amin ny alalan ny Fanahy Masina. Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo mpampianatra sy mpianatra rehefa azony ny dikan izy ireo, rehefa hitany ny fifandraisan izy ireo amin ny fitsipika sy fotopampianarana hafa, ary rehefa takany ny maha-zava-dehibe azy ireo ao amin ny drafitry ny famonjena, sy eo amin ny fiainan izy ireo manokana ihany koa. Ny fahatakarana marina ny fitsipika sy fotopampianarana mandrakizay dia tsy tonga raha tsy avy amin ny fiainan ny tsirairay ny fitsipiky ny filazantsara ihany sy rehefa hazavain ny Fanahy Masina ny sain izy ireo. Tokony hiaraka amin ny fahatakarana ny soratra masina ny fahazoana hery ara-panahy. Ny teny hoe mankahery ara-panahy amin ny teny anglisy dia hoe edify ary avy amin ny teny Latina hoe aedes, izany izay midika hoe fitoerana na tempoly, ary ny hoe facere dia midika hoe manao (jereo ny Collins English Dictionary Complete and Unabridged [2003], edify ). Noho izany, ny teny anglisy hoe edify dia misy ifandraisany amin ny fanorenana ny tempoly ary midika hoe manorina na mankahery ara-panahy. Tafiditra ao anatin ny fahazoana hery ara-panahy ny fifaliana, fiadanana, fahazavan-tsaina ary faniriana hiaina amim-pahamarinana. Nampanantena ny soratra masina fa raha samy manao asa eo ambany fitarihan ny Fanahy ireo mpampianatra sy mpianatra ao anatin ny dingan ny fampianarana sy fianarana, dia izay mitory sy izay mandray dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miaramifaly (F&F 50:22). 7
19 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Manampy ny mpianatra isika mba hanatontosan izy ireo ny andraikiny ao anatin ny dingan ny fianarana sy manomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin ny hafa. [1.3.3] Ny fianarana ny filazantsara izay miteraka fiovam-po sy manampy amin ny filatsahan ny filazantsara lalina ao am-pon ireo mpianatra dia mitaky mihoatra noho ny ezaka feno fahavitrihana avy amin ny mpampianatra. Mitaky ezaka sy fampiharana ny fahafahana misafidy avy amin ireo mpianatra ny fianarana ara-panahy. Nampianatra ny Loholona Henry B. Eyring hoe: Ny fiovam-po marina dia miankina amin ny fikatsahan ny mpianatra amin-kahalalahana ao anatin ny finoana ary miaraka amin ny ezaka lehibe ( We Must Raise Our Sights, 4). Nanantitrantitra ny Loholona David A. Bednar fa ny ezaka izay ataon ireo mpianatra dia manasa ny fitarihan ny Fanahy Masina ho ao am-pon izy ireo: Ny mpampianatra iray dia afaka manazava, mampiseho, mandresy lahatra ary mijoro ho vavolombelona ka manao izany miaraka amin ny hery arapanahy lehibe sy amim-pahombiazana. Kanefa, amin ny farany, dia tsy tafiditra ao anatin ny fo ny votoatin ny hafatra iray sy ny fijoroana ho vavolombelona avy amin ny Fanahy Masina raha tsy hoe avelan ilay mpandray hiditra izany.... Ny mpianatra mampihatra fahafahana misafidy amin ny Ao anatin ny fahamarinana sy ny alalan ny fanaovana zavatra mifanaraka amin ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin ny Fanahy Masina ary tsy fahatapahan ny asa avy amin ny manasa ny fampianarany, ny heriny mijoro ho vavolombelona ary ny fijoroany ho vavolombelona mifono fanamafi- fitaoman ny finoana izay ataontsika no hanehoantsika amin ny Raintsika sana ( Seek Learning by Faith [takariva niarahana any an-danitra sy ny Zanakalahiny, tamin ny Loholona David A. Bednar, 3 Feb. 2006], 1, 3). Jesoa Kristy, ny fahavononantsika hianatra sy handray Mampianatra ny soratra masina fa ireo izay mikatsaka fianarana ara-panahy dia tokony hanomana ny sainy sy ny fony torolalana avy amin ny Fanahy Masina. handray torolalana; hazoto hikatsaka fahalalana sy fahatakarana amin ny alalan ny fandalinana, fisaintsainana sy (David A. Bednar, Seek Learning by Faith, 3) vavaka; ary hanaraka ny fahatsapana voarain izy ireo avy amin ny Fanahy Masina (jereo ny Ezra 7:10; 1 Nefia 10:17 19; F&F 138:1 11; Joseph Smith Tantara 1:10 20). Ho an ny ankamaroan ireo mpianatra dia mety toa tsy mahazatra sy somary sarotra ihany ny fanaovana ezaka toy izany mba hianarana ny soratra masina. Kanefa, ny mpampianatra dia afaka manampy azy ireo hahatakatra, hanaiky ary hanatontosa ny anjara andraikiny amin ny fianarana ny filazantsara. Ny mpampianatra dia afaka manampy ny mpianatra hianatra handray anjara mavitrika ao amin ny fianaran izy ireo ara-panahy amin ny alalan ny famporisihana azy ireo: Hanana fahazarana handalina ny soratra masina isan andro. Hanomana ny fony sy ny sainy amin ny fitaoman ny Fanahy. Hikaroka sy haneho ireo fotopampianarana sy fitsipika izay manandanja eo amin ny fiainan izy ireo manokana. Hanakatra lalina ny soratra masina amin ny alalan ny fandalinana, fisaintsainana ary vavaka amim-pahazotoana. 8
20 Ny Tanjona Hametraka fanontaniana sy hikatsaka valiny izay hanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny filazantsara sy ny fomba hampiharana izany eo amin ny fiainan izy ireo. Hizara ny fomba fijery, zavatra niainana ary tsapa. Hanazava ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin ny hafa sy hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan izany. Hampivelatra ny fahaiza-manao eo amin ny fandalinana ny soratra masina, toy ny fanasiana marika, fampifandraisana ny andinin-tsoratra masina ary fampiasana ireo fitaovana fandalinana soratra masina. Amin ny alalan ny fanatanterahany ny andraikiny eo amin ny fianarana ara-panahy dia maneho ny fahavononany mba ho ampianarin ny Fanahy Masina ireo mpianatra. Matetika izy ireo no manolo-tena sy mientanentana bebe kokoa mikasika ny soratra masina. Mahatakatra sy mahatsiaro mazava kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika mitondra famonjena izy ireo ary mampihatra kokoa izay nampianarina azy ireo. Rehefa mahita fotopampianarana sy fitsipika ireo mpianatra, mametraka fanontaniana ary mizara ireo valinteniny dia mianatra fahaiza-manao sarobidy ihany koa eo amin ny fandalinan izy ireo manokana. Amin ny alalan ny fandraisana anjara toy izany dia ho afaka ny hampianatra ny filazantsara amim-pahombiazana kokoa amin ny fianakaviany sy ny namany ary ny olon-kafa ireo mpianatra. Ho vonona kokoa hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ihany koa izy ireo amin ny ho avy rehefa ho lasa misiônera, mpampianatra ary mpitarika ao am-piangonana. Ny fanapahan-kevitr [ireo mpianatra] handray anjara dia fampiasana ny fahafahana misafidy izay mamela ny Fanahy Masina hampita hafatra mivantana ho an ny tena manokana izay mifanaraka amin ny zavatra ilain ny tenan izy ireo tsirairay. Ny fandrindrana tontolo ahafahana mandray anjara dia mampitombo ny fahafahan ny Fanahy hampianatra ireo lesona manan-danja kokoa izay azonao ampitaina. Izany fandraisana anjara izany dia hitondra ny fitarihan ny Fanahy eo amin ny fiainan izy ireo. (Richard G. Scott, To Learn and to Teach More Effectively, tao amin ny Brigham Young University Speeches [2008], 4 5) Mitantana [1.4] Mitantana ny fandaharam-pampianarana sy ireo loharano maro samihafa araka ny tokony ho izy isika. [1.4.1] Ny hoe fitantanana dia azo faritana amin ny hoe fitarihana sy fanompoana ny olona ary koa fitarihana sy fandrindrana ireo fandaharam-pampianarana sy ireo loharano samihafa. Amin ny maha ohatra tonga lafatra azy amin ny zava-drehetra dia naneho ireo toetra masina ananan ny mpitarika marina iray i Jesoa Kristy. Na inona na inona mety ho andraikitra sahanin ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin ny seminera sy institiota amin izao fotoana izao dia manana fahafahana sy andraikitra ny hitarika sy hitantana araka ny fomban i Kristy izy ireo. Ireo toetra ahitana fiantrana, fahitana ary fanetren-tena dia mamela antsika hanatontosa ny asan ny Tompo araka ny faniriany. Ny Fiantrana, na ny fitiavana madion i Kristy, no tokony ho fototry ny fifandraisan ny mpampianatra amin ireo mpianatra, mpitarika ao amin ny fisoronana, ray aman-dreny, mpampianatra namana ary mpiandraikitra. Ny fiantrana dia tsy hoe zavatra tsapa fotsiny ihany fa fihetsika sy toetra (jereo ny Môrônia 7:45). 9
21 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Ny mpitarika iray izay manana fahitana dia manome torolalana avy amin ny fanentanan ny fanahy, mampisy lanjany ny fananana tanjona ary mandrotsaka fientanentanana eo amin ireo izay manodidina azy. Mampianatra ny soratra masina fa raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin izay tsy mety ny olona (Ohabolana 29:18). Ny fanetren-tena dia mamela ireo mpitantana sy mpampianatra hiaiky ny fiankinany amin ny Tompo sy mamporisika azy ireo hiara-hiasa amin ny hafa mba hanatratrarana ny Tanjon ny Seminera sy Institiota. Hoy ny Tompo: Ary tsy misy afaka manampy amin ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana, manana finoana, fanantenana ary fiantrana, mahonon-tena amin ny zava-drehetra na inona na inona hankinina hotandremany (F&F 12:8). Ireo mpampianatra sy mpianatra tsirairay dia manana fahafahana sy andraikitra hitarika sy handrindra ny fandaharam- Ny fiantrana dia mahari-po sady pampianarana sy ireo loharano maro samihafa araka ny malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy tokony ho izy. Manana tanjona ara-panahy ireo andraikitra mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mikasika ny fitantanana, dia ny hitahy ny olona tsirairay. mora hantsina, tsy mihevitra ratsy, tsy Manan-danja daholo ao anatin ny andraikitra mikasika ny mifaly amin ny tsy fahamarinana fa mifaly kosa amin fitantanana ny fanomanana teti-bola, famenoana ireo tatitra, ny fahamarinana, mizaka ny zavatra rehetra, mino ny fitandrovana ny fananan ny Fiangonana sy ireo loharanompitaovana, fakana antoka ny fisian ny fiarovana, ary ny fana- zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra raha-maso ny fandaharam-pampianarana,... fandraisana anjara amin ny filankevitra, [ary fifandraisana amin ireo (Môrônia 7:45) mpianatra, ray aman-dreny, ary mpitarika ao amin ny fisoronana] (Administering Appropriately: A Handbook for CES Leaders and Teachers [2003], 2). Nampianatra ny Loholona Henry B. Eyring hoe: Aza ambaniana velively ny lanja ara-panahin ny fanaovana tsara ny zavatra ara-nofo ho an ireo izay tompoinao ( The Book of Mormon Will Change Your Life [Fivorian ny manam-pahaizana ao amin ny DFF momba ny Bokin i Môrmôna, 17 Aog. 1990], 7). Ny ezaka ataontsika dia manampy ireo ray aman-dreny amin ny andraikitr izy ireo hanamafy ny fianakavian izy ireo. [1.4.2] Ny andraikitra voalohan ny ray aman-dreny dia mampianatra ireo zanany ny filazantsaran i Jesoa Kristy, manara-maso ny fivoarany ara-tsôsialy, ny fifandraisana amin ny tsirairay, ny fitsipika arahina eo amin ny akanjo sy bika aman endrika, ary mamaly ireo fanontaniana mikasika ny fotopampianarana. Manampy ireo ray aman-dreny amin izany andraikitra izany ireo mpitarika ao amin ny Fiangonana. Ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin ny seminera sy institiota dia manao ho lohalaharana ny fanampiana ireo ray aman-dreny amin ny alalan ny fampianarana ireo mpianatra ny filazantsaran i Jesoa Kristy araka izay hita ao amin ny soratra masina sy ny tenin ireo mpaminany, ka manamafy ny maha-zava-dehibe ara-potopampianarana ny fianakaviana ary ny tokony haha-lohalaharana ambony indrindra ny fiaraha-mientan'ny mpianakavy hataon ireo olona ao fianakaviana (jereo ny Administering Appropriately, 4). Ny mpampianatra dia tokony hamporisika ireo mpianatra hanaja ny ray aman-dreniny sy hikatsaka torohevitra ary fitarihana avy amin ny amandreniny. Afaka mizara amin ireo ray aman-dreny ny zavatra nampianarina tany an-dakilasy koa ireo mpampianatra. 10
22 Ny Tanjona Miara-miasa akaiky amin ny mpitarika ao amin ny fisoronana isika rehefa manasa ireo mpianatra handray anjara sy rehefa manamboatra tontolo manentana ny ara-panahy mba hahafahan ireo mpianatra mifandray sy miara-mianatra. [1.4.3] Ireo fandaharam-pampianarana rehetra ao amin ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia sahanina eo ambany fitarihan ny mpitarika ao amin ny fisoronana eo an-toerana sy maneran-tany izay mihazona ny fanalahidin ny fisoronana mifanentana amin izany. Ao anatin ny ezak izy ireo hitahy ny zatovo sy ny tanora mbola tsy manambady sy efa manambady, dia zava-dehibe ho an ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin ny seminera sy institiota ny fiarahana miasa akaiky sy ao anatin ny fifarimbonana amin ireo mpitarika ao amin ny fisoronana eo antoerana. Eo ambany fitarihan ny mpitarika ao amin ny fisoronana dia mivory sy miara-miasa izy ireo mba hanaovana izay hanasana sy hamporisihana ny zatovo sy ny tanora mbola tsy manambady sy efa manambady tsirairay mba hisoratra anarana, hanatrika ary hahavita ireo taranjam-pianarana tokony hatao. Tokony hiara-hiasa mavitrika amin ireo mpitarika ao amin ny fisoronana ireo mpampianatra sy mpitantana amin ny alalan ny fikatsahana hanoratra anarana sy hihazona ireo mpianatra ao amin ny seminera sy institiota ary tsy tokony hionona hampianatra ireo mpianatra izay tonga manatrika ny fotoam-pampianarany fotsiny. Miaraka amin ireo lalàna sy dingana voapetraka ireo, dia miara-miasa akaiky koa amin ireo mpitarika ao amin ny fisoronana ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin ny seminera sy institiota mba hanomezana toerana sy fitaovana ho an ireo kilasy ary tontolo hivelarana ara-panahy sy ara-tsôsialy araka ny tokony ho izy, ka afaka ny hatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ary hitombo ny fahalalana ny filazantsara ao anatin izany. Tokony hanaraka ny lalàna manan-kery arahan'ny seminera sy institiota ireo mpampianatra sy mpitantana ary tokony hila hevitra amin ireo mpitarika ao amin ny fisoronana eo an-toerana mikasika ny karazany sy ny isan ireo fiaraha-mientana ara-tsôsialy sy miompana amin ny fanompoana, mba hanohana izany fa tsy hanohitohina ny fiaraha-mientana efa voarindra sy tarihin ireo mpitarika ao amin ny fisoronana sy ireo mpitarika ao amin ny vondrona fanampiny. Tokony hiara-hiasa ao anatin ny fifarimbonana amin ireo mpitariky ny Zatovolahy sy Zatovovavy koa ireo mpampianatra sy mpitantanana ary mamporisika araka ny tokony ho izy ny tanora handray anjara amin ny fandaharan asa Adidy amin Andriamanitra (Devoirs Envers Dieu) sy ny Fivoarana ho an ny Tena Manokana (Mon Progrès Personnel). Raha azo atao dia tokony hila hevitra amin ireo mpampianatra ny tanora, mpanoro hevitra azy ireo ary mpitarika azy ireo hafa mikasika ny zavatra ilain izy ireo ny mpampianatra ao amin ny seminera. (Mba hahazoana fampahalalana amin ny antsipiriany kokoa momba ireo fitsipika sy fomba fanao eo amin ny fitantanana ny seminera sy institiota dia jereo ny boky torolalana Administering Appropriately.) 11
23 2 Notes Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Ny Tanjon ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara dia manolotra tanjona telo fototra izay tokony ho ezahin ireo mpitantana sy mpampianatra ny hanatratrarana azy mba hahafahana manatontosa ny tanjon ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara: 1. Ampianarintsika ny mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara hita ao amin ny soratra masina ary ny tenin ireo mpaminany. 2. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin' ny fomba izay mitarika any amin' ny fahatakarana sy fiorenana mafy. 3. Manampy ny mpianatra isika mba hanatontosan izy ireo ny andraikiny ao anatin ny dingan ny fianarana sy manomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin ny hafa. Mba hanatratrarana ireo tanjona ireo dia amporisihana manokana ireo mpampianatra sy mpianatra ao amin ny seminera sy institiota mba hampihatra Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Ireo mpampianatra sy mpianatra dia tokony Hampianatra sy hianatra amin ny alalan ny Fanahy. Hanorina tontolo fianarana hanjakan'ny fitiavana sy ny fifanajana ary misy tanjona. Handalina ny soratra masina isan andro ary mamaky ny lahatsoratra mifandray amin ny lesona. Hahatakatra ny tantara sy ny votoatin'ny soratra masina sy ny tenin' ireo mpaminany. Hamantatra sy hahatakatra ary hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe an' ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary hampihatra izany. Hanazava, hizara, ary hijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara. Hifehy ireo andalan-tsoratra masina manan-danja sy ireo fotopampianarana fototra. Ireo fitsipika sy fomba fanao ary ny vokany ireo dia mifandray. Miteraka fananan ny mpianatra fahafahana mahatakatra ny soratra masina sy ireo fotopampianarana ary fitsipika hita ao anatiny ireo zava-manan-danja ireo raha ampiharina amim-pahendrena sy ampifandrindrana tsara. Mamporisika ireo 12
24 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara mpianatra koa izy ireo mba handray anjara mavitrika amin ny fianaran izy ireo ny filazantsara sy hampitombo ny fahafahan ireo mpianatra miaina ny filazantsara sy mampianatra izany amin ireo hafa. Hampianatra sy hianatra amin ny alalan ny Fanahy [2.1] Ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia miseho amin ny alalan ny herin ny Fanahy Masina. Mitranga ny fampianarana sy fianarana amin ny alalan ny Fanahy rehefa manao ny anjara asany na ny andraikiny miaraka amin ireo mpampianatra sy mpianatra na miaraka amin izy roa ny Fanahy Masina. Amin ny alalan ny fampianarana sy fianarana amin ny alalan ny Fanahy ihany no ahafahan ireo mpianatra mahatakatra sy miantehatra amin ny fampianaran i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany amin ny fomba izay ahafahan izy ireo mahazo ny fiainana mandrakizay. Nanantitrantitra ny anjara toerana lehibe hazonin ny Fanahy Masina ao amin ny fianarana ara-panahy ny Filoha Henry B. Eyring rehefa nampianatra izy hoe: Raha tsy ampianarina amin ny alalan ny Fanahy Masina ireo mpianatsika dia tsy afaka mahafantatra an Andriamanitra ary noho izany dia tsy afaka mitia araka ny tokony itiavan izy ireo Azy. Amin ny alalan ny Fanahy ihany no ahafahan izy ireo mahafantatra fa tia antsika tokoa Andriamanitra ka nandefa ny Zanakalahiny ho avotra noho ny fahotantsika ary i Jesoa no Zanakalahin Andriamanitra, ary nanonitra ny saran ny otantsika i Kristy. Amin ny alalan ny Fanahy ihany no ahafahan izy ireo mahafantatra fa niseho tamin i Joseph Smith ny Ray any an-danitra sy ny Zanakalahiny efa nitsangana tamin ny maty sy be voninahitra. Amin ny alalan ny Fanahy ihany no ahafahan izy ireo mahafantatra fa tena tenin Andriamanitra ny Bokin i Môrmôna. Ary amin ny alalan ny fanentanam-panahy ihany no ahafahan izy ireo mahatsapa ny fitiavan ny Ray sy ny Zanaka azy ireo tamin ny alalan ny fanomezana antsika ireo ôrdônansy ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Amin ny alalan ny fahazoana ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ihany, izay mitoetra lalina ao am-pony amin ny alalan ny Fanahy Masina, no ahafahan izy ireo miorim-paka ao amin ny fototra azo antoka mba hijoroana mafy rehefa miatrika fakampanahy sy fitsapana eo amin ny fiainan izy ireo ( To Know and to Love God [takariva niarahana tamin ny Filoha Henry B. Eyring, 26 Feb. 2010], 2). Ity lisitra manaraka ity dia ahitana ny asan ny Fanahy Masina sasantsasany izay mifandray mivantana amin ny anjara asany eo amin ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara: Mijoro ho vavolombelona momba an Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy Izy (jereo ny 1 Korintiana 12:3; Etera 12:41). Mankahery (mampitraka na mamolavola ara-panahy) an ireo mpampianatra sy mpianatra Izy (jereo ny 1 Korintiana 14:12; F&F 50:22 23; 84:106). Mandrotsaka ny vokatry ny Fanahy Izy, izay ahitana ireo zavatra toy ny fifaliana, fitiavana, fiadanana, faharetana, ary hatsarampanahy (jereo ny Galatiana 5:22 23; Romana 15:13; F&F 6:23; 11:12 13). 13
25 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Manome hery ny olona iray hiresaka miaraka amin ny fahefana sy fahasahiana Izy (jereo ny 1 Nefia 10:22; Almà 18:35; Môrônia 8:16). Mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara Izy (jereo ny Jaona 15:26; F&F 21:9; 100:8). Manome fahamarinana, fahalalana, hevi-baovao, fahatakarana ary fahazavan-tsaina Izy (jereo ny Jaona 16:13; 1 Korintiana 2:9 11, 14; F&F 6:14; 11:13 14; 76:5 10, 116). Manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hahatsiaro ireo hevitra, fisaintsainana na fitsipiky Izy (jereo ny Jaona 14:26). Manentana ny fanahin ny olona iray momba ny zavatra tokony holazaina na tsy tokony holazaina Izy (jereo ny Lioka 12:11 12; 2 Nefia 32:7; F&F 84:85; 100:5 6). Mitondra ny fahamarinana ao am-pon ireo olona Izy (jereo ny 2 Nefia 33:1). Manalefaka ny fon ireo olona Izy (jereo ny 1 Nefia 2:16; Almà 24:8). Manome fampionona Izy (jereo ny Jaona 14:26; F&F 88:3). Manamasina sy manova ny fo Izy (jereo ny Môsià 5:2; 3 Nefia 27:20; Môrônia 6:4). Raha vao mahatakatra ny anjara asa manan-danja tanterahin ny Fanahy Masina eo amin ny fianarana ara-panahy izy ireo dia hanao izay azony hatao ireo mpampianatra mba hanasana ny Fanahy hanatanteraka ireo anjara asany ireo. Mba hanaovana izany dia hiezaka ny hanana fahamendrehan ny tena manokana ireo mpampianatra. Hanolotra vavaky ny finoana izy ireo (F&F 42:14) ary hikatsaka ny ho vonona tanteraka ho an ny lesona tsirairay. Hikatsaka ny hifantoka amin ny traikefa ara-pianaran ireo mpianany izy ireo ary hanana fahatoniana ao am-pony fa tsy hahatsapa fiahiahiana na fitebitebena mikasika ny zavatra hafa. Haneho fanahin ny fikatsahan-javatra amim-panetren-tena izy ireo. Hamporisika ireo mpianany hanasa ny Fanahy Masina ao anatin ny fotoana ianarany koa izy ireo. Afaka manampy amin ny fanorenana tontolo iray ahafahana mahatsapa ny Fanahy Masina ireo mpampianatra sy mpianatra amin ny alalan ny: Fanaovana fivoriam-bavaka manentana ny fanahy. Famakiana sy fampianarana ny soratra masina sy ny tenin ireo mpaminany. Fifantohana amin ireo ohatra sy fifanakalozan-kevitra mikasika ny Mpamonjy sy ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba Azy. Filazana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin ny fomba tsotra sy mazava. Fakana fotoana hisaintsainana lalina mandritra ireo fotoam-pahanginana tena tsara. Fizarana zavatra niainan ny tena manokana araka ny tokony ho izy sy fijoroana ho vavolombelona amin ireo fotopampianarana sy fitsipika. Fampiasana hira mamelona ny fanahy. Fanehoana fitiavana sy fankasitrahana eo amin ny tsirairay sy ho an ny Tompo. 14
26 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Afaka mahatsapa ireo mpampianatra raha toa ka mitranga na tsia ao amin ny kilasin izy ireo ny fiasan ny Fanahy amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Moa ve mahatsapa fitomboam-pitiavana ho an ny Mpamonjy, sy ny filazantsara ary ny soratra masina ireo mpianatra? Moa ve mahatakatra mazava tsara ireo fitsipika nampianarina ireo mpianatra? Moa ve mahazo hery ireo mpianatra ary mahatsapa fa mahazo fanentanam-panahy mba handray andraikitra eo anatrehan ireo fitsipika izay nianarany? Moa ve mitombo ny firaisan-kinan ny mpianatra? Moa ve zaraina sy mihamatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona? Moa ve liana sy mandray anjara amin ny dingan ny fianarana ireo mpianatra? Moa ve misy fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamorampanahy, hatsaram-panahy ary finoana (Galatiana 5:22) ao ampianarana? Zava-dehibe ny fahatsiarovana fa tsy misy mpampianatra afaka mahasolo ny asan ny Fanahy, na dia manana talenta sy mahatoky toy ny ahoana aza. Indraindray ireo mpampianatra dia mety manandrana mamorona zava-miseho iray ara-panahy. Nampianatra ny Loholona Boyd K. Packer hoe: Tsy azonareo terena ny zavatra ara-panahy.... Ny Fanahy dia tsy azonareo terena mba hiasa bebe kokoa mihoatra ny tsy fahafahanareo manery ny tsaramaso mba hitsimoka, na ny atody mba ho foy alohan ny fotoanany. Afaka manorina tontolo iray hisian ny fivoarana, fikarakarana ary fiarovana ianareo saingy tsy afaka ny hanery na hibaiko: tsy maintsy miandry ny fivoarana ianareo ( Candle of the Lord, Ensign, Jan. 1983, 53). Ny tontolo voaomana tamim-pilaminana tsara dia zava-dehibe tokoa raha tianareo ny hanatrehan ny Fanahin ny Tompo mandritra ny fotoam-pianaranareo. (Jeffrey R. Holland, Teaching and Learning in the Church [worldwide leadership training meeting, 10 Feb. 2007], Ensign, Jiona 2007, 91) Ireo mpampianatra izay mikatsaka ny hampianatra amin ny alalan ny Fanahy dia tsy tokony hiantehitra voalohany indrindra amin ny faharanitan-tsainy, na ny fahaizany mampianatra, na ny maha izy azy fa tokony hiantehitra kosa amin ny fitarihan ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 4:34). Tokony hialan izy ireo ny manamboamboatra fiontanam-po na manandrana amim-panahy iniana mampitomany ho fanehoana fa manatrika eo ny Fanahy. Nampitandrina ny Filoha Howard W. Hunter hoe: Mihevitra aho fa raha tsy mitandrina isika amin ny... maha-mpampianatra antsika izay mampianatra isan andro ao an-dakilasy, dia mety manomboka manandrana maka tahaka ny tena fitarihana marin ny Fanahin ny Tompo isika amin ny alalan ny fomba tsy mendrika sy mifono fanerena hanaraka ambokony. Lasa miahiahy aho rehefa ampitoviana amin ny fanatrehan ny Fanahy ny fisehoan ny fiontanam-po mahery vaika na ny fitomaniana be. Marina fa afaka mitondra fahatsapana mahery vaika ny Fanahin ny Tompo, isan izany ny ranomaso, kanefa izany fisehoana ivelany izany dia tsy tokony hafangaro amin ny fanatrehan ny Fanahy mivantana ( Eternal Investments [takariva niarahana tamin ny Filoha Howard W. Hunter, 10 Feb. 1989], 4). 15
27 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Tokony hitandrina ireo mpampianatra amin ny fampiasana andian-teny toy ny hoe Nilaza tamiko ny Fanahy fa... na Nilaza tamiko ny Fanahy fa tokony.... Ireo andian-teny ireo na atao fanahy iniana na tsia, dia azo raisina ho toy ny fanindrahindrana ny tena sy azo lazaina fa fanambonimboniana tafahoatra ny ara-panahy ary mety hiteraka fanerena ny olona hanao zavatra noho ny fiainam-panahinareo. Amin ny ankapobeny dia ampy ho an ireo mpampianatra ny manao zavatra araka ny bitsiky ny Fanahy ary tsy ilain izy ireo ny milaza fa manao izany izy ireo. Nanolotra izao torohevitra izao ny Loholona Henry B. Eyring: Ny fanaovana izay ahatsapan ny mpianatra ny Fanahy dia zava-dehibe lavitra noho ny firesahana mikasika izany. Ary fantaro fotsiny fa ny olona tsirairay dia mahatsapa ny Fanahy amin ny fomba samihafa.... Mihevitra aho fa zavatra an ny tena manokana mihitsy izany ka aleoko mitandrina ihany eo amin ny fanandramana hilaza amin ny antsipiriany loatra momba izany. Ataoko fa ny zavatra iainana miaraka amin izany... dia ho tsaratsara kokoa noho ny filazana foana hoe: Mahatsapa ny Fanahy ve ianareo? Mieritreritra aho fa mety tsy hahomby loatra izany ( Dinidinika niarahana tamin ny Loholona Richard G. Scott sy ny Loholona Henry B. Eyring [CES satellite training broadcast, Aog. 2003], 8). Tokony hitazona ao an-tsainy ireo mpampianatra fa ny fampianarana araka ny Fanahy dia tsy manaisotra ny andraikitr izy ireo hanomana lesona amimpahavitrihana sy amim-pitandremana, ary tafiditra ao anatin izany ny fampiasana ny fandaharam-pampianarana izay natolotra. Etsy ankilan izany, ny fampianarana araka ny Fanahy dia mitaky mihoatra ny fanarahana fotsiny ny torolalana araka ny fandaharam-pampianarana rehetra fa mila arahana vavaka sy fandinihana na fampifanarahana ny lesona amin ny zavatra izay mety ilaina. Ankoatra izany dia tsy tokony hifantoka be amin ny fanarahana amin ny fomba henjana ny rindran-damin ny lesony ireo mpampianatra ka lasa tsy misokatra handray sy hanaraka ny fitarihana avy amin ny Fanahy mandritra ny fotoam-pampianarana. Mandrindrà toeram-pianarana hanjakan ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona [2.2] Mivoatra ny fianarana rehefa tia sy manaja ny Tompo ireo mpampianatra ary mifankatia sy mifanaja ary tia sy manaja ny tenin Andriamanitra. Ny fahatsapana iraisan ny rehetra fa te-hanatratra tanjona dia mampifantoka amin ireo ezaka sy zavatra antenaina ary manome fitarihana mikasika ny zavatra iainana ao am-pianarana. Sady andraikitry ny mpampianatra no an ireo mpianatra ny manorina sy mikolokolo toeram-pianarana ahitana fitiavana, fanajana ary tanjona toy izany ary manasa ny fitarihan ny Fanahy Masina izay manome hery. Fitiavana sy ny Fanajana [2.2.1] Manalefaka ny fo sy manasa ny fitarihan ny Fanahy Masina ny fitiavana. Rehefa mitia tahaka ny nitiavan ny Mpamonjy ireo mpampianatra dia mahita ny hafa toy ny fahitan ny Mpamonjy azy ireo. Mitaona ny mpampianatra iray tsy hilavo lefona amin ny fanampiana ny zatovolahy sy zatovovavy tsirairay hiova fo tanteraka ny toetra tahaka ny an i Kristy. Nampianatra 16
28 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: Rehefa nantsoina hampianatra isika dia tokony hanaiky ny antsontsika ary hampianatra noho ny fitiavantsika an Andriamanitra Ray Mandrakizay sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy. Ankoatra izany, dia tokony hampianatra amim-pitiavana hatrany an ireo mpianatra ny mpampianatra ny filazantsara.... Ny fitiavana an Andriamanitra sy ny fitiavana ny zanany no antony faratampony hanaovana asa fanompoana. Ireo izay mampianatra amim-pitiavana dia handrianina ho toy ny fitaovana eo am-pelatanan ilay tompoin izy ireo ( Gospel Teaching, Ensign, Nôv. 1999, 79). Ireo mpampianatra sy mpianatra izay tia ny Tompo sy mahafantatra ny fitiavany azy ireo dia manana faniriana marina ny te-ho akaiky Azy sy ho tonga bebe kokoa tahaka Azy. Izy ireo dia maneho fanajana sy voninahitra ny teniny sy ny tenin ireo mpaminaniny amin ny fomba izay mamporisika azy ireo handalina ny soratra masina amim-pahazotoana, hampihatra ny zavatra nianarany ary hizara ny zavatra ianarany amin ny hafa. Rehefa tsapan ireo mpianatra fa tian ny mpampianany sy ireo mpianatra hafa izy ireo ary hajainy dia tena ho tonga ao an-dakilasy ary ho vonona hianatra. Ny fandraisana sy fitiavana tsapan izy ireo avy amin ny hafa dia afaka manalefaka ny fony, mampihena ny tahotra ao aminy, ary miteraka faniriana ao anatiny sy fahatokian-tena ilaina mba hizarana amin ny mpampianany sy ireo mpianatra hafa ao an-dakilasy ireo zavatra niainany sy ireo fahatsapana ananany. Afaka mikolokolo ny fahatsapan ireo mpianatra fitiavana sy fanajana ho an ny Tompo ireo mpampianatra amin ny alalan ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny Sorompanavotana, sy amin ny alalan ny fampianarana azy ireo an ireo toetra masina ananany sy ny maha-sarobidy mandrakizay azy ireo ho an ny Ray any an-danitra sy ny Zanakalahiny, ary amin ny alalan ny firesahana sy fijoroana ho vavolombelona momba Azy Ireo amin ny fomba feno fanajana sy mifanentana amin izany. Tokony hampitombo ny fitiavany sy ny fanajany an ireo mpianany ireo mpampianatra. Hanampy azy ireo hampiseho ny fitiavana madion i Kristy ho an ireo mpianany sy hanampy azy ireo hampianatra amim-paharetana sy amim-pangorahana ny fanaovana izany. Ireo mpampianatra dia afaka mamantatra ny anaran ireo mpianatra ary mikatsaka ny hahafantatra ny zava-mahaliana azy ireo, ny talentany, ny fanamby atrehiny ary ny fahazaimanaony. Afaka mivavaka ho an ireo mpianany izy ireo, ho an izy rehetra mitambatra sy ho an ny tsirairay avy amin izy ireo. Afaka mandray ny mpianatra tsirairay ao am-pianarana ireo mpampianatra ary manome fahafahana ny mpianatra tsirairay mba handray anjara. Tokony hihaino tsara izy ireo rehefa mametraka fanontaniana na mizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ireo mpianatra. Ankoatra izany, ireo mpampianatra dia afaka manatrika fampisehoana, fifaninana ara-panatanjahan-tena na hetsika hafa izay andraisan ireo mpianany anjara. Ao anatin ny ezaka ataon izy ireo mba haneho fitiavana an ireo mpianany dia tsy tokony hanandrana haka ny toeran ireo ray aman-dreny na mpitarika ao amin ny fisoronana na ho tonga mpanoro hevitra manokana ho an ireo mpianatra ny mpampianatra. 17
29 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Ny ankamaroan ireo mpampianatra dia hanana mpianatra Na dia miteny amin ny fitenin ny ao an-dakilasiny izay, amin ny ampahany, dia voafetra ny fahafahany manao zavatra na manana fahasembanana arabatana na ara-tsaina. Zanaky ny Ray any an-danitra koa izy olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina ireny ary mila mianatra ny filazantsara na manao ahoana na maneno sy kipantsona mikarantsana manao ahoana ny olana na ny tsy fahafaha-manao zavatra aho. sasantsasany atrehany eto amin ny fiainana an-tany. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: Ireo saina sy Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala fanahy rehetra nalefan Andriamanitra tety amin izao tontolo ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana izao dia heverina fa afaka hivoatra (Teachings of Presidents rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho of the Church: Joseph Smith [2007], 210). Mila antra fo ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana amin ny mpianatra rehetra sy mahafantatra ny zavatra fitiavana dia tsinontsinona aho. ilain ny tsirairay sy ny fahaiza-manaony ireo mpampianatra rehefa manomana sy mizara ny lesony. (1 Korintiana 13:1 2) Ny iray amin ireo zavatra tena manampy indrindra azon ireo mpampianatra atao mba hananana fitiavana marina an ireo mpianany dia ny fikatsahana ny fanomezam-pahasoavan ny fiantrana amin ny alalan ny vavaka amin-kitsimpo. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: Mivavaha amin ny Ray amin ny herin ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin izany fitiavana [fiantrana] izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanara-dia marina an i Jesoa Kristy zanany (Môrônia 7:48). Fahatsapana Te-Hanatratra Tanjona [2.2.2] Ny fahatsapana te-hanatratra tanjona izay samy ananan ny mpampianatra sy mpianatra dia afaka mampitombo ny finoana sy manome fitarihana sy lanja ny zavatra iainana ao am-pianarana. Tokony hahatakatra ireo mpianatra fa manatrika ny fianarana izy ireo mba hahafahany mahafantatra ny Ray any an-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy ary mba hivoarany mankany amin ny fiainana mandrakizay amin ny alalan ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin ireo mpaminany. Tokony hino izy ireo fa amin ny alalan ny fanatonana ny Tompo ao anatin ny toe-tsaina vonona hangataka sy hivavaka no ahafahan izy ireo ho ampianarina sy ho atanjahana amin ny alalan ny Fanahy Masina. Rehefa manao ny fandalinana ny soratra masina miaraka amin ny fanantenana hianatra amin ny alalan ny Fanahy sy avy amin izy samy izy ireo mpampianatra sy mpianatra dia mandrindra tontolo izay manasa ny fahazoana fanambarana izy ireo. Afaka mamporisika ny hisian ny fahatsapana te-hanatratra tanjona ao ampianarana ireo mpampianatra amin ny alalan ny fanaovana izao manaraka izao: Manantena ny mpianatra hahatontosa ny anjara asany amin ny mahampandranto fahalalana azy. Misy ny fahatsapana te-hanatratra tanjona ao am-pianarana rehefa manantena ny hahatontosan ireo mpianatra ny andraikiny amin ny maha-mpianatra azy ireo mpampianatra sy manampy azy ireo amin ny fanaovana izany ary rehefa hatokisana ny mpianatra fa hitondra anjara biriky manan-danja. Ireo mpampianatra izay manana fahatsapana te-hanatratra tanjona, izay tia marina ny mpianany, dia handray an-tanana tokoa ny fivoaran izy ireo sy ny fahombiazan izy ireo ka tsy ho afa-po amin ny ezaka kely monja. Ny mpampianatra toy izany dia hamporisika ireo mpianany 18
30 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara amim-pitiavana sy hampahery azy ireo mba hanatratrarany ny zavatra mety ho vitany amin ny maha-mpianatra sy mpanara-dia an i Jesoa Kristy azy ireo. Aoka ianareo hahitsy fo, entanim-pitiavana sy hahery mikasika ny soratra masina sy ny filazantsara. Manana faniriana bebe kokoa hianatra miaraka amin ny fananana tanjona ireo mpianatra amin ny ankapobeny rehefa tsapany ny fientanentanan ny mpampianany sy ny finoany mikasika ilay zavatra resahina. Manomana lesona mankahery. Rehefa tonga ao am-pianarana miaraka amin ny lesona tsara omana sy mankahery ireo mpampianatra ary manana fahatokian-tena amin ilay torolalana izay nasaina narahan izy ireo dia mampita fahatsapana te-hanatratra tanjona izy ireo izay mora fantatry ny mpianatra. Manomana ireo zavatra sy fitaovana ilaina. Tokony ho tonga ao ampianarana alohan ireo mpianatra ny mpampianatra mba hanomana ireo zavatra sy fitaovana ilaina. Manome fahafahana ho an ireo mpampianatra handray tanana tsirairay ireo mpianatra izany eo ampahatongavan izy ireo. Tokony hiezaka ny ho tonga ara-potoana ao am-pianarana ireo mpianatra ary hanana ireo fitaovana ilaina toy ny soratra masina, pensilihazo fanasiana marika, sy diary eo ambony latabany rehefa manomboka ny fampianarana. Misoroka ny fandaniam-potoana. Rehefa manomboka ara-potoana ny fotoam-pianarana ary rehefa tsikaritr ireo mpianatra fa tsy misy fotoana lanilaniana fotsiny amin izao dia hahatsapa te-hanatratra tanjona izy ireo. Mametraha fomba fiasa mahazatra ao am-pianarana. Mitondra fahatsapana filaminana sy fahatsapana te-hanatratra tanjona ny fametrahana fomba fiasa mahazatra ho an ireo asa atao miverimberina matetika ao am-pianarana. Mamporisika ny fandraisana anjaran ny mpianatra tsirairay ireo fomba fiasa mahazatra ary manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hahomby kokoa amin ny fampiasana ny fotoam-pianarana izay sarobidy. Azo atao ny mametraka fomba fiasa mahazatra ho an ireo asa atao toy ny fakana sy famerenana amin ny toerany ireo soratra masina sy fitaovam-pianarana, fandrindrana sy fanasiana fivoriam-bavaka mankahery ary fizarana sy fanangonana ireo taratasy sy fitaovana. Ny fanaovana filazana, firaketana ny anaran ireo mpianatra manatrika, fijerena ireo asa nampanaovina ary fanatanterahana asa hafa atao dia tena tsara raha atao alohan ny fivoriam-bavaka sy ny lesona. Torohevitra Fanampiny Mikasika ny Fandrindrana Toeram-pianarana Mifanaraka amin ny Tokony Ho Izy [2.2.3] Ankoatra ny fitiavana, fanajana ary tanjona, ny tontolo tena enti-mandalina ny filazantsara koa dia ahitana filaminana, fanomezam-boninahitra ary fahatsapana fiadanana. Nampianatra ny Loholona Boyd K. Packer fa tonga mora foana ao amin ny toerana milamina ny fitaomam-panahy, ary mampirotsaka fanambarana ny fanehoam-panajana ( Reverence Invites Revelation, Ensign, Nôv. 1991, 21 22). Voatanisa manaraka eto ireo torohevitra fanampiny sasantsasany izay azon ny mpampianatra ampiasaina hanorenana sy hihazonana tontolo iray izay mandrisika ny fianarana ny filazantsara. 19
31 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Alamino ireo fitaovana enti-mandalina. Afaka hisy fiantraikany eo amin ny zavatra iainan ireo mpianatra ao amin ny fandalinany ny filazantsara ireo fitaovana manodidina azy. Tokony hanao izay rehetra vitany hanomanana ny efitrano fianarana ireo mpampianatra mba hahazoan ireo mpianatra aina tsara sy hahafahany mifantoka amin ny lesona. Ireo zavatra sasantsasany tokony hojerena dia mety ahitana ny: Seza. Tokony hanana seza fipetrahana tsara ny mpianatra tsirairay, toerana ho an ireo soratra masiny sy fitaovana fandalinana ary latabatra hanoratana, afa-tsy amin ny toe-javatra tena tsy azo anoarana ihany. Ny lamin ireo seza dia tokony hamela ireo mpianatra hahita mora foana ny mpampianatra sy ireo fitaovana jeren ny maso izay ampiasain ny mpampianatra. Raha mety dia azo arindra amin ny fomba samihafa ny fomba fipetrahana mba hanohanana ireo asa fandalinana samihafa. Ny fametrahana ny mpianatra amin ny seza efa voarindra dia afaka manampy ireo mpampianatra hahalala haingana ny anaran ireo mpianatra, handamina ny mpianatra ho vondrona kely na hanao fifehezana soratra masina, ary hanasaraka ireo mpianatra izay be resaka mandritra ny fotoam-pianarana. Tokony hanampy ireo mpianatra izay mety tsy afa-mihetsika firy na tsy mahita tsara ireo mpampianatra amin ny alalan ny fikarakarana fipetrahana izay mamporisika ny fandraisan izy ireo anjara mandritra ny fotoam-pianarana. Zavatra manelingelina. Tokony hiezaka hanala izay zavatra manelingelina mety hampiato ny dingan ny fampianarana sy ny fianarana ireo mpampianatra. Raha any an-trano no atao ny fampianarana dia mety hisy olana manokana vitsivitsy, kanefa na dia ao anatin izany toerana izany aza dia afaka mampihena ny fampiatoatoana ireo mpampianatra raha manao drafitra tsara. Endriky ny efitrano fianarana. Afaka manatsara ny toeram-pianarana ireo sary mikasika ny filazantsara, sarisary ary peta-drindrina sy zavatra ampirantiana hafa. Mamporisika ny fisian ny fanehoam-panajana ihany koa ny efitrano fianarana madio sy milamina ary miteraka tontolo iray izay ahazoana ny fitarihan ny Fanahy. Bika aman endriky ny mpampianatra. Ho vonona hahatsapa bebe kokoa ny lanjan ny zavatra iainana ara-pianarana ireo mpianatra raha toa ka maotina sy mifanaraka amin ny tokony ho izy ny akanjo sy ireo kojakoja anaovan ny mpampianatra ary maneho ny toetra masin ny hafatry ny filazantsara. Asao ny Fanahy amin ny alalan ny fivoriam-bavaka mahomby. Tokony hanomboka amin ny fivoriam-bavaka fohy ny fotoam-pianarana. Afaka ho fomba tena tsara hampiraisana hina ireo mpianatra ny fivoriam-bavaka amin ny alalan ny fampitodihana ny eritreriny sy ny fony amin ny zavatra arapanahy. Afaka manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hahatsapa ny Fanahy sy ho vonona ny hianatra izany. Amin ny ankapobeny ny fivoriam-bavaka dia ahitana fihirana, vavaka ary vatsim-panahy avy amin ny soratra masina. Tena mahomby izany rehefa mizara ny zavatra tsapany sy ny hevibaovao izay azony avy tamin ny fandalinany manokana ny 20
32 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara soratra masiny ireo mpianatra sy mizara ny fijoroan izy ireo ho vavolombelona. Ireo fivoriam-bavaka lava sy be antsipirian-javatra loatra dia tsy vitan ny hoe maka ny fotoana izay natokana ho an ny lesona fotsiny fa mety hampisitaka ny Fanahy koa. Ireo fivoriam-bavaka izay ahitana fandrosoana ody ambava fo dia azo antoka fa hahatonga toe-tsaina goragora sy te hifalifaly fa tsy toe-tsaina mikatsaka ny ara-panahy akory. Tokony hanokana fotoana hiresahana amin ireo mpianatra ireo mpampianatra, indrindra amin ireo mpitarika ao an-dakilasy, mikasika ny tanjon ny fivoriam-bavaka, ny zavatra azon izy ireo atao mba hahatonga azy ireo ho olona tsara kokoa ary ny fomba ahafahan izy ireo mamporisika ny fandraisana anjaran ny tsirairay. Ifanakalozy hevitra ireo fitsipiky ny fandalinana ara-panahy. Afaka mampandray anjara ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika an ireo fepetra ilaina hampisy fandalinana ara-panahy ireo mpampianatra any amin ny fanombohan ny taona (jereo ny 1 Korintiana 2:10 11; F&F 50:17 22; 88:121 26). Ireo fifanakalozan-kevitra ireo dia azo ampifantohana amin ireo toetra izay manasa ny Fanahin ny Tompo hiaraka amin izy ireo mandritra ny fandalinana ny filazantsara ary koa ireo toetra izay mahatonga ny Fanahy hisitaka. Ireo mpampianatra sy mpianatra dia tokony hifamporisika tsy tapaka hampihatra ireo zavatra eken izy ireo fa hanasa ny Fanahy. Ny ezaka toy izany dia afaka manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra hahatakatra sy hanatontosa ny anjara asany eo amin ny fanasana ny Fanahy mandritra ny dingan ny fandalinana. Safidio amim-pitandremana ireo asa fandalinana atao. Tokony ho fantatr ireo mpampianatra fa ireo asa fandalinana samihafa dia miteraka toe-tsaina sy toe-panahy samihafa eo amin ireo mpianatra. Ohatra, taorian ny fanatanterahana kilalao mampitabataba iray izay mifono fampianarana tany amin ny fiandohan ny fotoam-pianarana dia sorisorena ny mpampianatra iray rehefa tsy afaka namarana ara-panahy kokoa ny lesona izy. Hitan ny mpampianatra iray fa nitombo ny tsy fanarahana ny fitsipi-pifehezana rehefa nizara ody am-bava fo nandritra ny fotoam-pianarana izy. Diniho tsara ny fihetsiky ny mpianatra ary mandraisa andraikitra mifanaraka amin izany. Tokony ho hitan ireo mpampianatra ny zavatra mitranga mandritra ny lesona ary tokony handray andraikitra mifanentana amin izany izy. Raha toa ka monamonaina na mikofokofoka ireo mpianatra dia satria mety tsy ampandraisina anjara izy ireo na tsy takany ny zavatra ampianarina na ny fomba fiantefan ny lesona amin izy ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hifantoka dia mety ilain ny mpampianatra ny manova zavatra eo amin ny fanolorana ny lesona. Raha toa ka manao fihetsika tsy mety loatra ireo mpianatra ary mahatonga ny Fanahy hisitaka mandritra ny fotoam-pianarana dia mila mikatsaka fanentanam-panahy mba hiatrehana ilay olana ny mpampianatra fa tsy hoe minia tsy mahita izany. Tokony handray an-tanana an ireo mpianatra izay tsy mifandray amin ireo mpianatra hafa na toa manirery koa ireo mpampianatra. Mety mila fiahiana manokana fanampiny avy amin ny mpampianatra na avy amin ireo mpianatra hafa ao am-pianarana ireo mpianatra ireo. Ao anatin ny toe-javatra toy izany dia afaka miresaka amin ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin ny fisoronana ireo mpampianatra mba hamantarana raha misy anton-javatra na fepetra hafa izay tokony ho fantatr izy ireo. 21
33 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Aza avela velively hisy olana iray mila vahana ho lasa manan-danja kokoa noho ny olona iray mila tiavina. (Thomas S. Monson, Finding Joy in the Journey, Ensign na ny Liahona, Nôv. 2008, 86) Ahitsio ireo fihetsika mikorontandrotana sy tsy araka ny tokony ho izy. Misy fitsipika sasantsasany amin ny ankapobeny tokony hatao ao an-tsaina izay hanampy ny mpampianatra iray hampanjaka ny filaminana sy ny fanajana ao am-pianarana. Ny hoe milamina dia tsy midika ho fahanginana tanteraka ary tsy midika koa izany hoe tsy mahafinaritra sy tsy mahafaly ny fotoam-pianarana iray. Kanefa mety hisy fiantraikany ratsy eo amin ny dingan ny fandalinana sy hanakana ny fitarihan ny Fanahy Masina ny fisian ny mpianatra na vondron ny mpianatra manakorontana na tsy maneho fanajana. Rehefa misy mpianatra na vondron ny mpianatra manao fihetsika tsy mety dia mety hahasorena ny mpampianatra sy ireo mpianatra hafa izany. Amin ny fotoana toy izany dia zava-dehibe ho an ireo mpampianatra ny mifehy ny fihetseham-pony ary mikatsaka ny fitarihan ny Fanahy. Angamba zava-dehibe kokoa noho ilay toe-javatra miseho ny fahaizan ireo mpampianatra miatrika izany ary afaka mampitombo na mampihena ny fanajana sy fahatokian ireo mpianatra. Rehefa manitsy ireo fihetsika tsy mety ny mpampianatra dia mila hentitra izy ireo saingy mila feno fitiavana sy tsy miangatra ary maneho fiahiana, ary avy eo dia miverina manohy ny lesona haingana. Ny fanalana baraka mpianatra iray ampahibemaso dia mety hanova ny fihetsiky ny mpianatra iray mandritra ny fotoana fohy fa tsy hampahery na ny mpampianatra na ny mpianatra. Mety hiteraka fahatahorana na tsy fahatokiana ny mpampianatra eo amin ireo mpianatra hafa koa izany. Tokony ho tsaroan ireo mpampianatra ny fitarihana marin ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, ary ny halemem-panahy (jereo ny F&F 121:41 42). Misy dingana sasantsasany manokana azon ireo mpampianatra arahana mba hiatrehana ireo olana rehefa mitranga izy ireo. Ireto misy fomba fiatrehana azo atao mba hamahana ireo olana izay mety tsy hitovy ny fomba fiasany amin ny mpianatra na ny toe-javatra tsirairay: Banjino tsara izy ireo. Matetika ireo mpianatra no mifampiresaka amin ny fotoana tsy tokony hanaovana izany satria mieritreritra izy ireo fa tsy hahatsikaritra izany ny mpampianatra. Afaka manopy ny maso any amin ireo mpianatra ny mpampianatra ary mibanjina tsara azy ireo mandritra ny fotoana fohy mba hahafahantaran izy ireo fa fantatry ny mpampianatra ny zava-mitranga. Mijanona tsy miteny. Raha toa ka miresaka ireo mpianatra nefa tokony hihaino dia afaka mijanona tsy miteny ny mpampianatra, na dia eny anelanelan ny fehezanteny iray aza raha ilaina. Tsy hahavaha ny olana amin ny ankapobeny ny fampiakarana mafy ny feo hanaronana ny feon izy ireo. Manatòna akaikikaiky kokoa. Ny fihetsika iray hafa azon ireo mpampianatra atao mba hanitsiana ny fihetsika nefa tsy voatery manitsy mivantana mpianatra iray dia ny manatona sy mijoro eo akaikin ilay mpianatra mampiseho toetra tsy mety. Afaka manohy ny lesona ilay mpampianatra kanefa mazàna ilay mpianatra dia hahatsapa ny fijoroan ny mpampianatra eo ary hanajanona ny zavatra ataony. 22
34 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Mametraha fanontaniana. Afaka ametrahan ilay mpampianatra fanontaniana mifandraika amin ny lesona ilay mpianatra manakorontana ka tsy aseho azy hoe tsikaritra ilay fihetsika tsy mety ataony. Tsy natao hanalana baraka ilay mpianatra akory izany fa mba hanampiana azy hiverina indray ao anatin ny fifanakalozan-kevitra. Mety hisy fotoana tsy hanarahan ireo mpianatra ireo ezaka atao tsy tonga dia mivantana ireo ary hanohizany ny fanakorontanana ny fotoam-pianarana. Ireto manaraka ireto misy dingana fanampiny sy mivantana kokoa izay azon ny mpampianatra iray atao hitandroana ny filaminana: Miresaha mitokana amin ilay mpianatra. Nilaza ny Tompo fa raha misy olona nanafintohina olona iray hafa dia tokony hiresaka amin ilay olona nanafintohina ilay olona tafintohina ary halainao izy ary hitokana ianareo (F&F 42:88). Afaka mifanakalo hevitra amin ilay mpianatra ny mpampianatra mikasika ny antony hanaovany izany fihetsika tsy mety izany ary mampahafantatra azy fa tokony hovaina izany fihetsika izany na hisy dingana fanampiny horaisina. Tokony hataon ireo mpampianatra izay hanavahana ilay fihetsik ilay mpianatra amin ilay fananany ny maha izy azy manokana. Zava-dehibe tokoa ho an ireo mpampianatra ny mitadidy fa lehibe ny hasarobidin ny olona eo imason Andriamanitra (F&F 18:10). Tokony ampahafantarin izy ireo an ilay mpianatra fa na dia tsy azo ekena aza ilay fihetsika tsy mety dia manan-danja izy. Ireo mpampianatra dia tokony hahatsiaro hanaraka ny torohevitry ny Tompo sy hampiseho fitiavana sesehena amin ilay nitsinao (F&F 121:43). Saraho toerana ireo mpianatra mahatonga ny tsy filaminana. Miresaha amin ireo ray aman-dreny na ny mpitarika ao amin ny fisoronana. Raha mbola mitohy ny fihetsika tsy azo ekena dia matetika manampy ireo mpampianatra ny firesahana amin ny ray aman-drenin ilay mpianatra. Mazàna ireo ray aman-dreny no afaka manome fomba fijery sy hevitra fanampiny izay hanampy amin ny fanitsiana ilay olana. Ao anatin ny toe-javatra sasantsasany dia mety afaka hanampy ny evekan ilay mpianatra. Alao tsy hanatrika ilay fotoam-pianarana ilay mpianatra. Nanome izao torohevitra manaraka izao ho an ireo mpampianatra ny Filoha David O. McKay: Raha toa ka tsy mahomby ny [ezaka ataonareo], dia afaka mitodika any amin ireo ray aman-dreny ianareo ary milaza hoe: Raha mbola mitohy izao fihetsiny izao dia tsy maintsy hanatsahatra ny fanatrehany ny fianarana izahay. Fanapahan-kevitra tena fara-tampony izany. Afaka manala [mpianatra] iray ny mpampianatra rehetra, saingy tokony hataonareo daholo aloha ireo fomba hafa rehetra alohan ny hahatongavana amin izany. Kanefa tsy maintsy mitandro ny filaminana isika! ilaina eo amin ny fivoaran ny fanahy izany, ary raha tsy manaiky ny [mpianatra] iray, na raha tsy manaiky ny [mpianatra] anankiroa mba hanao izany zavatra takiana izany dia tsy maintsy miala izy ireo. Tsara kokoa ny hampanoana ara-panahy ny [mpianatra] iray mihoatra ny fanapoizinana tsikelikely ny mpianatra rehetra ( Guidance of a Human Soul The Teacher s Greatest Responsibility, Instructor, Sept. 1965, 343). 23
35 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Raha toa ka tsy miova ireo [mpianatra] ireo dia angamba tsy afaka ny hampianatra azy ireo avy hatrany ianao fa afaka kosa mitia azy ireo. Ary raha tianao izy ireo androany dia angamba azonao ampianarina izy ireo rahampitso. (Jeffrey R. Holland, Teaching and Learning in the Church, 102) Tokony hila hevitra amin ny ray aman-dreny, tompon andraikitry ny seminera sy institiota, ary ireo mpitarika ao amin ny fisoronana mifanentana amin izany ny mpampianatra alohan ny hampitsaharana mpianatra iray tsy hanatrika ny fianarana mandritra ny fotoana voafetra. Ao anatin ny toe-javatra toy izany dia zava-dehibe ny fanampian ny mpampianatra ireo mpianatra sy ireo ray amandreny hahatakatra fa nisafidy ny hiala amin ny seminera ilay mpianatra tamin ny tsy fisafidianany haneho fomba amampanao azo ekena. Ilay fanakorontanana no tsy azo ekena fa tsy ilay mpianatra akory. Rehefa misafidy ny hanao izany ilay mpianatra dia horaisina hiverina hanatrika ny fotoampianarana indray izy. Halalino isan andro ny soratra masina ary mamakia ny lahatsoratra mifandray amin ny lesona [2.3] Halalino isan andro ny soratra masina [2.3.1] Ny fandalinana ny soratra masina isan andro dia manome fahafahana tsy tapaka ho an ireo mpampianatra sy mpianatra hianatra ny filazantsara, hampitombo ny fijoroany ho vavolombelona ary hihaino ny feon ny Tompo. Hoy ny Tompo ao amin ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: Ny soratra masina dia omena amin ny alalako ho fianaranareo (F&F 33:16). Nampianatra ny mpaminany Nefia fa ireo izay mibosesika handroso... ka mivoky amin ny tenin i Kristy ary maharitra hatramin ny farany,... dia hahazo ny fiainana mandrakizay (2 Nefia 31:20) ary ny tenin i Kristy;... [dia] hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo (2 Nefia 32:3). Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fandalinana isan andro ny soratra masina ireo mpaminanin ny andro farany. Nampitandrina ny Filoha Harold B. Lee hoe: Raha tsy mamaky ny soratra masina isan andro isika dia hihamanify ny fijoroantsika ho vavolombelona, tsy hiorim-paka ny ara-panahintsika (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 66). Nampianatra koa ny Loholona Howard W. Hunter hoe: Azo antoka fa ny olona izay mandalina ny soratra masina isan andro dia hahatontosa zavatra bebe kokoa noho ny olona izay manokana fotoana ela hanaovana izany ao anatin ny iray andro ary avy eo dia tsy manao mandritra ny andro maro alohan ny hanohizany izany indray ( Reading the Scriptures, Ensign, Nôv. 1979, 64). Niangavy ny Loholona Richard G. Scott hoe: Mba hareheto ao an-tsaina sy ao am-pon ny tanora tsirairay izay sarobidy ny fitiavana ny soratra masina. Areheto ao anatin ny tanora tsirairay ilay lelafo tsy mety maty izay mamporisika an ireo izay nahatsapa izany hanam-paniriana ny hahafantatra lalandava ny tenin ny Tompo, hahatakatra ny fampianarany, hampihatra azy ireo ary hizara azy ireo amin ny hafa.... Voalohany, miaraha manao dingana tsikelikely amin ny mpianatrao amin ny alalan ireo andinin-tsoratra maron ny teny masin ny Tompo. Ampio 24
36 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara izy ireo hahatsapa ny fientanentananao mikasika ny soratra masina ary ny fanajanao sy ny fitiavanao izany. Faharoa, ampio izy ireo hianatra hamaky, hisaintsaina, ary hivavaka mitokana mba hahita ny hery sy fiadanana izay mirotsaka avy amin ny soratra masina ( Four Fundamentals for Those Who Teach and Inspire Youth [ Fivorian ny manam-pahaizana ao amin ny DFF momba ny Testamenta Taloha, 14 Aog. 1987], 5). Misy zavatra vitsivitsy azon ireo mpampianatra atao izay ho fitaomana mahery vaika sy maharitra kokoa hitarika any amin ny tsara eo amin ny fiainan ireo mpianany noho ny fanampiana azy ireo hianatra hitia ny soratra masina sy handalina azy ireo isan andro. Izany matetika dia miantomboka amin ny fanehoan ireo mpampianatra ohatra amin ny fandalinana ny soratra masiny isan andro eo amin ny fiainany manokana. Ahafahan ireo mpampianatra manolotra fijoroana ho vavolombelona manokana amin ireo mpianany mikasika ny lanjan ny soratra masina eo amin ny fiainan izy ireo manokana ny firobohana lalina sy manokana ao amin ny fandalinana isan andro ny soratra masina. Ny fijoroana ho vavolombelona toy izany dia afaka ny ho tonga fomba manan-danja hanampy ireo mpianatra hanolo-tena handalina mitokana ny soratra masina tsy tapaka. finoana. Alohan ny hampahatanjahanao ny mpianatrao dia zava-dehibe ho anao ny mandalina ireo fotopampianaran ny fanjakana sy mianatra ny filazantsara amin ny alalan ny fandalinana sy ny (Ezra Taft Benson, The Gospel Teacher and His Message [lahateny natao ho an ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin ny DFF, Sept. 17, 1976], 3) Tokony hampianatra tsy tapaka ireo fotopampianarana sy fitsipika avy amin ny fandalinana ny soratra masina manokana amin ireo mpianatra ireo mpampianatra. Afaka mamporisika koa ny mpianatra tsirairay hanokana fotoana iray isan andro handalinana manokana ny soratra masina, manampy ireo mpianatra ho tompon andraikitra amin ny fandalinany isan andro amin ny alalan ny fampiasana fomba fanaraha-maso mifanentana amin izany izay ahafahana mandrefy ny zava-bitany ary manome fahafahana tsy tapaka an ireo mpianatra ao am-pianarana mba hifampizara ireo zavatra nianarany sy tsapany tao anatin ny fandalinany manokana ny soratra masina ireo mpampianatra. Rehefa mamporisika ny fandalinana ny soratra masina isan andro ireo mpampianatra dia tokony hitandrina mba tsy hanao izay hahamenatra na hahakivy ireo mpianatra izay manana fahasarotana amin ny fanatanterahana ny fandalinany manokana ny soratra masina. Ireo mpianatra manana olana eo amin ny famakiana na olana hafa eo amin ny fandalinana dia tokony ho tolorana ny safidy handalinana ny soratra masina amin ny endriny izay mety hifanentana kokoa amin ny zavatra ilain izy ireo, toy ny rakipeo, Teny Tanana, na ny Soratra ho an ny jamba. Mahazo tombontsoa avy amin ny fanarahana ireo pejy vita printy ireo mpianatra izay manana fahasarotana eo amin ny famakiana rehefa misy olona hafa mamaky amin ny feo mafy. Raketo lalandava ao an-tsainareo ny tenin ny fiainana. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85) Ireo fomba enti-mandalina ny soratra masina Afaka manampy ireo mpianatra hampivelatra sy hampiasa fomba enti-mandalina ny soratra masina maro samihafa ireo mpampianatra mba hanampiana azy ireo hahomby eo amin ny fandalinany manokana ny soratra masina. Ireto fomba manaraka rehetra ireto, ary koa ireo hafa izay tsy voaresaka ao anatin ity boky torolalana ity dia tokony hatao mba hanampiana ireo 25
37 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA mpianatra hianatra amin ny alalan ny Fanahy, hahatakatra ny soratra masina ary hahita sy hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara eo amin ny fiainan izy ireo. Ampiasao ireo fitaovana fandalinana soratra masina. Nanomana fitaovana maro dia maro ho an ny fandalinana ny soratra masina ny Fiangonana ary nampiditra azy ireo ao anatin ny soratra masina ankatoavin ny Fiangonana ho an ireo fiteny sasantsasany. (Ny Torolalana ho an ny Soratra Masina dia amboaram-pitaovana enti-mandalina izay nomanina ho an ireo fiteny hafa.) Ireo fanampiana ireo dia ahitana zavatra toy ny fanovozan-kevitra eny amin ny farany ambanin ny pejy, sasintenin ny toko, lohahevitra araka ny abidia, ny Rakibolana ho an ny Baiboly, ary ireo sarintany. Anisan ireo fanampiana tena sarobidy tokoa azon ireo mpampianatra sy mpianatra izany rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Afaka manampy ny mpianany hizatra hampiasa ireo fitaovana enti-manampy amin ny fandalinana sy loharano ireo ny mpampianatra amin ny alalan ny fampiasana azy ireo araka ny tokony ho izy mandritra ny fotoam-pianarana. Nametraka loharano enti-mandalina hafa izay manampy ao amin ny tranonkala koa ny Fiangonana. Mariho sy asio fanamarihana. Ny iray amin ireo fomba tena manampy indrindra ahafahan ireo mpampianatra sy mpianatra mahazo an-tsaina sy mitadidy ireo zavatra nianarany dia amin ny alalan ny fanasiana marika sy fanamarihana eo amin ny soratra masina. Ny hoe manisy marika dia manondro, mampiavaka, manokana na misarika ny saina amin ny zavatra iray. Izany dia azo atao amin ny alalan ny fanipihana, fanasiana loko na fanavahana ireo teny na andinin-teny manan-danja ao amin ny soratra masina. Ny hoe manisy fanamarihana dia midika hoe manampy fanazavana na fanehoan-kevitra. Mety ho tafiditra ao anatin ireo ohatra eo amin ny fanamarihana ara-tsoratra masina ny fanoratana ny zavatra tsapan ny tena, fanamarihana mifono faminaniana, andinin-tsoratra masina mifandray, famaritana teny, na hevi-baovao azo avy amin ny fanamarihana nozarain ny mpianatra izay soratana eny amin ny faritra tsy misy soratra eny amin ny sisin ny pejy ho an ireo andinin-tsoratra masina manokana. Ny fanasiana marika sy fanamarihana ny soratra masina dia afaka manampy ireo mpianatra sy mpampianatra: Ataovy izay hanamorana ny fitadidiana sy ny fitadiavana ireo teny manan-danja, andian-teny, fahamarinana, olona ary zava-nitranga. Hazavao sy tadiavo ny dikan-javatra ao amin ny lahatsoratry ny soratra masina. Hazony ireo zava-baovao hitan ny tena manokana ary ireo izay azon ny hafa. Miomana mba hampianatra ny filazantsara amin ny hafa. Afaka mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ny soratra masiny ireo mpampianatra amin ny fitenenana hoe: Eo am-pikarohanareo ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manasa anareo aho hanisy marika ny fitsipika 26
38 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara manan-danja izay hitanareo ao, na hoe Ity izao misy andinintsoratra masina mifandray izay manan-danja. Azonareo atao ny manoratra izany eo amin ny sisin ny soratra masinareo izany. Tsara kokoa ny mampianatra, maneho an-tsary sy mampihatra ireo singa fototra hita ao amin ny fanasiana marika ireo soratra masina mandritra ny taona noho ny mampianatra fomba iray manokana fanasiana marika. Saintsaino. Ny dikan ny hoe misaintsaina dia mamakafaka na mieritreritra lalina mikasika ny zavatra iray, ary matetika arahina vavaka. Rehefa mianatra misaintsaina ireo mpianatra mandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina dia matetika ny Fanahy no hanambara ny fahamarinana amin izy ireo ary hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba ahafahan izy ireo ho lasa bebe kokoa tahaka an i Jesoa Kristy. Taorian ny nampianarany ireo Nefita dia nilaza tamin izy ireo ny Mpamonjy hoe: Saintsaino ny zavatra izay efa nolazaiko (3 Nefia 17:3). Fomba iray hanampiana ireo mpianatra handray anjara ara-panahy ao amin ny lesona sy hamporisika azy ireo hampihatra sy hampahalalina ny fahatakarany ny zavatra nianarany ny fanomezana azy ireo fotoana hisaintsainana mikasika ny zavatra nianarany mandritra ny fotoam-pianarana. Amin ny fotoana tahak izany dia tokony hamporisika ireo mpianatra hangataka fanampiana avy amin ny Tompo ireo mpampianatra. Mametraha fanontaniana. Ny fianarana mametraka fanontaniana sy ny fikatsahana valiny eo am-pandalinan izy ireo Asao hamaky miadana kokoa sy ny soratra masina dia iray amin ireo fomba manan-danja indrindra enti-mandalina azon ireo mpianatra ananana. amim-pitandremana kokoa ary miaraka amin ny fanontaniana bebe kokoa ao Amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana, ireo mpianatra dia afaka mahazo fahatakarana tsara kokoa an ireo tantara an-tsaina [ireo mpianatrao]. Ampio izy ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny, ary hahita sy hahatakatra koa fotopampianarana sy fitsipika manan-dan- tsirairay sy ny zavatra sarobidy ara-tsoratra masina tsi- ireo hisaintsaina, handinika ny teny jan ny filazatsara. Afaka mianatra mametraka fanontaniana rairay. Ampianaro izy ireo mba hitaratra izany amin ny izay hitarika azy ireo hahafantatra ny fahamarinana sy ny hazavana ary hanodinkodina izany, handinika sy hijery maha-zava-dehibe ny zavatra ianarany ary hahafantatra ny hoe inona no hita taratra tsara ao ary inona no hita fomba ampiharana izay nianarany ireo mpianatra. Farito ireo teny sy andian-teny sarotra. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo teny sy andian-teny sarotra matetika ny rakibolana, ny boky fandalinan ny mpianatra, ny fanovozan-kevitra eny amin ny farany ambanin ny pejy ary ireo fitaovam-panampiana amin ny fandalinana ny soratra masina. Makà sary an-tsaina. Mitranga izany rehefa alain ny mpianatra sary ao an-tsaina ny zava-mitranga ao amin ilay tantara ao amin ny soratra masina. Ohatra, azon ireo mpianatra alaina sary an-tsaina i Petera mandeha eny ambony rano manatona ny Mpamonjy (jereo ny Matio 14:28 29), na ny nanipazana an i Sadraka sy Mesaka ary i Abednego tao anatin ny lafaoro misy afo mirehitra (jereo ny Daniela 3:19 25). Ny fakana sary an-tsaina dia afaka manampy hahatonga ny tantara ao amin ny soratra masina hazava kokoa sy ho toy ny nisy marina ho an ireo mpianatra. Mampihara ny soratra masina. Ny atao hoe mampihatra ny soratra masina dia mampitaha ny zava-mitranga ao amin ny soratra masina amin ny taratra mivilana. Ho an ireo mpianatra sasany, ny fanaovana fanadihadihana toy izany, amin ny andro iray manokana noho ny zavatra ilaina manokana, dia mety ahafahana mahita zava-tsoa miafina ao amin ny saha iray: voahangy lafo vidy iray; voahangy sarobidy iray. (Jeffrey R. Holland, Students Need Teachers to Guide Them [CES satellite broadcast, June 20, 1992], 4) 27
39 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA fiainan ny tena manokana. Afaka manontany tena ireo mpianatra hoe: Inona ireo toe-javatra sy zava-mitranga eo amin ny fiainako izay mitovy amin ireo toe-javatra sy zava-mitranga ao amin ity andinin-tsoratra masina ity? na hoe Ahoana no itoviako amin ilay olona izay halalinina ato amin ity soratra masina ity? Rehefa hitan ireo mpianatra ny fitoviana misy eo amin ny zavatra iainan izy ireo sy ireo voalaza ao amin ny soratra masina dia ho afaka ny hamantatra tsara kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izy ireo. Afaka mahita ny fomba ahafahana mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin ny toe-javatra mitovy izay mitranga eo amin ny fiainany manokana koa izy ireo. Soratra masina mifandray. Ny atao hoe soratra masina mifandray dia andinin-tsoratra masina fanampiny izay afaka manome fampahalalana sy hevibaovao mikasika ilay andinin-tsoratra masina izay nohalalinina. Ny hoe mampifandray soratra masina na mampitohy dia fampifandraisana ireo andinin-tsoratra masina izay manampy ireo mpianatra hahatakatra andinintsoratra masina na fotopampianarana na fitsipika iray. Ireo soratra masina mifandray izay manampy dia mety ho hita eny amin ny fanovozan-kevitra eny amin ny farany ambanin ny pejy ao amin ny fitaovam-panampiana hafa enti-mandalina, ao amin ny boky fampianarana sy fandalinan ny mpianatra ary ao amin ireo lahatenin ny fihaonamben ny Fiangonana. Afaka mahita soratra masina mifandray manan-danja ihany koa ireo mpampianatra sy mpianatra mandritra ny fandalinany manokana. Manaova fampitahana sy fampifanoherana. Matetika no mazava ny andinin-tsoratra masina na fotopampianarana na fitsipika iray rehefa ampitahaina na ampifanoherana amin ny zavatra hafa. Ny fanavahana ny fitoviana na ny fahasamihafana eo amin ireo fampianarana, na olona, na zava-niseho dia afaka manome lanja lehibe kokoa ny fahamarinan ny filazantsara. Ohatra, ny fijerena ny zavatra mifanohitra teo amin ny fitondran ny Mpanjaka Benjamina sy ny an ny Mpanjaka Noà dia ahafahan ireo mpianatra mahita mazava tsara ny fitahiana avy amin ny fananana mpitarika marina sy ireo voka-dratsy avy amin ny mpitondra ratsy fanahy. Ny fampitahana ny fiainana, fampianarana, ary fijoroana ho vavolombelon i Jakoba sy i Almà amin ny fotokevitra sy ny fiainan i Serema sy Kôrihôra dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra mora kokoa ny fampianaran-diso eto amin izao tontolo izao ankehitriny ary hahita ny fomba hanoherana azy ireny. Ny fampitahana sy fijerena ny zavatra mifanohitra ao anatin ireo dia maro samihafa tany amin ireo tany nampanantenaina nataon ny zanak i Isiraely, i Lehia sy ny fianakaviany, ary ireo Jaredita dia afaka mampianatra fitsipika izay hanampy ireo mpampianatra sy mpianatra ao anatin ny diany manokana eo amin ny fiainany. Manaova lisitra. Ny lisitra dia fitambaran ireo eritreritra, hevitra na torolalana mifandray. Afaka manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hamantatra ny hevi-baventy izay tian ny mpanoratra antitranterina ny fijerena ireo lisitra avy ao amin ny soratra masina. Ohatra, ny Didy Folo dia lisitra iray (jereo ny Eksodosy 20). Azo raisina ho lisitra ihany koa ny toriteny momba ny Hasambarana (jereo ny Matio 5:3 12; 3 Nefia 12:3 11 ). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 dia ahitana ny lisitr ireo fahamendrehana ho an ireo izay voantso hanompo ny Tompo. Tadiavo ireo fifampitohizana sy lamina, ary lohahevitra. Azo amporisihina hikaroka ireo fifampitohizana, lamina ary lohahevitra ireo mpianatra 28
40 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara rehefa mandalina ny soratra masina. Nilaza ny Loholona David A. Bednar hoe: Ny fikarohana fifampitohizana, lamina ary lohahevitra ao anatin ny fanambarana dia mampiorim-paka ny fahalalantsika ara-panahy sy mampitombo izany.... Mampivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika ny drafitry ny famonjena izany ( A Reservoir of Living Water [CES fireside for young adults, Feb. 4, 2007], 2). Hampiasa ny ankamaroan ireo fomba ireo amin ny ankapobeny ny mpampianatra sy ny mpianatra mandritra ny taona ao am-pianarana. Rehefa manao izany izy ireo dia mety hiato kely indraindray ireo mpampianatra ary hifanakalo hevitra fohy amin ireo mpianatra mikasika ilay fomba izay nampiasaina ary hamporisika azy ireo hampiasa izany ao anatin ny fandalinan ny tenany manokana. Vakio ny lahatsoratra mifandray amin ilay Lesona [2.3.2] Ireo soratra masina ankatoavina rehetra ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ny Bokin i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy dia rakitsoratra azo avy amin ny fanentanam-panahy izay mitahiry ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Maneho ireo asan Andriamanitra miaraka amin ny olombelona izy ireo sy mampianatra mikasika ny Sorompanavotan i Jesoa Kristy. Manan-danja izy ireo rehefa mandeha tsirairay, ary rehefa miaraka dia manome fahatakarana bebe kokoa mikasika ny filazantsara sy ny drafitry ny famonjena izay nomanin ny Raintsika any an-danitra. Tokony hamaky sy handalina ny boky soratra masina iray manontolo izay mifandray amin ny taranja tsirairay ianarana ireo mpianatra sy mpampianatra (afa-tsy ireo ampahany nofantenana avy ao amin ny Testamenta Taloha, arak izay voalaza ao amin ny fandaharam-pampianarana). Manakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny ary ireo tenin ny mpaminany [2.4] Manomana ireo mpampianatra sy mpianatra hahafantatra ny hafatr ireo mpanoratra nentanim-panahy ny fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny ary ireo tenin ny mpaminany. Ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny dia mampazava sy maneho ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara voarakitra ao anatin ireo zavatra niainan ny olon-kafa sy ny fampianarany. Na dia entina ampianarana manokana mikasika ny fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny aza ny ankamaroan ny zava-boalaza manaraka eto dia azo ampiharina amin ny fandalinana ireo teny sy hafatry ny mpaminanin ny andro farany koa ny ankamaroan ireo fitsipika sy hevitra. Tao anatin ny vanimpotoana rehetra, ny Ray any an-danitra dia nanentana ny fanahin ireo lehilahy sy vehivavy voafantina mba hahita, amin ny alalan ny fitarihan ny Fanahy Masina, vahaolana ho an ireo olan ny fiainana izay saro-bahana. Nanentana ny fanahin ireo mpanompo nahazo lalana Izy mba hirakitra ireo vahaolana ireo ho toy ny karazana boky torolalana ho an ireo zanany izay manam-pinoana ao amin ilay drafitry ny fahasambarany sy ao amin ilay Zanaka Malalany Jesoa Kristy. Manana fahafahana hahazoana mora foana izany torolalana izany isika amin ny alalan ilay harena sarobidy izay antsointsika hoe soratra masina ankatoavin ny Fiangonana dia ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ny Bokin i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. (Richard G. Scott, The Power of Scripture, Ensign na ny Liahôna, Nôv. 2011, 6) 29
41 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Tantara ao amin'ny soratra masina [2.4.1] Fantaro ireo lesona ampianarin ny soratra masina. Tokony hianaranao ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao anatin ireo fanoharan ny Mpampianatra ary ny fampitandreman ireo mpaminany. Halalino izy ireny toy ny hoe miresaka aminao, satria ireny no fahamarinana. (Thomas S. Monson, Be Your Best Self, Ensign na ny Liahona, Mey 2009, 68) Manana fomba izay ahatakarako ny soratra masina aho. Manontany aho hoe inona moa ilay fanontaniana izay nahatonga ity valiny ity...? (Joseph Smith, ao amin ny History of the Church, 5:261) Ny tantara ao amin'ny soratra masina dia (1) ireo andalan-tsoratra masina izay mialoha na manaraka ny andinin-tsoratra masina iray na andian andinin-tsoratra masina na (2) ny toe-javatra izay manodidina na toe-javatra izay manome fanazavana mikasika ny andinin-tsoratra masina, na zava-nitranga na tantara iray manokana. Ny tantara ao amin'ny soratra masina dia fitaovana entina hahatakarana ny votoatin ny soratra masina. Manome fampahalalana fototra izay manazava sy mitondra fahatakarana lalina ireo tantara, fampianarana, fotopampianarana, ary fitsipika ao amin ny lahatsoratra ara-tsoratra masina izany. Samy nanoratra araka ny fitarihan ny Fanahy Masina azy ireo mpanoratra soratra masina tsirairay, kanefa ireo rakitsoratra dia mifono sary sy ny kolontsain ny mpanoratra. Mba hahatakarana ireo rakitsorany dia tokony hiditra ao amin ny tontolon izy ireo ao an-tsainy arak izay tratrany ireo mpampianatra sy mpianatra mba hahitan izy ireo an ireo zavatra araka ny fahitan ny mpanoratra azy. Ireto misy ohatra vitsivitsy ahitana karazana tantara ao amin'ny soratra masina. Toe-javatra nisy ara-tantara. Ny fahafantarana fa tao amin ny Fonjan i Liberty i Joseph Smith nandritra ny fandraisany sy fanoratany ireo fizarana 121, 122, sy ny 123 an ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manome lanja sy hery fanampiny ho an ireo fotopampianarana sy fitsipika nampianarina ao amin ireo fizarana ireo izay iresahana zavatra toy ny fizahan-toetra sy ny fampiasana ny hery sy fahefana. Toe-javatra nisy ara-kolotsaina. Ny fahalalana ny hevitra fototra momba ny andro firavoravoana sy ireo andro fetin i Isiraely fahiny dia afaka manazava ny ifandraisan izy ireo ara-tandindona amin ny Mpamonjy sy ny Iraka nampanaovina Azy. Ny fahalalana ny firazanan ireo Samaritana sy ny fomba nandraisan ireo Jiosy azy ireo tamin ny andron i Kristy dia manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fanoharana mikasika ilay Samaritana Tsara Fanahy ary manome lanja ny dikan ny fihaonan ny Mpamonjy tamin ilay vehivavy teo amin ny fantsakana tao Samaria. Ilay fanontaniana na toe-javatra izay niteraka ny fanoharana, na zavanitranga, na fotopampianarana na fitsipika. Ny fahatakarana fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9 dia tonga ho valin ny fangatahan i Oliver Cowdery mikasika ny tsy fahafahany mandika teny dia manazava ireo fitsipika mikasika ny fanambarana izay ampianarina ao amin izany fizarana izany. Iza no miresaka amin iza ary nahoana? Misy dikany lalindalina kokoa ny fampianaran i Almà mikasika ny Sorompanavotana, ny Fitsanganana amin ny maty, ny Fitsarana, ny famindram-po ary ny fahamarinana rehefa fantatsika fa ny tantara ao amin'ireo fampianarana ireo dia vokatry ny fihaonany tamin i Kôriantona zanakalahiny, izay nanana olana mikasika ny voka-dratsin ny fahotana goavana izay nataony. 30
42 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Toe-javatra nisy ara-toetany. Mampitombo ny fahatakarantsika mikasika ny toerana niainan i Lota sy i Abrahama ny fahafantarana ny toetan i Kanana, sy ny fomba niantraikan izay teo amin ireo safidy nataony ary ny fomba niantraikan ireo safidy izay nataon izy ireo teo amin ny fianakaviany. Ireo soratra masina, ireo fitaovana enti-mandalina hita ao amin ny soratra masina ary ny fandaharam-pampianarana amin ny ankapobeny dia ahitana fampahalalana mikasika ny tantara ao amin'ny zavatra iray mba hanampiana ireo mpampianatra sy mpianatra hahatakatra ilay tantara ara-tsoratra masina. Votoatiny [2.4.2] Ny votoatiny dia ny mombamomba ny tantara, ny olona, ny zava-nitranga, ny toriteny ary ny fanazavana nentanim-panahy izay mandrafitra ny lahatsoratra ara-tsoratra masina. Ny votoatin ny soratra masina dia manome aina sy lanja an ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hita ao amin ilay andiantsoratra masina. Ohatra, ilay tantara mikasika ny nahazoan i Nefia ny takelabarahina dia mampianatra ilay fitsipika hoe ny finoana ny Tompo sy ny fihainoana ny Fanahy dia afaka manampy ny olona tsirairay handresy ireo olona izay toa tsy hay vahana. Ny fahatakarana ireo zava-nitranga ao amin ny Eksodosy dia mampazava ny hoe ny fahatokiana ny Tompo sy ny fanarahana mpaminany iray dia afaka mitarika ny vahoaka sy ny firenena handray ny fitahiana nampanantenain ny Tompo saingy ireo fitahiana ireo dia tsy hirotsaka raha toa ka mimonomonona sy tsy mankatò ny olona. Ny fahafantarana ny olona voalaza ao amin ny soratra masina dia afaka manainga sy mamporisika ireo mpianatra hiatrika ireo olana izay atrehiny amim-pinoana sy hiaina amim-pinoana. Toy izao no nampanantenain ny Loholona Richard G. Scott momba ny Bokin i Môrmôna hoe: Hahita finamanana sy ohatra mendrika avy amin i Nefia, Jakoba, Enôsa, Benjamina, Almà, Amôna, Helamàna, Môrmôna, Môrônia ary ireo maro hafa ianao ao anatin izany boky izany. Hamelona indray ny herimpo izy ireo sy hanoritra ny lalana mankany amin ny finoana sy fankatoavana.... Fa ny zava-dehibe kokoa, izy rehetra ireo, tsy misy analana, dia hampitraka ny fahitanao ho any amin ilay namana tsara indrindra ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, Jesoa ilay Kristy ( True Friends That Lift, Ensign, Nôv. 1988, 77). Ireo toriteny izay voatahiry tamim-pitandremana tokoa ao amin ny soratra masina dia ampahany hafa tena manan-danja ao amin ny votoatiny. Ho an ireo mpianatra izay voagejan ny fahotana dia afaka ny ho loharanom-panantenana sy fankaherezana ireo toritenin i Paoly na Almà Zanany. Ny lahateny farany nataon ny Mpanjaka Benjamina tamin ny vahoakany dia mampianatra amin ny fomba mahery vaika ny hery sy ny lanjan ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary manazava ny tanjon ny asa fanompoana, ireo fitahian ny fankatoavana sy ny maha-zava-dehibe ny fanolorana tanana ireo izay mila fanampiana. Afaka mahazo hevitra vaovao manaitra ny saina amin ny alalan ny fandalinana sy fikatsahana ny 31
43 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA hampihatra ny tenin ny Mpamonjy ao amin ny Toriteny teo An-tendrombohitra ireo mpianatra izay miezaka ny ho mpianatr i Jesoa Kristy. Ampahany tafiditra ao amin ny fahatakarana ny votoatiny ny fianarana ny dikan ireo teny sy andian-teny sarotra, ary koa ny dikan ireo fanoharana, sariohatra sy ny sisa. Ohatra, ny fahafantarana ny dikan ireo teny toy ny hoe fanasina (Matio 5:13) na ny mifikira (F&F 11:19; 45:48) ary ny andian-teny toy ny hoe sikino ny valahanareo (F&F 75:22), sy ny kitapom-bola, na kitapom-batsy (jereo ny Lioka 10:4) dia manampy amin ny fanazavana ny lahatsoratra ao amin ny soratra masina. Lasa mora takatra kokoa ireo fitsipika nampianarina ao amin ny fanoharan ny Mpamonjy rehefa fantatra ny dikan ny sariohatra toy ny voahangy lafo vidy (jereo ny Matio 13:45 46), ny varim-bazaha sy ny tsimparifary (jereo ny Matio 13:24 30), ary ilay ondry very (jereo ny Lioka 15:4 7). Eo anatrehan ireo fampahalalana rehetra izay azo ianarana sy ampianarina, ny mpampianatra dia tokony hampiasa fahendrena amin ny famaritana ny fotoana tokony hatokana ho an ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny ary ny fotoana holaniana amin ny fandalinana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Ireo mpampianatra dia tokony hanome fanazavana ampy mikasika ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay izay hita ao amin ny lahatsoratry ny soratra masina, kanefa tsy tokony hanantitrantitra be loatra ny fampahalalana fototra sy antsipiriany toy izany ka hahatonga izany ho lasa votoatin ny lesona. Mamantatra sy manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara, ary mahatsapa ny fahamarinany sy ny lanjany, ary mampihatra izany [2.5] Ny famantarana sy fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hampihatra ireo soratra masina sy tenin ireo mpaminany eo amin ny fiainan izy ireo manokana ary hitarika azy ireo eo amin ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny fahatsapana ny fahamarinana sy ny lanjan ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary ny maha-laharam-pahamehana azy dia matetika hitarika any amin ny fitomboan ny faniriana hampihatra ny zavatra nianarana. Ny fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara dia mitondra ireo fitahiana nampanantenaina, mampitombo ny fahatakarana sy manamafy orina ny fiovam-po ary manampy ireo mpampianatra sy mpianatra ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy. Ny fotopampianarana dia fahamarinana fototra sy tsy miova ao amin ny filazantsaran i Jesoa Kristy. Ireo fahamarinana toy ny hoe manana vatana nofo sy taolana ny Ray any an-danitra, ilaina ny batisa mba hidirana ny fanjakan Andriamanitra, ary hitsangana amin ny maty ny olombelona rehetra dia ohatra amin izany fotopampianarana izany. Ny fitsipika dia fahamarinana maharitra na lalàna azon ny olona iray ampiasaina mba hitarika azy eo amin ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny fitsipiky ny filazantsara dia natao ho an ny rehetra ary manampy ny olona 32
44 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara hampihatra ireo fotopampianaran ny filazantsara eo amin ny fiainana andavanandro. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: Ireo fitsipika dia fahamarinana mitambatra, natambatra mba ho ampiharina ( Acquiring Spiritual Knowledge, Ensign, Nôv. 1993, 86). Midika izany fa mazàna ny fitsipika irain ny filazantsara dia manoro ny asa tokony hatao ary koa ny vokatra aorian izany. Ohatra: afaka manampy antsika handresy ny fakam-panahy ny fivavahana mandrakariva (jereo ny F&F 10:5), ary raha manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina isika dia hanampy antsika hahatontosa ny zavatra andidian ny Tompo antsika Izy (jereo ny 1 Nefia 4). Hisy fotoana izay mety hahasarotra ny hamantatra izay mampiavaka ny fotopampianarana iray amin ny fitsipika iray. Nilaza izao manaraka izao ny Loholona Henry B. Eyring: Raha ny marina dia tsy handany fotoana be loatra aho, hiezaka hanavaka ny fitsipika iray sy ny fotopampianarana iray. Efa nandre fifanakalozan-kevitra toy izany aho izay tsy nitondra vokatsoa loatra ( Training Guidelines and Resources: Loholona Richard G. Scott sy ny Loholona Henry B. Eyring Discussion, [Aog CES satellite training broadcast], 10). Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika [2.5.1] Ny iray amin ireo tanjona fototry ny soratra masina dia ny hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Nanazava ny Filoha Marion G. Romney hoe: Tsy afaka mandalina amin-kitsimpo ny soratra masina ny olona iray raha tsy mianatra ireo fitsipiky ny filazantsara satria nosoratana ny soratra masina mba hitehirizana ireo fitsipika ho tombontsoantsika ( The Message of the Old Testament [Fivorian ny manam-pahaizana ao amin ny DFF momba ny Testamenta Taloha, 17 Aog. 1979], 3). Nampianatra ny Loholona Boyd K. Packer hoe: Ireo [fitsipika] dia hita ao amin ny soratra masina. Izy ireo no singa sy tanjon ireo fanambarana ( Principles, Ensign, Mar. 1985, 8). Ao amin ity fotoampitantanana ity, ny Tompo dia nandidy ireo mpampianatra sy mpitarika ato am-piangonana mba hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hita ao amin ny soratra masina: Ary ankoatra izany, ny loholona, ny mpisorona ary ny mpampianatra ao amin ity fiangonana ity dia hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin ny Baiboly sy ny Bokin i Môrmôna izay ao aminy no misy ny fahafenoan ny filazantsara (F&F 42:12). Mitaky ezaka sy fampiharana feno fahamatorana ny fianarana ny fomba hamantarana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara hita ao amin ny soratra masina. Raha niresaka izany ezaka izany ny Loholona Richard G. Scott dia nilaza hoe: Katsaho ny hahazo ireo fitsipika. Saraho amim-pitandremana amin ireo antsipiriany entina manazava azy ireo izy ireny ( Acquiring Spiritual Knowledge, 86). Indraindray ao am-pianarana dia ho asehon ny mpampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Indraindray ny mpampianatra dia hitarika, hamporisika ary hamela ireo mpianatra hikaroka manokana azy ireo. Tokony hanampy amim-pahavitrihana ireo mpianatra hahazo ny fahaiza-manao hamantarana irery ireo fotopampianarana sy fitsipika ny mpampianatra. Ireo fotopampianarana sy fitsipika sasany dia mora fantarina satria ambara mazava tsara izy ireo. Ny fitsipika ambara toy izany dia matetika ialohavan ny andian-teny toy ny hoe: dia toy izany no ahazoantsika mahita, ary noho 33
45 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA izany, na indro, izay maneho fa angamba ilay mpanoratra ny soratra masina mamintina ny hafany na mamarana. Ohatra, ny Helamàna 3:27 dia milaza hoe: Toy izany no ahazoantsika mahita fa ny Tompo dia feno famindram-po amin ireo rehetra izay hiantso ny anarany masina amin ny fahatsoran ny fony. Milaza ny ao amin ny Almà 12:10 hoe: Ary noho izany, izay manamafy ny fony dia izy no mandray ny ampahany kely indrindra amin ny teny; ary izay tsy manamafy ny fony dia izy no omena ny ampahany betsaka indrindra amin ny teny. Mampianatra ny ao amin ny Efesiana 6:13 hoe: Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo. Voalaza ao amin ny Almà 41:10 ny hoe: Indro, lazaiko aminao, ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana. Maro ireo fitsipika izay tsy lazain ny mpanoratra soratra masina mivantana fa voafono kosa ao anaty teny hafa. Ireo fitsipika voafono ireo dia mety avy amin ny boky soratra masina iray manontolo, na toko iray, na andininy iray monja ary mety hipoitra ao anatin ny tantara na zava-mitranga na fanoharana ao amin ny soratra masina. Ny famantarana ireo fitsipika voafono dia ahitana ny fahafantarana ireo fahamarinana izay aseho ao amin ny tantara ao amin ny soratra masina ary ny filazana azy ireo amin ny fomba mazava sy fohy. Matetika izany no mitaky fotoana sy fisaintsainana tsara. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: Tsy hanenenana ny manao ezaka lehibe amin ny fandaminana ny fahamarinana izay voangontsika ho lasa fanambarana tsotra fitsipika iray ( Acquiring Spiritual Knowledge, 86). Ireo fitsipika voafono dia matetika mety ho hita avy amin ny fifandraisan ny antony sy ny vokany ao anatin ny andiantsoratra masina. Hiharihary kokoa ireo fitsipiky ny filazantsara amin ny alalan ny fanadihadiana ireo asa ataon ny olona tsirairay na vondron olona ao amin ny soratra masina ary ny toe-tsainy, ny fihetsiny, sy amin ny alalan ny famantarana ireo fitahiana na vokatra naterak izany. Mety ho hita koa ireo fitsipika voafono amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana toy izao: Inona no lohahevitra na votoatin ny tantara? Nahoana no nampidirin ny mpanoratra ao ireo zavanitranga na andinin-tsoratra ireo araka ny eritreritrao? Inona no tian ny mpanoratra hianarantsika? Inona ireo fahamarinana fototra sasantsasany ampianarin ity andinin-tsoratra masina ity? Ireo ohatra sasantsasany amin ireo fitsipika voafono dia ahitana izao: Avy amin ireo zava-nitranga teo amin ny fiainan i Almà Zanany na i Paoly: Afaka mitarika ny hafa hahazo ny fitahian ny 34
46 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara filazantsara ny olona iray izay nanaiky ny fahamarinana sy nibebaka tamin ny fahotany (jereo ny Almà 36:10 21; Asan ny Apôstôly 9:4 20). Avy amin ny fanoharana mikasika an ireo virijiny folo: Raha toa ka niomana ara-panahy tamim-pahatokiana isika dia ho vonona rehefa ho tonga ny Tompo; na tsy ho raisin ny Tompo amin ny Fiaviany ireo izay tsy niomana ara-panahy (jereo ny Matio 25:1 13). Avy amin ny tantaran i Davida sy Goliata: Afaka ny handresy ireo olana lehibe eo amin ny fiainantsika isika raha manao asa amin-kerimpo sy amim-pinoana an Andriamanitra (jereo ny 1 Samoela 17:40 51). Ireto misy fomba sasantsasany hanampiana ireo mpianatra hianatra hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianarana: Asao ireo mpianatra hanoratra ny zavatra ianaran izy ireo ao anatin ny fanambarana mifandray amin ny alalan ny: raha toa... dia. Asao ireo mpianatra hanoratra ireo fanambarana ahitana ny ary dia izany no ahazoantsika mahita mba hamintinina ireo fahamarinana izay nianarany. Asao ireo mpianatra hamantatra ireo zavatra nataon ny olona tsirairay ao anatin ilay andian-tsoratra masina ary tadiavo ireo fitahiana na vokatra naterak izany. Amporisiho ireo mpianatra mba hanipika ao amin ny soratra masiny ireo teny na andian-teny manan-danja izay maneho fanambarana fitsipika sy fotopampianarana. Soraty eny amin ny solaitrabe ny fotopampianarana na fitsipika iray avy ao amin ny andian-tsoratra masina iray. Angataho ireo mpianatra hikaroka izany andian-tsoratra masina izany ary hitady ny porofo manamarina izany fitsipika izany. Rehefa hita ireo fotopampianarana sy fitsipika dia zava-dehibe ny filazana azy ireo amin ny fomba mazava sy amin ny fomba tsotra. Mba hahafantarana azy dia tsy maintsy lazaina ilay fahamarinana ary rehefa voalaza amin ny fomba mazava kokoa sy feno bebe kokoa izany dia hanana fahafahana tsara kokoa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amin ny fanahin ny olombelona fa marina ity asa ity [New Witnesses for God, 3 vols. (1909), 2:vii] (B. H. Roberts, ao amin ny James E. Faust, What I Want My Son to Know before He Leaves on His Mission, Ensign, Mey 1996, 41; Preach My Gospel [2004], 182). Fomba iray manampy mba hampazava ireo fahamarinana ireo ao an-tsain ireo mpianatra ny fanoratana ireo fitsipika na fotopampianarana hita eo amin ny solaitrabe na ny fanasana ireo mpianatra hanoratra na hanipika izany ao amin ny soratra masiny. Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika [2.5.2] Ny hoe mahatakatra fotopampianarana na fitsipika iray dia midika fa ireo mpianatra dia mahatakatra ireo fahamarinana hita sy ny fifandraisan izy ireo amin ireo fitsipika sy fotopampianarana hafa ao amin ny drafitry ny Tompo ary ny toe-javatra mety ahafahana mampihatra izany eo amin ny fiainan izy ireo. Rehefa mahatakatra fotopampianarana na fitsipika iray ny mpampianatra na mpianatra iray dia tsy mahafantatra fotsiny ihany ny dikan ny teny izy ireo fa mahafantatra koa ny fomba ahafahan izany hisy fiantraikany eo 35
47 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA amin ny fiainan izy ireo. Raha vantany vao hita sy takatra ny fotopampianarana na fitsipika iray dia azo ampiharina mora kokoa izany. Afaka mampitombo ny fahatakarany ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsaza ireo mpampianatra na mpianatra amin ny alalan ny fikarohana ny soratra masina mba hahitana fampianarana mifandray amin izany na hevibaovao fanampiny, amin ny alalan ny famakiana ireo teny sy fampianaran ny mpaminany sy apôstôlin ny andro farany, amin ny alalan ny fanazavana amin ny hafa ireo fahamarinan ny filazantsara izay nianaran izy ireo, ary amin ny alalan ny fivavahana mba hahazo ny fanampian ny Fanahy Masina. Mihamitombo hatrany ny fahatakarana rehefa ampiharina ireo fitsipika. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo mpampianatra amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana izay mitarika ireo mpianatra hamakafaka ny dikany. Ohatra, avy amin ny tantaran ireo zatovolahy miaramila miisa ao amin ny Bokin i Môrmôna dia afaka mianatra fitsipika isika hoe raha tsy miahiahy isika dia havotan Andriamanitra (jereo ny Almà 56:47 48). Mba hananana fahatakarana lehibe kokoa ny amin ny hevitra ambaran ity fitsipika ity, ireo mpampianatra sy mpianatra dia tokony hametraka ireto fanontaniana ireto: Nahoana no tsy niroanahana ireo zatovolahy miaramilan i Helamàna? Inona no porofo hita eo fa tsy niroanahana ireo miaramila tanora ireo? Ahoana no nanavotan Andriamanitra ireo zatovolahin i Helamàna ireo? Inona ireo karazana ady atrehin ireo tanoran ny Fiangonana ankehitriny? Inona avy ireo fomba sasantsasany entin Andriamanitra hanavotany azy ireo amin ny ady toy izany? Inona no ampianarin ny zavatra niainan i Abinadia, i Joseph Smith, na i Sadraka, i Mesaka sy i Abed-nego antsika mikasika ny hoe inona no dikan ny fanavotana? Avy amin ny tantaran i Namana sy i Elia ao amin ny Testamenta Taloha dia afaka mianatra fitsipika isika hoe raha manetry tena sy vonona ny hanaraka ny torohevitry ny mpaminany isika dia afaka ny ho sitrana (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1 14). Mba hahatakarana ny dikan izany fitsipika izany, ireo mpampianatra sy mpianatra dia tokony hametraka fanontaniana toy izao: Ahoana no hanampian ny fanetren-tena antsika hanaraka ny torohevitry ny mpaminany? Amin ny fomba ahoana no hanampian ny fanetren-tenan i Namana hidio impito antsika hahatakatra ny tena dikan ny hoe manaraka ny torohevitry ny mpaminany? Inona koa ireo zavatra hafa ilaintsika fanasitranana ankoatry ny aretina ara-batana amin izao fotoana izao? Inona avy ireo zavatra sasantsasany nangatahin ireo mpaminany mba hataontsika izay hanasitrana antsika ara-panahy kanefa mety tsy ho takatr izao tontolo izao? 36
48 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Mahatsapa ny fahamarinan ireo fotopampianarana sy fitsipika sy ny maha-zava-dehibe azy ireo [2.5.3] Na dia mety mahita sy mahatakatra ireo fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara aza ireo mpianatra dia matetika tsy ampihariny izy ireo raha tsy efa mahatsapa ny fahamarinany sy ny maha-zava-dehibe azy ireo amin ny alalan ny Fanahy izy ireo ary raha tsy efa mahatsapa fitomboan ny fahamehana hampiditra ilay fitsipika eo amin ny fiainan izy ireo manokana. Nanazava ny Loholona Robert D Hales hoe: Ny tena mpampianatra marina, rehefa avy nampianatra ny zava-miseho [ao amin ny filazantsara]..., dia mitondra [ireo mpianatra] hiroso hanao dingana mba hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy sy fahatakarana ao am-pon izy ireo izay miteraka andraikitra tokony ho raisina sy fanaovana izany ( Teaching by Faith [takariva niarahana tamin ny Loholona Robert D. Hales, 1 Feb. 2002], 5). Afaka hanamafy ao an-tsain ireo mpianatra sy ao am-pony ny lanjan ny fotopampianarana na fitsipika iray ny Fanahy Masina ary afaka manome an ireo mpianatra faniriana mba hampihatra ilay fitsipika sy afaka manome hery hanaovana izany. Ny mpampianatra dia tokony hanao ny ezaka rehetra mba hanamorana ny fiatrehan ny mpianatra tsirairay ao amin ny kilasiny izany zavatra izany. Namporisika ireo mpampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: Hivavaka ve ianareo mba hahazo fitarihana eo amin ny fanaovana izay hampitoetra lalina ao an-tsain ireo mpianatrareo sy ao ampony ny fahamarinana mba ho ampiasainy mandritra ny fiainany manontolo? Raha mikatsaka ombam-bavaka ireo fomba mba hanaovana izany ianareo dia fantatro fa hitarika anareo ny Tompo ( To Understand and Live Truth, [takariva niarahana tamin ny Loholona Richard G. Scott, 4 Feb. 2005], 2). Ny iray amin ireo fomba mahomby indrindra mba hanampiana ireo mpianatra hanasa ny fitarihan ny Fanahy ao am-pon izy ireo sy hanomanana azy ireo hampihatra ny fitsipika nianarany dia ny famporisihana azy ireo handinika an ireo zavatra niainan izy ireo manokana izay misy ifandraisany amin izany fitsipika izany (jereo ny fizarana 5.1.3, Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona ao amin ny pejy 77). Izany dia manampy ireo mpianatra hahafantatra ny fiantraikan izany fitsipika izany teo amin ny fiainan izy ireo na teo amin ny fiainan ny hafa. Ohatra, aorian ny fifanakalozan-kevitra momba ny lalàn ny fahafolonkarena dia mety hametraka fanontaniana ny mpampianatra hoe: Inona avy ireo fitahiana hitanareo teo amin ny fiainanareo na ny fiainan ny hafa avy amin ny fanajana ny lalàn ny fahafolonkarena? Rehefa misaintsaina fanontaniana toy izany ireo mpianatra sy mizara zavatra niainana mifandray amin izany amin ireo mpiara-mianatra dia afaka manampy azy ireo hahita mazava kokoa ireo fitahiana izay noraisiny sy noraisin ny hafa tamin ny alalan ny fiainana fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara izy ireo. Ny Fanahy koa dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin ny fiainan izy ireo. Ireo mpampianatra koa dia afaka mizara tantara marina avy amin ny fiainany manokana na avy amin ny fiainan ny olon-kafa mba hanampiana ireo Ny fomba fampianarantsika ny filazantsara dia tokony hanamafy, mihoatra noho ny teo aloha, ny fahamarinan ny filazantsaran i Jesoa Kristy naverina tamin ny laoniny, ny lanjany, ary ny maha tena laharam-pahamehana azy. Ireo lafinjavatra telo ao anatin ny tanjon ny fampianarana ireo dia manan-danja tokoa satria ny heriny dia hanafaingana ny fiovam-po tanteraka. (Neal A. Maxwell, Those Seedling Saints Who Sit before You [Fivorian ny manam-pahaizana ao amin ny DFF momba ny Testamenta Taloha, Aog. 19, 1983], 2) 37
49 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan ny fiainana ny fitsipika izay ifanakalozana hevitra. Ny mpampianatra dia afaka manome fahafahana ho an ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan ireo fitsipika sy fotopampianarana. Tokony hitady fotoana ahafahana mizara ny fijoroany ho vavolombelona koa ireo mpampianatra. Ankoatra izany, ireo mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan ireo fotopampianarana sy fitsipika amin ny alalan ny fampisongadinana ireo fijoroana ho vavolombelona nozarain ny olona ao amin ny soratra masina sy amin ny alalan ny famakiana na fihainoana ireo fijoroana ho vavolombelona ireo mpaminany sy apôstôlin ny andro farany. Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika [2.5.4] Ny tanjon ny fampianarana ny filazantsara... dia tsy ny handrotsaka fam- miaina arak ireo fitsipika izay nianarany ireo mpianatra. Na- Miseho ny fampiharana rehefa misaintsaina, miteny ary pahalalana ao an-tsain ireo mpianatra. nazava ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny Loholona Richard G. Scott raha nilaza hoe: Ny fomba fandrefesana... Ny tanjona dia ny hanentana ny fanahin ny tsirairay hisaintsaina mikasika tsara indrindra ny fahombiazana izay mitranga ao am-pianarana dia amin ny alalan ny fahitana fa takatra sy nampiharina teo amin ny fiainan ny mpianatra ireo fahamarinana ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara, sy hahatsapa izany ary avy eo handray andraikitra mikasika izany. ( To Understand and Live Truth, 3). (Thomas S. Monson, tao amin ny Conference Report, Ôkt. 1970, 107) Rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin ny fiainany ireo mpianatra dia handray ireo fitahiana nampanantenaina. Hahazo fahatakarana lalindalina kokoa sy fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana na fitsipika izay nampihariny izy ireo. Ohatra, ireo mpianatra izay mihazona ny andro Sabata ho masina dia hanana fahatakarana feno kokoa ny tena dikan izany noho ireo mpianatra izay tsy mitandrina izany. Ireo mpianatra izay mahatoky ny Tompo amin ny fony manontolo (jereo ny Ohabolana 3:5) sy nampatanjahana sy nahazo fankaherezana tao anatin ny fotoam-pahoriana na fitsapana dia manana fahatakarana mazava kokoa mikasika izany fitsipika izany noho ireo izay tsy manao izany. Ny mpampianatra dia tokony hanome fotoana an ireo mpianatra mandritra ny fampianarana mba hisaintsainana, handalinana, na hanoratana mikasika ny zavatra takany sy tsapany ary handinihany an ireo andraikitra tokony horaisiny mba hampiharana izany eo amin ny fiainany. Amin ny fotoana toy izany, ireo mpampianatra dia tokony hamporisika ireo mpianatra mba hangataka fitarihana sy torolalana avy amin ny Tompo. Afaka mifanakalo hevitra mikasika ireo toe-javatra izay mety iainan ireo mpianatra koa ny mpampianatra ary manasa azy ireo hizara hevitra mikasika ny fomba hitahian ny fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara ireo ao anatin ireo toe-javatra ireo ny fiainan izy ireo. Izy ireo dia afaka mandroso hevitra ny mba hametrahan ireo mpianatra tanjona izay afaka hanampy azy ireo hiaina ny fitsipika izay nampianarina. Ireo mpampianatra dia afaka manomana soratra masina iray, na teny nindramina iray, na tononkalo, na ampahan ny fihirana iray mba hozaraina ka ho azon ireo mpianatra entina mody ho toy ny mpampahatsiahy izany fitsipika izany. Mety hisy fotoana ao am-pianarana hanoloran ny mpampianatra na mpianatra fomba ahafahana mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara. Ny ohatra toy izany dia afaka manome fanampiana mahasoa ireo mpianatra mikasika 38
50 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara ireo fomba ampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin ny fiainany andavanandro. Na izany aza anefa dia tokony hitandrina ireo mpampianatra mba tsy hanery loatra eo amin ny fanomezana fampiharana manokana ho an ireo mpianatra. Tsarovy fa ny fitarihana manan-danja indrindra ho an ny fampiharan-javatra ataon ny tena manokana dia tonga amin ny tsirairay amin ny alalan ny aingam-panahy na fanambarana avy amin ny Tompo amin ny alalan ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: Ireo mpampianatra izay nodidiana mba hampianatra ny fitsipiky [ny] filazantsara sy ny fotopampianaran ny fanjakana (F&F 88:77) dia tokony hiala amin ny fampianarana lalàna na fomba fampiharana manokana.... Raha vao nampianatra ilay fotopampianarana sy ireo fitsipika mifandraika amin izany avy ao amin ny soratra masina sy avy amin ireo mpaminany velona ny mpampianatra iray, dia amin ny ankapobeny andraikitry ny tsirairay sy ny fianakaviana ny fomba fampiharana na lalàna manokana toy izany ( Gospel Teaching, 79). Manazava, mizara, ary mijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara [2.6] Manazava ny fahatakaran ny olona iray ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary mampivoatra ny fahaiza-manaony eo amin ny fampianarana ny filazantsara amin ny hafa ny fanazavana ireo fotopampianarana sy fitsipika, fizarana hevi-baovao sy zavatra niainana manokana ary fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana masina. Rehefa manazava sy mizara ary mijoro ho vavolombelona ny mpianatra dia matetika izy ireo voatarika amin ny alalan ny Fanahy Masina hahazo fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa mikasika ireo zavatra izay nozarainy. Afaka hisy fiantraikany manan-danja ao am-po sy ao an-tsain ireo tanora mitovy taona aminy na ireo hafa izay mihaino azy ireo koa ny teniny sy ny hafany amin ny alalan ny herin ny Fanahy Masina. Ireo mpampianatra izay mandalina, manomana ary mampianatra lesona iray amim-pahamatorana sy ombam-bavaka dia lasa mianatra zavatra goavana iray. Izany fitsipika izany dia mahomby koa ho an ireo mpianatra. Rehefa mandalina sy mifampianatra ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara naverina tamin ny laoniny izy ireo dia hahazo fahatakarana lehibe kokoa ary hampatanjaka ny fijoroan izy ireo ho vavolombelona. Manazava [2.6.1] Mitombo ny fahatakarana ny soratra masina rehefa mifanazava ny soratra masina ireo mpianatra sy mpampianatra. Ny fanomanana mba hilaza amin ny fomba mazava sy tsotra ny dikan ny andinin-tsoratra masina iray na fotopampianarana na fitsipika iray dia mamporisika ireo mpampianatra sy mpianatra hisaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ireo, handrindra ny hevitra ao an-tsainy ary hanasa ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo. Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: Mianatra manao zavatra iray isika amin ny alalan ny fanaovana izany. Raha mandalina ny filazantsara isika mba hampianatra izany dia nahazo fahalalana, satria na aiza na aiza toerana hitondrantsika ny fanala mba hanazavana ny lalan ny hafa dia manazava ny antsika manokana koa isika. Rehefa mamakafaka sy nandamina 39
51 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA ny soratra masina isika mba hizarana lesona mirindra ho an ny hafa dia efa nanazava ny saintsika manokana isika. Rehefa manazava izay zavatra efa fantatsika isika dia toa tonga eo amintsika ireo fahamarinana fanampiny izay misokatra ho antsika, sy ny fivelaran ny fahatakarantsika, ary ny fifandraisan-javatra vaovao sy fomba fampiharana vaovao (The Teachings of Spencer W. Kimball [1982], 530). Ny fanomezana fahafahana ho an ireo mpianatra hanazava fotopampianarana na fitsipika iray amin ny olon-kafa dia mamporisika azy ireo hisaintsaina lalina kokoa sy hikatsaka fahatakarana bebe kokoa alohan ny hampianarany ny hafa ny zavatra nianarany. Ny mpampianatra dia afaka mangataka ireo mpianatra hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fananana finoana, ny fanaovana batisa na ny fankatoavana ny lalàn ny fahafolonkarena. Azo asaina ny mpianatra mba hizara amin ny hafa mikasika ny Fahariana, ny Fahalavoana, na ny antony inoany fa ny fianakaviana dia ivon ny drafitry ny Ray any an-danitra. Izany dia azo atao mandeha tsiroaroa na ao anatin ny amin ny vondrona kely, na ao anatin ny tantara lalaovina, na miaraka amin ny mpianatra rehetra, na amin ny alalan ny fanoratana lahatsoratra. Azo atao ihany koa ny manasa ny mpianatra indraindray mba hanazava andinin-tsoratra masina na mampianatra fotopampianarana na fitsipika iray amin ny ray aman-dreny, na amin ny rahalahy na anabavy, na namana iray, na olona miray trano amin izy ireo. Mizara [2.6.2] Tokony ho samy hanana fahafahana hizara ny heviny sy ny fahatakarany sy ireo zavatra niainany manokana koa mikasika ny fotopampianarana na fitsipika iray ireo mpampianatra sy mpianatra. Afaka mitantara ireo zavanitranga izay hitany teo amin ny fiainan ny hafa koa izy ireo. Nilaza ny Filoha J. Reuben Clark Zanany hoe: Zara raha misy ny tanora izay nahavita ny seminera na institiota izay tsy nandray fitahiana ara-panahy, na tsy nahita ny herin ny vavaka, na tsy nanatri-maso ny herin ny finoana manasitrana ny marary, na tsy nahita ireo fitahiana ara-panahy izay tsy tsapan izao tontolo izao amin izao andro izao (The Charted Course of the Church in Education, edisiona nohavaozina [1994], 9). Tokony homena fahafahana hizara ny zavatra niainana toy izany amin ireo mpiara-mianatra ny mpianatra. (Mety mila manampy ireo mpianatra ny mpampianatra hahatakatra fa ny sasantsasany amin ireo zavatra niainana dia masina loatra na tokony hijanona ho an ny tena manokana ka tsy azo zaraina any amin ny toerana toy ny ao am-pianarana; jereo ny Almà 12:9; F&F 63:64.) Mijoro ho vavolombelona [2.6.3] Rehefa avy nanazava ireo fitsipiky ny filazantsara sy nizara ny zavatra niainany tamin ny fampiharana azy ireo teo amin ny fiainany ireo mpianatra dia matetika voaomana tsara kokoa hijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra ninoany. 40
52 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Nanazava ny iray amin ireo fitahiana avy amin ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ny Loholona Boyd K. Packer: Raha izao aho mba afaka mampianatra anareo ity fitsipika iray ity: Ny fijoroana ho vavolombelona dia azo avy amin ny fizarana azy!... Zavatra iray ny mahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin ny zavatra novakianareo na nolazain ny olona iray; ary fanombohana tena ilaina izany. Zavatra iray hafa koa anefa ny manana ny Fanahy manamafy ao an-tratranareo fa ny zavatra izay nijoroa nareo ho vavolombelona dia marina ( The Candle of the Lord, 54 55). Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy mitahy fotsiny ilay olona izay nizara izany fa afaka mampatanjaka koa ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon ny hafa. Ny fijoroana ho vavolombelona dia manome fahafahana ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana sy fitsipiky manokana an ny filazantsara naverina amin ny laoniny. Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy voatery hiantomboka amin ny fehezan-teny hoe: Te-hizara ny fijoroako ho vavolombelona aho. Mety ho fanambarana tsotra ataon ny olona iray mikasika ny zavatra fantany fa marina izany, izay lazaina amin-kitsimpo sy amim-paharesendahatra izany. Mety ho filazana tsotra fotsiny mikasika ny zavatra tsapan ny olona iray momba ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara izany ary ny fiovana nentin izany teo amin ny fiainany. Ny mpianatra dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahana mampihatra ny fitsipiky ny filazantsara ary mahatsapa ho entanim-panahy bebe kokoa hampihatra azy ireo eo amin ny fiainany rehefa mandre ny mpampianatra na ny mpianatra hafa mizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny lanjan ireo fitsipika ireo. Ny fijoroana ho vavolombelona ny tena fijoroana ho vavolombelona, izay nateraky ny Fanahy ary namafisin ny Fanahy Masina dia manova fiainana. (M. Russell Ballard, Pure Testimony, Ensign na ny Liahona, Nôv. 2004, 40) Afaka mamporisika ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan ny filazantsara ny mpampianatra Mitranga ny toe-javatra manamafy ny amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana izay manasa finoana mandritra ny fampianarana rehefa mandray anjara amin ny fampia- azy ireo hizara ny zavatra niainany sy ny zavatra inoany (jereo ny fizarana 5.1.3, Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona ao amin ny narana sy fijoroana ho vavolombelona pejy 77). Afaka manome fahafahana ho an ireo mpianatra manoloana ireo tanora mitovy taona mba hijoro ho vavolombelona amin ireo tanora mitovy taona aminy ny mpianatra. aminy koa izy ireo. Tokony hahatakatra ny maha-masina sy (Robert D. Hales, Teaching by Faith, 4) maha-an ny tena manokana ny fijoroana ho vavolombelona ny mpampianatra ary afaka manasa kanefa tsy tokony hitaky amin ireo mpianatra hizara ny fijoroan izy ireo ho vavolombelona. Ireo mpampianatra dia tokony haka fotoana mba hijoroana ho vavolombelona matetika mikasika ny fitiavany manokana ny Ray any an-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ary mikasika ny fahamarinana sy ny lanjan ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Tokony ho hain ireo mpampianatra, ary ho ampiasainy, ireo fijoroana ho vavolombelona nataon ny Mpamonjy sy ireo avy amin ny mpaminany sy apôstôlin ny andro farany koa. 41
53 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Mifehy ireo andalan-tsoratra masina manan-danja sy ireo fotopampianarana fototra [2.7] Rehefa mihazona ho sarobidy ireo fahamarinana mandrakizay ao an-tsainy sy ao am-pony ny olona iray dia hampahatsiahy ireo fahamarinana ireo amin izy ireo ao anatin ny fotoam-pahasahiranana ny Fanahy Masina sy manome azy ireo herim-po hanao zavatra amim-pinoana. Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe: Mamporisika anareo tanteraka aho mba hampiasa ny soratra masina ao anatin ny fampianaranareo ary hanao izay rehetra vitanareo mba hanampy ireo mpianatra hampiasa azy ireo sy ho zatra azy ireo. Tiako ny hananan ireo tanorantsika fahatokiana amin ny soratra masina.... Voalohany, tiantsika hanana fahatokiana amin ny tanjaka sy ny fahamarinan ny soratra masina ireo mpianatra, sy fahatokiana fa ny Rain izy ireo any an-danitra dia miresaka marina amin izy ireo tokoa amin ny alalan ny soratra masina, ary fahatokiana fa afaka manokatra ny soratra masina izy ireo ary mahita valiny mikasika ny olan izy ireo sy valin ny vavaka nataon izy ireo Manantena isika fa tsy hisy amin ireo mpianatrareo handao ny efitrano fianarana amim-patahorana na amin-kenatra na ao anatin ny fahatsapana ho afa-baraka fa tsy nahita fanampiana izay nilainy izy ireo satria tsy mahafantatra tsara ny soratra masina ka tsy mahita ireo andinin-tsoratra masina tokony hotadiavina ( Eternal Investments, 2). Mba hanampiana ireo mpianatra hitahiry fatratra ireo fahamarinana mandrakizay sy hampitombo ny fahatokiany ny soratra masina dia nifantina andinin-tsoratra masina fehezina maromaro ny S&I ary nanomana lisitry ny fotopampianarana fototra. Ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fehezina sy ireo fotopampianarana dia tokony ho ampiarahana mba hahafahan ireo mpianatra mianatra manazava ireo fotopampianarana ireo amin ny alalan ny fampiasany ny teniny manokana sy mampiasa ireo andinin-tsoratra masina fehezina mba hanampy azy ireo hanazava sy hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana ireo. Soratra Masina fehezina [2.7.1] Ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia nifantina andinintsoratra masina fehezina miisa 25 ho an ny taranjam-pianarana efatra ao amin ny seminera. Manome fototra iorenana manan-danja ara-tsoratra masina mba hahatakarana sy hizarana ny filazantsara sy hampatanjahana finoana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Amporisihana ireo mpianatra seminera mba hampivelatra ny fifehezana an ireo andinin-tsoratra masina ireo araka ny famaritana izany etsy ambany. Tokony hamporisihana ireo mpianatra institiota mba hiorina eo ambonin ny fototr ireo andinin-tsoratra masina fehezina 100 ireo ary mba hampivelatra bebe kokoa ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina manan-danja hafa. Ny fifehezana ny andinin-tsoratra masina dia ahitana ny: Fitadiavana ny toerana misy ireo andininy amin ny alalan ny fahalalana ireo andinin-tsoratra masina hafa mifandray amin izany. 42
54 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Fahatakarana ny tantara ao amin'ny andinin-tsoratra masina sy ny votoatin izany. Fampiharana ny fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara izay ampianarina amin ilay andinin-tsoratra masina. Fanaovana tsianjery an ireo andinin-tsoratra masina. Afaka ho fitaovana tsara entina hanampiana ireo mpianatra hahafantatra sy hitia ireo andinin-tsoratra masina voafantina Misy hery lehibe azo avy amin ny ny fanaovana tsianjery. Nanazava ny Loholona Richard G. fanaovana tsianjery ny soratra masina. Scott hoe: Rehefa ampiasaina araka ny nasain ny Tompo hiraketana azy ireo ny soratra masina dia manana hery mifono Toy ny manomboka finamanana anaty izay tsy voampita izy ireo raha vao hazavaina amin ny vaovao ny fanaovana tsianjery soratra fomba tsotsotra izany ( He Lives, Ensign, Nôv. 1999, 88). masina. Toy ny fiezahana mamantatra Na izany aza anefa dia tokony hisy fitandremana, mba hanovana ny zavatra andrandraina hifanaraka amin ny fahaiza- fotoana ilana fanampiana, sy afaka manome fanenta- olona iray vaovao izany izay afaka manampy amin ny manao sy toe-javatra iainan ny mpianatra tsirairay. Tsy nam-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risim-po hanaovana fanovana izay ilaina. tokony hatao izay hahatsapan ny mpianatra fahamenarana na hakiviana raha toa ka tsy mahavita manao tsianjery soratra masina izy ireo. (Richard G. Scott, Ny Herin ny Soratra Masina, 6) Ho afaka hanampy bebe kokoa ireo mpianatra ny mpampianatra raha toa ka mahafehy ireo andinin-tsoratra masina ireo koa izy. Rehefa mampiasa tsy tapaka ireo andinin-tsoratra masina fehezina ireo ny mpampianatra, sy mihazona ny zavatra andrandraina araka ny tokony ho izy, ary mampiasa ireo fomba izay miteraka fomba fianarana samihafa dia hahita fahombiazana bebe kokoa izy ireo eo amin ny fanampiana ireo mpianatra hifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja. Mandritra ny lesona dia tokony hampiasaina mba hanazavana fotopampianarana sy fitsipika mifandray ireo andinin-tsoratra masina fehezina. Azo ampiasaina ho lohahevitra mandritra ny fanaovana fivoriambavaka na apetaka eny amin ny faritra iray ao amin ny efitrano fianarana izy ireo. Tokony hamporisihana koa ireo mpianatra mba handalina sy hampihatra azy ireo any ivelan ny efitrano fianarana. Any amin ny toerana izay ahitana mpampianatra maromaro miaraka manompo ao amin ny toeram-pampianarana iray dia hivoatra ny fianaran ireo mpianatra rehefa mampiasa fomba mitovy amin ny fampianarana ny fifehezana ny soratra masina ireo olona ao amin ilay toeram-pampianarana. Ireo mpampianatra indraindray dia afaka misafidy ny hanao famerenana an ireo andinin-tsoratra masina fehezina nampiasaina tany amin ireo taona teo aloha mba hahafahan ireo mpianatra mihefy an ireo soratra masina voafantina rehetra. Na dia ampahany manan-danja eo amin ny fandaharampianarana aza ny soratra masina fehezina dia tokony ho fanampiny ihany izany, fa tsy hibahan-toerana ao anatin ilay fandalinana soratra masina voafantina isan andro. Tokony handanjalanja tsara ireo mpampianatra eo amin ny fotoana laniana ho 43
55 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA an ny fifehezana soratra masina. Tsy maintsy mitandrina tsara ireo mpampianatra ny mpianatra mianatra any an-tranony mba tsy ho lasa herinandro fifehezana soratra masina ny herinandro fandalinana any an-trano. Ny mpampianatra dia tokony hisafidy fomba, asa atao ary hira izay mifanaraka amin ny fahamendrehana sy tanjona ary fanahin ny soratra masina ary misoroka ny fifandirana. Fotopampianarana Fototra [2.7.2] Voafaritra fa tokony ho antitranterina mandritra ireo fotoam-pianarana ao amin ny seminera sy institiota ireo fotopampianara fototra. Ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hamantatra, hahatakatra, hino, hanazava ary hampihatra ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara ireo. Hanampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona sy hampitombo ny fankasitrahany ny filazantsaran i Jesoa Kristy naverina tamin ny laoniny ny fanaovana izany. Ny fandalinana ireo fotopampianarana ireo dia hanampy azy ireo koa hiomana bebe kokoa amin ny fampianarana ny hafa ireo fahamarinana manan-danja ireo. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa hisy fotopampianarana manan-danja hafan ny filazantsara koa ho ampianarina, na dia tsy voatanisa ao amin ny lisitry ny fotopampianarana fototra aza izy ireo. Ireto avy ireo Fotopampianarana Fototra voafantina ho an ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara: Ny Andriamanitra Drafitry ny famonjena Sorompanavotan i Jesoa Kristy Fotoampitantanana, Apôstazia, ary Famerenana amin ny laoniny Mpaminany sy fanambarana Fisoronana sy fanalahidin ny fisoronana Ôrdônansy sy Fanekempihavanana Fanambadiana sy Fianakaviana Didy Rehefa mandalina sy mahatakatra manokana ireo fotopampianarana ireo ny mpampianatra dia tonga dia mandeha ho azy kokoa ny fampiasany azy ireo ary hijoro ho vavolombelona mikasika azy ireo izy ireo rehefa mampianatra. Na izany aza anefa dia tsy tokony hiala amin ny fampianarana ireo ampahan-tsoratra masina voafantina izy ireo ka dia hifantoka tanteraka amin ireo fotopampianarana ireo. Fa tokony hifantoka tsara sy tsy tapaka kosa amin ireo fotopampianarana ireo ny mpampianatra rehefa miseho matetika ao amin ny lahatsoratra ara-tsoratra masina sy ao amin ny taranja ianarana izy ireo. Amin izay ilay lisitry ny fotopampianarana fototra dia ho lasa mpampahatsiahy mikasika ny tokony hifantohana amin ireo fahamarinana mandrakizay izay mahasoa indrindra ireo mpianatra sy ny tokony hanantitranterana azy ireo ao anatin ny taranja ianarana. Afaka hampiasaina ho lohahevitra dinihana mandritra ny fotoambavaka koa ireo Fotopampianarana Fototra ireo. Ny mpampianatra hendry dia hahatsiaro koa fa ny faharetana sy ny fanaovana tsy tapaka zavatra iray dia manan-danja tokoa eo amin ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana ireo. Tsy takiana akory ny hahatakaran ny mpianatra tanteraka indray mandeha ny zava-drehetra. 44
56 Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Nampianatra ny zanany ny Tompo hoe andalan-tsoratra anampy andalantsoratra, fitsipika anampy fitsipika (F&F 98:12). Ireo mpampianatra sy mpianatra dia tokony handray ny fahatakarana ireo fotopampianarana ireo ho toy ny dingana mitranga mandritra ny efa-taona ao amin ny seminera ary mitohy mandritra ny taom-pianarana ao amin ny institiota. 45
57 3 Notes Fampianarana ny Soratra Masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara Mba hanampiana ireo zatovo sy ny tanora mbola tsy manambady sy efa manambady hahatakatra sy hiantehatra amin ny fampianarana sy Sorompanavotan i Jesoa Kristy, ireo mpampianatra ao amin ny seminera sy institiota dia nampandraiketina ny hampianatra ireo mpianatra ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka ny hita ao amin ny soratra masina. Mba hahatanteraka izany, ny birao fitantanana ny S&I dia nanapakevitra fa ao amin ny fandaharam-pampianarana ny soratra masina ao amin ny seminera sy institiota, ireo boky sy tokon ny soratra masina dia tokony hampianarina araka ny fizarazarana isehoany ao amin ny soratra masina ankatoavin ny Fiangonana. Na dia tsy midika aza izany hoe tsy maintsy ampianarina araka ny filaharany marina izay isehoany ny andininy tsirairay, ny lesona tsirairay kosa dia tokony hanaraka amin ny ankapobeny ny fizotran ny tantara sy ny filaharana tsotra fotsin ireo andininy. Ny fandalinana ny soratra masina arak izany fomba izany dia manome ireo fototra entina hahatakarana ny hevitra fenon ilay hafatra izay tian ilay mpanoratra nentanim-panahy ho ampitaina, ary manome fahafahana ny handalinana ireo fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara araka ny fisehony sy fanehoana azy amin ny alalan ny lahatsoratra ara-tsoratra masina. Ny fandalinana ny soratra masina araka ny fizarazarany dia: Ahafahan ny mpampianatra sy mpianatra mandalina ny fahamarinan ny filazantsara mifanaraka amin ireo fahamarinana hafa sy amin ny fifandraisany amin ireo votoatiny hafa ao amin ny soratra masina. Izany dia ahafahan ireo mpampianatra sy mpianatra mahita sy mahatakatra amin ny fomba mazava sy amin-kery ireo hafatra lehibe ao amin ny soratra masina. Manome fanamafisana sy famerimberenana araka ny tokony ho izy an ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka ny fisehony ao amin ny soratra masina. Manampy ireo mpianatra sy mpampianatra hamantatra amin ny fomba mora kokoa ny fifandraisana misy eo amin ny antony sy ny vokatra. Manampy ireo mpianatra amin ny fikarohana sy fahatakarana fitsipiky ny filazantsara maromaro, eny fa na dia tsy ifanakalozana hevitra amin ny antsipiriany aza izany mandritra ny lesona. Ho an ny mpianatra tsirairay, ireo fahamarinana ireo
58 Fampianarana ny Soratra Masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara dia afaka ny ho takatra amin ny alalan ny Fanahy Masina ary avy eo azo volavolaina hifanaraka amin ny toe-javatra manokana iainan ny tsirairay. Ahafahan ny mpampianatra sy mpianatra mandalina sy mifanakalo hevitra mikasika ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka ny votoatin ny fiainan ireo izay niaina tamin ny andro taloha sy ny traikefan izy ireo. Izany dia manampy ireo mpianatra hahita mora kokoa ireo fitsipika sy fotopampianarana eo amin ny toe-javatra iainany manokana. Manampy amin ny fanaovana izay ahafantarana bebe kokoa ny soratra masina tsirairay ankatoavin ny Fiangonana amin ny endriny manontolo. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar fa ny famakiana bokin-tsoratra masina iray hatrany amin ny fiantombohany ka hatramin ny farany dia mampiantomboka ny firotsahan ilay rano velona eo amin ny fiainantsika amin ny alalan ny fampahafantarana antsika ireo tantara sy fotopampianaran ny filazantsara manan-danja ary ireo fitsipika maharitra mandrakizay. Izany fomba izany koa dia ahafahantsika mianatra mikasika ireo olona malaza voalaza ao amin ny soratra masina sy ny fizarazarana, ny fotoana ary ny votoatiny ara-java-niseho sy ara-pampianarana. Ny famakiana ireo teny voasoratra araka ity fomba ity dia mampisokatra eo anatrehantsika ilay endrika mivelatra lehiben ny boky soratra masina iray. Izany no fomba voalohany sy tena manan-danja ahazoana ny rano velona ( A Reservoir of Living Water [Takarivan ny DFF ho an ireo tanora efa manambady sy tsy manambady, 4 Feb. 2007], 2). Fampidirana Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara [3.1] Ny lesona tsirairay izay mifototra amin ny soratra masina ao amin ny seminera na institiota dia mifantoka amin ny andian-tsoratra masina iray fa tsy amin ny hevitra iray, na fotopampianarana na fitsipika iray. Ny fandaharampampianarana dia mizara ny soratra masina ho andian-tsoratra masina, izay mety ho kely toy ny toko iray (na fizarana iray), na lehibe toy ny boky anankiray manontolon ny soratra masina. Ahitana fizarazarana mandeha ho azy ny ankamaroan ny andian-tsoratra masina ka ahitana fiovan ny zava-nitranga na lohahevitra eo amin izany. Araka ireo fiovana ireo, ny andian-tsoratra masina dia voazara ho kantsana na vondron andinin-tsoratra masina kely kokoa. Ny fandaminana ny fandalinana ny andian-tsoratra masina manontolo ao anatin ireo kantsana kely kokoa ireo dia manome rafitra entina hahatakarana sy hampianarana ny hafatr ilay mpanoratra nentanim-panahy. Rehefa mandalina ireo kantsan andian-tsoratra masina ireo ny mpampianatra sy mpianatra dia mampiditra maro amin ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara izy ireo. Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, toy ny fahakatarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny, famantarana, fahatakarana ary fahatsapana ny fahamarinana sy ny mahazava-dehibe ho azy ary ny fampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia tsy fomba arahina fa zavatra tokony ho tratrarina. Ireo zavatra manan-danja ireo dia mirindra tsara eo amin ny izy samy izy ary 47
59 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA mametraka lamina fototra izay azon ny mpampianatra sy mpianatra arahina mba hampidirana ny filazantsara ao an-tsainy sy ao am-pony. Izany lamina izany dia voafaritra toy izao manaraka izao: 1. Mahatakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny. Dingana fototra eo amin ny fampianarana ny soratra masina ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny tantara ao amin'ny andiantsoratra masina sy ny votoatiny. Ny fahatakarana ny fampahalalana toy izany tahaka ny fampahalalana fototra sy ny fizotran ny tantara dia manorina fototra eo amin ny fikarohana ireo fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara ary manome koa fomba fanehoana sy fanazavana an ireo fahamarinana hita ao anatin ny andian-tsoratra masina. Ny fahazavana sy halalin ny fahatakarana entin izany fampahalalana fototra izany dia matetika tsy tsikaritra na tsy hita rehefa andininy iray na roa monja ao amin ny andian-tsoratra masina no ampianarina. 2. Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Ny fahatakarana ny votoatin ny soratra masina dia manomana ireo mpianatra sy mpampianatra hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianarana hita ao amin ny andian-tsoratra masina. Indraindray ny mpanoratra ara-tsoratra masina iray dia hilaza mivantana ny fitsipika na fotopampianarana iray izay tiany ho ampitaina. Misy fotoana hafa, ireo fahamarinana ireo dia voafono tsotra fotsiny rehefa voafaritra ao anatin ny tantara ara-tsoratra masina izy ireo, ka mahatonga filana haneho ny fampianaran ny filazantsara ao anatin ny fanambarana fahamarinana amin ny fomba tsotra. 3. Mahatakatra ny dikan ireo fotopampianarana sy fitsipika. Raha vao hita ireo fitsipika sy fotopampianarana dia mikatsaka ny hahazo fahatakarana tsaratsara kokoa mikasika an ireo fahamarinana ireo amin ny alalan ny famakafakana sy fifanakalozana hevitra mikasika ny dikany ireo mpianatra sy mpampianatra. Matetika ilay andian-tsoratra masina mihitsy no ahitana fanamarihana mazava izay afaka afaka manampy ireo mpianatra hahazo ny dikan ny fanambarana fotopampianarana na fitsipika iray. Ho fanampin izany, ny fampiharana ny soratra masina amin ny toe-java-mitranga amin izao fotoana izao dia manampy ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ny dikan ireo fitsipika sy fotopampianarana eo amin ny fiainany. Rehefa mitombo ny fahatakaran ireo mpianatra ny fotopampianarana na fitsipika iray dia manampy hanamafy orina sy hampatanjaka kokoa ny fahatakarany manokana ny fananana fahafahana hanazava ireo fahamarinan ny filazantsara amin ny hafa. 4. Mahatsapa ny fahamarinan ny fotopampianarana na fitsipika sy ny maha-zava-dehibe azy amin ny alalan ny fitarihan ny Fanahy. Manomana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny mahazava-dehibe azy ny fahatakarana mazava ny fitsipika na fotopampianarana iray. Rehefa mahatsapa amin ny alalan ny fitarihan ny Fanahy ny fahamarinan ilay fitsipika na fotopampianarana sy ny maha-zavadehibe azy ary ny maha-laharam-pahamehana azy ireo mpianatra dia hitombo ny fananan izy ireo faniriana hampihatra izany fahamarinana izany eo amin ny fiainan izy ireo. Ny mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra hanasa sy hikolokolo ireo fahatsapana ny Fanahy ireo amin ny alalan ny fanomezana azy ireo fahafahana hizara ny traikefa izay nananany teo amin ny fiainana fitsipiky ny filazantsara iray sy hijoro ho 48
60 Fampianarana ny Soratra Masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara vavolombelona mikasika ny fahamarinany. Afaka mizara koa ny fijoroany ho vavolombelona sy ny traikefany ireo mpampianatra. Misy ohatra maro koa izay ahitana ny mpanoratra soratra masina mijoro ho vavolombelona mikasika ny fitsipika na fotopampianarana izay nampianarina. Tokony hijery ireo fijoroana ho vavolombelona maneho fanamafisana ireo ao anatin ireo andinin-tsoratra masina ny mpampianatra sy mpianatra. 5. Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Ny fahatsapana ny fahamarinan ilay fitsipika na fotopampianarana iray sy ny mahazava-dehibe azy dia manokatra varavarana ho an ny mpianatra mba hampihatra izany eo amin ny fiainany. Na dia matetika any ivelan ny toeram-pianarana aza no hitrangan ny fampiharan ny tena manokana ireo fitsipiky ny filazantsara dia misy zavatra manan-danja izay afaka hitranga mandritra ny lesona izay manampy amin ny fampitomboana ny fanoloran-tenan ireo mpianatra sy ny fahafahany mampihatra izay zavatra nianarany amin ny fomba manan-danja. Afaka manome fotoana ahafahan ireo mpianatra misaintsaina ny toe-javatra iainany manokana ireo mpampianatra ary mieritreritra fomba miavaka ahafahan izy ireo mampihatra ilay fitsipika na fotopampianarana. Rehefa omena fotoana handinihana sy hisaintsainana ny fomba hampiharana ireo fitsipika ireo eo amin ny fiainan izy ireo manokana ny mpianatra dia afaka mitondra fitarihana ho an ny tena manokana ao an-tsainy ny Fanahy. Raha mety dia afaka manasa ireo mpianatra hizara hevitra mikasika ny fomba ahafahan izy ireo mampihatra ilay fitsipika amin ny ho avy ireo mpampianatra. Izany lamina fototra izany dia averimberina amin ny endriny feno na amin ny ampahany mandritra ny lesona rehefa mandalina ny vondron andinin-tsoratra masina tsirairay ao amin ilay andian-tsoratra masina ireo mpampianatra sy mpianatra. Ireo kantsana sasantsasany amin ny andian-tsoratra masina dia ho hamafisina mandritra ny lesona, raha somary tsy dia omen-danja kosa ny hafa satria tsy dia manan-danja ao anatin ilay hafatra feno ampitain ilay mpanoratra nentanim-panahy na tsy dia manan-danja ho an ny zavatra manokana ilain ireo mpianatra. Ho an ireo kantsana sasantsasany dia fotoana sy ezaka bebe kokoa no hatokana ho an ny fahatakarana ny hevitra 49
61 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA manodidina izany sy ny votoatiny, ho an ny fitadiavana ireo fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara ao amin izany, ary fotoana sy ezaka bebe kokoa no hatokana mba hanohizan ireo mpampianatra ny fitarihana ny mpianatra mandritra ny dingana manontolon ny fahatakarana, fahatsapana ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe azy, ary ny fikatsahana hampihatra ny fitsipika. Any amin ireo ohatra hafa dia ho halalinina sy ho takarina tsara ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny mba hamantarana fitsipika na fotopampianarana iray alohan ny hidirana ao amin ilay kantsana manaraka ao amin ny andian-tsoratra masina. Rehefa miresaka fohifohy mikasika ny fotopampianarana na fitsipika iray izay miharihary eo amin ny lahatsoratra ireo mpampianatra sy mpianatra, dia manome fahafahana ho an ny Fanahy Masina izany mba hampianatra sy handrindra an ireo fahamarinan ny filazantsara hifanojo amin ny zavatra ilain ny mpianatra tsirairay izany, na dia mety tsy dia nifanakalozana hevitra be loatra aza ireo fahamarinana ireo nandritra ny lesona. Ho an ny kantsana hafa kosa anefa dia mety ho ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny fotsiny no ho halalinin ireo mpampianatra sy mpianatra, na mety ho fintinin ireo mpampianatra tsotra fotsiny ny fizotran ny tantara na ny votoatiny alohan ny hidirana amin ny vondron andinin-tsoratra masina manaraka. Ny dikan ny hoe mamintina dia milaza fohifohy ny zavatra hita ao amin ny toko na andininy izay tsy dia mila hamafisina loatra mandritra ny fotoam-pianarana. Ahafahan ny mpampianatra miroso haingana miditra any amin ireo ampahan ny andian-tsoratra masina ny famintinana. Ny famintinana ireo kantsan andian-tsoratra masina fa tsy ny fandinganana azy ireo dia manampy ireo mpianatra hahatakatra mazava tsara ny fizotran ny tantara sy ny votoatiny ao an-tsainy sy manome fototra iray ho an ny fikarohana sy fahatakarana ireo fitsipika na fotopampianarana izay horesahina any aoriana ao amin ny andian-tsoratra masina. Manampy koa amin ny fiarovana ny fahamarinana sy firotsahan ny hafatry ny mpanoratra nentanim-panahy ny famintinana. Rehefa mandroso tsikelikely araka izay fomba izay ao amin ny kantsan andian-tsoratra masina tsirairay ireo mpampianatra sy mpianatra dia afaka ny hahatakatra tsaratsara kokoa ny fomba ifandraisan ny vondron andinintsoratra masina iray amin ireo hafa izy ireo. Ny fahitana ny fifandraisana eo anivon ireo ampahany samihafa ao amin ny andian-tsoratra masina dia tsy manampy fotsiny ireo mpampianatra sy mpianatra hahatakatra ny fotopampianarana na fitsipika tsirairay amin ny fomba lalindalina kokoa fa koa manampy azy ireo hanana fomba fijery mivelatra kokoa amin ny zavatra ampianarin ny soratra masina. 50
62 Fampianarana ny Soratra Masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara Lioka 5: Ohatra iray [3.2] Ny ohatra manaraka dia mampiseho ny fomba mety ampianaran ny mpampianatra iray ny andian-tsoratra masina iray amin ny alalan ny fampidirana ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Ny andian-tsoratra masina ao amin ity ohatra ity, izay Lioka 5, dia azo zaraina ho vondron andinin-tsoratra masina na kantsana vitsivitsy mifototra amin ireo fiovana ao anatin ny fizotran ny tantara na ny lohahevitra: Lioka 5:1 11 Taorian ny fahazoana trondro maro tamin ny fomba mahagaga dia nantsoin ny Tompo hanarato olona i Petera, Jakoba ary i Jaona. Lioka 5:12 26 Nanasitrana olona maro izay nanana fahasembanana ara-batana sy namela fahotana i Jesoa. Lioka 5:27 35 Niara-nisakafo tamin ny mpamory hetra sy mpanota i Jesoa, izay nahatonga ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hametraka fanontaniana taminy. Lioka 5:36 39 Nizara ny fanoharana mikasika ny divay vao ao anaty siny hoditra tonta i Jesoa. Ny tabilao manaraka dia ho ampiasaina mba hanehoana ny fivoaran ity sombin-desona ity ao anatin ny tsirairay amin ireo kantsana ireo. Izany koa dia haneho hoe hatraiza ny fomba handrafetan ny mpampianatra ny fampidirany ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara ao amin ny vondron ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Fampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatsapana ny fahamarinana sy ny maha-zavadehibe an ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny Lioka 5 andininy Fandalinana tsikelikely ny andian-tsoratra masina 51
63 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Andininy 1 11 Taorian ny fahazoana trondro maro tamin ny fomba mahagaga dia nantsoin ny Tompo hanarato olona i Petera, Jakoba ary i Jaona. Hanomboka amin ny alalan ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny tantara sy ny votoatin ny Lioka 5:1 11 ireo mpampianatra. Rehefa mandalina ireo andininy ireo izy ireo dia hianatra ireo mpianatra fa i Petera dia nasain i Jesoa [nandroso] ho any amin ny lalina, dia [handatsaka] ny harato[ny] [hahazoana] hazandrano (andininy 4). Ho hitan izy ireo fa na dia nanarato nandritra ny alina manontolo ka tsy nahazo na inona na inona aza izy ireo (andininy 5), i Petera dia nankato ny Tompo ary gaga fa nahazo hazandrano maro dia maro. Ny mpianatra avy amin io zavatra niainan i Petera io dia afaka mamantatra ny fitsipika hoe: Raha manao izay angatahin ny Tompo amintsika isika eny fa na dia tsy takatsika aza ny antony dia afaka mandrotsaka fitahiana lehibe kokoa noho izay mety ho antenaintsika Izy. Ny mpampianatra dia afaka mampianatra ny mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ity fitsipika ity sy ny dikan izany ho azy ireo amin ny alalan ny fifanakalozana hevitra miaraka amin izy ireo mikasika ny hoe inona no itovian ny zavatra niainan i Petera amin ny fiainan izy ireo manokana na amin ny alalan ny fizarana zavatra nolazain ny mpaminany na apôstôlin ny andro farany izay mifandray amin izany. Ny fanirian ny mpampianatra, ao amin ireo andininy ireo, dia tsy hanampy fotsiny ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra ity fitsipika manan-danja ity, fa koa hanampy azy ireo hahatsapa ny fahamarinany sy ny mahazava-dehibe azy amin ny alalan ny fitarihan ny Fanahy. Mba hanaovana Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Fampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatsapana ny fahamarinana sy ny maha-zavadehibe an ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny Lioka 5 andininy Fandalinana tsikelikely ny andian-tsoratra masina 52
64 Fampianarana ny Soratra Masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara izany dia azon ny mpampianatra angatahina ireo mpianatra hizara ny fomba nitahiana azy ireo tamin ny fanarahany ny torolalan ny Tompo, na dia tsy takatr izy ireo tanteraka aza ny antony hanaovana izany. Rehefa mijoro ho vavolombelona mikasika ny fahitan izy ireo ny porofon izany fitsipika izany teo amin ny fiainan izy ireo ny mpianatra sy ny mpampianatra dia afaka mijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan izany sy hanentana azy ireo hanao zavatra tsara ny Fanahy. Afaka omen ireo mpampianatra minitra vitsivitsy ireo mpianatra mba hisaintsaina sy hanoratra ny fomba ahafahan izy ireo mampihatra izany fitsipika izany. Ny tabilao ankehitriny dia mampiseho hoe inona ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara izay nampidirina ao amin ity kantsan ny andinin-tsoratra masina ity. Andininy Nanasitrana olona maro izay nanana fahasembanana ara-batana sy namela fahotana i Jesoa. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny votoatin ireo andinintsoratra masina ireo dia asain ny mpampianatra mianatra ny fizotran ny tantaran ilay boka sy nalemy izay nositranin ny Tompo aloha izy ireo. Mba hahatakaran izy ireo lalindalinana kokoa ny votoatiny dia tokony ho asain ny mpampianatra mamakafaka ny zavatra mampitovy sy ny mahasamihafa ireo fanasitranana roa ireo ny mpianatra. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia azon ny mpampianatra atao ny mangataka azy ireo handinika ny anjara toeran ny finoana tao anatin ireo fanasitranana roa ireo. Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Fampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatsapana ny fahamarinana sy ny maha-zavadehibe an ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny Lioka 5 andininy Fandalinana tsikelikely ny andian-tsoratra masina 53
65 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Aorian ny fahitana fa nilaina ny finoana tao anatin ireo ohatra roa ireo, ny mpianatra dia afaka mamantatra ny fitsipika hoe: Rehefa mampihatra finoana sy manatona ny Mpamonjy isika dia afaka ny hanasitrana antsika Izy. Amin ny alalan ny famakafakana ny fahasamihafana eo amin ireo tantara roa ireo dia ho hitan ireo mpianatra fa raha toa ka afaka nanatona ny Tompo mivantana ilay boka, ilay lehilahy nalemy kosa dia nila ny fanampian ny hafa. Afaka mamantatra fitsipika fanampiny ireo mpianatra avy amin izany: Afaka manampy ny hafa hanatona ny Mpamonjy isika mba hahafahan izy ireo ho sitrana. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipika ireo ny mpampianatra amin ny alalan ny fangatahana azy ireo hamaritra zavatra hafa ankoatry ny fahasembanana ara-batana eo amin ny olona izay azo sitranina. Ny fifanakalozan-kevitra dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra fa ny fahasitranana ara-batana ao amin ireo andininy ireo dia afaka maneho ny fahafahan ny Tompo manasitrana antsika ara-panahy koa. Izany dia mety ahitana zavatra toy ny hoe famelana ny fahotantsika, fankaherezana antsika ao anatin ny alahelo, na fampitoniana amin ny tahotra ananantsika na ny ahiahintsika. Mba hahafahana manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika ireo, dia azo angatahin ireo mpampianatra ny mpianatra mba hizara zavatra iray niainany izay nahasitranan izy ireo na olon-kafa ara-panahy na ara-batana ireo mpampianatra. Azo angatahina koa ireo mpianatra hizara ohatra izay nahitan izy ireo olona iray nitondra olona iray hafa hanatona ny Tompo mba handray ny fanasitranana avy amin ny Mpamonjy. (Rehefa mizara ohatra tahaka izany ireo mpianatra dia tokony hampahatsiahivina izy ireo mba tsy hilaza ny anaran ireo olona resahina.) Afaka manasa ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitiavan ny Mpamonjy sy ny hery ananany hanasitranana antsika ireo mpampianatra. Mba hamporisihana ireo mpianatra hanao fampiharana, dia tokony ho asain ny mpampianatra mieritreritra zavatra manokana azony atao ireo mpianatra mba hampiharany ny finoana ho sitrana, hahazo famelan-keloka, na fankaherezana, na mieritreritra fomba izay mety ahafahan izy ireo mitondra namana na olon-kafa hanatona ny Mpamonjy. Alohan ny hidirana ao amin ny andininy 27 35, ny mpampianatra dia afaka mangataka ny mpianatra mba hizara ny zavatra nianarany mikasika ny Mpamonjy avy amin ireo andininy ireo. Mety hitondra fahatsapana fanehoana fankasitrahana sy fiaikena ny fangorahan ny Mpamonjy ny fanekena izany fanasana izany. Andininy Niara-nisakafo tamin ny mpamory hetra sy mpanota i Jesoa, izay nahatonga ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hametraka fanontaniana taminy. Miomana ny hanampy ireo mpianatra fotsiny hahatakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny ny mpampianatra eto amin ity kantsana ity. Amin ny alalan ny fandalinana ireo andininy ireo, ny mpianatra dia hianatra mikasika ny niantsoana an i Levy mpamory hetra, na i Matio 54
66 Fampianarana ny Soratra Masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara ary mikasika ny nisakafoanan i Jesoa niaraka tamin ireo mpamory hetra sy mpanota (votoatiny). Ireo mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra fa ireo mpamory hetra dia noraisina ho mpandika lalàna sy mpanota eo imason ireo Jiosy (tantara). Ity tantara ao amin'ny soratra masina ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny antson i Matio amin ny ho avy ho tonga mpianatry ny Tompo. Izany koa dia hanome lanja fanampiny mikasika ireo fifanakalozan-kevitra izay nitranga ao amin ireo andininy ireo teo amin ireo Fariseo sy ny Tompo mikasika ny fiarahany mihinana sy misotro miaraka amin ireo mpamory hetra sy mpanota ary mikasika ny iraka nampanaovina Azy mba hanampy ireo mpanota hibebaka (jereo ny andininy 30 32). Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Fampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatsapana ny fahamarinana sy ny maha-zavadehibe an ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny Lioka 5 andininy Fandalinana tsikelikely ny andian-tsoratra masina Andininy Nizara ny fanoharana mikasika ny divay vao ao anaty siny hoditra tonta i Jesoa. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatin ity fanoharana ity dia azon ny mpampianatra asaina mijery ny fanovozan-kevitra eny amin ny farany ambanin ny pejy ho an ny andininy 37 izy ireo (izay manazava fa vita tamin ny hoditra ilay siny) ary azo ifanakalozana hevitra ny mikasika ny fahasamihafana misy eo amin ny siny hoditra vaovao izay malefaka sy azo aforitra sy ny hoditra izay lasa henjana be sy mora rovitra. Afaka manazava avy eo ny mpampianatra fa niresaka ho an ireo Fariseo i Jesoa (tantara), ary ny akanjo taloha sy ny 55
67 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA siny hoditra tonta ao amin ity fanoharana ity dia maneho ireo Fariseo izay tsy nanam-paniriana ny hiova sy hanaiky ny fotopampianaran i Kristy. Ny mpampianatra koa dia afaka manamafy fa ny akanjo vaovao sy ny siny hoditra vaovao dia maneho ireo olona izay manampaniriana ny hiova sy hanaiky ny Mpamonjy sy ny fampianarany. Dia azon ny mpampianatra atao avy eo ny mangataka ireo mpianatra mba hamantatra fitsipika iray mifototra amin ity fanoharana ity. Ny fahamarinana iray izay mety ho hitan ny mpianatra dia hoe: Mba hanekena ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, dia tsy maintsy manetry tena sy manam-paniriana ny hiova isika. Azon ny mpampianatra asaina mamerina mamaky ilay toko ny mpianatra rehefa avy eo, mba hikaroka ireo ohatra ahitana fa nanamafy ny fony ny olona ary naneho toetra miavonavona tamin ny Mpamonjy sy ny fampianarany, ary koa hikaroka ohatra izay ahitana olona naneho fanetrentena sy faniriana ny hiova. Hanampy ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ity fitsipika ity ny fanaovana izany. Afaka mamarana ny lesona amin ny alalan ny fanasana ireo mpianatra hizara hevi-baovao na fahatsapana fanampiny izay azon izy ireo nandritra ny fandalinany ny Lioka 5 ny mpampianatra. Ny mpampianatra koa dia afaka mijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana izay avy nampianarina ary mamporisika ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika sy fotopampianarana izay vao hitan izy ireo. Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Fampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatsapana ny fahamarinana sy ny maha-zavadehibe an ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika Fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny Lioka 5 andininy Fandalinana tsikelikely ny andian-tsoratra masina 56
68 Miomana Hampianatra Notes 4 Fiomanan ny Tena Manokana [4.1] Nilaza ny Loholona Boyd K. Packer hoe: Ho tonga ny hery rehefa nanao izay azony natao rehetra ny mpampianatra mba hiomanana, ka tsy ho an ny lesona manokana fotsiny ihany izany fa amin ny fihazonana ny fiainany mba hifanaraka amin ny Fanahy. Raha toa izy ka mianatra miantehitra amin ny Fanahy mba hahazo fanentanam-panahy dia afaka hiatrika ny fampianarany izy... miaraka amin ny fananana fahalalana fa afaka ny hampianatra miaraka amin ny fanentanam-panahy (Teach Ye Diligently, edisiona nohavaozina [1991], ). Ny ampahany manan-danja sy tena lehibe eo amin ny fiomanan ireo mpampianatra filazantsara dia ny fiomanany ara-panahy. Ireo zavatra manan-danja sasantsasany ao anatin izany fiomanana izany dia ny fiainana ny filazantsara, fivavahana mba hahazoana fanampiana sy fitarihana, fampiasana finoana ary fandraisana anjara amin ny fiofanana ho an'ny mpampianatra. Miaina ny filazantsara [4.1.1] Ny fiainan ny mpampianatra amim-pahatokiana ny filazantsara dia misy fiantraikany eo amin ny lafiny rehetra ao amin ny fampianarany. Tsy misy fiomanana lehibebe kokoa mety hiseho noho ny fananana fiainana mendrika ny fitarihan ny Fanahy Masina sy ahafahana manana Azy ho namana lalandava (jereo ny fizarana 1.2, Miaina ao amin ny 6). Mivavaka mba hahazo fanampiana sy fitarihana [4.1.2] Tafiditra tanteraka anatin ny fiomanana hampianatra ny vavaka (jereo ny F&F 42:14; 104:79, 82). Ny mpampianatra iray dia afaka mivavaka mba hangataka ny fanampian ny Fanahy hahatakarana ireo soratra masina sy fitsipiky ny filazantsara, mba hangataka fahendrena entina hanapahan-kevitra hoe ahoana no fomba tsara indrindra hampianarana ireo fitsipika amin ny alalan ny Fanahy, sy mba hangataka fanampiana sy fitarihana alohan ny hanombohan ny fotoam-pampianarana tsirairay ary mba hangataka ny hananan ireo mpianatra fahavononana ny hahatsapa sy ho ampianarin ny Fanahy. Ny mpampianatra dia afaka mangataka amin ny Tompo mba hahazo ny fanomezan ny famantarana entina hahatakarana tsara kokoa ny mpianatra tsirairay, sy mangataka fanampiana mba ho afaka ny hanampy mpianatra manokana izay manana olana, ary mangataka ny fanomezan ny fiantrana mba hahaizana mitia ireo mpianatra izay mety ho sarotsarotra kokoa ny hitia azy (jereo ny Môrônia 7:48). 57
69 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Mampihatra finoana [4.1.3] Ny andinin-tsoratra hoe mampianatra ao amin ny Tanjon ny Seminera sy Institiota dia maneho fa ny mpampianatra mahay dia tokony hanana fahatokiana ny herin ny tenin Andriamanitra, ny finoana ny Tompo sy ny Fanahy Masina ary fahatokiana an ireo mpianany. Raha tsy mahita fahombiazana ireo mpampianatra dia matetika noho ny tsy fahatanterahana ny iray amin ireo singa ireo. Fahatokiana ny herin ny tenin Andriamanitra. Mety ho alaim-panahy hino ireo mpampianatra fa tsy ho tia ny handalina ny soratra masina ireo mpianatra, na tsy afaka ny hampianatra ny soratra masina isan andro isan andro izy ireo sy tsy afaka hahatazona ny fahalianan ireo mpianatra. Tokony ho tsaroan ireo mpampianatra anefa fa mitahiry ny tenin ny fiainana (F&F 84:85) ny soratra masina ary ny teny dia manana fiantraikany mahery kokoa ao an-tsaina noho ny sabatra, na zavatra hafa (Almà 31:5). Nilaza ny Loholona Henry B. Eyring hoe: Miangavy anareo aho, ho anareo manokana sy ny mpianatra, mba hanana finoana fa te-hamaky [ny soratra masina] izy ireo, ary tsy mila manery azy ireo hanatona izany ianareo, fa izany ihany no hisintona azy ireo ho eny aminy.... Nosoratan ny Tompo ilay boky. Nasehony an i Nefia ny fomba hanaovana izany amin ny fomba izay hisintonany anareo. Ary dia hisintona ny mpianatrareo izany ( The Book of Mormon Will Change Your Life [Fivorian ny manam-pahaizana ao amin ny DFF momba ny Bokin i Môrmôna, 17 Aog. 1990], 2). Finoana ny Tompo sy ny Fanahy. Mety ho fanamby sy havesatra ilay andraikitra mba hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin ireo zatovo sy ny tanora mbola tsy manambady sy efa manambady. Kanefa dia asan ny Tompo izany: Hanampy ireo izay mitodika any Aminy amim-pinoana Izy. Nampianatra i Môrmôna hoe: Ary efa niteny i Kristy hoe: Raha manampinoana Ahy ianareo dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko (Môrônia 7:33). Tokony hanana finoana ireo mpampianatra fa ho takatry ny Tompo ny zavatra ilain ny mpianatra tsirairay ary te-hitahy azy ireo Izy. Tokony hanana finoana ireo mpampianatra fa ny Fanahy Masina dia hitondra ny hafatry ny filazantsara any amin ny mpianatra tsirairay ary hitarika azy ireo hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara araka ny zavatra ilainy sy ny toe-javatra iainany. Tokony ho tsaroan ireo mpampianatra fa ilay Mpampionona [no] nalefa hampianatra ny fahamarinana (F&F 50:14). Mahatoky ireo mpianatra. Tokony hanana finoana ireo mpampianatra fa rehefa miaraka amin ny fitarihana sy famporisihana araka ny tokony ho izy ireo mpianatra, dia afaka ny hahatakatra ny soratra masina, hianatra hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika, hanazava ny filazantsara amin ny hafa ary hampihatra ireo fampianaran ny filazantsara eo amin ny fiainany. Nofaritan ny Filoha J. Reuben Clark Jr. ireo toetra sasantsasany ananan ireo mpianatra seminera sy institiota: 58
70 Miomana Hampianatra Mangetaheta ny zavatra mikasika ny ara-panahy ireo tanoran ny Fiangonana. Maniry mafy ny hianatra ny filazantsara izy ireo ary te-hahazo izany mivantana sy tsy misy fangarony Tsy mila manafin-javatra amin izany tanora manana traikefa ara-panahy izany ianareo ary tsy mila mibitsibitsika momba ny finoana eo amin ny sofiny. Afaka mifanatrika aminy mivantana ianao ary miresaka aminy. Tsy mila afenimpeninao amin ny kapaotin ny zavatr izao tontolo izao ireo fahamarinana ara-pivavahana fa azonao zaraina aminy malalaka tsara ireo fahamarinana ireo (The Charted Course of the Church in Education, edisiôna nasiam-panavaozana [1994], 3, 9). Indraindray ny endriky ny mpianatra ety ivelany na ny fihetsiny na ny fandraisany andraikitra eo anatrehan ny fianarana ny filazantsara dia mety toa maneho fa tsy mangetaheta ny zavatra ara-panahy izy ireo. Zava-dehibe tokoa ho an ireo mpampianatra ny mampihatra finoana araka ny fampianaran ny Filoha Clark manoloana ireo toe-javatra ireo. Nanolotra ity fampanantenana izay manome antoka ity ny Loholona Henry B. Eyring: Mety tsy fantatr ireo mpianatsika fa matin ny hanoanana izy ireo, ka ny tenin Andriamanitra dia hampanala hetaheta azy izay tsy tsapany akory hoe nianjady taminy ary ny Fanahy Masina dia handrotsaka izany ao am-pon izy ireo ( We Must Raise Our Sights [CES conference on the Book of Mormon, 14 Aog. 2001], 3). Ireo mpampianatra mikatsaka ny hanatanteraka ny Tanjon ny Seminera sy Institiota amin ny alalan ny fampiharana finoana ny herin ny teny, ny Tompo sy ny Fanahy, ary ny mpianatra dia tokony hanontany tsy tapaka hoe: Moa ve ny fampianarako: 1. Miteraka fahatakarana lalindalina ny tenin Andriamanitra sy fitiavana an izany? 2. Manasa ny Fanahy Masina sy mitondra hatsaram-pitondrantena? 3. Mamporisika ny mpianatra tsirairay hianatra sy hiaina ny filazantsara amim-pinoana? 4. Manampy ireo mpianatro hahafantatra, hitia sy hanaraka kokoa an i Jesoa Kristy? Mandray anjara amin ny Fanofanana ny mpampianatra [4.1.4] Manao fanofanana natokana ho an ireo mpampianatra sy mpitarika ny seminera sy institiota. Ny tanjona voalohan ny fanofanana ny mpampianatra dia ny hanatsara ny fampianarana, hampitombo ny fahalalana ny filazantsara ary hanampy ireo mpampianatra hianatra ny fomba hitantanana ny seminera sy institiota. Ny lafiny iray ao anatin ity fiofanana ity dia ireo fivoriana manan-danja miaraka amin ny mpampianatra. Ny fanofanana ny mpampianatra dia atao tsy tapaka, ary andrasana hanatrika izany ireo mpampianatra sy mpitarika. Mandritra ireo fivoriana ireo dia mandalina soratra masina sy mifanakalo hevitra momba izany ny mpandray anjara mba hampitombo ny fahatakaran izy ireo. Mianatra sy mampihatra ireo fomba fampianarana tena tsara izy ireo. Mizara hevitra mba hampitomboana ny fisoratan anaran ireo 59
71 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA mpianatra, sy ny fanatrehany, ary famitany ny taom-pianarana koa izy ireo ary miara-mifanakalo hevitra momba ireo zavatra ilaina amin ilay fotoana ary mianatra ny fomba hanatontosana ireo andraikitra eo amin ny fitantanana. Ny lafiny iray hafan ny fanofanana ny mpampianatra dia ny fitsidihana ny efitrano fianarana sy ny fanatrehana ny fampianarana. Mahazo tombony lehibe tokoa ireo mpampianatra avy amin ny fanasana ny tompon andraikitra iray, na tale, na namana mpampianatra hafa hanatrika ny fampianarany ary hizara hevitra avy amin ny zavatra hita. Matetika dia azo angatahina ilay mpanatrika mba hizara hevitra manokana avy amin ny zavatra hita mikasika ny fomba fampianarana iray manokana izay ezahin ny mpampianatra iray hatsaraina. Raha misy ny fotoana toy izany dia afaka ny hahazo tombontsoa koa ny mpampianatra iray amin ny alalan ny fanatrehana ny fampianaran ireo mpampianatra hafa. Ireo izay mandray ny fiofanana omena ny mpiasa amim-pinoana sy miaraka amin ny faniriana amin-kitsim-po izany mba hianatra sy hivoatra dia hahita fivoarana sy fitomboana hatrany. Fiomanan ny Mpianatra [4.2] Miresaka mikasika ilay toetry ny fiomanana na fahavononana ao am-po sy ao an-tsain ireo izay mikatsaka ny hianatra zavatra ara-panahy ny soratra masina. Ohatra, i Ezra, izay mpisorona sy mpanoratra tao amin ny Testamenta Taloha dia nampiomana ny fony hitady ny lalàn i Jehovah ka hankatò izany (Ezra 7:10). Ny bokin ny Asan ny Apôstôly dia mamaritra ireo Olomasina matoky izay nandray ny teny tamin ny zotom-po indrindra (Asan ny Apôstôly 17:11). Nandritra ny fitsidihany ireo vahoaka Nefita dia namporisika azy ireo ny Mpamonjy mba: [hanomana] ny sain [izy ireo] ho amin ny ampitso, ary hankaty aminareo indray Aho (3 Nefia 17:3). Mba hahafahan ireo mpianatra mahatsapa ny fitarihana mankahery avy amin ny Fanahy Masina mandritra ny fotoam-pianaran izy ireo dia tokony koa [hiomana...] handre ny teny izy ireo (Almà 32:6). Vonona ny hianatra ireo mpianatra, ao am-pianarana, rehefa mifoha tsara ny sainy, rehefa mifantoka amin ny fotoam-pianarana ny sainy ary rehefa maneho ny faniriany ho ampianarin ny Fanahy izy ireo. Ao anatin ireo zavatra maro azon ny mpampianatra atao mba hanampiana ireo mpianatra hanomana ny fony sy ny sainy amin ny fianarana filazantsara dia ahitana ireto manaraka ireto: Mivavaka ho an ireo mpianatra. Afaka mangataka ny Tompo ny mpampianatra mba handrotsaka ny Fanahy eo amin ireo mpianatra mba hanomana ny fony handray ny teny... amim-pifaliana (Almà 16:16 17). Manorina tontolo hahatsapana fitiavana sy fifanajana. Ireo mpianatra izay mahatsapa ho tiana, atokisana ary omen ny mpampianany lanja dia ho tonga ao am-pianarana miaraka amin ny fahavononana bebe kokoa handray ny fitarihan ny Fanahy sy miaraka amin ny faniriana mahery vaika mba handray anjara. 60
72 Miomana Hampianatra Mametraka ny fahatsapana hanatratra tanjona. Ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hahatakatra fa manatrika ny fotoam-pianarana izy ireo mba hahafahany mahafantatra ny Ray any an-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ary hivoatra mankany amin ny fiainana mandrakizay amin ny alalan ny fandalinana ny filazantsarany izay hita ao amin ny soratra masina sy ny tenin ireo mpaminany. Mizara lesona mahaliana, manan-danja ary mankahery. Rehefa manomana sy mizara lesona mankahery tsy tapaka ireo mpampianatra dia hitombo ny fiandrandran ireo mpianatra fa hianatra zavatra manan-danja izy ireo isaky ny manatrika ny fotoam-pianarana. Nampianatra ny Loholona Boyd K. Packer hoe: Raha mampianatra kilasy iray ianareo..., dia tsy hiverina amim-pahavitrihana ao ireo [mpianatra] raha tsy hoe nampianarina zavatra izy ireo tao. Tokony mianatra zavatra izy ireo mba hananany faniriana hiverina. Izy ireo dia ho tonga amim-pahavononana, eny amim-pientanentanana mihitsy ao am-pianarana... izay hamahanan-javatra azy ireo (Teach Ye Diligently, 182). Asao ny Fanahy Masina eo am-panombohana ny fotoam-pianarana. Manasa ny Fanahy, mampiray hina ary manomana ny saina sy ny fon ireo mpianatra hanao fandalinana ara-panahy matetika ny fivoriam-bavaka voaomana tsara sy tarihin ny mpianatra izay ahitana vavaka, fihirana hira ary vatsim-panahy avy amin ny soratra masina. Sariho sy hazony ny fahalianan ireo mpianatra. Ny mpampianatra dia afaka mampifantoka ny sain ireo mpianatra amin ny fandalinana ara-panahy amin ny alalan ny fanombohana ny lesona tsirairay amin ny fomba iray izay hisarihana ny fifantohan ireo mpianatra sy hitarihana azy ireo hikaroka ny soratra masina ao anatin ny fananana tanjona lehibe kokoa. Ohatra, afaka manoratra fanontaniana manitikitika ny saina eo amin ny solaitrabe ny mpampianatra na mametraka zavatra na sary iray izay misarika ny fahalianan ny mpianatra rehefa tonga ao am-pianarana izy ireo. Satria maro ireo mpianatra no tsy manana fifantohan-tsaina maharitra, dia mitady fomba maro ahafahana mamerina indray izany fahalianany sy fahavitrihany izany ny mpampianatra hendry mandritra ny fotoam-pianarana. Izany fomba izany dia tokony hatao amin ny fomba izay ahafahana mampifantoka ny sain ny mpianatra amin ireo soratra masina ho halalinina. Manomana ireo mpianatra ho mpianatra mahomby. Alohan ny hanasana ireo mpianatra handray anjara, ireo mpampianatra dia tokony hanazava tsara ny zavatra hangatahina amin izy ireo, ary manome ohatra sy manome fotoana mba hiomanana sy hanaovana fampiharana, dia avy eo manome fankaherezana sy fankasitrahana ny nataon ireo mpianatra tamin ny fanatanterahany ny anjara andraikiny nandritra ny fandalinana. Ireo mpampianatra izay manomana ny mpianatra hahatontosa ny anjara andraikiny amin ny maha-mpianatra azy dia hahita fahombiazana bebe kokoa eo amin ny fanatanterahana ny Tanjon ny Seminera sy Institiota. 61
73 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Fanomanana ny lesona [4.3] Ireo loharanom-pitaovana ho an ny fanomanana ny lesona [4.3.1] Soratra Masina Mifototra amin ny fandalinana ireo soratra masina ankatoavin ny Fiangonana ny taranjam-pianarana efatra an ny seminera sy ny ankamaroan ireo taranjam-pianarana ankatoavina ao amin ny institiota. Ny loharanom-pitaovana voalohany ahafahana mamaritra ny zavatra ampianarina ao amin ireo taranjam-pianarana ireo dia ny soratra masina. Nandritra ny lahateny nataony ho an ireo mpampianatra seminera sy institiota dia nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: Tsarovy mandrakariva fa tsy misy mahasolo ny soratra masina sy ny tenin ireo mpaminany velona. Ireo no tokony ho loharano fototra ho anareo ( The Gospel Teacher and His Message [lahateny natao ho an ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin ny DFF, 17 Sept. 1976], 3). Mifantoka amin ny lohahevitra ara-pilazantsara ny sasantsasany amin ireo taranjam-pianarana ao amin ny institiota fa tsy amin ny fandalinana ny soratra masina ankatoavin ny Fiangonana. Tokony hampiasa ireo boky natolotra ao amin ny fandaharam-pampianaran ny institiota (ary koa ny soratra masina) ireo mpampianatra ho toy ny loharano fototra ho an ny fanomanana. Tokony hikaroka tsy tapaka ireo fotoana ahafahana mampiasa hatrany ny soratra masina sy ny tenin ireo mpaminany mba hanazavana sy hanehoana an-tsary ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin ireo taranjampianarana ireo ny mpampianatra. Boky fampianarana ao amin ny seminera sy institiota Nomena mba hanampy ireo mpampianatra hanomanana sy hampianarana lesona amim-pahombiazana ireo boky fampianarana ao amin ny seminera sy institiota. Manolotra fampahalalana fototra mikasika ny soratra masina sy ny mombamomba azy ny boky fampianarana, ary manolotra fanazavana ireo teny sy andian-teny sarotra, ahitana fanehoan-kevitry ny Manampahefana Ambony mikasika ny fotopampianarana sy fitsipika ampianarina ao amin ny soratra masina, ary sosokevitra mikasika ny hoe inona no votoatiny sy fotopampianarana ary fitsipika tokony ho ampianarina. Manolotra sosokevitra mikasika ny fomba enti-mampianatra koa izany. Rehefa ampiasain ireo mpampianatra miaraka amin ny andian-tsoratra masina ny boky fampianarana dia afaka manentana ny fanahin izy ireo ny Fanahy Masina rehefa mandrindra ny lesona hifanaraka amin ny zavatra ilain ireo mpianatra izy ireo. Nanome fanazavana mikasika ny fanomanana sy ny fampiasana ny boky enti-mampianatra ny Loholona Henry B. Eyring: Ireo izay nantsoin ny mpaminany mba haka antoka ny fahamarinan ny fotopampianarana izay ampianarina ato am-piangonana dia mamerina mijery ny teny tsirairay, ny sary tsirairay ary ny fanazavana an-tsary rehetra ao amin izany boky fampianarana izay raisinareo izany. Afaka mamoha ny hery entin izany boky fampianarana izany isika amin ny alalan ny fampiasana ny finoantsika fa avy amin Andriamanitra izany
74 Miomana Hampianatra Ny fanarahana ny votoatin ny boky fampianarana ary koa ny filaharany dia hamaha ireo fahazai-mampianatra miavaka ananantsika fa tsy hampihena izany ( The Lord Will Multiply the Harvest [takariva niarahana tamin ny Elder Henry B. Eyring, 6 Feb. 1998], 4 5). Loharanom-pitaovana fanampiny Afaka mampiasa loharanom-pitaovana fanampiny ny mpampianatra toy ny gazetibokin ny Fiangonana, indrindra ireo mirakitra ny fampianarana avy amin ny fihaonamben ny Fiangonana, raha toa izy ireo ka manampy amin ny fahatakarana mazava kokoa ilay andian-tsoratra masina. Ireo loharanom-pitaovana hafa dia tsy tokony ho ampiasaina mba hamoahana hevitra sy fomba fanao vaovao, mba hampitolagaga, na hampianarana hevitra izay tsy mbola nandraisan ny Fiangonana fanapahan-kevitra mazava. Na dia misy zavatra efa nohamarinina na navoaka aza taloha dia mety mbola tsy mety ny hampiasana izany any am-pianarana. Tokony hanorina ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon ireo mpianatra ny lesona. Tapaho izay tokony ho ampianarina sy ny fomba hampianarana azy [4.3.2] Rehefa manomana lesona iray ny mpampianatra rehetra dia tsy maintsy manapa-kevitra hoe: Inona no ho ampianariko? ary Ahoana no hampianarana azy? Ny hoe Inona no ho ampianarina dia mifototra amin ny mombamomba ny soratra masina (ao anatin izany ny fampahalalana fototra, ny kolontsaina, ary ny toe-java-miseho), ny votoatiny (toy ny fizotran ny tantara, olona, zava-nitranga, toriteny sy fanazavana avy amin ny fanentanam-panahy), ary ireo fahamarinana manan-danja ara-pilazantsara izay hita ao amin ilay andian-tsoratra masina. Ny hoe: Ahoana no hampianarana azy dia mifototra amin ny fomba fampianarana, ny fitarihana ny fampianarana ary ireo asa atao izay ampiasain ireo mpampianatra mba hanampiana ireo mpianatra hianatra (toy ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana, ireo loharano avy amin ny haino aman-jery, ny asa atao an-tsoratra ary ireo asa iarahan ny vondrona atao). Ny fanapahana hoe inona no ho ampianarina dia mila ialohavan ny fisafidianana ny ahoana no hampianarana azy mba hihazonana ny fifantohana voalohany amin ny soratra masina, fa tsy amin ny fomba fampianarana na ny teknika ampiasaina. Mandritra ny fanomanana ny lesona ireo mpampianatra dia tokony hanokana fotoana sy ezaka ampy tsara eo amin ny fanapahana ireo zavatra roa ireo dia ny hoe inona no ho ampianarina ary ahoana no hampianarana azy. Raha toa ka saika maka ny fifantohana rehetra mandritra ny fanomanana ny lesona ny inona no ho ampianarina dia tsy hanana fotoana ampy hifantohana amin ny fomba hanampiana ny mpianatra handray anjara amin ny fandalinana ny mpampianatra. Matetika izany dia hiteraka lesona mampamonamonaina sy mifantoka loatra amin ny mpampianatra. Raha toa kosa ka mifantoka loatra amin ny ahoana no fomba hampianarana azy ny mpampianatra dia hikorontana ny lesona ary tsy hanana tanjona sy hery. 63
75 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA 64 Tapaho hoe inona no ho ampianarina [4.3.3] Misy dingana efatra lehibe lalovan ny mpampianatra rehefa manomana ny zavatra ho ampianariny izy ireo: Voalohany, mikatsaka ny hahatakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatin ny andian-tsoratra masina izy ireo. Faharoa, mamantatra sy manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin ny andian-tsoratra masina izy ireo. Fahatelo, manapa-kevitra izy ireo hoe inona ireo fitsipika izay manan-danja indrindra tokony hianarana sy hampiharin ireo mpianany, ary fahaefatra, manapa-kevitra mikasika ny halehiben ny fifantohana tokony homena ny kantsana tsirairay ao amin ilay andian-tsoratra masina. 1. Manakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatin ny andian-tsoratra masina izay ampianarina. Ny mpampianatra dia tokony hikatsaka ny hahatakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina, na ny fampahalalana fototra mikasika ny andiantsoratra masina sy hampifantoka tanteraka ny sain izy ireo ao anatin izany mandrapahafantatr izy ireo tanteraka ny votoatiny. Ny dikan ny hoe mifantoka tanteraka ao amin ny soratra masina dia mamaky, mandalina, ary mivavaka mba hahazo fanentanam-panahy sy fahatakarana mikasika ny zavatra novakiana. Ny iray amin ireo zavatra manampy indrindra azon ny mpampianatra atao mba hahatakarana ny votoatin ny soratra masina dia ny mamantatra ireo fizarazarana mazava ao amin ny andian-tsoratra masina izay hitrangan ny fiovana lohahevitra na zava-miseho. Amin ny alalan ny fampiasana ny boky fampianarana sy ny hevi-baovaony manokana, ny mpampianatra dia afaka mizara ny andian-tsoratra masina ho kantsana kelikely kokoa na ho vondron andinin-tsoratra masina mifototra amin ireo fizarazarana mazava ireo. Ireo kantsana kelikely ireo dia ho tonga andian-tsoratra masina na singa manandanja izay ho ampiasain ny mpampianatra any aoriana ao anatin ny fanomanany mba handrindrana ny fisosan ny lesony ary ahafahan izy ireo farafahakeliny mba maneho fifantohana ihany amin ireo votoatin ny zavatra rehetra hita ao amin ny andian-tsoratra masina. Rehefa mandrindra ny andian-tsoratra masina arak io fomba io, ny mpampianatra dia tokony hikatsaka koa fomba hafa mba hampivelarana ny fahatakarany ny olona resahina, ny toerana ary ny fifandraisan ny antony sy ny vokany izay toa manan-danja ao amin ny andian-tsoratra masina, ary koa ny dikan ireo teny na andian-teny sarotra. Ny fahazoana fahatakarana ampy mikasika ny votoatiny dia matetika mitaky famakiana ny andian-tsoratra masina mihoatra ny indray mandeha. 2. Mamantatra sy manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Miaraka amin ny fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny dia tokony hamantatra sy hanakatra tsara ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin ny andian-tsoratra masina ireo mpampianatra ary hamerina hijery ireo natolotra ao amin ny boky fampianarana. Tokony miezaka manoratra amin ny fomba mazava sy voafintina ireo fotopampianarana sy fitsipika ny mpampianatra raha tsy hoe efa voatanisa ao anatin ny boky fampianarana izany. Ny fanaovana izany dia hampazava ny fitsipika sy ny dikany ao an-tsain ny mpampianatra. Hanampy amin ny asa fandalinana atao mandritra ny fotoam-pianarana koa izany ary ahafahan ireo mpianatra hampivelatra ny fahatakarana sy fampiharana mifantoka kokoa.
76 Miomana Hampianatra 3. Manapa-kevitra hoe inona ireo fitsipika sy fotopampianarana izay manan-danja indrindra tokony hianaran ny mpianatra sy hampihariny. Ao amin ny andian-tsoratra masina tsotra iray dia saika hisy foana ny fitaovana bebe kokoa izay azo hifanakalozana hevitra tsara mandritra ny fotoampianarana. Rehefa avy nandalina ny soratra masina sy ny boky fampianarana ireo mpampianatra dia mila manapa-kevitra izy ireo hoe inona ireo fitsipika sy fotopampianarana izay tena manan-danja tokony ho takarin ny mpianany sy tokony hampihariny. Rehefa mandray izany fanapahan-kevitra izany ireo mpampianatra dia tokony handinika ireto zavatra manaraka ireto. Bitsiky ny Fanahy Masina. Tokony hikatsaka ny fitarihan ny Fanahy Masina hatrany ireo mpampianatra eo am-pandraisana fanapahan-kevitra hoe inona avy ireo fitsipika sy fotopampianarana tokony hamafisina ao amin ny lesona. Ny tanjon ilay mpanoratra nentanim-panahy. Tokony hikatsaka hamantatra ny zavatra tian ilay mpanoratra mandray faminaniana hampitaina ireo mpampianatra. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: Raha toa ka nahita izao androntsika izao izy ireo [ireo mpanoratra], ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja indrindra ho antsika, moa va tsy ho ny fomba tokony handalinantsika ny Bokin i Môrmôna izany? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: Inona no antony nitaoman ny Tompo fanahy an i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin izany izay hanampy ahy eo amin ny fiainako amin izao andro izao sy amin izao vanimpotoana izao? Inona no lesona azoko ianarana avy amin izany mba hanampy ahy hiaina amin izao andro sy fotoana izao? ( The Book of Mormon Keystone of Our Religion, Ensign, Nov. 1986, 6). Tokony hieritreritra fanontaniana mitovy amin izany ireo mpampianatra mandritra ny fanomanany lesona ho an izay mety ho taranja ianarana ao amin ny fianarana ny soratra masina ampianariny. Tokony hihazona ao an-tsainy koa ireo mpampianatra fa ny tanjona fototry ny mpaminany ao amin ny soratra masina dia ny hijoro ho vavolombelona momba an i Jesoa Kristy foana. Hoy i Nefia hoe: Fa ny tena fikasako dia ny hahazoako mandresy lahatra ny olona hanatona ny Andriamanitr i Abrahama sy ny Andriamanitr i Isaka ary ny Andriamanitr i Jakoba mba hovonjena (1 Nefia 6:4). Noho izany ny mpampianatra dia tokony hametraka fanontaniana hoe: Inona no ampianarin ity andian-tsoratra masina ity mikasika an i Jesoa Kristy izay hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fampianarany sy ny Sorompanavotany sy hiantehitra amin izany? Rehefa mikatsaka ny hamantatra ny tanjon ilay mpanoratra nentanim-panahy ireo mpampianatra dia tokony hitandrina tsara izy ireo mba tsy hihoatra ny zavatra hita mazava ao amin ny lahatsoratra. Nampitandrina ny Loholona Henry B. Eyring hoe: Tsy tokony hisehoseho aho fa mahafantatra ny zavatra rehetra tian ny mpanoratra holazaina, na ny tsy tiany holazaina ( And Thus We See: Helping a Student in a Moment of Doubt [takariva niarahana tamin ny Loholona Henry B. Eyring, 5 Feb. 1993], 6). 65
77 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Misy fomba fijery roa mikasika ny filazantsara izay samy marina. Hitondra fiovana lehibe eo amin ny herin ny fampianaranareo izy ireo. Ny fomba fijery voalohany dia hoe fahamarinana ny filazantsara. Tena marina izany. Fahamarinana ny filazantsara. Amin ny alalan izany fomba fijery izany dia afaka mampianatra tsara izay zavatra marina rehetra ao am-pianarana aho, ary dia ny filazantsara no ho ampianariko amin izany. Ilay fomba fijery iray hafa dia hoe fitsipika, didy ary ôrdônansy ny filazantsara ka raha tandrovana, arahina ary ekena dia hitarika any amin ny fiainana mandrakizay. Marina koa izany. Rehefa misafidy aho hoe inona amin ireo fomba fijery ireo no entiko hibahan-toerana ao amin ny fampianarako dia mandray dingana lehibe aho izay. Raha toa aho ka maka ilay fomba fijery hoe ny filazantsara dia fahamarinana rehetra, fa tsy ilay hoe izany dia ôrdônansy sy fitsipika ary didy izay raha tandrovana, arahina sy ekena dia hitarika amin ny fiainana mandrakizay dia efa mamily ny tenako sahady hiala amin ny fanampiana ireo mpianatra hanohitra ny ranomasimben ny fahalotoana aho. (Henry B. Eyring, Eyes to See, Ears to Hear [Fivorian ny manam-pahaizana ao amin ny DFF momba ny Testamenta Vaovao, 16 Aog. 1984], 6) Ireo fitsipika sy fotopampianarana fototra mitondra fiovam-po. Rehefa manapa-kevitra ny mpampianatra hoe inona no tokony ho ampianarina, dia tokony handinika izy hoe: Amin ireo fahamarinana rehetra azo antitranterina ao amin ity andian-tsoratra masina ity dia inona no hanampy ny mpianatro hanatona akaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy ary hitondra any amin ny famonjena? Nanoro hevitra ny Loholona Henry B. Eyring hoe: Rehefa manomana lesona ianareo dia tadiavo ao anatin izany ireo fitsipika mitondra fiovam-po.... Ny fitsipika mitondra fiovam-po dia ireo izay mitarika any amin ny fankatoavana ny sitrapon Andriamanitra ( Converting Principles [lahateny nandritra ny takariva niarahana tamin ny Loholona L. Tom Perry, 2 Feb. 1996], 1). Tokony hamaritra koa ireo mpampianatra raha toa ilay andian-tsoratra masina halalin izy ireo ka mampianatra izay mety ho fotopampianarana fototra nosafidian ny S&I mba ho antitranterina. Ireo fotopampianarana ireo dia manome ireo mpianatra fahakatarana ny drafitry ny Ray any an-danitra sy finoana fototra mikasika ny Fiangonana (jereo ny fizarana 2.7.2, Fotopampianarana Fototra, ao amin ny pejy 41). Ireo zavatra ilaina sy fahaiza-manaon ny mpianatra. Raha mahafantatra sy mahatakatra tsara kokoa ny mpianany ny mpampianatra, dia ho mora kokoa ny hamantarana sy hanamafisana an ireo fitsipika manan-danja izay mora ampiharina. Rehefa mandalina andian-tsoratra masina iray ny mpampianatra dia mety hahita hevitra na fomba fisainana maro izay manaitra azy mivantana na manana lanjany manokana ho an ny tenany, kanefa ireo mety tafahoatra ny fahavononana sy fahatakarana ara-panahin ny mpianatra (jereo, ohatra, ny torohevitr i Paoly mikasika ny hena sy ny ronono ao amin ny 1 Korintiana 3:2). Mety hanana lanjany lehibe ho an ny mpianatra ireo fitsipika sasantsasany izay mety tsy ho vaovao na tsy mahaliana ny mpampianatra. Tokony ho tsaroan ny mpampianatra fa mampianatra mpianatra izy ireo fa tsy lesona fotsiny. Manorina tontolo iray ahafahana mianatra izy ireo fa tsy manomana ireo hevi-dehiben ny lesona fotsiny. Afaka manampy ireo mpampianatra tokoa ny boky fampianarana eo am-pamaritana izay mety ho fitsipika sy fotopampianarana manan-danja indrindra ho an ireo mpianatra. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: Farito, araka ny fahaizan ny tsirairay sy ny zavatra ilain ireo mpianatra, izay laharam-pahamehana indrindra. Raha takatra ireo fitsipika manan-danja, tafalatsaka anaty ary tafiditra ao amin ny boky torolalam-piainan ireo mpianatra, dia tanteraka izany ilay tanjona manan-danja indrindra ( To Understand and Live Truth [takariva niarahana tamin ny Loholona Richard G. Scott, 4 Feb. 2005], 2 3). Rehefa manapa-kevitra hoe inona ireo fahamarinana tokony ho antitranterina dia afaka manao drafitra koa ny mpampianatra mba hitanisa fohifohy ny fitsipika na fotopampianarana iray izay tsy kasain izy ireo hivalamparana 66
78 Miomana Hampianatra rehefa mandroso ao anatin ny fandalinana ny andian-tsoratra masina. Izany dia manome fahafahana ny Fanahy Masina mba hampifanaraka amin izay ilan ny olona azy ny fitsipika iray, izay na dia tsy zavatra lehibe ifantohana ao anatin ny lesona aza, dia mety hanan-danja ho an ny mpianatra iray. Tokony ho ataon ny mpampianatra ao an-tsaina koa fa ireo mpianatra dia mety hahita fahamarinana ara-pilazantsara sasantsasany sy hanam-paniriana ny hifanakalo hevitra mikasika an izany ary mety tsy tsikaritry ny mpampianatra na nokasainy horesahana izany. Ao anatin ireo zavatra rehetra ireo dia tokony hikatsaka ny fanamafisana avy amin ny Fanahy ny mpampianatra. Ny Fanahy dia hanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny tanjon ny mpanoratra soratra masina izay nentanim-panahy, sy ny zavatra ilain ny mpianatra, ary izay fahamarinana ara-pilazantsara hanampy ireo mpianatra hanatona akaiky kokoa ny Rain izy ireo any an-danitra sy ny Mpamonjy. 4. Manapa-kevitra mikasika ny halehiben ny fifantohana tokony homena ny kantsana tsirairay ao amin ilay andian-tsoratra masina. Ireo mpampianatra ankehitriny dia afaka manapa-kevitra mikasika ny halehiben ny fifantohana tokony homena ny kantsana tsirairay ao amin ilay andian-tsoratra masina rehefa manana ny fahatakarana mikasika ny tantara sy ny votoatin ny andian-tsoratra masina, sy nizarazara izany ho kantsana kelikely sy mifandray ny votoatiny, ary rehefa nahita ireo fahamarinana manandanjan ny filazantsara mba hianaran ireo mpianatra sy hampihariny. Amin ny ankapobeny ireo kantsana izay ahitana fotopampianarana sy fitsipika izay tian ny mpampianatra ho antitranterina ao amin ny lesona dia handaniana fifantohana be. Midika izany fa ho an ireo vondron andinin-tsoratra masina ireo, ny mpampianatra dia hitarika ireo mpianatra hahatakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny, hamantatra sy hanakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja ao amin izy ireo, hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe an ireo fotopampianarana sy fitsipika ao am-pony, ary hanampy azy ireo hahita ny fomba ahafahan izy ireo mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin ny fiainany. Ireo kantsana hafa ao amin ny andian-tsoratra masina dia tsy dia mifandray loatra amin ireo fahamarinana hamafisina ao amin ny lesona, kanefa tsy tokony ho dinganina na hoe tsy ho jerena. Farafaharatsiny tokony hamintina ireo vondron andinin-tsoratra masina ireo koa ny mpampianatra. : Mahalana ny hoe manana fotoana tsy voafetra hanomanana ny lesona. Ny fahadisoana mateti-pitranga ataon ireo mpampianatra dia ny fandaniana fotoana be loatra amin ny famakiana sy fandalinana ary fiezahana manapa-kevitra ny amin ny hoe inona no ho ampianarina ka tsy ampy intsony ny fotoana hanomanana amim-pahamatorana ny hoe ahoana no fomba hampianarana azy. Tonga eto ilay ao anatin ny fanomanana ny lesona rehetra izay tsy maintsy ilazan ny mpampianatra iray hoe: Tsapako fa manana fahatakarana ampy mikasika ny zavatra ho ampianariko aho. Ankehitriny aho mila manapa-kevitra hoe ahoana no fomba hampianarako izany amim-pahombiazana. 67
79 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Manapa-kevitra ny fomba hampianarana izany [4.3.4] Mateti-pitranga amin ireo mpampianatra ny mientanentana mikasika ireo andian-tsoratra masina izay ho ampianariny sy ireo fahamarinana izay hitany. Amin ny alalan ny ezaka mafy atao mba handalinana sy hahatakarana ary mba ho ampianarin ny Fanahy dia mahazo hery ary manam-paniriana ho azy ny hizara ny zavatra nianarany nandritra ny fotoana fanomanana ireo mpampianatra. Rehefa azo atao aza izany dia tokony ho tsaroana fa ny tanjon ny lesona tsirairay dia ny hahatakaran ny mpianatra ny soratra masina, ny mba hampianaran ny Fanahy Masina azy ireo ary hahatsapany famporisihana mba hampihatra ny zavatra nianarany. Izany dia saika mitaky foana zavatra bebe kokoa mihoatra ny filazan ny mpampianatra fotsiny amin ireo mpianatra ny zavatra nianaran izy ireo avy amin ny soratra masina sy ny antony hahatsapan izy ireo fa manan-danja izany. Izany koa dia mitaky zavatra mihoatra ny famakian ny mpampianatra andinin-tsoratra masina iray, sy fanomezany fanamarihana mikasika izany, ary famakiana andinin-tsoratra masina iray hafa indray avy eo. Mahazo hery ireo mpianatra rehefa tarihina izy ireo ao anatin ilay dingan ny fianarana izay mitovy amin ny zavatra niainan ny mpampianatra nandritra ny fanomanana ny lesona. Tokony ho tarihina ny mpianatra hikaroka ny soratra masina mba hahatakatra zavatra ary mba hahita amin ny alalan ny tenanin izy ireo ny fahamarinan ny filazantsara. Tokony homena fahafahana manazava ny filazantsara amin ny alalan ny fampiasany ny teniny manokana izy ireo ary hizara zavatra izay fantany sy tsapany sy hijoro ho vavolombelona mikasika izany. Izany dia hanampy amin ny fitondrana ny filazantsara miala avy ao an-tsainy mankany am-pony. Rehefa mianatra tsy tapaka ny filazantsara araka izany fomba izany ny mpianatra dia hanana fahatokian-tena eo amin ny fahaizan izy ireo mandalina ny soratra masina ho an ny tenany sy hianatra amin ny alalan ny Fanahy. Manana faniriana ny hampihatra ny zavatra nianaran izy ireo eo amin ny fiainany izy ireo. Ho vonona tsara kokoa izy ireo hanazava ny zavatra inoany amin ny olon-kafa ary hijoro ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Tokony hanomana fomba izay hanampy ireo mpianatra hiaina ity dingan ny fandalinana ity ireo mpampianatra rehefa miaraka mandroso ao anatin ny soratra masina izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana. Rehefa mandrindra ny drafitry ny lesony ireo mpampianatra, ny valin ireto fanontaniana manaraka ireto dia manome ireo zavatra fototra hanapahan-kevitra hoe inona no ho ampianarina: 1. Inona no fomba na asa fandalinana atao izay hanampy ireo mpianatro hahatakatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny izay ilain izy ireo ho fantatra? 2. Inona no fomba izay hanampy ireo mpianatro hamantatra sy haneho amin ny alalan ny teny ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja ary hanome azy ireo fahafahana hahita ireo hafa? 3. Inona no fomba tsara indrindra izay hanampy ny mpianatro hahatakatra ireto fitsipika sy fotopampianarana ireto? 4. Inona no fomba na fitarihana izay hitarika ny mpianatro hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika ireo ary hanasa azy ireo hizara sy hijoro ho vavolombelona mikasika azy ireo? 68
80 Miomana Hampianatra 5. Inona no fomba mahomby izay hanampy azy ireo hahita ny fomba ahafahany mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin ny fiainany sy hamporisika azy ireo hanao izany? Ireto misy zavatra vitsivitsy tokony hodinihina ao anatin ny fanapahana hevitra mikasika ny fomba hampianarana. Maka antoka fa mifanaraka tsara amin ny hafatra izay ampianarina sy mampitombo ny fitarihan ny Fanahy ireo fomba fampianarana. Indraindray noho ny fiezahana hampifalifaly ny mpianatra na fiezahana hihazona ny fahalianany, dia misafidy fomba na teknika izay tsy mitondra any amin ny fahatakarana sy fivoaran ny toe-tsaina ny mpampianatra. Rehefa mifantina ny fomba fampianarana dia tokony hojeren ny mpampianatra raha toa ilay fomba fampianarana ka mifandray na manalavitra ny hafatra izay natao hanampiana ny mpianatra hampiditra zavatra ao anatiny. Ohatra, ny kilalao enti-mampianatra dia mety hahafinaritra sy fomba mahomby hampitana fampahalalana (toy ny filaharan ny boky ao amin ny Baiboly), kanefa mety tena tsy hitondra vokany izany raha toa ny tanjona farany ka hoe fananana fahatsapan-javatra ara-panahy. Mety mahomby ny miasa ao anatin ny vondrona kely kanefa noho izany somary mandany fotoana ihany dia mety tsy izany no fomba tsara indrindra hamantarana fitsipika tsotra nambara iray. Tokony haka antoka ilay mpampianatra fa mifanaraka amin ny tontolo entimandalina ny filazantsara ny fomba fampianarana sy asa atao sy tsy hanafintohina na handratra na iza na iza, ary hitondra ny fitarihan ny Fanahy. Mampiasà boky fampianarana. Ny boky fampianarana ao amin ny seminera sy institiota dia manolotra sosokevitra mikasika ny hoe inona no ho ampianarina izay mampiditra ireo zavatra manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Rehefa manomana ny lesona tsirairay ireo mpampianatra dia tokony hamerina hamaky tsara ny boky fampianarana ary hifantina izay fampahalalana sy fomba fampianarana ho ampiasain izy ireo mba hampianarana ilay andian-tsoratra masina. Afaka misafidy ireo sosokevitra rehetra ao amin ny boky na ny ampahan izany mba hampianarana andian-tsoratra masina iray ireo mpampianatra na afaka mampifanaraka ireo sosokevitra amin ny zavatra ilaina sy ny zava-misy ao am-pianarany. Ny mpampianatry ny filazantsara mahay iray dia hampianatra avy ao amin izay zavatra voafaritra ao amin ny fitaovana enti-mampianatra, miaraka amin ny fifantohana tena lehibe eo amin ny fampianarana ireo fotopampianarana sy fitsipika ary fanekempihavanan ny filazantsaran i Jesoa Kristy. (Dallin H. Oaks, Gospel Teaching, Ensign, Nôv. 1999, 79) Mametraka ny fijerena ny fiantefan-javatra sy mametraka tanjona. Rehefa hitan ny mpianatra ny fiantefan ny zavatra halalinin izy ireo ao amin ilay andian-tsoratra masina eo amin ny toe-javatra iainany manokana dia hazoto kokoa hianatra sy hampihatra ny fampianaran ny filazantsara izy ireo amin ny ankapobeny. Izy ireo koa dia afaka ny hahita ny fomba hitondran ny soratra masina valiny sy fitarihana izay afaka ny hitarika azy ireo ao anatin ny zava-misy marina mitranga eo amin ny fiainany. Noho izany, rehefa manomana ny hoe ahoana no hampianarana azy ny mpampianatra, dia tokony hanam-pahendrena handinika ireo fahamarinana mandrakizay voarakitra ao amin ilay andian-tsoratra masina sy hieritreritra ny fomba mety hahatongavan izany ho mahasoa sy manan-danja eo amin ny fiainan ireo mpianatra. Miaraka amin izany ao an-tsainy, ireo 69
81 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA mpampianatra dia hanomboka matetika ny lesony amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana manan-danja na firesahana toe-javatra miseho na olana iray izay hitarika ireo mpianatra hikaroka ny soratra masina mba hahitana ireo fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara izay hitantana sy hitarika azy ireo. Rehefa manomana lesona ny mpampianatra dia tokony handrafitra koa fomba ahafahana mihazona ny fahalianana sy mamporisika hatrany ireo mpianatra hirotsaka ao amin ny dingan ny fandalinana. Mandamina ny halavam-potoana. Ny mpampianatra dia tokony hanao ezaka tsy tapaka mba handalina ny andian-tsoratra masina manontolo. Kanefa ao anatin ny fandinihana ny habetsaky ny fotoana ho laniana amin ireo fizarazarana samihafa ao amin ny lesona, dia zava-dehibe ho an ireo mpampianatra ny mahatsiaro fa mampianatra mpianatra izy ireo, fa tsy lesona. Tokony tsy hifantoka be fotsiny amin ny fanarahana amin ny fomba hentitra ny drafitry ny lesona ireo mpampianatra ka tsy hanome toerana ny fahafahana mety handray fanentanam-panahy na fandraisana anjara tsy ampoizina avy amin ireo mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana izay mety hahatonga filana ny hanovana ny lesona. Ny iray amin ireo hadisoana mateti-pitranga eo amin ireo mpampianatra dia ny fandaniana fotoana be loatra amin ny ampahan ny voalohan ny lesona ary avy eo hafainganina ny ampahany faran ny lesona. Rehefa manomana ireo mpampianatra dia ilain izy ireo ny mandanjalanja ny fotoana holaniana mba hamitana ny fizarana tsirairay ao anatin ny lesona amin ny alalan ny fampiasana ny fomba fampianarana nosafidiany. Satria ny mpampianatra iray dia tsy maintsy hanana zavatra bebe kokoa ho ampianarina foana amin ny ankapobeny mihoatra ny fotoana ananana enti-mampianatra izany, dia mila faritan izy ireo hoe inona avy ireo ampahany ao amin ny andiantsoratra masina tokony ho antitranterina ary inona tokony ho fintinina. Miantefa any amin ny taranjam-pianarana feno sy amin ny lesona tsirairay ny filana fandaminana ny halavam-potoana. Ohatra, ao amin ny taranjampianarana Testamenta Vaovao, raha toa ka mandany fotoana be loatra amin ny Filazantsara efatra ireo mpampianatra dia tsy afaka ny hampita araka ny tokony ho izy ireo fahamarinana manan-danjan ny filazantsara hita ao amin ireo boky hafa any aoriana. Ny ankamaroan ny boky fampianarana ho an ny seminera sy institiota dia manolotra sosokevitra eo amin ny fandaminana ny halavam-potoana sy fandaharam-potoana entina hamitana ny taranja iray manontolo. Mifantoka amin ny fanampiana ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny. Rehefa manomana ny fomba hampianarany ny mpampianatra dia tokony hifantoka foana amin ny mpianatra fa tsy amin ny zavatra ho ataon ny mpampianatra. Raha tokony hanontany fotsiny hoe: Inona no ho ataoko any am-pianarana androany? na ny Inona no ho ampianariko ny mpianatro? ny mpampianatra iray koa dia tokony hanao ny fanomanana ny lesona amin ny alalan ny fieritreretana hoe: Inona no ho ataon ny mpianatro any am-pianarana androany? Ahoana no fomba hanampiako ny mpianatro hahafantarany ny zavatra tokony ho fantany? 70
82 Miomana Hampianatra Mampiasa fomba fampianarana sy fitarihana vaovao enti-mampianatra isan-karazany. Na ny teknika fampianarana mandresy lahatra iray aza dia mety tsy hahomby intsony sy hankaleo raha ampiasaina foana. Raha tsy tokony hifantina fomba fampianarana noho ny fitiavana hanovaova ny zavatra atao fotsiny ny mpampianatra, dia maro ireo mpampianatra mahomby no manovaova ireo fomba fampianarany mandritra ny lesona tsirairay ary koa mety ho isan andro isan andro. Tokony ho vonona hanova ireo fomba fampianarana mandritra ny lesona ireo mpampianatra raha toa ka manomboka tsy dia liana ireo mpianatra na raha toa ka tsy manampy loatra ireo mpianatra hanatratra ny vokatra tadiavina ny zavatra ataon izy ireo. Afaka manampy koa ireo mpianatra izay mandalina amin ny fomba samihafa ny fampiasana fomba maro isan-karazany entina mampianatra. Afaka manampy hanatsara ny fandraisan anjaran ny mpianatra sy ny fitadidiany ny zavatra nampianarina ireo fomba fampianarana na asa fandalinana atao izay mitaky ny fampiasan ireo mpianatra retsipamantarany samihafa, toy ny fahitana, ny fihainoana ary ny fahatsapana. Raha toa ka tokony hifantina ireo fomba izay ahazoany aina sy hainy mampiasa ny mpampianatra amin ny ankapobeny dia tokony ho vonona hanandrana ireo fomba fampianarana na fitarihana ny fampianarana vaovao izy ireo mba hampahomby azy ireo bebe kokoa. Ny fizarana manaraka ao amin ity boky torolalana ity dia miresaka mikasika ireo fomba fampianarana sy fitarihana ny fampianarana isan-karazany izay azon ireo mpampianatra dinihina rehefa manapa-kevitra hoe ahoana no fomba ampianarana izy. 71
83 5 Notes Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Andraikitra sarotra sy ahitana lafiny maro ny fampianarana. Ny lisitra irain ny fomba fampianarana sy ny teknika enti-mampianatra dia ho ahitana hevitra sy ohatra maro ary hameno boky maro ny fifanakalozan-kevitra mikasika azy ireo. Na izany aza anefa dia azo atao ny mampivondrona azy ireo ho ao anatin ny sehatra amin ny ankapobeny ahitana fomba fampianarana, fahaiza-manao enti-mampianatra ary fitarihana ny fampianarana izay ilaina ho an ny fampianarana mahomby. Hiresadresaka mikasika ny sasany amin ireo sehatra manan-danja ireo ity fizarana ity. Rehefa manapa-kevitra mikasika ireo fomba fampianarana ho ampiasaina dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ireo fomba fampianarana sy fahaiza-manao enti-mampianatra dia dingana arahana hanatratrarana tanjona fotsiny ihany, fa tsy ireo no tanjona akory. Ny mpampianatra dia tokony hifantina ireo fomba izay tena hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny votoatin ny andian-tsoratra masina iray, ny fotopampianarana ary ny fitsipika ao aminy ary hanamora ny fivoaran ny toe-tsaina sy ny fampiharana. Ny fihazonana an-tsaina ny tanjona amin ny fampiasana fomba na teknika fampianarana manokana dia hanampy ireo mpampianatra hampiasa izany amin ny fomba mitondra voka-tsoa kokoa. Zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa raha tsy misy ny Fanahy dia tsy hahomby na dia ireo fomba fampianarana sy fitarihana ny fampianarana tena mahomby indrindra aza. Fanontaniana [5.1] Iray amin ireo fahaiza-manao manan-danja indrindra azon ny mpampianatra hatsaraina ny fametrahana fanontaniana mahomby. Ny fanontaniana dia afaka mamporisika ireo mpianatra handray anjara ao amin ny dingan ny fahatakarana ny soratra masina ary afaka manampy azy ireo hamantatra sy hanakatra ireo fahamarinana manan-danjan ny filazantsara. Ny fanontaniana koa dia manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fiantefan ny filazantsara teo amin ny fiainan izy ireo ary manampy azy ireo handinika ny fomba ahafahany mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin izao fotoana izao sy amin ny hoavy. Ny fametrahana fanontaniana mahomby dia afaka mamporisika ireo mpianatra hanasa ny Fanahy Masina ao anatin ny fotoam-pandalinan izy ireo amin ny alalan ny fampiharana ny fahafahany misafidy sy ny fanatanterahany ny anjara andraikiny ao anatin ny dingan ny fandalinana. 72
84 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Tsy hanenenana ny manao ezaka lehibe eo amin ny fandrafetana amim-pitandremana fanontaniana mandritra ny fanomanana ny lesona izay hitondra any amin ny fahatakarana sy hahaliana ny saina sy ny fon ireo mpianatra eo am-pandalinany. Rehefa manomana fanontaniana dia tokony hamaritra ny antony hametrahany izany fanontaniana manokana izany ny mpampianatra (ohatra, mety ho tian ny mpampianatra hahita fampahalalana avy ao amin ny hafatry ny andinin-tsoratra masina ireo mpianatra, na tiany hieritreritra ny dikan ny andinin-tsoratra masina iray na hizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan ny fitsipika iray). Tokony handrafitra ilay fanontaniana miaraka amin izany tanjona izany ao an-tsainy ny mpampianatra. Ny teny vitsivitsy nosafidiana tamim-pitandremana tsara dia afaka manova zavatra lehibe eo amin ny hoe hitondra ilay vokany tadiavina ve sa tsia ilay fanontaniana. Tokony hiezaka hanomana sy hametraka fanontaniana izay miteraka fieritreretana sy mampisy fahatsapan-javatra ny mpampianatra. Amin ny ankapobeny dia tokony hisoroka ny fanontaniana azo valiana amin ny eny na tsia izy ireo na fanontaniana izay mazava be ny valiny ka tsy mazoto ireo mpianatra hieritreritra ny valiny. Ny mpampianatra koa dia tokony hisoroka ireo fanontaniana izay mety hiteraka tsy fitovian-kevitra satria mety hanorisory ny mpianatra izany sy hiteraka fifandirana ao am-pianarana, ka hampalahelo ny Fanahy (jereo ny 3 Nefia 11:29). Rehefa mametraka fanontaniana ao am-pianarana dia zava-dehibe ho an ireo mpampianatra ny manome fotoana mba hieritreretan ireo mpianatra ny valiny. Indraindray dia mametraka fanontaniana iray ny mpampianatra, miato kely segondra iray na roa, ary raha tsy misy mamaly avy hatrany, dia mikorontan-tsaina izy ary manome ny valiny avy hatrany. Matetika anefa ny fanontaniana mahomby dia mitaky fieritreretana sy fandinihana, ary mety mila fotoana ireo mpianatra hahitany ny valiny ao amin ny soratra masina na handrindrany ao an-tsainy valiny mafonja kokoa. Mety hanampy kokoa indraindray ny fanomezana fotoana an ireo mpianatra mba hanoratana ny valintenin izy ireo alohan ny hanomezana izany. I Jesoa Kristy, ilay Tompo Mpampianatra, dia nampiasa karazam-panontaniana mba hamporisihana ny hafa hisaintsaina sy hampihatra ireo fitsipika nampianariny. Niovaova arakaraka ny zavatra tiany hampitaina mikasika ny fiainan ireo izay nampianariny izany fanontaniana izany. Ireo fanontaniana sasantsasany dia nanentana ireo mpihaino Azy hieritreritra sy hikaroka ny valiny ao amin ny soratra masina, toy ny tamin ny nametrahany fanontaniana hoe: Inona no voasoratra ao amin ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy? (Lioka 10:26). Ireo fanontaniana hafa dia natao mba hanaovana fanoloran-tena, raha nanontany Izy hoe: Tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? (3 Nefia 27:27). Raha toa ka maro karazana tokoa ireo fanontaniana azo apetraky ny mpampianatra dia misy karazam-panontaniana fametraka efatra izay manan-danja manokana ho an ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara: Ivon ny fianarana sy fampianarana rehetra ny fametrahana sy famaliana fanontaniana. (Henry B. Eyring, The Lord Will Multiply the Harvest [takariva niarahana tamin ny Loholona Henry B. Eyring, 6 Feb. 1998], 5 6)
85 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA 1. Fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hikaroka fampahalalana 2. Fanontaniana izay mitarika ireo mpianatra hanao fanadihadiana mba hahatakaran-javatra 3. Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona 4. Fanontaniana izay mitaona any amin ny fampiharana Fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hikaroka fampahalalana [5.1.1] Ireo fanontaniana mamporisika ny fikarohana dia manampy ireo mpianatra hanorina fahatakarana fototra an ilay soratra masina amin ny alalan ny fanasana azy ireo hikaroka ireo antsipirian-javatra manan-danja izay mifandray amin ny votoatin ilay andian-tsoratra masina. Noho ireo fanontaniana mamporisika ny fikarohana manosika ny mpianatra hitady fampahalalana ao amin ny lahatsoratry ny soratra masina, dia manampy tokoa ny fametrahana fanontaniana toy izany alohan ny hamakiana ireo andininy izay ahitana ny valiny. Mampifantoka ny sain ny mpianatra izany ary mamela azy ireo hahita ny valiny ao anatin ny tantara ara-tsoratra masina. Ireo fanontaniana mamporisika ny fikarohana matetika dia ahitana ny teny toy ny hoe: iza, inona, rahoviana, ahoana, aiza, ary nahoana. Ireto misy ohatra sasantsasany ahitana fanontaniana izay mitaona ny mpianatra hikaroka fampahalalana: Araka ny voalazan ny Matio 19:22, nahoana ilay zatovo mpanankarena no niala tamin alahelo? Ao amin ny 1 Samoela 17:24, nanao ahoana ny fihetsik ireo lehilahin i Isiraely rehefa nahita an i Goliata? Nanao ahoana ny fihetsik i Davida ao amin ny andininy 26? Inona no torohevitra nomen i Almà ny zanany lahy Siblôna ao amin ny Almà toko 38, andininy 5 15? Ny valin ny fanontaniana mamporisika ny fikarohana dia tokony hanorina fahatakarana fototra izay azon ireo karazam-panontaniana hafa iorenana mba hisian ny fahatakarana sy fampiharana bebe kokoa. Ilay fanontanian ny Mpamonjy manao hoe: Ataon ny olona ho iza moa ny Zanak olona? ( Matio 16:13) dia manome fampahalalana fototra. Ny valinteny izay nomen ny mpianany dia nanomana azy ireo tamin ilay fanontaniana lalindalina sy nampitaintaina kokoa: Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza? (Matio 16:15). Fanontaniana izay mitarika ireo mpianatra hanao fanadihadiana mba hahatakaran-javatra [5.1.2] Mazàna ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia apetraka aorian ny fahafantaran ireo mpianatra tsara ireo andininy izay ianarany. Afaka manasa ireo mpianatra izy ireo mba hikatsaka fahatakarana lehibe sy lalindalina kokoa mikasika ny soratra masina. Afaka manampy ireo mpianatra izy ireo hanadihady ireo fifandraisan-javatra sy ireo lamina na hahita ny fifanoheran-javatra ao anatin ny soratra masina. Ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia saika ahitana valiny mihoatra ny iray foana. 74
86 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Amin ny ankapobeny ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia natao hanatanterahana tanjona telo farafahakeliny. Izy ireo dia afaka manampy ny mpianatra mba: Hahatakatra tsara kokoa ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny. Hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara. Hampivelatra ny fahatakarana lalina kokoa an ireo fitsipika sy fotopampianarana. Manampy ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny. Ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia afaka manampy ireo mpianatra hampivelatra ny fahatakarany ny lahatsoratra ara-tsoratra masina sy ny zava-nitranga amin ny alalan ny fanampiana azy ireo handinika ireo andinin-tsoratra amin ny alalan ny zavatra hita ao anatin ny zava-niseho ara-tantarany sy ara-kolontsainy, na amin ny alalan ny fifandraisany amin ireo andinintsoratra masina hafa. Ny fanontaniana toy izany dia afaka manampy mpianatra koa hahazoana fanazavana momba ny dikan ireo teny na andian-teny ary manampy azy ireo hanadihady ny antsipirian ny fizotran ny tantara mba hahatakaran-javatra bebe kokoa. Izany dingana izany dia manomana ireo mpianatra mba ho afaka hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianarana. Ireto misy ohatra ahitana karazam-panontaniana toy izany: Ahoana no hanampian ny fanazavan i Jesoa tao amin ny Matio 13:18 23 antsika hahatakatra ny fampianarany ao amin ny andininy 3 ka hatramin ny 8? Inona no fahasamihafana hitanao eo amin ny valintenin i Lamana sy i Lemoela amin ny valintenin i Nefia mikasika ny torolalan ilay anjely? (jereo ny 1 Nefia 3:31; 4:1 7). Inona no nitarika ny fahaverezan ny pejy miisa 116 izay nahatonga ny Tompo hanoro hevitra an i Joseph Smith fa tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra izy? (F&F 3:7). Manampy ireo mpianatra hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianaran ny filazantsara. Rehefa mitombo ny fahatakaran ireo mpianatra ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatin izany dia ho afaka hamantatra bebe kokoa ireo fitsipika sy fotopampianarana ao anatin izany izy ireo. Ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia afaka manampy ireo mpianatra hisintona fehin-kevitra na hanazava tsara ireo fitsipika na fotopampianarana hita ao amin ilay andian-tsoratra masina (jereo ny fizarana 2.5.1, Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin ny pejy 32). 75
87 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Ireto misy ohatra sasantsasany ahitana fanontaniana toy izany: Inona no fitsipika naseho tamin ny fahombiazan i Nefia teo amin ny fahazoana ny takela-bolamena na dia teo aza ny olana lehibe natrehany? (Jereo ny 1 Nefia 3 4). Inona amin ireo fotopampianarana mikasika ny toetoetran Andriamanitra no azontsika ianarana avy amin ny Fahitana Voalohany? (jereo ny JS T 1:15 20). Inona no lesona azontsika ianarana avy amin ny ezaka nataon ilay vehivavy izay nanana aretina mikasika ny ra hikasika ny Mpamonjy, ary ny fihetsika nasehony tamin ilay vehivavy vokatr izany? (jereo ny Marka 5:24 34). Manampy ireo mpianatra hanana fahatakarana lalindalina kokoa mikasika ireo fitsipika sy fotopampianarana. Ankoatra ny famantarana ireo fitsipika sy fotopampianarana dia mila mahatakatra azy ireo koa ny mpianatra alohan ny ahafahana mampihatra azy ireo amim-pahombiazana. Manampy tanteraka ireo fanontaniana izay mitarika any amin ny fahatakarana lalindalina kokoa ny dikan ny fitsipika na fotopampianarana iray manokana, izay mamporisika ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fitsipika iray amin izao vaninandro izao, na izay manasa ny mpianatra hanazava ny fahatakarany mikasika ny fitsipika iray. Ohatra amin izany ireto manaraka ireto: Inona no porofo mivaingana fa tia an Andriamanitra amin ny herin[tsika], ny sain[tsika] ary ny tanja[tsika] rehetra isika? (Môrônia 10:32). Nahoana no manampy anao hatrany hahazo ny tanjaka ara-panahy ilaina hanoherana ny fakam-panahy toy ny fanaratsiana ny hafa na fandraisana anjara amin ny fialam-boly izay manafintohina ny Fanahy ny fivavahana? (jereo ny F&F 10: 5). Inona ireo toetra izay mety ho hitanao eo amin ny fiainan ny olona izay nanorina ny fototra ijoroany amin i Kristy? (jereo ny Helamàna 5:1 14). Amin ny alalan ny fampiasana ny zavatra nianarantsika ao amin ny Almà 40, dia ahoana no hanazavanao ny fotopampianaran ny fitsanganana amin ny maty amin ny namana iray izay tsy miray finoana amintsika? Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona [5.1.3] Manampy ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fitsipika sy fotopampianarana ary hanakatra izany ireo fanontaniana sasany, raha toa kosa ny hafa ka ahafahan izy ireo misaintsaina zavatra iainana ara-panahy sy mitarika ireo mpianatra hahatsapa lalindalina kokoa ny fahamarinana sy ny lanjan ny fitsipika na fotopampianaran ny filazantsara eo amin ny fiainan izy ireo. Matetika miteraka faniriana lalina ao am-pon ireo mpianatra hiaina ny fitsipiky ny filazantsara amim-pahatokiana kokoa ireo fahatsapana ireo. Ao amin ny lahateny natao ho an ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin ny DFF, ny Loholona Henry B. Eyring dia niresaka mikasika ireo fanontaniana ireo rehefa niteny izy hoe: 76
88 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Manentana ny fanahy ny fanontaniana sasany. Mametraka ireo fanontaniana ireo ny mpampianatra mahay.... Indro misy fanontaniana izay mety tsy manentana ny fanahy: Ahoana no ahalalana ny mpaminany marina? Izany fanontaniana izany dia mitaky fitanisana, notsoahina avy amin ny fitadidiana ireo soratra masina sy tenin ny mpaminany velona. Maro ireo mpianatra afaka mandray anjara amin ny famaliana izany. Afaka manome farafaharatsiny sosokevitra tsotsotra ny ankamaroan izy ireo. Ary dia hitarika fampiasan-tsaina izany. Kanefa afaka mametraka koa ilay fanontaniana tahaka izao isika, izay somary misy fanovana kely fotsiny: Oviana ianareo no nahatsapa ho teo anatrehan ny mpaminany? Izany dia hanasa ny tsirairay hikaroka ao anatin ny fahatsiarovany ahitana ireo zavatra tsapany. Aorian ny fametrahana fanontaniana dia mety raha miandry kely isika alohan ny hanondroana olona iray hamaly. Na dia ireo tsy mpiteny firy aza dia hieritreritra zavatra niainany ara-panahy. Hanasa ny Fanahy Masina izany ( The Lord Will Multiply the Harvest, 6). Ny fanontaniana toy izany dia hanasa ireo mpianatra hisaintsaina ny lasa, hikaroka ao anatin ny fahatsiarovany ahitana ireo zavatra tsapany, ary hieritreritra ny zavatra niainany ara-panahy izay mifandray amin ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara izay nifanakalozana hevitra. Matetika ireo fanontaniana ireo dia mitarika ireo mpianatra hizara ireo zavatra tsapa sy niainana na fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana na fitsipika iray. Ireo fanontaniana ireo dia manampy amin ny fitondrana ny filazantsara miala avy ao an-tsain ireo mpianatra midina mankany amin ny fony. Ary rehefa mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara iray ao am-pony izy ireo dia hampihatra izany kokoa eo amin ny fiainany. Indreto misy ohatra sasantsasany amin ireo fanontaniana ireo izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona: Oviana ianao no nahatsapa fiadanana sy fifaliana avy amin ny famelana heloka ny hafa? Eritrereto ny fotoana iray izay nitarihan ny Tompo ny fanapahankevitrao satria nahatoky Azy ianao fa tsy niantehitra tamin ny fahatakaranao manokana fotsiny (jereo ny Ohabolana 3:5 6). Ahoana no nitahiana anao tamin ny fanaovana izany? Raha toa ka afaka maneho fankasitrahana mivantana amin ny Mpamonjy ianao noho ny sorona nataony ho anao dia inona no mety holazainao Azy? Inona no niova teo amin ny fiainanao vokatry ny zavatra nitranga tao amin ny Ala kely masina? Oviana ianao no nahita olon-kafa niatrika tamim-pahatokiana ireo fitsapana? Inona no fiantraikan izany teo aminao? Teny fampitandremana kely: Ny valin ny karazam-panontaniana toy izany dia mety tena hahakasika ny tena manokana sy ho sarotra zaraina. Tokony haka antoka ny mpampianatra fa tsy terena velively hamaly fanontaniana sy hizara ny zavatra tsapany na zavatra niainany na hizara ny fijoroany ho vavolombelona ireo mpianatra. Ankoatra izany, ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny toetra maha-masina ny zavatra niainana ara-panahy manokana sy hamporisika azy ireo hizara ireo traikefa ireo araka ny tokony ho izy (jereo ny F&F 63:64). 77
89 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Fanontaniana izay mitaona any amin ny fampiharana [5.1.4] Ny tena tanjona faratampon ny fampianarana ny filazantsara dia ny hanampy ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika sy fotopampianarana hita ao amin ny soratra masina ary hanampy ireo mpianatra ho mendrika ny handray ireo fitahiana nampanantenaina ho an ireo mahatoky sy mpankato. Ireo mpianatra izay afaka mahita ny fomba nitahiana azy ireo tamin ny alalan ny fiainany ireo fitsipiky ny filazantsara taloha dia hanana faniriana bebe kokoa sy ho vonona tsaratsara kokoa hampihatra amim-pahombiazana azy ireo any amin ny fiainany ho avy. Ny fanontaniana dia mitana anjara toerana manan-danja amin ny fanampiana ireo mpianatra hahita fomba ahafahan izy ireo mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin ny toe-javatra iainany ankehitriny sy hitady fomba ahafahany mampihatra azy ireo any amin ny fiainany ho avy. Ireto manaraka ireto misy ohatry ny fanontaniana izay afaka hanampy ireo mpianatra hieritreritra manokana mikasika ireo fomba ahafahan izy ireo mampihatra ireo fitsipika sy fotopampianarana eo amin ny fiainan izy ireo manokana: Inona ireo fanovana ilainao hatao mba hahafahana hihazona ho masina kokoa ny andro Sabata ka ahafahanao ho tsy hisy pentipentin izao tontolo izao kokoa? (jereo ny F&F 59:9 13). Inona ny zavatra natoron ny mpaminany anao fa azonao arahina amin ny antsipiriany? (jereo ny Almà 57:1 27). Ahoana no ahafahan ilay fitsipika manao hoe: raha mikatsaka ny fanjakan Andriamanitra aloha isika dia hotahiana eo amin ny sehatra hafa eo amin ny fiainantsika hanampy anao hanao laharam-pahamehana ireo tanjona sy asa atao ho an ny roa na telo taona manaraka? (jereo ny Matio 6:33). Fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana [5.2] Mitana anjara toerana manan-danja eo amin ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ny fifanakalozan-kevitra mafonja ao am-pianarana. Mitranga ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana rehefa mifampiresaka amin ireo mpianatra ny mpampianatra ary mifampiresaka amin izy samy izy koa ireo mpianatra amin ny fomba izay miteraka fianaran-javatra. Ny fifanakalozan-kevitra tsara dia afaka manampy ireo mpianatra hianatra ny mahazava-dehibe ny fitadiavana valiny ho an ireo fanontaniana manan-danja sy hianatra ny maha-sarobidy ny fihainoana sy ny fianarana zavatra avy amin ireo fanehoan-kevitry ny hafa sy heviny ary ny zavatra niainany. Izany koa dia afaka manampy ireo mpianatra hihazona ny fifantohan-tsaina sy fandraisana anjara ao am-pianarana izay matetika miteraka fahatakarana lalindalina ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izay ifanakalozana hevitra, ary koa miteraka faniriana marina ao am-pony mba hampihatra ireo zavatra ianarany sy tsapany. 78
90 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Ireto manaraka ireto misy hevitra sasantsasany izay hanampiana ireo mpampianatra hitarika fifanakalozan-kevitra manentana ny fanahy sy mamporisika ny fandraisana anjara: Omano ny fifanakalozan-kevitra. Tahaka ireo fomba hafa ao amin ny fampianarana dia mila omanina tsara ny fifanakalozan-kevitra, dia atao eo ambany fitarihan ny Fanahy. Ny mpampianatra dia mila mieritreritra ny fomba hanampian ny fifanakalozan-kevitra ireo mpianatra hahatakatra hoe inona no zavatra ilainy ianarana, inona avy ireo karazam-panontaniana izay hitondra any amin ilay tanjona, ahoana no fomba fametrahana ireo fanontaniana ireo amin ny fomba mahomby indrindra, ary ahoana no atao raha toa tarihin ny mpianatra any amin ny zavatra tsy ampoizina ilay fifanakalozankevitra. Ialao ireo fanehoan-kevitra tafahoatra avy amin ny mpampianatra. Ireo mpampianatra izay manao fanehoan-kevitra tafahoatra mikasika ny lohahevitra dinihina dia mety hahakivy ireo mpianatra eo amin ny fanaovany ezaka mba handray anjara satria ho tsapan izy ireo fa matetika te-hanome ny valiny avy hatrany ny mpampianatra azy. Ny fanehoan-kevitra tafahoatra dia mety hahatonga ireo mpianatra hahatsapa fa tsy dia ilaina loatra ny fandraisany anjara ary hahatonga azy ireo tsy ho liana izany. Asao handray anjara ny mpianatra rehetra. Tokony hiezaka hikaroka fomba hanasana tsara ireo mpianatra rehetra handray anjara amin ny fifanakalozan-kevitra mafonja ireo mpampianatra, eny hatramin ireo izay misalasala ny handray anjara aza noho ny antony maro samihafa. Ny mpampianatra dia tokony hitandrina mba tsy hanao izay hahamenatra ireo mpianatra amin ny fanondroana azy ireo rehefa hitan izy ireo fa tsy vonona ny hamaly fanontaniana ilay mpianatra. Indraindray dia mitady hibahan-toerana ao anatin ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana ny mpianatra iray na ny vondrona kelin ny mpianatra iray. Afaka miresaka mitokana amin ny olona toy izany ny mpampianatra, misaotra azy ireo amin ny fahazotoany mandray anjara, maneho fa zava-dehibe ny mamporisika ny mpianatra rehetra handray anjara ary manazava ny antony mety tsy hanondroana azy ireo isaky ny manangan-tanana hamaly izy ireo. Antsoy amin ny anarany ny mpianatra. Miteraka tontolo fianarana ahitana fitiavana sy fifanajana ny fiantsoana ireo mpianatra amin ny anarany rehefa hamaly fanontaniana iray. Aza matahotra ny fahanginana. Indraindray rehefa hametrahana fanontaniana mahomby ireo mpianatra dia mety tsy mamaly avy hatrany. Tokony tsy hanakorontan-tsaina ny mpampianatra izany fahanginana izany raha toa ka tsy maharitra lava loatra. Indraindray ny mpianatra dia mila fananana fahafahana hieritreretana ny zavatra nanontaniana azy sy ny fomba ahafahany mamaly ilay fanontaniana. Ny fieritreretana toy izany dia manamora ny fampianarana amin ny alalan ny fitarihan ny Fanahy Masina. Ovao ny fomba fametrahana ny fanontaniana. Indraindray mety sahirana amin ny famaliana fanontaniana iray ny mpianatra satria tsy mazava izany. Mety mila manova ny fametrahana ilay fanontaniana ny mpampianatra na manontany ireo mpianatra raha takany ny zavatra anontaniana azy ireo. Tokony ho sorohan ny mpampianatra ny fametrahana fanontaniana maro 79
91 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA mifanesisesy nefa tsy manome fotoana ampy hieritreretan ireo mpianatra lalina mba hanomezany valiny araka ny tokony ho izy. Mihainoa tsara ary mametraha fanontaniana fanaraha-maso ny zavatra izay natao. Indraindray ireo mpampianatra dia miahiahy amin ny zavatra hotenenina na hatao manaraka ka tsy dia henoin izy ireo tsara akory ny zavatra lazain ireo mpianatra. Amin ny alalan ny fifantohana sy fihainoana tsara ireo mpianatra dia afaka mamantatra ny zavatra ilainy ireo mpampianatra ary mitarika ilay fifanakalozan-kevitra eo ambany fitarihan ny Fanahy Masina. Afaka maka antoka ireo mpampianatra fa azony tsara ny valintenin ireo mpianatra amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe: Azonao hazavazavaina ve ny tianao ho lazaina amin izany? na hoe Afaka manome ohatra amin ny zavatra nolazainao ve ianao? Ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso ny zavatra izay natao toy izany dia hanasa ireo mpianatra hizara bebe kokoa ny zavatra eritreretiny sy tsapany ary matetika manasa ny fanahin ny fijoroana ho vavolombelona ao anatin ilay valinteny. Tokony ampahatsiahivin ny mpampianatra ireo mpianatra mba hifampihaino ary koa tsy tokony hiresaka rehefa misy olon-kafa miteny. Ampifanitsio ireo fanehoan-kevitra na fanontanian ny Manendre mpampianatra iray eo mpianatra. Mazàna ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana dia manaraka lamina ka mametraka fanontaniana anivonareo, ary aoka tsy indray ho ny mpampianatra, dia mamaly ny mpianatra ary avy eo mpitondra teny ny rehetra; fa aoka manampy ny fomba fijeriny amin ilay valintenin ny mpianatra ilay mpampianatra alohan ny hametrahana ny fanon- hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo taniana manaraka indray. Mety hanan-danja, hanaitaitra aorina ny rehetra amin ny alalan ny rehetra. ary hahomby kokoa ny fifanakalozan-kevitra raha ampifanitsian ny mpampianatra amin ny hevitry ny mpianatra (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122) hafa ireo valinteny na fanehoan-kevitry ny mpianatra iray. Ireo fanontaniana tsotra toy ny hoe: Inona no azonareo anampiana izany? na Inona no eritreritrareo mikasika izany fanehoan-kevitra izany? dia afaka hanorina lamina izay ahafahan ireo mpianatra mifandinika. Mampivelatra be ny traikefa eo amin ny fandalinana izany matetika. Raha ny mahazatra dia tokony homena fahafahana hiteny ireo mpianatra rehetra izay maniry ny handray fitenenana, raha tsy hoe efa tsy ampy ny fotoana. Ankasitraho amin ny fomba tsara ny valinteny. Rehefa manome valinteny ny mpianatra iray dia mila maneho fankasitrahana araka izay azo atao ny mpampianatra. Mety hoe misaotra tsotra fotsiny izany na fanehoankevitra momba ilay valinteny. Raha toa ka diso ny valinteny nomena dia tokony hitandrina tsara ny mpampianatra mba tsy hanala baraka ilay mpianatra. Ny mpampianatra mahomby iray dia afaka maka hevitra avy amin ny ampahan ny valintenin ilay mpianatra izay diso na mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny zavatra izay natao, izay ahafahan ny mpianatra miverina mandinika ny valinteniny. Mamaky soratra masina miaraka ao am-pianarana [5.3] Ny famakiana ny soratra masina ao am-pianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra sy hahatakatra tsara kokoa ireo andinin-tsoratra masina halalininy. Afaka manampy azy ireo koa hanana fahatokian-tena 80
92 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana bebe kokoa eo amin ny fahaizany mamaky soratra masina manokana izany. Tokony hitandrina ny mpampianatra mba tsy hanala baraka ireo izay tsy dia mahay mamaky tsara na somary menamenatra. Ireo mpianatra izay tsy te-hamaky dia tsy tokony ho terena hanao izany, kanefa afaka mamporisika azy ireo handray anjara amin ny fomba izay tsy mahasadaikatra azy loatra ny mpampianatra. Ohatra, mety ho fomba tsara ahafahan ny mpianatra mandray anjara ao am-pianarana ny fanomezana azy andinin-tsoratra masina fohy mialoha mba hahafahany mizatra mamaky izany araka ny tokony ho izy. Misy fomba maro isan-karazany hamakiana miaraka ny soratra masina ao am-pianarana: Asaivo mamaky mafy ireo mpianatra, na izany mandeha tsirairay na miaraka. Asaivo mifampamaky teny ny mpianatra. Asaivo mamaky amim-pahanginana andinin-tsoratra masina iray ireo mpianatra. Omeo andraikitra ny mpianatra samihafa mba hamaky ny tenin ireo olona manokana maro ao amin ny tantara. Mamakia mafy ho an ny mpianatra rehefa manaraka ny soratra masiny izy ireo. Famelabelarana ataon ny mpampianatra [5.4] Raha toa ny fandraisan ireo mpianatra anjara mavitrika eo amin ny dingan ny fandalinana ka zava-dehibe eo amin ny fahatakarany sy fampiharany ny soratra masina, dia tsy mahasolo ny famelabelaran ireo mpampianatra araka ny tokony ho izy ny fampahalalana amin ny fotoana samihafa akory izany rehefa mihaino ny mpianatra. Ato amin ity boky torolalana ity dia antsoina hoe: famelabelarana ataon ny mpampianatra ireo fotoana izay iresahan ny mpampianatra ka ihainoan ireo mpianatra. Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny famelabelarana ataon ny mpampianatra dia afaka hampivelatra ireo fomba fampianarana hafa izany. Raha toa kosa anefa ka diso tafahoatra ny fampiasana izany dia hampihena ny fahombiazan ny fampianarana sy hampihena ny fahafahan ireo mpianatra hianatra zavatra amin ny alalan ny fandalinana sy finoana izany fibahanan-toeran ny mpampianatra izany. Afaka ny hahomby ny famelabelarana ataon ny mpampianatra rehefa hamintinana zavatra lava be ao anatin ny fitaovana maro, hanolorana fampahalalana vaovao ho an ny mpianatra, hanaovana fanohizana an ireo fizarana maro ao amin ny lesona na hisintonana famintinana. Ilain ny mpampianatra ny manazava sy maneho an-tsary mba hahafahan ireo mpianatra mahatakatra mazava kokoa ny tantara ao amin'ilay andian-tsoratra masina. Mety ilain ny mpampianatra koa ny manamafy fotopampianarana na fitsipika manan-danja ary mamporisika ireo mpianatra hampihatra azy ireo. Fa ny tena manan-danja indrindra, ny mpampianatra dia afaka mijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan ny filazantsara sy maneho ny fitiavany ny Ray any andanitra sy ny Zanany lahy. 81
93 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Rehefa mampiasa ny famelabelarana ataon ny mpampianatra, toy ny rehefa mampiasa fomba fampianarana hafa dia tokony hanombantombana tsy tapaka ny fahazoa-mandrain ny mpianatra ny mpampianatra amin ny alalan ny fametrahana fanontaniana toy izao: Moa ve liana sy mifantoka ny mpianatro? sy ny hoe Azonareo ve ny zavatra velabelariko? Amin ny farany, ny fahombiazan ity fomba fampianarana ity na izay mety ho fomba hafa dia voafaritra amin ny hoe mianatra na tsy mianatra amin ny alalan ny Fanahy ny mpianatra, mahatakatra ireo soratra masina ary maniry ny hampihatra izay nianarany. Afaka manampy ny mpampianatra hampiasa ity fomba ity amim-pahombiazana kokoa ireto hevitra manaraka ireto. Omano ny ampahan ny lesona hanaovana ilay famelabelaran ny mpampianatra. Indraindray ireo mpampianatra manomana tsara ireo ampahany hafa ao amin ny lesona hafa saingy tsy manao toy izany ho an ireto ampahan ny lesona ireto izay izy ireo no hiresaka betsaka indrindra. Ny iray amin ireo olana mikasika ny famelabelarana ataon ny mpampianatra dia mety mora lasa mpandray anjara malaina fotsiny ny mpianatra ao anatin ny dingan ny fandalinana. Noho izany dia mila fanaovana drafitra sy fanomanana amim-pitandremana koa ny famelabelarana ataon ny mpampianatra, izay ahitana ny fanapahana mikasika ny hoe ahoana no fomba hanombohana sy ny fomba hamelabelarana ny fampianarana amin ny fomba mora andraisana azy. Rehefa manao drafitra ny hampiasa ny famelabelarana ataon ny tenany ny mpampianatra dia tokony handinika tsara momba ny mpampianatra hoe aiza no fotoana manokana tokony tena handraisan ireo mpianatra anjara mavitrika. Amin ny ankapobeny, ny lesona rehefa mizotra mankany amin ny fahatakarana ny tantara sy ny votoatin ny andian-tsoratra masina, ny fifanakalozan-kevitra sy ny fampiharana ireo fitsipika sy fotopampianarana dia mitombo ny maha-zava-dehibe ny fandraisan ny mpianatra anjara mavitrika. Ampiaraho amin ny fomba fampianarana hafa ny famelabelarana ataon ny mpampianatra. Ny fomba mahomby iray amin ny fampiasana ny famelabelarana ataon ny mpampianatra ao am-pianarana dia ny fampiasana izany ho ampahan ny drafitra fampitana ny lesona manontolo izay ahitana ireo fomba fampianarana sy fitarihana ny fampianarana hafa ao anatin ilay torolalana. Tokony ho azo ovaina tsara ilay famelabelarana rehefa hita fa monamonaina na mikorontan-tsaina ireo mpianatra. Amin izay, na dia miresaka aza ny mpampianatra dia mifantoka sy mianatra foana ireo mpianatra, ary afaka mampifanaraka ny fampianarana amin izay ilaina ny mpampianatra. Nisy olona iray indray mandeha nampitaha ny famelabelarana ataon ny mpampianatra ho toy ny tady mihazona ireo voahangy maron ny rojo iray. Ireo voahangy dia ireo fomba maro isan-karazany ampiasain ny mpampianatra (fanontaniana, fifanakalozan-kevitra, fampiasana fitaovana jeren ny maso, sns), kanefa voafatotra sy atambatry ny tadin ny torolalana sy fanazavan ny mpampianatra izy ireo. Raha tady fotsiny ilay izy dia tsy ho rojo manaitra mihitsy izany. 82
94 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Ampiasao araka ny tokony ho izy ny karazam-pampianarana. Misy fomba maro ahafahana mampiditra karazan-javatra ao anatin ny famelabelarana ataon ny mpampianatra. Afaka miala amin ny fiverimberenan ny zavatra mitovy ny mpampianatra amin ny alalan ny fomba firesaka, ny haavon ny feo sy ny hamafiny ary amin ny alalan ny fivezivezena eran ny efitrano rehefa mandeha ny famelabelarana. Afaka ny hisy zavatra samihafa koa ao anatin ireo karazam-pitaovana velabelarina. Ohatra, afaka mitantara tantara ny mpampianatra, mampiasa zavatra tsara mampihomehy, mampiasa sary na zavatra hafa hita ao am-pianarana, mamaky teny nambara, mampiasa solaitrabe na mijery sarimihetsika ary mijoro ho vavolombelona. Tokony hampivelatra ny fahatakarana sy fampiharan ny mpianatra ny soratra masina ny karazam-pamelabelarana ataon ny mpampianatra. Tantara [5.5] Afaka manampy amin ny fanorenana ny finoan ny mpianatra ny filazantsaran i Jesoa Kristy ny tantara. Miteraka fahalianana izy ireo ary manampy ireo mpianatra hahatakatra ny filazantsara amin ny alalan ny fihainoana na famakiana zavatra niainan olona fa tsy niainan ny mpianatra mivantana. Fomba mahomby manokana koa ny tantara eo amin ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hita ao amin ny andian-tsoratra masina iray. Amin ny alalan ny fampisehoana ny fitsipiky ny filazantsara iray ao anatin ny toe-javatra iainana amin izao fotoana izao, ho fanampin ny tantara ao amin'ny soratra masina, dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ifandraisan ny fitsipiky ny filazantsara iray amin ny fiainany ny tantara, ary koa manampy azy ireo hanana faniriana hampihatra izany. Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie hoe: Tsy misy mahadiso mihitsy ny fitantarana tantara iray hampitomboana finoana izay niseho tamin izao andro izao, tantara iray izay nitranga tamin izao fotoampitantanana izao.... Raha ny marina dia tokony hatao mihitsy aza izany. Tokony hanao ny ezaka rehetra isika mba hampisehoana fa mitranga eo amin ny fiainan ireo Olomasina ankehitriny ireo zava-nitranga tamin ireo olona mahatokin ny andro fahiny ireo.... Angamba ny lamina tsara indrindra entina hizarana tantara hampitomboana finoana dia ny fampianarana ny zavatra hita ao amin ny soratra masina ary avy eo manamafy ny fisian izany marina amin ny alalan ny fizarana zavatra mifanaraka na mitovy amin izany izay nitranga tao amin izao fotoampitantanantsika izao sy tamin ireo vahoakantsika ary ny tsara indrindra tamintsika mivantana ( The How and Why of Faith-Promoting Stories, New Era, Jolay 1978, 4 5). Afaka mizara ireo tantara avy amin ny fiainan ny mpaminany sy avy amin ny tantaran ny Fiangonana ireo mpampianatra, ary koa ireo tantara hita ao amin ny lahatenin ny fihaonamben ny Fiangonana sy ireo gazetibokimpiangonana. Afaka mizara tantara marina nitranga teo amin ny fiainany koa ny mpampianatra. Ny sasany amin ireo fianaran-javatra tena manan-danja sy misy fiantraikany dia mitranga rehefa manasa ireo mpianatra hizara tantara avy amin ny fiainany manokana ny mpampianatra izay mampiseho ny fomba nitahiana azy ireo tamin ny alalan ny fiainany ny fitsipiky ny filazantsara iray. 83
95 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Ireto misy fampitandremana sy torolalana tokony hodinihina mikasika ny fampiasana tantara. Raha toa ka lasa fomba na teknika fampianarana mibahana loatra ny fitantarana tantara dia mety ho lasa ilay tantara no ifantohan ny lesona, ka manamaivana ny fotoana tokony holaniana amin ny soratra masina sy lasa manakona ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ampianariny. Ny fampiasana tantara be loatra avy amin ny fiainan ny mpampianatra manokana dia mety hiteraka ny fanambonian-tena ary mahatonga ireo mpampianatra [hametraka] ny tenany ho fahazavan izao tontolo izao (2 Nefia 26:29). Raha toa ny tantara ka afaka manazava sy mampientanentana ny fampianarana soratra masina ary manampy ireo mpianatra hahatsapa ny herin ny Fanahy dia tsy tokony ho ampiasaina velively mba handemena ny fihetseham-po izany. Tokony hitandrina ny mpampianatra mba tsy hanitatra ny zavanitranga ao amin ny tantara marina iray mba hahatonga izany hampitaintaina na hisy fiantraikany kokoa. Raha toa ka tsy marina ny tantara iray, toy ny tantara mampihomehy iray mba hanehoana lohahevitra iray dia tokony holazaina mazava any am-panombohana ny tantara izany hoe tsy tena nisy. Fifanakalozan-kevitra sy asa asaina ataon ny vondrona kely [5.6] Indraindray dia manampy ny fizarana ny mpianatra ho tsiroaroa na ho vondrona kely vitsivitsy mba hahafahan ny mpianatra miaraka mandray anjara ao anatin ny asa fandalinana atao na amin ny fifanakalozan-kevitra. Matetika ny asa atao ao anatin ireo vondrona kely dia ahafahan ny mpianatra maromaro mandray anjara sy ahafahana manome tontolo azo antoka izay ahafahan ny mpianatra mifampizara ny fahatsapany, ny eritreriny ary ny fijoroany ho vavolombelona. Izany asa atao izany dia afaka koa manome fahafahana ireo mpianatra hampianatra ny filazantsara amin ny hafa sy hanampy azy ireo hiomana hampianatra ny filazantsara amin ny hoavy. Ny fifanakalozan-kevitra ao anatin ireo vondrona kely dia ahafahana mampandray anjara amim-pahombiazana ireo izay toa tsy dia liana sy tsy mifanto-tsaina loatra ary ahafahan ireo mpianatra mampivelatra ny fahaizana miserasera sy manamafy ny fifandrasaina ara-tsôsialy sy ara-panahy araka ny tokony ho izy. Afaka mampisy fahatokian-tena eo amin ireo mpianatra tsy tia misokatra loatra koa izany ka hitarika azy ireo handray anjara bebe kokoa. Rehefa ampanaovina asa tsiroaroa na ao anatin ny vondrona kely ny mpianatra dia tsara raha atao ao an-tsaina izao manaraka izao: Alohan ny hizarana ireo mpianatra ho vondrona kely dia tokony hanome toromarika mazava ny mpampianatra mikasika ny zavatra andrasana mba ho ataon ireo mpianatra mandritra ilay asa atao. 84
96 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Matetika tena manampy raha soratana eo amin ny solaitrabe na atao printy amin ny taratasy zaraina izany toromarika izany mba hahafahan ny mpianatra miverina mijery azy ireo mandritra ny fanaovana ny asa. Mampitombo ny fahalianana sy ny fandraisana anjara bebe kokoa amin ny ankapobeny ny asa fandalinana atao ao anatin ireo vondrona kely izay manan-danja eo amin ny fiainana sy toe-javatra iainan ireo mpianatra. Ny fanendrena mpianatra mpitarika ho an ny vondrona tsirairay sy ny fanomezana fotoana voafetra dia manampy ilay vondrona hanatontosa ny andraikiny. Ireo asa lava loatra atao ao anatin ireo vondrona dia matetika miteraka ny fahavitan ireo vondrona ny asany amin ny fotoana samihafa sy mety hitarika fikorontanana ao am-pianarana. Amin ny ankapobeny dia handray anjara amim-pahalianana kokoa ireo mpianatra raha asain ny mpampianatra mialoha ireo mpianatra mba hiomana hizara na hampianatra ny zavatra nianarany avy tamin ilay asa natao. Izany koa dia hanome fahafahana ny mpianatra hizatra hampianatra ny filazantsara amin ny hafa. Mahay miasa kokoa ireo mpianatra rehefa ao anatin ireo vondrona izay hikarohany soratra masina, na hamakiany teny nambara iray na hanatanterahana asa ampanaovina ny tsirairay alohan ny hiarahan izy ireo miasa. Mety ho lasa sarotra ho an ny tsirairay ny mandray anjara mavitrika raha miisa dimy na mihoatra izany ireo mpianatra ao anaty vondrona. Ankoatra izany, dia sarotra kokoa ho an ny vondrona lehibebe kokoa amin ny ankapobeny ny mifantoka amin ny asa ampanaovina azy. Mety tsy ho fomba tsara indrindra ny fiasana ao anatin ny vondrona kely raha hamaliana fanontaniana tsotra noho ny fotoana ilaina mba handaminana ireo mpianatra ho ao anaty vondrona. Raha diso ampiasaina foana koa ny asa fandalinana atao ao anaty vondrona dia lasa tsy hahomby loatra izany. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra na asa atao ao anatin ireo vondrona kely dia mety ho lasa tsy mifantoka amin ny tanjon ny asa ampanaovina ireo mpianatra, na hanao zavatra manokana ho an ny tenany na tsy dia hanao ezaka mba handalina. Ny mpampianatra izay mitoetra ho mavitrika amin ny alalan ny fivezivezena eny amin ny vondrona tsirairay sy fanaraha-maso an ilay asa fandalinana atao dia afaka manampy ireo mpianatra hanatontosa ny andraikitra ampanaovina azy sy hahazo tombontsoa avy amin izany. Asa atao an-tsoratra [5.7] Ireo mpianatra dia tokony hamporisika ny mpianatra handray anjara amin ny asa atao an-tsoratra toy ny fandraisan-javatra an-tsoratra, fanoratana ao anaty diary, taratasy fanoratana ny fampiasana, firaketana ny fisaintsainana manokana ary ireo famelabelarana an-tsoratra. Indraindray ny fanasana ireo mpianatra hanoratra ny valin ny fanontaniana mitaky fisainana lalina iray dia manampy azy ireo handalina sy hanazava ny anaty eritreriny. Ny fanasana ny mpianatra hamaly an-tsoratra ny fanontaniana iray alohan ny hizarany ny eritreriny amin ny ao am-pianarana dia manome 85
97 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA fotoana ireo mpianatra handrindrana ny heviny sy handraisany ny fitarihana avy amin ny Fanahy Masina. Mety hanaiky kokoa hizara ny eritreriny ireo mpianatra rehefa nosoratany mialoha izany ary hisy lanjany kokoa matetika ny zavatra zarain izy ireo. Ankoatra ireo zavatra hafa, ny asa atao an-tsoratra dia manome fahafahana ny mpianatra mba handray anjara manokana, handray fanentanam-panahy ary hiomana hampianatra sy hizara ny fahatsapany amin ny hafa, ary hanaiky ny fitantanan ny Tompo eo amin ny fiainany sy hizara fijoroana ho vavolombelona. Rehefa manapa-kevitra ny mpampianatra hoe inona no asa atao an-tsoratra mahomby ho an ny fotoam-pandalinana iray dia tokony hodinihin izy ireo tsara ity fitsipika nozarain ny Loholona David A. Bednar ity: Ny fanoratana an-tsoratra ny zavatra nianarantsika, eritreretintsika ary tsapantsika eo am-pandalinana ny soratra masina dia endrika iray hafan ny fisaintsainana ary fanasana mahery vaika ny Fanahy Masina hanohy hanome torolalana ( Because We Have Them before Our Eyes, New Era, Apr. 2006, 6 7). Ny asa atao an-tsoratra ho an ny mpianatra tanora na voafetra kokoa ny fahafahany manao zavatra dia tokony ampifanarahana amin izay ilaina mba hanampiana azy ireo hahomby. Ohatra, afaka manomana ilay fampiasana hoe fenoy ny banga ny mpampianatra izay ahitana fampahalalana bebe koa ho an ireo mpianatra ary kely kokoa ny zavatra anontaniana azy ireo. Ny mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra ireo amin ny alalan ny fampifantohana ilay asa atao an-tsoratra amin ireo andinin-tsoratra masina fohy na fanontaniana manokana sy amin ny alalan ny fanomezana fotoana ampy ho azy ireo hanatontosana ny asa ampanaovina. Mahazo tombontsoa kokoa avy amin ny asa atao an-tsoratra amin ny ankapobeny ireo mpianatra rehefa: Manome toromarika an-tsoratra mazava ireo mpampianatra izay azon ny mpianatra jerena foana mandritra ny fanatanterahana ny asa ampanaovina. Mampifantoka ny eritreriny amin ny fahamarinan ny filazantsara izay manan-danja eo amin ny toe-javatra iainany manokana ilay asa atao. Manampy azy ireo hampihatra manokana ireo fahamarinana ireo ilay asa ampanaovina. Tohanana sy ampian ny mpampianatra azy ireo mpianatra mandritra ilay asa atao an-tsoratra. Misy fameram-potoana eny anelanelany eny izay mifanentana amin ny hasarotry ny asa atao. Asaina manazava, na mizara na mijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra nianarany avy tamin ilay asa natao ireo mpianatra. Mahazo antoka ireo mpianatra fa ireo asa atao an-tsoratra izay mifantoka amin ny fahatsapan ny tena manokana na fanoloran-tena manokana dia tsy ho zaraina amin ny hafa, tafiditra ao anatin izany ny mpampianatra, raha tsy nahazoana lalana avy tamin ilay mpianatra izany. 86
98 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Ampahany mafonja ao amin ilay drafitra hitondrana ny lesona ilay asa ampanaovina ary tsy natao mba hahabe ny asa atao na ho toy ny fanasaziana vokatry ny toetra tsy mendrika. Misy ny fanomezana fomba hafa firaketana ny eritreritra sy ny hevitra ho an ireo izay manana fahasahiranana eo amin ny fanoratana. Izany dia mety ahitana ny fampiasana mpianatra iray ho mpitantsoratra na fanaovana fandraisam-peo sy ny sisa. Tsy lany andro ny asa atao an-tsoratra. Solaitrabe na Tableau blanc [5.8] Manaporofo ny fiomanan ny mpampianatra sy manampy amin ny fahatsapana fisiana tanjona ao am-pianarana ny fisian ny solaitrabe na tableau blanc tsara omana. Ny fampiasana amim-pahombiazana ny solaitra be mandritra ny lesona dia afaka manomana ireo mpianatra hianatra ary manasa ny fandraisan izy ireo anjara mavitrika, indrindra ho an ireo izay mirona kokoa amin ny fandalinana avy amin ny zavatra jeren ny maso. Rehefa mampiasa solaitrabe dia tokony ho tsaroan ny mpampianatra ny manoratra mazava tsara sy manao izay hahalehibe tsara ny tarehintsoratra mba ho hitan ny rehetra, ary misy elanelany tsara sy milamina ary mora vakiana ilay zavatra nosoratana. Raha tsy misy ny solaitrabe na tableau blanc dia azo anoloana izany ny taratasy lehibe iray na zavatra lehibe azo hametahana soratra na sary. Eo amin ny solaitrabe, ny mpampianatra dia afaka mampisongadina ireo lohahevitra na fitsipika lehibe mikasika ny lesona, na maneho amin ny alalan ny sary ny fotopampianarana iray na zava-nitranga iray, na manao sarintany, na mamelabelatra rindran-damina, na mampiseho na manao ny sarin ny zavatra hita ao amin ny soratra masina, na mamorona tabilao izay mampiseho ireo zava-nitranga ara-tantara, mitanisa ireo zavatra hita ao amin ny soratra masina araka ny hitan ny mpianatra na manao zavatra hafa izay hampivelatra ny fandalinana. Zavatra azo tsapain-tanana sy sary [5.9] Matetika no sarotra ny mampianatra ireo lafin-javatra tsy azo tsapain-tanana ao amin ny filazantsara. Ny fampiasana zavatra azo tsapain-tanana sy sary dia afaka ny ho fomba mahomby entin ny mpampianatra manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipika ara-panahy. Ohatra, ny fitaovana mahazatra toy ny savony dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra fitsipika saro-takarina kokoa toy ny fibebahana. Matetika ny Mpamonjy no miresaka zavatra misy eto an-tany (toy ny mofo, rano, labozia ary vata famarana) mba hanampiana ireo mpihaino Azy hahatakatra ireo fitsipika ara-panahy. 87
99 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA Azo ampiasaina ireo zavatra azo tsapain-tanana sy sary mba hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny endrikendriky ny olona, ireo toerana, ireo zava-nitranga, ary ireo fitaovana sy ireo tandindona nampiasaina izay hita ao amin ny soratra masina. Raha tokony hiresaka fotsiny momba ny zioga ny mpampianatra (jereo ny Matio 11:28 30), dia afaka mitondra zioga ao am-pianarana izy, na mampiseho sary irain izany na manao sary an izany eo amin ny solaitrabe. Afaka mamofona sy mikasika voninkazo iray ireo mpianatra rehefa miresaka mikasika ireo voninkazo any an-tsaha (Matio 6:28 29) izy ireo. Afaka manandrana mofo tsy misy masirasira izy ireo. Ireo zavatra azo tsapain-tanana sy sary, tafiditra ao anatin izany ny sarintany sy tabilao dia mahomby eo amin ny fanampiana ireo mpianatra hahazo sary an-tsaina, sy hamakafaka ary hahatakatra ny soratra masina, indrindra rehefa ampiasaina mba hampandeha tsara ny fifanakalozan-kevitra izany. Ny fisian ny zavatra azo tsapain-tanana na sary iray efa miseho eo rehefa miditra ny mpianatra dia afaka mampivelatra ny tontolon ny fandalinana ary mamporisika ny fananana fanahy te-hanadihady ao anatin ireo mpianatra. Misy lafiny roa tokony hotandremana rehefa mampiasa zavatra azo tsapaintanana na sary: Voalohany, tokony hanamafy ny tanjon ny lesona foana izy ireo fa tsy hampivaona an izany. Faharoa, ny tantara ara-tsoratra masina dia tokony ho loharanom-pifanakalozan-kevitra ao am-pianarana mikasika ny toerana sy ny antsipirian ny zava-nitranga iray fa tsy fanazavan-kevitry ny mpahaikanto iray mikasika ilay zava-nitranga na tantara iray. Famelabelarana amin ny alalan ny fitaovan ny haino aman-jery sy solosaina [5.10] Ny soratra masina dia rakotr ireo tantaran ny Tompo manampy ny zanany hahatakatra ny fampianarany amin ny alalan ny zavatra jerena sy henoina (jereo ny 1 Nefia 11 14; F&F 76; Mosesy 1:7 8, 27 29). Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ny soratra masina sy hianatra ary hampihatra ireo fahamarinan ny filazantsara ireo loharanom-pitaovana avy amin ny haino aman-jery sy teknôlôjia hafa raha toa ka ampiasaina araka ny tokony ho izy sy amin ny fomba mahomby izany. Ireo loharanom-pitaovana avy amin ny haino aman-jery dia azo entina hanehoana ireo zava-nitranga manan-danja ao amin ny soratra masina sy ahafahana manampy ireo mpianatra hahazo an-tsaina sy hiaina ireo zavanitranga ireo. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia afaka maneho amin ny endrika sarimihetsika ny fomba nampiharan ny olona ireo fitsipiky ny filazantsara mba handresena ireo fanamby sy olana natrehany ary afaka manome fahafahana ny Fanahy mba hijoro ho vavolombelona ny fahamarinana. Ny teknôlojia ampiasaina ao amin ny solosaina dia manome fahafahana ny mpampianatra hampiseho ampahan-tsarimihetsika, fanontaniana manan-danja na sary, na teny iray nambaran ny Manampahefana Ambony na hampisongadina fitsipika na fotopampianarana hita nandritra ny lesona. Ny famelabelarana amin ny alalan ny solosaina dia azo atao mitovy amin ny nampiasana ny solaitrabe na tableau blanc hamariparitana ireo lohahevitra manan-danjan ny lesona, hampisehoana andinin-tsoratra masina ary hanomezana toromarika jeren ny maso ho an ny asa fandalinana atao 88
100 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana tsiroaroa, na ao anatin ny vondrona na ataon ny tsirairay. Ny fampiasana teknôlôjia araka io fomba io dia hahasoa ireo mpianatra izay mianatra amin ny alalan ny zavatra jeren ny maso ary ahafahana manampy ireo mpianatra handamina sy hahatakatra tsara kokoa ny zavatra nianaran izy ireo. Ny fampiasana loharanom-pitaovana ao amin ny haino aman-jery, na solosaina na fitaovana hafa dia tokony hanaovana izay hahatonga ny lesona ho mazava, mahaliana sy tadidy foana, ary tsy tokony hampanalavitra ny fahatsapan ny mpianatra ny fitarihan ny Fanahy. Ny famelabelarana amin ny alalan ny haino aman-jery dia afaka tena manampy tsara ny mpianatra hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara rehefa ampiasaina mba hampivoaka ny eritreritra sy ny zavatra tsapan ny mpianatra izy ireo sy mba hampifantohana ny mpianatra ao anatin ny lahatsoratra aratsoratra masina. Mety tsara raha soratana eo amin ny solaitrabe ireo zavatra manokana mety tadiavin ny mpianatra na ireo fanontaniana mety hananany rehefa mijery na mihaino ilay famelabelarana izy ireo. Azo atao koa ny mampiato kely ny famelabelarana mba hametrahana fanontaniana na hanehoana fampahalalana izay hanampy ireo mpianatra. Matetika ny ampahan ny horonantsary ihany no ilaina hanatratrarana ny tanjon ny mpampianatra. Ireo mpampianatra izay mampiasa fomba fampianarana hafa, toy ny fifanakalozan-kevitra sy asa atao an-tsoratra, ampiarahana amin ny fampiasana haino aman-jery sy teknôlôjia dia hanome antoka fa ho takatra sy tafalentika ao anatin ireo mpianatra ireo fitsipiky ny filazantsara. Raha mety dia ny fampiasana ny fanampin-dohateny hita eo amin ny horonantsary dia hampitombo ny fahatakaran ireo mpianatra sy ny fihazonany zavatra ao an-tsainy, indrindra ho an ireo izay manana fahasahiranana eo amin ny fihainoana. Tokony ho karakarain ny mpampianatra alohan ny hiantombohan ny fotoam-pianarana ireo fitaovan ny haino aman-jery na ny teknôlôjia ao amin ny solosaina izay ilaina ao anatin ny lesona iray ary tokony maka antoka izy ireo fa mandeha tsara izany. Tokony haka antoka izy ireo fa haheno ny fampisehoana sy hahita izany avy eny amin ny toerany ny mpianatra rehetra. Alohan ny fampianarana dia tokony hanomana ilay loharanom-pitaovana ao amin ny haino aman-jery na solosaina ka hanomboka avy hatrany eo amin ny zavatra tokony hojerena izany rehefa ilaina amin ny lesona. Mety ho hevitra tsara koa ho an ireo mpampianatra ny mizatra mampiasa ireo teknôlôjia ho an ny famelabelarana alohan ny ampiasaina izany ao amin ny lesona. Torolalana [5.10.1] Angamba ny fampiasana ireo loharanom-pitaovan ny haino aman-jery na ny teknôlôjia dia ahitana fanamby sy olana be kokoa noho ireo fomba fampianarana hafa ao anatiny. Tokony handanjalanja tsara ny mpampianatra rehefa manapa-kevitra hoe mety sy tsara ho an ilay fotoam-pandalinana ve ilay famelabelarana atao amin ny alalan ny haino aman-jery na solosaina. Ny fianteherana be loatra amin ny teknôlôjia dia mety hitondra any amin ny hoe lesona mifototra tanteraka amin ny teknôlôjia sy ny haino aman-jery fa 89
101 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA tsy lesona mifototra amin ny soratra masina sy amin ireo mpianatra. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpampianatra amin ny fandraisana fanapahan-kevitra hendry eo amin ny fampiasana ireo loharanom-pitaovan ny haino aman-jery na ny teknôlôjia: 1. Moa manampy ireo mpianatra hianatra ny zava-manan-danja ve ireo fitaovana ireo? Mety hampiala voly na hahaliana ireo mpianatra tokoa ny famelabelarana amin ny alalan ny haino aman-jery kanefa moa mitondra mivantana any amin ny tanjon ny lesona sy ny zavatra tokony ianaran ireo mpianatra ve izany? Ny fampiasana ireo fitaovana ireo ho toy ny fialam-boly sy famenoana fotoana dia tsy antony ampy ampiasana azy ireo. Ny mpampianatra dia tokony hijery na hihaino ny zavatra aseho tsirairay alohan ny fampianarana ary maka antoka fa manamafy na manohana ny soratra masina sy ireo fotopampianarana sy fitsipika nampianarina tao amin ny lesona izany. 2. Moa ve izany fitaovana manampy amin ny lesona sa zavatra fototra hifantohan ny lesona? Nanome torohevitra ny Loholona Boyd K. Packer hoe: Ny fampiasana haino aman-jery ao am-pianarana dia mety ho fitahiana na ozona, arakaraka ny fampiasana azy ireo. Azo oharina amin ny mpampatsiro sakafo sy hanitra atao amin ny sakafo izy ireo. Tokony ho kely fotsiny no ampiasaina mba hanamafisana ny lesona sy mba hahatonga izany ho mahaliana (Teach Ye Diligently, edisiona nohavaozina [1991], 265). 3. Moa ve mety izany ary mifanaraka amin ny fitsipiky ny Fiangonana? Mankahery ve izany? Maro ireo vokatra vokarina eto amin izao tontolo izao no mety mitondra hafatra tsara saingy matetika tsy dia tsara loatra ny ao anatiny ka mety hanafintohina ny Fanahy na hanohana hevitra izay tsy mifanaraka amin ny fampianaran ny filazantsara. Tsy tokony ho ampiasaina ny ampahan ny horonantsary na horonam-peo iray, na dia azo atao aza, raha avy amin ny loharanom-pitaovana tsy mifanaraka amin ny tokony ho izy izany. Mazàna no tsy manorina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ireo fitaovana ahitana zavatra izay tsy azokazon ny olon-drehetra na mampitolagaga. 4. Moa handika ny zo rehetra voatokana ve izany na ireo lalàna hafa manan-kery? Horonantsary maro sy hira ary fitaovana jerena hafa na henoina no ahitana fameran-jo mifanaraka amin ny lalàn ny zo rehetra voatokana na zo manokan ny mpampiasa. Zava-dehibe tokoa ny hanarahan ireo mpampianatra sy mpitarika seminera sy institiota rehetra ny lalàn ny fameran-jo eo amin ny firenena izay ampianaran izy ireo ary tokony hanaraka ny lalàna manan-kery sy fepetra izy ireo ka tsy ho voarakaraka eo ambanin ny lalàna na izy ireo na ny Fiangonana. Ireto torolalana manaraka ireto dia mihatra amin ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin ny seminera sy institiota any amin ny firenena rehetra. Ny fampiasana ireo fitaovana novokarin ny Fiangonana [5.10.2] Ireo mpampianatra sy mpitarika dia afaka manao tahadika sy mampiseho ny horonantsary, sary ary raki-kira izay novokarin ny Fiangonana mba ho ampiasaina tsy itadiavam-bola ary mba ho ampiasain ny seminera sy institiota, raha tsy hoe misy fanamarihana manakana izany eo amin ireo fitaovana novokarin ny Fiangonana. Azo ampiasaina tsy itadiavam-bola sy azo ampiasaina ao amin ny seminera sy institiota ireo hira avy amin ny Fihirana, ny 90
102 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Chants pour les enfants, ary avy amin ny gazetibokim-piangonana, raha tsy hoe misy fameran-jo voamarika eo amin ilay fihirana na hira. Afaka maka amin ny internet ary mampiseho ireo fitaovana novokarin ny Fiangonana ao am-pianarana ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin ny seminera sy institiota, raha tsy hoe ahitana fameran-jo milaza zavatra mifanohitra amin izany ireo fitaovana ireo. Ny fampiasana ireo fitaovana tsy novokarin ny Fiangonana [5.10.3] Araka ny lalàna amin ny ankapobeny dia tsy tokony halaina avy amin ny Internet na haseho ao am-pianarana avy amin ny Internet ireo fandaharana, na logiciel ary ireo fitaovan ny haino aman-jery raha tsy efa voavidy aradalàna ny fahazoan-dalana ho an izany. Raha tsy hoe an ny Fiangonana ny horonantsary, na hira iray na fitaovana hafan ny haino aman-jery iray dia mety hitera-doza, ary any amin ny firenen-drehetra mihitsy, ny fampisehoana ny fitaovana toy izany ao am-pianarana izay mety handika ny lalàn ny fameran-jo. Noho izany, araka ny lalàna ankapobeny, dia tsy tokony hampiseho ao am-pianarany ireo fitaovana izay tsy novokarin ny Fiangonana ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin ny seminera sy institiota. Ny fanaovana tahadika ny fitaovan ny haino aman-jery izay ahitana hira misy fameran-jo (toy ny taratasy misy ireo mari-peon ny hira na raki-kira) dia fandikana mivantana ny lalàn ny fameran-jo raha tsy hoe nahazoana lalana an-tsoratra avy amin ilay tompon ny fameran-jo izany. Tsy manaradalàna koa ny fanaovana tahadika ireo tononkira misy fameran-jo. Ireto torolalana manaraka ireto dia mamariparitra manokana ny fisian ny zavatra miavaka vitsivitsy mikasika ny lalàn ny fameran-jo any Etazonia izay mamela ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin ny seminera sy institiota hampiseho horonantsary ao am-pianarana izay tsy hitakiana ny fahazoandalana avy amin ny tompon ilay fameran-jo. Na dia misy zavatra miavaka mitovy amin izany aza any amin ny firenena hafa dia tokony hifandray amin ny Birao Misahana ny Fanomezana ny Zo Rehetra Voatokana ny mpampianatra sy mpitarika ao amin ny seminera sy institiota mba hamaritana ny lalàna manokana sy ireo zavatra miavaka izay ampiharina ao amin ilay fireneny manokana alohan ny hampisehoana horonantsary novokarina mba hamidy na fandaharana nalaina tamin ny fahitalavitra na onjam-peo na tamin ny Internet. Fampiasana ireo horonantsary novokarina mba hamidy. Ny lalàn i Etazonia dia ahitana zavatra miavaka iray izay mamela ny mpampianatra sy mpianatra hampiasa ao am-pianarana ireo horonantsary novokarina mba hamidy ka tsy mila mividy ny fahazoan-dalana hanaovana izany. Mikasika izany indrindra, anefa, ireo horonantsary novokarin ny mpamokatra horonantsary hamidy dia tsy azo ampiasaina raha tsy eo ambanin io lalàna io raha toa ka voahaja ireto fepetra manaraka ireto. Ilay horonantsary naseho dia tsy maintsy: (a) avy amin ny tahadika nahazoana lalana; (b) ampiasaina amin ny fampianarana mivantana, izany hoe tokony ho eo ny mpampianatra na mpitarika ao amin ny seminera sy institiota rehefa alefa ilay horonantsary; (d) alefa ao am-pianarana na amin ny toerana natokana ho an ny fampianarana; (e) asehon ny fikambanam-pampianarana tsy mitady vola, toy ny kilasin ny seminera na institiota; ary (f) alefa ho an ny tanjona ara-pampianarana izay mifandray mivantana amin ny taranjam-pampianarana fa tsy natao hialana voly. Mandika lalàna sy ratsy ny fampisehoana fitaovan ny 91
103 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA haino aman-jery izay nofaina na novidiana izay atao mialohan ny fotoampianarana, na mandritra izany na aorian izany. Toy izany hatrany no saika mitranga rehefa mampiseho horonantsary iray manontolo. Fampiasana ireo fandaharana noraisina an-tsary sy feo avy amin ny fahitalavitra. Any Etazonia, ny fandaharana amin ny fahitalavitra iray izay tsy handoavam-bola ho an ny rehetra ary nalaina avy amin ny fahitalavitra na avy amin ny câble dia azo ampiasaina ao am-pianarana raha toa ka voahaja ireto fepetra manaraka ireto: (a) Hazonina tsy mihoatra ny 45 andro ilay tahadika ary avy eo tsy maintsy fafana avy hatrany izany. (b) Tsy maintsy ampiasaina ao am-pianarana mandritra ny 10 andro voalohany taorian ny daty nanaovana ny tahadika ilay tahadika (aorian ilay 10 andro voalohany, kanefa ao anatin ilay 45 andro voalohany, ilay tahadika dia tsy azo ampiasaina afatsy ho an ny fanombatombanan ny mpampianatra na fandraisana fanapahan-kevitra raha tokony ho ampiasaina amin ny lesona hoavy na tsia ilay fandaharana). (d) Indray mandeha ihany no alefa ilay tahadika (indroa raha toa ka ilaina ny fanamafisana ny fampianarana). (e) Ao am-pianarana na any amin ny toerana natokana ho an ny fampianarana ihany no aseho ilay tahadika. (f) Tsy novaina ny hafatra na votoatin ilay fandaharana. (g) Tsy azo atao tahadika indray mba hozaraina amin ny hafa ilay tahadika. (h) Izay mety ho tahadika rehetra dia tsy maintsy ahitana ny fampahafantarana ny fameran-jo ho an ilay fandaharana rehefa atao ny firaketana ny sary sy feo. (h) Ilay fandaharana dia tsy natambatra ao anatin ny ampaham-pandaharana hafa mba hanamboarana amboaram-pampianarana na vokatra hafa. Ho fanampin ireo fepetra takiana teo aloha, ireo horonantsary novokarin ireo mpamokatra horonantsary hamidy sy ireo fandaharana noraketina antsary sy feo avy amin ny fahitalavitra na onjam-peo na Internet dia tokony: (a) hampiseho fotsiny ny ampahan ilay horonantsary; (b) hampiasaina fa tsy asiam-panovana na nampidirana zavatra hafa; (d) tsy tokony ho ampiasaina amin ny fomba izay maneho fa ilay mpamokatra ny fandaharana na tompony dia manaiky ny zavatra ataon ny Fiangonana, na ny zavatra atao ao amin ny seminera sy institiota na ny fampianarany, na amin ny fomba izay maneho fa ny Fiangonana na ny seminera sy institiota dia manaiky ny zavatra voarakitra ao anatin ilay fandaharana na ny tompony na ilay mpamokatra; (e) tsy tokony ho ampiasaina amin ny fomba izay hanaovana dokam-barotra ny Fiangonana na seminera na institiota; ary (f) ho ampiasaina mifanaraka amin ny votoatin izay fameran-jo sy fitsipiky ny Fiangonana fantatra. Raha toa ka manana fanontaniana izay tsy voavaly tamin ny alalan ireo torolalana ireo ny mpampianatra sy mpitarika ny seminera sy institiota dia jereo ny Manuel d instruction de l Église (Manuel 2: Administration de l Église [2010], ) ao amin ny fizarana , Directives concernant l utilisation de documents protégés par le Copyright. Raha ilaina dia azo atao ny mifandray amin ny: Intellectual Property Office 50 E. North Temple Street, Room 1888 Salt Lake City, UT Laharana an-tariby: or , extension Fax: cor-intellectualproperty@ ldschurch.org 92
104 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Hira [5.11] Afaka mitana anjara toerana manan-danja amin ny fanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fitarihan ny Fanahy Masina mandritra ny fotoam-pandalinany ny filazantsara ny hira, indrindra ireo fihiran ny Fiangonana. Ao amin ny sasintenin ny boky fihiran ny Fiangonana dia nilaza toy izao ny Fiadidiana Voalohany: Ireo hira manentana ny fanahy dia ampahany manandanja ao anatin ny fivoriam-piangonantsika. Manasa ny Fanahin ny Tompo ireo fihirana, miteraka fahatsapana fanajana, mampiray hina ireo mpikambana ary manome fomba iray ho antsika mba hiderana ny Tompo. Ny sasany tamin ireo toriteny lehibe indrindra izay notoriana dia natao tamin ny alalan ny fihirana. Ny fihirana dia manentana antsika hibebaka sy hanao asa tsara, hanorina fijoroana ho vavolombelona sy finoana, hampahery ireo trotraka, hampionona ireo malahelo ary hanentana antsika haharitra hatramin ny farany (Hymns, ix). Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: Manontany tena aho raha mba ampiasaintsika araka ny tokony ho izy ity fitaovana avy any an-danitra ity mandritry ny fivoriantsika, sy fotoam-pianarantsika ary any an-tokantranontsika.... Fiomanana mahery vaika amin ny vavaka sy ny fampianarana ny filazantsara ny hira masintsika ( Worship through Music, Ensign, Nôv. 1994, 10, 12). Ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny lanjan ny hira ao anatin ny fitsaohana sy ny fomba ahafahan izany manorina tontolo izay ahafahan ny Fanahy miasa amim-pahombiazana kokoa. Ireto misy fomba sasantsasany izay ahafahan ny mpampianatra mampiasa ny hira entina hanatsarana ny fotoam-pandalinan ny mpianatra ny filazantsara: Mandefasa hira manentana fanahy eo am-pidiran ny mpianatra ao am-pianarana na mandritra ny fotoam-pianarana rehefa manao asa atao an-tsoratra izy ireo. Asao sy amporisiho ireo mpianatra handray anjara mavitrika rehefa miaraka mihira hira ao amin ny fihirana ny iray kilasy. Mamerena mijery ireo fitsipiky ny filazantsara ary manomeza hevitra vaovao fanampiny mandritra ny lesona amin ny alalan ny firedonana ny fihirana iray na andininy iray ao amin ilay fihirana izay mifandray mivantana amin ny zavatra izay ampianarina amin izany andro izany. Sady ahitana fizahan-takila araka ny abidia ho an ny soratra masina no ahitana ireo lohahevitra any amin ny faran ny boky fihirana izay afaka manampy mikasika izany. Omeo fahafahana hanorina sy haneho ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ireo mpianatra rehefa mamaky ny tonon ireo fihirana. Asao ireo mpianatra hanao fampisehoana an-kira izay mifanentana amin ny tokony ho izy ao am-pianarana. Rehefa manapa-kevitra ny hampiasa hira ao am-pianarana noho ny antony iray (toy ny hira alefa moramora mandritra ny lesona, soratra masina fehezina, na fanaovana tsianjery soratra masina) dia zava-dehibe ny fahatsiarovana ity fampitandremana manaraka avy amin ny Loholona Boyd K. Packer ity: Maro ireo ezaka natao mba hakana lohahevitra masina mikasika ny filazantsara ary hanambarana izany amin ny hira maoderina mba hisarihana ireo ny sain ireo tanorantsika any amin ilay hafatra.... Tsy fantatro hoe 93
105 FAMPIANARANA SY FIANARANA NY FILAZANTSARA ahoana no ahafahana manao izany ary ahoana no ahazoana fitomboana ara-panahy avy amin izany. Mieritreritra aho fa tsy ho tanteraka izany (That All May Be Edified [1982], 279). Farany dia andraikitry ny mpampianatra ny maka antoka fa ny hira rehetra ampiasaina mandritra ny fotoam-pandalinana dia mifanaraka amin ny fitsipiky ny Fiangonana ary tsy manafintohina ny Fanahin ny Tompo mihitsy izany. Torohevitra sy fampitandremana amin ny ankapobeny [5.12] Raha toa ka azo ekena ny faniriana hanana fifandraisana tsara amin ireo mpianatra, ny faniriana hahazo dera kosa, indrindra fa raha tsy tsapa na tsikaritra izany, dia mety hahatonga ilay mpampianatra hieritreritra kokoa mikasika ny fandraisan ny mpianatra azy fa tsy hieritreritra mikasika ny fomba hanampiany ireo mpianatra hianatra sy hivoatra. Matetika izany dia mitarika ireo mpampianatra hanolo ireo fomba fampianarana natao mba hanasana ny Fanahy Masina amin ireo fomba fampianarana entina hanatsaratsarana ny momba azy ireo eo imason ny mpianatra. Ireo mpampianatra izay milatsaka ao anatin izany fandrika izany dia ho meloka amin ny komiberaky ny mpisorona satria mametraka ny tenany ho fahazavan izao tontolo izao [izy ireo] mba hahazoany harena sy laza avy amin izao tontolo izao (2 Nefia 26:29). Tokony hitandrina ireo mpampianatra mba tsy ho entina hanalana voly, na hanaitairana na hahazoana dera avy amin ireo mpianatra ny fanaovana fampihomehezana na ny fitantarana tantara na ireo fomba fampianarana hafa. Fa ny zavatra tokony ifantohan ireo mpampianatra filazantsara rehetra dia ny hanome voninahitra ny Ray any an-danitra sy hitarika ny mpianany any amin i Jesoa Kristy. Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe: Azoko antoka fa fantatrareo tsara ny loza lehibe mety hitranga rehefa tena mahasarika sy maharesy lahatra ianareo satria ny mpianatrareo dia haneho tokim-panoavana anareo fa tsy amin ny filazantsara. Olana iray goavana izay tokony horesena izany ankehitriny ary manantena izahay fa ianareo rehetra dia mpampianatra manana herim-panahy manintona tokoa. Kanefa tena misy loza goavana ao amin izany. Izany no antony tokony hanasanareo ny mpianatrareo handalina ny soratra masina, fa tsy tokony homenareo fotsiny ny fanazavan-kevitrareo sy ny famelabelaranareo izy ireo. Izany no antony tsy maintsy hanasanareo ireo mpianatra hahatsapa ny Fanahin ny Tompo, fa tsy hoe hizaranareo fotsiny ny zavatra tsapanareo mikasika izany izy ireo. Izany no antony, amin ny farany, tsy maintsy hanasanareo ny mpianatrareo hanatona an i Kristy, fa tsy hanatona an ilay olona iray izay mampianatra fotsiny ihany ny fotopampianarany, na dia mahay mampianatra aza izy. Tsy ho afaka ny hanampy ireo mpianatra ireo foana ianareo. Tsy afaka ny hitantana ny tanan izy ireo ianareo rehefa mandao ny sekoly ambaratonga faharoa na ny sekoly ambony izy ireo. Ary tsy mila mpanara-dia ho an ny tenanareo manokana ianareo ( Eternal Investments [takariva niarahana tamin ny Filoha Howard W. Hunter, 10 Feb. 1989], 2). 94
106 Fomba Fampianarana, Fahaiza-manao Enti-mampianatra ary Fitarihana ny Fampianarana Ho fanampin izany, ireto torohevitra sy fampitandremana manaraka ireto dia miantefa amin ireo fomba fampianarana sy toe-javatra miseho isankarazany: Fanaovana fifaninana. Tokony hitandrina tsara ireo mpampianatra amin ny fanaovana fifaninana ao am-pianarana, indrindra rehefa ampifaninanana ireo mpianatra. Mety hiteraka fifandirana, na fahakiviana, na fanalam-baraka sy fahamenarana ary mahatonga ny Fanahy hisitaka ny fifaninana. ratsy. Tokony handanjalanja tsara ny mpampianatra rehefa maneho fahadisoam-panantenana amin ny mpianatra rehetra na amin ny tsirairay. Maro amin ireo mpianatra no mahatsapa fa tsy ampy ny fahalalany ary mila fanohanana sy fankaherezana izy fa tsy fanamafisana ny fahalemeny. Fanebahana. Ny fanebahana na izany ataon ny mpampianatra amin ny mpianatra iray na izany ifanaovan ny samy mpianatra dia ratsy sy mandratra fo foana ary mitarika any amin ny fanalana baraka sy ny fisitahan ny Fanahy. Fihetsika sy fiteny tsy mendrika. Tokony hosorohan ny mpampianatra ny fivazavazana na fifandirana amin ny mpianatra. Ny teny ratsy sy ny fiteny mirefarefa amin ny tany dia tsy azo ampiasaina any amin ny toerana fampianaran-javatra ara-pinoana. Fampiasan-kery. Tsy tokony hampiasa ny herim-batany sy ny tanjany na oviana na oviana ireo mpampianatra mba hampitahorana na hanerena mpianatra iray hipetraka tsara. Na ireo kilalao fitsapana herim-batana aza dia mety hivadika zavatra hafa na ho raisina hoy toy ny tena izy tokoa. Ny hany tokony hampiasan ireo mpampianatra herim-batana amin ny mpianatra iray dia rehefa entina hiarovana mpianatra iray hafa. Fiteny manondro ny maha-lahy na ny maha-vavy. Tokony ho fantatr ireo mpampianatra sy ho tandremany ireo fiteny manondro ny mahalahy na ny maha-vavy ao amin ny soratra masina. Ny soratra masina sasany dia ambara amin ny alalan ny fiteny manondro ny lahy noho ny karazan ilay fiteny izay niaviany. Tokony hampahatsiahivin ireo mpampianatra ny mpianatra fa ny sasany amin ireo teny manondro ny lahy dia sady miantefa any amin ny lahy no any amin ny vavy. Rehefa nolazaina i Adama fa ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka (Mosesy 6:57), dia azo antoka fa niresaka momba ireo lehilahy sy vehivavy ny Tompo. Misy fotoana kosa izay mampiavaka sy mampahitsy ilay endri-piteny manondro ny lahy. Ohatra, ny olona ao amin Ny Andriamanitra dia lehilahy ary ireo andinin-tsoratra masina mikasika ireo adidin ny fisoronana dia miantefa amin ireo rahalahy. 95
107 6 Notes Fanohizana ny fivoarana amin ny maha-mpampianatra Rehefa miezaka mampihatra ireo fitsipika sy fomba fampianarana nofaritana ao amin ity boky torolalana ity ireo mpampianatra dia tokony hiezaka tsy tapaka kanefa amim-paharetana ny hivoatra izy ireo. Tokony hianatra ireo fitsipiky ny fampianarana mahomby ireo mpampianatra ary hifehy ireo fahaiza-manao mahomby eo amin ny fampianarana, ka atao andalana anampy andalana izany amin ny alalan ny fandalinana, finoana, fampiharana ary fanandramana. Maro ireo fomba hanombantombanana ny fahombiazana eo amin ny fampianarana sy hahazoana hevitra avy amin ny olona hafa mikasika ny zavatra natao ary fanampiana mikasika ny fomba tokony hivoarana. Ireo zavatra sasantsasany hanampy ireo mpampianatra hivoatra dia fomba aradalàna sy voalamina toy ny fanaraha-maso sy fanehoan-kevitra avy amin ireo mpampianatra namana, lehibe na mpianatra mikasika ny zavatra izay natao. Misy koa ireo fomba tsotsotra toy ny fihainoana ireo mpianatra, fijerena ny ataon ny mpampianatra hafa na fizarana hevitra sy traikefa amin ireo mpiaramiasa. Ny iray amin ireo loharano sarobidy hahazoana hevitra mikasika ny zavatra izay natao dia ny fanombantombanana ny ataon ny tena manokana eo ambany fitarihan ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Loholona Henry B. Eyring hoe: Aorian ny fampianarana dia mety hikaroka fotoana kely hivavahana ianao mba hahitanao mazava ny zava-nitranga nandritra ny fampianarana sy ny zava-nitranga teo amin ny fiainan ireo mpianatra. Azonao atao ny manao izany araka izay tianao fa ny fomba itiavako hanaovana izany dia toy izao manaraka izao: Manontany tena aho hoe: Moa ve nisy zavatra nolazaiko na nataoko, na nolazain izy ireo na nataony ka nankahery azy ireo?... Raha mametra-panontaniana ao anatin ny vavaka, ary amim-panetren-tena sy amim-pinoana ianao dia hanana indraindray ary angamba matetika mihitsy fotoana izay hahatsiarovanao zavatra niseho nandritra izany fotoampianarana izany toy ny endriky ny mpianatra iray, na ny feon ny mpianatra iray, na ny fomba fipetraky ny mpianatra iray sy ny fanetsehany ny vatany mba handroso tao anatin ny fotoana iray nandritra ny lesona izay hanome toky anao fa nahazo fankaherezana izy ireo. Fa ny zava-dehibe kokoa noho izany dia ny fanomezan izany anao fahafahana hianatra. Afaka mamantatra ny zava-nitranga tao am-pianarana ianao ary vokatr izany dia afaka mamantatra ny zavatra azonao atao mba hitondrana foana ireo traikefa mankahery ireo any amin ny mpianatrao ( Converting Principles [lahateny nandritra ny takariva niarahana tamin ny Loholona L. Tom Perry, 2 Feb.1996], 2). Rehefa manam-paniriana ny hivoatra sy hiezaka tsy tapaka hampianatra amin ny fomba izay ankasitrahan ny Ray any an-danitra ireo mpampianatra dia hanentana ny fanahin izy ireo Izy ao anatin ny fiomanan izy ireo, 96
108 Fanohizana ny fivoarana amin ny maha-mpampianatra hanamafy orina ny fifandraisan izy ireo amin ny mpianatra, hampahomby ny ezaka nataony ao am-pianarana ary hanome azy ireo ny Fanahy mba hanatanterahan izy ireo bebe kokoa ny Asany. Izy koa dia hanampy azy ireo hahita ireo sehatra izay ilan izy ireo fanatsarana eo am-piezahana mampianatra amin ny fomba izay mitarika ireo mpianatra hahatakatra ny fampianaran i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary hiantehitra amin izany. Farany, ny tanjon ny mpampianatra filazantsara tsirairay dia tokony hoe hisolo tena araka izay tratra ny Mpamonjy an izao tontolo izao amin ny maha- mpampianatra avy amin Andriamanitra azy ireo (Jaona 3:2). Raha niresaka tamin ny vondron ny mpiasan ny seminera sy institiota ny Loholona Boyd K. Packer dia nilaza hoe: Ireo toetra izay tombontsoako manokana ny mahita azy ireny eny aminareo ry rahalahy sy rahavavy nandritra ireo taona maro dia tsy inona fa ny endrik ilay Tompo Mpampianatra izay miseho amin ny alalanareo. Mino aho fa raha ny halehiben ny asa vitanareo, araka ny fanamby sy andraikitra atrehinareo dia tena misoritra eny amin ny tarehinareo ny endrik i Kristy. Ary mba hahatrarana ireo tanjona azo tanterahina rehetra, ao amin izany kilasy izany amin izany fotoana izany sy ao anatin ilay fihetsika aseho miaraka amin ilay fanentanam-panahy dia ianareo no Izy ary Izy dia ianareo ( The Ideal Teacher [lahateny natao ho an ireo mpiasan ny seminera sy institiota, 28 Jiona 1962], 5 6). Ny fampanantenan ny Tompo [6.1] Ny fampianarana ny filazantsara dia asan ny Tompo ary tiany hahita fahombiazana ao amin izany andraikitra izany ireo mpampianatra seminera sy institiota. Rehefa miantso Azy isan andro ireo mpampianatra sy mpitarika dia hahatsapa ny fahatongavan izany fanampiana izany. Nanome fampanantenana ireo izay miezaka ny hiaina sy hampianatra ny filazantsarany Izy: Asandrato amin ity vahoaka ity ny feonareo; teneno ny eritreritra izay hapetrako ao amponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan ny olona ianareo; Fa homena anareo amin izany ora izany indrindra, eny, amin izany fotoana izany indrindra izay holazainareo. Nefa didy iray no omeko anareo dia ny hanambaranareo ny zavatra rehetra ambaranareo amin ny anarako, amin ny fahononam-po, amin ny fanahin ny fahamorana, amin ny zava-drehetra. Ary omeko anareo izao fampanantenana izao fa raha manao izany ianareo, dia halatsaka ny Fanahy Masina ho vavolombelona hanambara ny zavatra rehetra izay holazainareo (F&F 100:5 8). 97
109
110 Fanoroana lohahevitra manaraka ny abidia A Am-po, mampitoetra ny filazantsara ao...vii, 1, 7, 13, 37, 38, 47, 68, 77 78, Jereo koa ny Fiovam-po Anjara asan ny an ny mpianatra... 7, 18 19, 22, 62, 68, 71, 72 73, 83 Fanahy Masina Jereo ny Fanahy Masina, Mampianatra sy mianatra amin ny alalan ny Fanahy An-tsoratra , 40, asa atao , B Ballard, M. Russell manova ny fiainana ny fijoroana ho vavolombelona Bednar, David A. famakiana ny soratra masina hatrany amin ny fiantombohany ka hatramin ny farany ireo fifandraisana, lamina, ary lohahevitra manasa ny Fanahy Masina ny fanoratana maneho faniriana ny asa araka ny fitaoman ny finoana...7 mitoetra ao am-po ny Fanahy Masina...7 Benson, Ezra Taft fifandraisana eo amin ireo mpivady nahita ny androntsika ireo mpanoratra ny soratra masina tokony ho loharano fototra ny soratra masina zava-dehibe ho an ireo mpampianatra hianarana ny filazantsara C Clark Jr., J. Reuben mampianatra ny filazantsara araka ny ampianaran ny soratra masina azy...6 manana tanjona goavana ianareo mpampianatra... ix mangetaheta ny zavatra mikasika ny Fanahy ny tanora nandray fitahiana ara-panahy ny tanora D Departemantan ny Fampianarana an ny Fiangonana... ix Diary E Endriky ny efitrano fianarana Endriky ny toeram-pianarana Eyring, Henry B. amin ny alalan ny Fanahy ihany fanaovana fanombantombanana ny ataon ny tena manokana amin ny alalan ny vavaka fanaovana tsara ny zavatra ara-nofo fomba fijery roa mikasika ny filazantsara hampanatona ireo mpianatra akaiky kokoa ny soratra masina hanafaka ny hetaheta ny soratra masina hanavaka ny fitsipika iray sy ny fotopampianarana iray hitondra fivoarana lehibe ny fankatoavana tsy tapaka ivon ny fianarana sy fampianarana rehetra ny fanontaniana jereo ireo fitsipika mitondra Fiovam-po manaraka ny votoatin izay voalaza ao amin ny boky fampianarana manasa ny fanentanam-panahy ny fanontaniana sasany mitandrema tsara amin ny firesahana mikasika ny Fanahy mpianatra mikatsaka amim-pahalalahana ao anatin ny finoana...7 ny tanjontsika amin ny maha-mpampianatra antsika...1 tsy mahafantatra ny zava-drehetra tian ny mpanoratra lazaina F Fahafahana misafidy asa araka ny fitaoman ny finoana mpianatra mampihatra...8, 72 Fahamendrehana...2, 13, Jereo koa ny Miaina ny filazantsara Fahanginana...15, Fahasembanana, mpianatra manana , 25, 87, Fahavitana ny taranjam-pianarana... 11, 59 Fahavononana, mpianatra , 60, 66, Jereo koa ny Mpianatra, miomana ny hianatra Famelabelarana amin ny alalan ny haino aman-jery sy solosaina torolalana Famelabelarana amin ny alalan ny solosaina Famintinana , 68, 71, 81 Fampanarahana ny lesona amin ny zavatra izay ilaina...16, 21, 62, 69, 70, 83 Fampianarana filazantsara...ix, 1 fampianarana soratra masina araka ny fizarazarany Jereo ny Mampianatra soratra masina araka ny fizarazarany Fanadihadiana...34, 36, 39, 49, 53, 74, 87 Jereo koa ny Fanontaniana izay mitarika ireo mpianatra hanadihady hahatakaran-javatra Fanahy, mampianatra amin ny alalan ny Jereo ny Fanahy Masina, Mampianatra sy mianatra amin ny alalan ny Fanahy Fanahy Masina andrakitra eo amin ny fandalinana...1 3, 7, 14 18, 18 19, 40, 41 42, 46, 58, 68 fampitomboana ny hatsaram-pitondrantena amin ny alalan ny...7 fanampiana amin ny fanomanana... 62, 66 67, 96 fiasan ny manasa ny fitarihan ny... 7, 9, 16, 16 17, 18 19, 22, 38, 40, 50 51, 59, 62, 70, 72 73, 76, 78 79, 85 87, 94 miezaka hanana ny fananana ny... ho namana...2 Fanambarana sy fanentanampanahy , 19 20, 40, 76, Jereo koa ny Fanahy Masina, manasa ny fitarihan ny Fanantitranterana... 50, 66 67, 68, 71 Fanaraha-maso... 59, 96 Fanasiana marika sy fanamarihana... 26, 34 35, Fandaharam-pampianarana , 29 30, 47, 62, 63, 66, 70, 71 99
111 fandaharan asa Adidy amin Andriamanitra fandaharan asa Fivoaran ny Tena Manokana fandalinana manokana ny soratra masina , Fandalinana ny soratra masina isan andro...9, 12 13, Fandemena na fanerena ara-panahy Fandraisana anjaran ireo mpianatra...8 9, 11, 27, 62, 63, 78 79, 87 Fanebahana Fanehoan-kevitra mikasika ny zavatra natao... 59, 96 Fanitsiana ireo fihetsika miteraka korontana na tsy araky ny tokony ho izy Fankaherezana...x, 7, 12 13, 13, 18 19, 62, 68, 79 Fanomanana ny lesona , 18 19, 80 86, 94 loharano ho an ny manapa-kevitra momba ny fomba hampianarana...7, 63, manapa-kevitra ny zavatra ho ampianarina Fanomezana torohevitra ireo mpianatra , 22, Fanontaniana... V, 27, 37, 62, 71, izay mamporisika ireo mpianatra hikaroka fampahalalana izay mamporisika ny fanaovana ny fampiharana izay mitarika ireo mpianatra hanadihady mba hahatakaran-javatra... 37, izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona... 38, 40 41, Farito ireo teny sy andian-teny sarotra...27, 31 32, 63 Faust, James E. tsy maintsy voalaza ny fahamarinana (nambaran i B. H. Roberts) Fiadidiana Voalohany manasa ny Fanahin ny Tompo ireo fihirana Fianakaviana, fanampiana ny Fianarana amin ny alalan ny Fanahy , 22, 25, 68, 94 toerana Jereo koa ny Fanahy Masina, Mampianatra sy mianatra amin ny alalan ny Fanahy Fiantrana , 9, 17 18, Fifanakalozan-kevitra , Fifandraisana amin ny hafa...2, 3 4 amin ny mpianatra...3 4, 15 16, 62, 94 95, 96 amin ny mpitarika ao amin ny fisoronana , fifandraisana eo amin ny raha toa ka... dia Fifandraisan ny antony sy ny vokany , 46, 63 Fifaninanana Fihirana Jereo ny Hira Fijoroana ho vavolombelona, fanamafisana... VI, 23 24, 40 41, 44, 46 47, 77 78, Jereo koa ny Am-po, mampitoetra ny filazantsara ao, Fiovam-po Fikarakarana ny efitrano fianarana Jereo ny Mandrindra toeram-pianarana hanjakan ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona Filalaovana tantara Filankevim-pitantanan ny Fampianarana... ix Finoana ao amin ireo mpianatra ao amin ny teny ao amin ny Tompo asa atao araky ny fitaomam-panahy...vi, 7 Jereo koa ny Anjara andraikitry ny mpianatra, Fanahy Masina, manasa ny fitarihan ny Fiofanana eo an-dalam-piasana , 59 Fiomanana amin ny lesona Jereo ny Fanomanana amin ny lesona mpianatra...7, tena manokana Fiovam-po... v, vii, 2, 7, 16 17, Jereo koa ny Am-po, mampitoetra ny filazantsara ao, Tanjon ny S&I, Tanjon ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara Firaisan-kina , 15, 62 Jereo koa ny Mandrindra toeram-pianarana hanjakan ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona Fisoratana anarana... 11, 59 Fiteny manondro ny lahy na ny vavy Fitiavana sy fanajana ho an ireo mpianatra , 18 19, 22, 57 58, 62, ho an ny Tompo... 2, 13, 16, 16 17, 40 41, 94 Jereo koa ny Fiantrana, Mandrindra toeram-pianarana hanjakan ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona Fitsipika Jereo ny Fotopampianarana sy fitsipika Fitsipika mitondra fiovam_po Fitsipika nolazaina Fitsipika voafono Fitsipi-pifehezana Fomba fiasa mahazatra ao am-pianarana Fomba hampianarana, famaritana ny... 7, 63, Fotoam-bavaka...15, 18 19, 19 20, 44, 62 Fotopampianarana Fototra , 66 Fotopampianarana sy fitsipika...6, 32 33, 46 filazana... 15, 34 35, 65, 87, mampianatra...6, 7, Fototra niavian ny H Hales, Robert D. mampitombo finoana ny mpianatra mampianatra sy mijoro ho vavolombelona manampy ireo mpianatra hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy miezaka hiaina amim-pahamarinana...2 Hinckley, Gordon B. mitombo hatrany tsy misy manana fahalalana ampy isika Hira... 15, 44, 62, 94 Holland, Jeffrey R. manasa ireo mpianatra hanadihady ny soratra masina mitia ireo mpianatra tsy mandray anjara zava-dehibe ny tontolo nomanina tsy natao maimaika Horonantsary Jereo ny Famelabelarana amin ny alalan ny haino aman-jery sy solosaina Hunter, Howard W. aza maka tahaka ny fitarihan ny Fanahy fampianaran i Jesoa Kristy sy ohatra nasehony halalino isan andro ny soratra masina
112 I loza mety hitranga ho an ireo mpampianatra manana herim-panahy tanora manana fahatokiana ao amin ny soratra masina Inona no ho ampianarina, manapa-kevitra Ireo Zavatra Manan-danja ao amin ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara , J Jesoa Kristy fampanantenana ho an ireo izay mampianatra ny filazantsarany fanamafisana ny fahamarinana izay manampy ireo mpianatra hanakaiky kokoa ny fanirian ny mpampianatra ho tonga tahaka an i fitahiana azon ireo mpianatra izay mianatra sy manaraka...1 hita eny eo amin ny tarehin ireo mpampianatra ny endrik i mampianatra tahaka an i...v VI, 3 4, 4 5, 16 17, manampy ireo mpianatra hianatra amin ny alalan ny fisaintsainana mba ho tonga tahaka an i manampy ny filazantsara ho tonga tahaka an i manasa ny Fanahy amin ny alalan ny fifantohana amin ireo ohatra sy fifanakalozan-kevitra mikasika ny mandeha any am-pianarana ny mpianatra mba hahafantarana , 62 mianatra amin ny alalan ny Fanahy Masina mikasika ny mikolokolo ny fitiavan ireo mpianatra an ny mpaminany mijoro ho vavvolombelona mikasika ny ny mpampianatra dia tokony hijoro ho vavolombelona momba ny fitiavany an i ny zavatra tokony hifantohan ireo mpampianatra dia ny hitarihana ireo mpianatra any amin ny soratra masina manome fahitana ny K Kantsan andian-tsoratra masina... 47, 63, 68 Karazany... 71, 83 Kimball, Spencer W. mianatra amin ny alalan ny fampiharana Komiberaky ny mpisorona L Lalàn ny fameran-jo Lamina entina mampianatra ny soratra masina Lee, Harold B mihamanify ny fijoroana ho vavolombelona Lioka 5: Ohatra iray Lisitra, manao... ny soratra masina M Mahatakatra fotopampianarana sy fitsipika... 7, 36 37, 39 40, 50, 52 53, 55, 65, 70, 76, 83, ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny ary ireo tenin ny mpaminany , 32 34, 41 42, 47, 49 50, 52 55, 63, 84 85, 87 89, 94 Mahatsapa ny fahamarinan ny fotopampianarana sy fitsipika sy ny maha-zava-dehibe azy ireo... 14, 32 33, 36 37, 50, 53, 70 Mamaky lahatsoratra ho an ny lesona soratra masina miaraka ao am-pianarana Mampianatra amin ny alalan ny Fanahy Jereo ny Mampianatra sy mianatra amin ny alalan ny Fanahy araka ny fomban ny Mpamonjy... V fandinihana sy fihainoana ary famantarana , 22, 57 58, 79, 98 fomba, fahaiza-manao ary fitarihana... 70, fotopampianarana sy fitsipika...6, manapa-kevitra ny fomba hampianarana...7, 63, manapa-kevitra ny zavatra ho ampianarina misoroka ny famandrihana soratra masina ao amin ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara soratra masina araka ny fizarazarany.46 torohevitra sy fampitandremana amin ny ankapobeny Mampianatra sy mianatra amin ny alalan ny Fanahy... 7, 14 18, 18 19, Jereo koa ny Fanahy Masina Mampifanaraka amin izay ilain ilay olona ny lesona...9, 49 50, 62, 66 Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika...13, 25, 32, 37 38, 49, 52, 69, 78, 83, Jereo koa ny Fanontaniana izay mitaona any amin ny fampiharana Mampihatra ny soratra masina... 27, 50 Mampitaha sy mampifanohitra Manan-danja...62, Manangona andinin-tsoratra masina Jereo ny Kantsan andian-tsoratra masina Manao tsianjery andinin-tsoratra masina Manazava , 39 40, 50, 68 manazava, mizara, ary mijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara Mandalina ny soratra masina isan andro ary mamaky ny lahatsoratra mifandray amin ny lesona Mandeha miadana Mandrindra toeram-pianarana hanjakan ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona , 16 24, 62, Maxwell, Neal A. mampianatra ny maha-anao anao ianao ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny Fiovam-po ary ny fahemahana hanatanteraka izany McConkie, Bruce R. amin izao andro izao, tantara mampitombo finoana McKay, David O. tsy maintsy manana filaminana isika Miaina ny filazantsara...x, 2, 13, Mifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja sy ireo fotopampianarana fototra Mihaino ireo mpianatra ,
113 Mijery zavatra... 27, Mijoro ho vavolombelona...vi, 15, 38, 35, 50, 68, Mikaroka fanontaniana Jereo ny Fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hikaroka fampahalalana Miomana hampianatra Misaintsaina... 27, 40, 50, Mitantana...9 fandaharam-pampianarana sy loharano...9 Mivoatra amin ny mahampampianatra...3 4, 58 60, Mizara... V, 15, 38, 39 40, 50, 49 52, 77 78, zavatra masina iainan ny tena manokana Monson, Thomas S. manan-danja noho ny olana ny olona mianatra ny fampahalalana fototra mikasika ny soratra masina tanjon ny fampianarana ny filazantsara Mpampianatra endrika ety ivelany famelabelarana ivo... 63, 68, 71, Mpianatra Jereo ny Andraikitry ny mpianatra Mpianatra anjara andraikitra eo amin ny fandalinana Jereo ny Anjara andraikitry ny mpianatra fiomanana hianatra...7, 60 61, 71, mampianatra ny filazantsara amin ny hafa... 7, 9, 39 40, zavatra ilaina sy fahaiza-manao... 11, 17 18, 50, 57 58, 62, 66 Mpitarika ao amin ny fisoronana, miara-miasa amin ny...9, 11, 21, 23 O Oaks, Dallin H. fihirana ho toy ny loharanom-pitaovana avy any an-danitra mampianatra am-pitiavana manamafy fotopampianarana, fitsipika ary fanekempihavanana manampy amin ny asan ny Tompo ireo mpampianatra...1 tsy mampianatra fomba fampiharana manokana Ody am-bava fo Ohatra ataon ny mpampianatra...2, 25, 44 P Packer, Boyd K. Endriky ny Mpamonjy eny amin ny tarehin ireo mpampianatra fijoroana ho vavolombelona azo avy amin ny fizarana izany fitaovan ny haino aman-jery maso fitahiana na ozona fotopampianarana marina takatra...6 hery avy amin ny fihazonana ny fiainana hifanaraka amin ny manakambana ny lohahevitry ny filazantsara amin ny hira maoderina Mitondra fanambarana ny fanajana Ny Mpamonjy no mpampianatra fakan-tahaka... V Sorompanavotana dia fototry ny fotopampianarana Kristianina...1 tonga amim-pahazotoana ny mpianatra rehefa vokisana ara-panahy tsy afaka manery ny zavatra ara-panahy zavatra ao anatin ny soratra masina sy ny tanjony R Ray aman-drenin ireo mpianatra... x, 11, 17, 21 Ray any An-danitra fanirian ny mpampianatra hoy toy ny fitahiana avy amin ny fampianarana izay ankasitrahana ireo mpampianatra dia tokony hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitiavana an mahazo tanjaka ireo mpianatra hanaovana safidy izay mifanaraka amin ny sitrapon...6 mampianatra ireo mpianatra mikasika ny fananany lanja tsy manam-petra manamafy ireo fahamarinana izay manampy ireo mpianatra hanatona akaiky kokoa an ny manampy ireo mpianatra hahafantatra sy hitia...x, 1 manampy ireo mpianatra hiomana hanatanteraka ny zavatra angatahina amin ny alalan ny...2 manampy ireo tanora hiomana amin ny fiainana mandrakizay miaraka amin ny...x, 1 manome voninahitra amin ny fampianarana mianatra amin ny alalan ny Fanahy Masina mikasika ny mianatra ireo mpianatra mba hahafantarana , 62 miresaka amin ireo mpianatra amin ny alalan ny soratra masina mpampahatsiahy fa ireo mpianatra manana fahasembanana dia zanaka nanentana ny fanahin ireo lehilahy sy vehivavy voafantina hanoratra ny soratra masina Roberts, B. H. fahamarinana tsy maintsy voalaza Romney, Marion G. miaro fitsipika ny soratra masina S Scott, Richard G. fanambarana tsotra ny fitsipika fanaovana tsianjery soratra masina tahaka ny manamafy ny finamanana fanombantombanana ny fampianarana mahomby mampiasa ny soratra masina araky ny voarakitra mampivelatra toetra tsara manampy ireo tanora ho tia ny soratra masina manampy izay hilatsahan ny fahamarinana lalina ao amin ireo mpianatra manasa ny Fanahy ny fandraisan anjaran ny mpianatra...9 manavaka ny fitsipika amin ireo antsipiriany namana ao amin ny soratra masina ny fitsipika dia fitambaran ny fahamarinana...6, ny soratra masina dia karazana boky torolalana tanjona manan-danja indrindra eo amin ny fampianarana Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara... ix,
114 Seza Smith, Joseph fanalahidin ny fahatakarana ny soratra masina ireo fanahy rehetra dia afaka ny hivoatra Solaitrabe na tableau blanc , Soratra Masina andian-tsoratra masina voafaritra sy nohazavaina dia loharano voalohany ho an ny fanomanana ny lesona fahaiza-manao enti-mandalina sy fomba fandalinana fanampiana ho an ny fandalinana fehezina fotopampianarana sy fitsipika avy amin ny...6, 32 33, 65 mampianatra... V, 6, 46 Soratra masina mifandray Sorompanavotan i Jesoa Kristy... x, 2, 12 13, 17 18, 29, T Tableau blanc Jereo ny Solaitrabe na tableau blanc Tadiavo fotopampianarana sy fitsipika , 47, 53, 65, 70, 76 mahatakatra, mahatsapa ny fahamarinan ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara sy ny maha-zava-dehibe azy, ary mampihatra azy Tanjona an ny S&I... 1, 12 13, 65, 96 manorina tontolo , 62, 70 Jereo koa ny Am-po, mampitoetra ny filazantsara ao, Fiovam-po, Jesoa Kristy Tanjon ny mpanoratra soratra masina... 29, 29 30, 33 34, 46, 47, 65 Tanjon ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara... x, 1 11, 12 13, 18 19, 57 58, 62 Tantara... V, 38, Tantara sy votoatiny , 63 Jereo koa ny Fahatakarana ny tantara ao amin'ny soratra masina sy ny votoatiny Tapaho izay ampianarina sy ny fomba ampianarana azy Tatitra, manatanteraka miaraka amin ireo mpianatra , 62 Tenin ny mpaminany sy apôstôly... 6, 37, 38, Toe-javatra niseho ara-jeografia ara-kolotsaina ara-tantara Toetran ireo mpampianatra Toe-tsaina ananan ireo mpampianatra U Uchtdorf, Dieter F. mitarika ny tanora ho any amin i Kristy...2 V Vavaka...3 4, 13, 16 17, 96 ao anatin ny fiomanana hampianatra...v, 16 17, 57 58, 63 ho an ireo mpianatra...v, 17 18, 62 Vondrona, miasa ao anatin ny , Z Zavatra azo tsapain-tanana sy sary... 62, Zavatra jeren ny maso Jereo ny Famelabelarana amin ny alalan ny haino aman-jery sy solosaina, Zavatra azo tsapain-tanana sy sary Zavatra manelingelina, fanafoanana
115
Augustin Andriamananoro, dans son bureau ministériel, ce 26 mai 2010
Augustin Andriamananoro, dans son bureau ministériel, ce 26 mai 2010 Qu est-ce qu on ne raconte pas sur certains ministres qui n ont plus été reconduits au sein du gouvernement Vital II. Cela n a qu une
REPOBLIKAN i MADAGASIKARA
REPOBLIKAN i MADAGASIKARA Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana --------------------- PRESIDENCE DE LA REPUBLIQUE LOI N 2007-038 DU 14 JANVIER 2008 modifiant et complétant certaines dispositions du Code
mensuel d informations régionales 9è édition - Août 2011
masolavitra mensuel d informations régionales 9è édition - Août 2011 gratuit Sommaire page 2-3 : Prix de l Entrepreneur Social page 4 : Pour le développement de la région Haute-Matsiatra [Idees Vozama]
REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana ------------ MINISTERE DE L'ENVIRONNEMENT, DES EAUX ET FORETS DECRET MECIE
REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana ------------ MINISTERE DE L'ENVIRONNEMENT, DES EAUX ET FORETS DECRET MECIE Didim-panjakana laharana faha 99-954 tamin'ny 15 desambra 1999
Module 13 Fiofanana 5S eo amin ny sehatry ny Fahasalamana Modules de la formation pour le Personnel d appui (module en Malgache)
Module 13 Fiofanana 5S eo amin ny sehatry ny Fahasalamana Modules de la formation pour le Personnel d appui (module en Malgache) Ministère de la santé publique à Madagascar Mars 2015 Appui par JICA Madagascar
UN VECTEUR D AVENIR LE LAIT VITA NY FANAVAOZANA SY NY FANATSARANA LA CHARTE INFORMATIQUE INTERVIEW RAMANANTSOA EPI PLUS BESARETY
ANNEE 2 NUMERO 5 GRATUIT JUIN 2014 VITA NY FANAVAOZANA SY NY FANATSARANA LA CHARTE INFORMATIQUE INTERVIEW RAMANANTSOA EPI PLUS BESARETY LE LAIT UN VECTEUR D AVENIR L édito Ny ronono, tsilo mpitondra amin
Kabarin Andriamatoa Praiminisitra RAVELONARIVO Jean FANDAHARANASA HO FANATANTERAHANA NY POLITIKA ANKAPOBEN NY FANJAKANA. Tsimbazaza : 11 febroary 2015
Kabarin Andriamatoa Praiminisitra RAVELONARIVO Jean FANDAHARANASA HO FANATANTERAHANA NY POLITIKA ANKAPOBEN NY FANJAKANA Tsimbazaza : 11 febroary 2015 TENY FAMPIDIRANA 1 / 25 Andriamatoa Filoha, Andriamatoa
FTTAIYANA AI{':NSORAIRA NT trryorua}ibe TIONALE REPOBLIKA FAHAEFATRA FEPOTOANA FANAOVAN.DALANA VOALOHANY FOTOAM-PIVORIANA MANOKANA TAONA 2014
TIONALE REPOBLIKA FAHAEFATRA FEPOTOANA FANAOVAN.DALANA VOALOHANY FOTOAM-PIVORIANA MANOKANA TAONA 2014 DIRECTION DE LA LEGISLATION SERVICE DES PROCES-VERBAUX EÏ DES COMPTES-RENDUS ANALYTIQUES FTTAIYANA
FANABEAZANA OLOM-PIRENENA RECUEIL DES TEXTES SUR LA RECHERCHE DE CONSENSUS A MADAGASCAR (VOL. I)
FANABEAZANA OLOM-PIRENENA RECUEIL DES TEXTES SUR LA RECHERCHE DE CONSENSUS A MADAGASCAR (VOL. I) Réseau des Jeunes pour la Démocratie et la Politique RECUEIL DE TEXTES SUR LA RECHERCHE DE CONSENSUS A MADAGASCAR
Ny Vaovao Mahafaly. La Bonne Nouvelle
Ny Vaovao Mahafaly La Bonne Nouvelle Ary tamin ny fahenim-bolana dia nirahin Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, ho any amin ny virijina anankiray,
EXPOSE DES MOTIFS. Uniformisation du taux du Droit de Douane sur les machines et appareils ;
A- SUR LE CODE DES DOUANES EXPOSE DES MOTIFS Dans le cadre des réformes législatives initiées pour la Loi des Finances 11, l Administration des douanes a déterminé deux axes stratégiques pour faire face
FINOANA SY FAHAZAVANA FOI ET LUMIERE
FINOANA SY FAHAZAVANA FOI ET LUMIERE BELGIQUE-BELGIE P.P 5060 SAMBREVILLE 6/69330 Gazety avoakan ny Mpiaramivavaka Kristianina Malagasy eto Bénélux (M.K.M.B.) Bulletin de liaison et d information de la
De la ferme à l usine
ANNEE 1 NUMERO 1 GRATUIT JUIN 2013 Vers la certification HACCP : un facteur clé pour le succès de SOCOLAIT Ny soatoavina maha SOCOLAIT Socolait mamorona hatrany De nouveaux produits arrivent De la ferme
Ecole Hôtelière LA RIZIERE Collège Saint François- Xavier B.P. 1032 - Antady, Fianarantsoa (301) Tél. 020.75.502 15 info@lariziere.
Ecole Hôtelière LA RIZIERE Collège Saint François- Xavier B.P. 1032 - Antady, Fianarantsoa (301) Tél. 020.75.502 15 [email protected] TAOM- PIANARANA 2015/2017 - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
PRESIDENCE DE LA TRANSITION
PRESIDENCE DE LA TRANSITION LOI N 2012-021 PORTANT LOI DE FINANCES POUR 2013 IMPRIMERIE NATIONALE 2012 1 LOI N 2012-021 DU 17 DECEMBRE 2012 PORTANT LOI DE FINANCES POUR 2013 2 PRESIDENCE DE LA TRANSITION
ATRIKA Le journal de l ASMF
Association des Anciens du Collège St-Michel en France ATRIKA Le journal de l ASMF OCTOBRE 2010 ÉDITION : Octobre 2010, NUMÉRO 12 Éditorial 2010 ASMF bureau 2009/2010 Joël Rambatomanga(1990) Président
Tehindrazanarivelo Liva; Mamy Aimanantsoa; Toky Rabemanantsoa; Alex Objet:
Randriamiharisoa Alex De: randriamihaja josefa [[email protected]] Envoyé: jeudi, 1. octobre 2009 16:03 À: AZ Cc: Tehindrazanarivelo Liva; Mamy Aimanantsoa; Toky Rabemanantsoa; Alex Objet: Tr : DEVIS ET
FANILO MIAMPITA. TÉLÉPHONIE FIXE La honte. Encore sous le monopole Après le drame libanais, voilà que resurgit
cyan magenta jaune noir PROGRAMME P.7 L accès sans peine à l information QUOTIDIEN D INFORMATION GRATUIT N 080 DU Vendredi 18 Juin 2010 AFFAIRE LILA FANILO MIAMPITA TÉLÉPHONIE FIXE La honte TONGA NY ORA
E1 403 VOL. 1 JIRO SY RANO MALAGASY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA JIRAMA
Public Disclosure Authorized a REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana JIRAMA JIRO SY RANO MALAGASY E1 403 VOL. 1 Public Disclosure Authorized Public Disclosure Authorized ÉVALUATION
Analyse de quelques occurrences issues d un corpus oral (dialecte betsileo) Quelques pistes pour l apprenant
Ao Analyse de quelques occurrences issues d un corpus oral (dialecte betsileo) Quelques pistes pour l apprenant Préambule Locutrice non native du malgache Présentations traditionnelles de ao Sens et le
Retour au menu MinJustice
Retour au menu MinJustice TABLE DES MATIERES Pages ORDONNANCE N 60-084 du 18 août 1960 21 portant refonte et codification de la législation et de la réglementation douanière. TITRE PREMIER Principes généraux
ATTRIBUTIONS MESURES DE CONSERVATION
Décret n 64-205 du 21 mai 1964 réglant les modalités d application de la loi n 60-004 du 15 février 1960 relative au domaine privé national modifiée par l ordonnance n 62-047 du 20 septembre 1962 (J.O.
Pour plus de transparence
cyan magenta jaune noir PROGRAMME P.7 MONJA ROINDEFO Position ambigüe L ancien Premier ministre de la Transition joue actuellement le rôle de premier FANDRESENA TETIKADY SAMY MANANA maro lafy ny fomba
mensuel d informations régionales Edition Numéro 28 - mars 2013
masolavitra mensuel d informations régionales Edition Numéro 28 - mars 2013 gratuit Bonjour, Ce mois de mars, Orange Solidarité Madagascar, l association humanitaire d Orange Madagascar qui travaille activement
ISSN: 1726-9113. Melanophylla angustior (Melanophyllaceae) Ravintsara
ISSN: 1726-9113 Melanophylla angustior (Melanophyllaceae) Ravintsara...a newsletter on Malagasy plants and their conservation...bulletin sur les plantes malgaches et leur conservation...gazety mikasika
Documentation. de l Évangile Pour le foyer. Écritures...2. Conférence générale...2. Magazines...3. Musique...3. Illustrations de l Évangile...
Documentation de l Évangile Pour le foyer Écritures...2 Conférence générale...2 Magazines...3 Musique...3 Illustrations de l Évangile...3 Livres, manuels et brochures...4 Histoire familiale...6 Œuvre missionnaire...6
Livret 2. Travailler la prononciation
Livret 2 Travailler la prononciation Sommaire P. 8 CONSTAT P. 9 OBJECTIFS P. 9 DIAGNOSTIC Séquence 1 Aider les élèves à bien prononcer les sons du français 1. Où en êtes-vous pour commencer? 2. À propos
Rapport annuel. Chaire de recherche du Canada en Administration publique et en gouvernance 2010-2011
Rapport annuel Chaire de recherche du Canada en Administration publique et en gouvernance 2010-2011 Bilan a) Objectifs fixés en 2010-2011 et résultats obtenus J'ai complété mon manuscrit : Power : Where
Le passé composé. C'est le passé! Tout ça c'est du passé! That's the past! All that's in the past!
> Le passé composé le passé composé C'est le passé! Tout ça c'est du passé! That's the past! All that's in the past! «Je suis vieux maintenant, et ma femme est vieille aussi. Nous n'avons pas eu d'enfants.
Diligence raisonnable avant l acquisition d une PME américaine lorsqu on est au Québec : Certains aspects juridiques
Série Frontière Sud Manufacturiers et exportateurs du Québec Comment augmenter les activités de votre entreprise au sud de la frontière? Diligence raisonnable avant l acquisition d une PME américaine lorsqu
Site : www.dys35.fr - Email : [email protected] - Tél. 02.99.53.48.82. Conférence - Débat
Site : www.dys35.fr - Email : [email protected] - Tél. 02.99.53.48.82 Conférence - Débat Ecole et Troubles Spécifiques du Langage et des Apprentissages : Les pratiques au Canada, en Angleterre et en Belgique
Deadline(s): Assignment: in week 8 of block C Exam: in week 7 (oral exam) and in the exam week (written exam) of block D
ICM STUDENT MANUAL French 2 JIC-FRE2.2V-12 Module Change Management and Media Research Study Year 2 1. Course overview Books: Français.com, niveau intermédiaire, livre d élève+ dvd- rom, 2ième édition,
Guide de Bonnes Pratiques d Hygiène de la filière vanille
SOMMAIRE Comment utiliser ce guide?... 4 Préambule... 5 1. Champ d application et objectifs du guide... 6 2. Présentation générale de la filière et description du produit 2.1. Présentation générale de
I. COORDONNÉES PERSONNELLES / PERSONAL DATA
DOSSIER DE CANDIDATUREAPPLICATION FORM 2012 Please tick the admission session of your choice FévrierFebruary SeptembreSeptember MASTER OF ART (Mention the subject) MASTER OF SCIENCE (Mention the subject)
Francoise Lee. www.photoniquequebec.ca
Francoise Lee De: Francoise Lee [[email protected]] Envoyé: 2008 年 11 月 17 日 星 期 一 14:39 À: 'Liste_RPQ' Objet: Bulletin #46 du RPQ /QPN Newsletter #46 No. 46 novembre 2008 No. 46 November
COPYRIGHT 2014 ALCATEL-LUCENT. ALL RIGHTS RESERVED.
FONDATION ALCATEL-LUCENT: APPORT DES ENTREPRISES DES TIC DANS LES COMMUNAUTÉS TIC & RSE un duo gagnant pour le développement entrepreneurial en Afrique Mars 2015 UN MONDE ULTRA CONNECTÉ Carte des réseaux
ETUI Formation Cours de langues et de communication. Devenir un communicateur efficace dans le monde syndical
ETUI Formation Cours de langues et de communication Devenir un communicateur efficace dans le monde syndical Cours de langues et de communication en anglais et en français pour les syndicalistes européens
SOS! Parent Teens Acculturation Conflict in Immigrant Families
Inclusive Leadership & Intercultural Management Training & Coaching SOS! Parent Teens Acculturation Conflict in Immigrant Families Best Practices that Foster Positive Family-School Learning Conditions,
Nous désirons tout mettre en œuvre pour découvrir le travail d enseignant et surtout, améliorer nos
L A P P R E N T I S S A G E E N P R O F O N D E U R Présenté par : Michael Lafontaine, CGA, M. Fisc. Bruce Lagrange, CA, M. Sc. Patricia Michaud, CA, MBA Francis Belzile, CA, M. Fisc. Janie Bérubé, CA,
L ESP et l international
L ESP et l international Mappemonde Partenariat { l étranger L AUSTRALIE Ce qu il faut savoir : Classé 2ème pays au monde en terme de qualité de vie. Principaux facteurs : climat, le coût bas de la vie,
Liste des documents. Par Catégorie. Centre de documentation. Ouvrage. Auteur(s) : BYRNE, Michael;DICKINSON, Michele.
Ouvrage Titre : 200 % TOEIC BYRNE, Michael;DICKINSON, Michele Edition : ELLIPSES, 02/01/2014 Cote : 421 BYR Titre : Barron's TOEIC Practice Exams Edition : BARRON'S, 02/01/2015 Titre : Barron's TOEIC with
Our recommendation engine has come up with some personalized suggestions for you.
Purchase flow 1. 1. Product preview I want this! You'll get 10 files. Attribute Value 2. 2. Payment form Optimize for conversion (?) Require shipping information More information: Required Enter placeholder
Institut Supérieur Africain d Enseignement Managérial et Technologique
Institut Supérieur Africain d Enseignement Managérial et Technologique (ISA - EMT) UNIVERSITE DE L ENTREPRENARIAT BP. 1215 Douala FORMULAIRE D INSCRIPTION REGISTRATION FORMULA Le/the N Signature/Signature
L ENSEIGNEMENT, PASDEPLUSGRANDAPPEL. Guide pour l enseignement de l Évangile
L ENSEIGNEMENT, PASDEPLUSGRANDAPPEL Guide pour l enseignement de l Évangile L ENSEIGNEMENT, PAS DE PLUS GRAND APPEL Guide pour l enseignement de l Évangile Publié par l Eglise de Jésus-Christ des Saints
Application Form/ Formulaire de demande
Application Form/ Formulaire de demande Ecosystem Approaches to Health: Summer Workshop and Field school Approches écosystémiques de la santé: Atelier intensif et stage d été Please submit your application
SEMINAIRE SAS VISUAL ANALYTICS LAUSANNE, MARCH 18 : JÉRÔME BERTHIER VALERIE AMEEL
SEMINAIRE SAS VISUAL ANALYTICS LAUSANNE, MARCH 18 : JÉRÔME BERTHIER VALERIE AMEEL AGENDA 14:15-14:30 Bienvenue & Introduction Jérôme Berthier et Manuel Fucinos 14:30-14:45 Le concept de la Data Viz et
+, -. / 0 1! " #! $ % % %! &' ( &))*
!"#!$%% +,-. /01 %!&'(&))* 23%#!! " # " " " "$! 4 5-6 4! 1! " # - 5! " # 6 3! " # 7! " # " 8! 9 : ; 5 7 4! 1! # 42 5! 5 < 44 3! # " 7! 41 5 8 '9 4! " $ = " > 4!4 *% 43 4!1? 48 4 4!5 $ 9 4!3 4@ 4!7 $ #
Le Sceau du Dieu Vivant
Le Sceau du Dieu ivant L D U DI U Le Sceau du Dieu ivant L D U DI U Le Sceau du Dieu ivant L D U DI U Le Sceau du Dieu ivant L D U DI U Le Sceau du Dieu ivant L D U DI U Le Sceau du Dieu ivant L D U DI
The new consumables catalogue from Medisoft is now updated. Please discover this full overview of all our consumables available to you.
General information 120426_CCD_EN_FR Dear Partner, The new consumables catalogue from Medisoft is now updated. Please discover this full overview of all our consumables available to you. To assist navigation
Master Développement Durable et Organisations Master s degree in Sustainable Development and Organizations Dossier de candidature Application Form
Master Développement Durable et Organisations Master s degree in Sustainable Development and Organizations Dossier de candidature Application Form M / Mr Mme / Mrs Nom Last name... Nom de jeune fille Birth
2012 COMMUNICATION ON PROGRESS GLOBAL COMPACT
2012 COMMUNICATION ON PROGRESS GLOBAL COMPACT Introductory letter On behalf of DAVEY BICKFORD Group, I reaffirm my support to the 10 principles of the UN GLOBAL COMPACT. More particularly, this year I
ONTARIO Court File Number. Form 17E: Trial Management Conference Brief. Date of trial management conference. Name of party filing this brief
ONTARIO Court File Number at (Name of court) Court office address Form 17E: Trial Management Conference Brief Name of party filing this brief Date of trial management conference Applicant(s) Full legal
Nouveautés printemps 2013
» English Se désinscrire de la liste Nouveautés printemps 2013 19 mars 2013 Dans ce Flash Info, vous trouverez une description des nouveautés et mises à jour des produits La Capitale pour le printemps
Une Brève Introduction àla Fondation Canadienne de l IEEE
Une Brève Introduction àla Fondation Canadienne de l IEEE Mission Historique Structure/Administration Opérations Financières Activités Philanthropes Dons Réussites Qui contacter Mis àjour en Février 2012
Le chant des chorales - Concours de Chants Acapella
Le chant des chorales - Concours de Chants Acapella «Nous souhaitons faire de cet Événement un moment culturel fort, où tout Madagascar se réunira lors d un week-end de festivité.» Les chants seront en
GIGABIT PCI DESKTOP ADAPTER DGE-530T. Quick Installation Guide+ Guide d installation+
GIGABIT PCI DESKTOP ADAPTER Quick Installation Guide+ Guide d installation+ Check Your Package Contents Quick Installation Guide Gigabit Ethernet PCI Adapter CD with Manual and Drivers DO NOT insert the
Informatique / Computer Science
Informatique / Computer Science Vous trouverez ici les conditions de candidature pour les différentes voies de M2 de la mention «Informatique / Computer Science». Certaines formations ne seront cependant
...et les Tableaux Blancs Interactifs
Institution éditoriale dans le domaine de l Enseignement de l Anglais Langue Etrangère (ou ELT, English Language Teaching), Oxford n a jamais été à l avant-garde en terme de nouvelles technologies, mais
WIPO LIST OF NEUTRALS BIOGRAPHICAL DATA
ARBITRATION AND MEDIATION CENTER WIPO LIST OF NEUTRALS BIOGRAPHICAL DATA Gérald PAGE Attorney-at-Law Grand-Rue 23 1204 Geneva Telephone: +41 22 839 81 50 Fax: +41 22 839 81 51 Email: [email protected]
Proclamation establishing three different time zones in Nunavut, for the purposes of the definition of standard time in the Interpretation Act
CANADA CONSOLIDATION CODIFICATION Proclamation establishing three different time zones in Nunavut, for the purposes of the definition of standard time in the Interpretation Act Proclamation établissant
Stratégie DataCenters Société Générale Enjeux, objectifs et rôle d un partenaire comme Data4
Stratégie DataCenters Société Générale Enjeux, objectifs et rôle d un partenaire comme Data4 Stéphane MARCHINI Responsable Global des services DataCenters Espace Grande Arche Paris La Défense SG figures
Sub-Saharan African G-WADI
Sub-Saharan African G-WADI Regional chapter of the Global network on Water and Development Information for Arid Lands Prof. Cheikh B. Gaye G-WADI Workshop 20-21 April 2010 Dakar, Senegal 35 participants
ASMF : «Miorim-paka mba hanasoa olona» Oeuvrer au service d autrui Samedi 21 février 2009
ASMF : «Miorim-paka mba hanasoa olona» Entraide, Partage d expériences, Tetik asa maharitra Oeuvrer au service d autrui Samedi 21 février 2009 Sommaire : 1. Entraide 2. FTHM conseils 3. Partage d expériences
PHOTO ROYAUME DE BELGIQUE /KINDOM OF BELGIUM /KONINKRIJK BELGIE. Données personnelles / personal data
1 ROYAUME DE BELGIQUE /KINDOM OF BELGIUM /KONINKRIJK BELGIE Service Public Fédéral Affaires Etrangères, Commerce et Coopération au développement Federal Public Service Foreign Affairs, External Trade and
Le jeu d'apprentissage
Le jeu d'apprentissage UK/07/LLP-LdV/TOI-009 1 Information sur le projet Titre: Code Projet: Le jeu d'apprentissage UK/07/LLP-LdV/TOI-009 Année: 2007 Type de Projet: Statut: Accroche marketing: Résumé:
' ( ) &" * +)&,! 0 1&,! ) 2334
! " #$ % & ' ( ) &" * +)&,! -. / 0 1&,! ) 2334 '& 56 7 8$, 9 4: -9'++ 5;3 '&56 7! #$ % &!! "" #! $ % %# #& % # # '%' #(" )'%#*+,-.*/0##%#%%#(1%' 2#'3'"4 ##%'5# #(" #'%''56# 3% "& 7# #/ 8''93:%#;%##(#
RETHINKING JACQUES ELLUL AND THE TECHNOLOGICAL SOCIETY IN THE 21ST CENTURY REPENSER JACQUES ELLUL ET LA SOCIETE TECHNICIENNE AU 21EME SIECLE
CALL FOR PAPERS / APPEL A COMMUNICATIONS RETHINKING JACQUES ELLUL AND THE TECHNOLOGICAL SOCIETY IN THE 21ST CENTURY REPENSER JACQUES ELLUL ET LA SOCIETE TECHNICIENNE AU 21EME SIECLE The Conference Rethinking
that the child(ren) was/were in need of protection under Part III of the Child and Family Services Act, and the court made an order on
ONTARIO Court File Number at (Name of court) Court office address Applicant(s) (In most cases, the applicant will be a children s aid society.) Full legal name & address for service street & number, municipality,
Demande d inscription
Demande d inscription Section Viti-Vini "Films Techniques & d'entreprise" du Festival international de films sur la vigne et le vin Oenovidéo Madame, Monsieur, Vous envisagez de participer à la Section
Les gestionnaires d actifs Actions
Les gestionnaires d actifs Actions La réussite d Investissements Standard Life inc. repose sur une recherche méticuleuse et une approche rigoureuse axée sur le travail d équipe. Dans le cas des fonds à
Academic Project. B2- Web Development. Resit Project. Version 1.0 Last update: 24/05/2013 Use: Students Author: Samuel CUELLA
SUPINFO Academic Dept. Resit Project Academic Project B2- Web Development 2012-2013 Version 1.0 Last update: 24/05/2013 Use: Students Author: Samuel CUELLA Conditions d utilisations : SUPINFO International
Integrated Music Education: Challenges for Teaching and Teacher Training Presentation of a Book Project
Integrated Music Education: Challenges for Teaching and Teacher Training Presentation of a Book Project L enseignement intégré de la musique: Un défi pour l enseignement et la formation des enseignants
Please find enclosed some information about our tutoring program in France.
Dear, Please find enclosed some information about our tutoring program in France. EUROPAIR SERVICES is a cultural association. For more than 20 years, we have been specialised in placing foreign people
Copyright 2014, Oracle and/or its affiliates. All rights reserved.
1 Safe Harbor Statement The following is intended to outline our general product direction. It is intended for information purposes only, and may not be incorporated into any contract. It is not a commitment
2013-2014 Dr. Prosper Bernard Tel: 514-987-4250 // portable 514-910-2085 [email protected] [email protected]
Département de management et technologie École de Sciences de la gestion Université du Québec à Montréal Dr Prosper M Bernard 514-987-4250 MBA 8400 + MBA 8401 STATISTIQUES et THÉORIE DE LA DÉCISION 2013-2014
UNIVERSITE DE YAOUNDE II
UNIVERSITE DE YAOUNDE II The UNIVERSITY OF YAOUNDE II INSTITUT DES RELATIONS INTERNATIONALES DU CAMEROUN INTERNATIONAL RELATIONS INSTITUTE OF CAMEROON B.P. 1637 YAOUNDE -CAMEROUN Tél. 22 31 03 05 Fax (237)
INSCRIPTION MASTER / MASTER S APPLICATION
Section : Section Française English Section INSCRIPTION MASTER / MASTER S APPLICATION Choix du programme de Master à l Université La SAGESSE / Choice of Master s program at SAGESSE UNIVERSITY Programme
Programme Bachelor Semestre d automne 2015
Programme Bachelor Semestre d automne 2015 Catalogue de cours Droit International p. 2 International Marketing p. 3 Business Development Strategy p. 4 Analyse & Gestion Financière p. 5 Business Games I
F-7a-v3 1 / 5. 7. Bourses de mobilité / Mobility Fellowships Formulaire de demande de bourse / Fellowship Application Form
F-7a-v3 1 / 5 7. Bourses de mobilité / Mobility Fellowships Formulaire de demande de bourse / Fellowship Application Form Nom de famille du candidat Langue de correspondance Français Family name of participant
Syllabus Dossiers d études
Syllabus Dossiers d études General Course Details: Course No.: IBU 4090 Title: Dossiers d études Language: French Credits: ECTS 5 (1,5 weekly contact hours) Level: Advanced (Bachelor 6 th semester) Sessions:
8. Cours virtuel Enjeux nordiques / Online Class Northern Issues Formulaire de demande de bourse / Fellowship Application Form
F-8a-v1 1 / 7 8. Cours virtuel Enjeux nordiques / Online Class Northern Issues Formulaire de demande de bourse / Fellowship Application Form Nom de famille du candidat Langue de correspondance Français
MELTING POTES, LA SECTION INTERNATIONALE DU BELLASSO (Association étudiante de lʼensaparis-belleville) PRESENTE :
MELTING POTES, LA SECTION INTERNATIONALE DU BELLASSO (Association étudiante de lʼensaparis-belleville) PRESENTE : Housing system est un service gratuit, qui vous propose de vous mettre en relation avec
Depuis 1986 - Since 1986
Welcome! Bienvenue! Depuis 1986 - Since 1986 Chers étudiants, Vous venez d arriver en France ou y séjournez déjà depuis quelque temps et nous sommes heureux de vous accueillir. L institut de Langue Française
AIDE FINANCIÈRE POUR ATHLÈTES FINANCIAL ASSISTANCE FOR ATHLETES
AIDE FINANCIÈRE POUR ATHLÈTES FINANCIAL ASSISTANCE FOR ATHLETES FORMULAIRE DE DEMANDE D AIDE / APPLICATION FORM Espace réservé pour l utilisation de la fondation This space reserved for foundation use
Summary / Sommaire. 1 Install DRIVER SR2 USB01 Windows seven 64 bits / Installation du DRIVER SR2 USB01 Windows seven 64 bits 2
Summary / Sommaire 1 Install DRIVER SR2 USB01 Windows seven 64 bits / Installation du DRIVER SR2 USB01 Windows seven 64 bits 2 1.1 Driver Installation SR2 USB01 Windows Seven 64 bits (english) 2 1.1.1
46 000 Alumni. 15 Double Degrees. ESSEC Business School Global key figures. Founded in1907 AACSB, EQUIS. 4 400 Fulltime. BBA, Masters, MBA, PhD
ESSEC s value MSc in Management vs. MBA Campus / Location & Transportation Courses Accommodation Events Places to visit in Paris Contacts Today s Agenda ESSEC Business School Global key figures Founded
Stratégie IT : au cœur des enjeux de l entreprise
Stratégie IT : au cœur des enjeux de l entreprise Business Continuity Convention Tunis 27 Novembre 2012 Sommaire Sections 1 Ernst & Young : Qui sommes-nous? 2 Stratégie IT : au cœur des enjeux de l entreprise
La virtualisation ou comment délivrer la sécurité en tant t que service, tout t en atteignant ses objectifs business.
La virtualisation ou comment délivrer la sécurité en tant t que service, tout t en atteignant ses objectifs business. Philippe Rondel, Directeur Technique, Check Point. Partenariat Crossbeam Systems fait
Supreme Court of the Northwest Territories Cour Suprême des Territoires du Nord-Ouest
17-Aug-2015 COURTROOM #1 YELLOWKNIFE 17 août 2015 SALLE #1, YELLOWKNIFE S-1-CR-2013-000023 ERASMUS BRIAN JOSEPH ct#1 S.266 CC ct#2 S.264.1(1)(A) CC ct#3 S.271 CC Duration/Durée: 1.00day(s)/jour(s) SET
Innovation in Home Insurance: What Services are to be Developed and for what Trade Network?
Brochure More information from http://www.researchandmarkets.com/reports/40137/ Innovation in Home Insurance: What Services are to be Developed and for what Trade Network? Description: Consumer needs in
Stakeholder Feedback Form January 2013 Recirculation
071 Stakeholder Feedback Fm January 2013 Recirculation A. How to Submit Your Comments 1. 2. 3. EMAIL: [email protected] OR FAX: (416) 874-4079 OR MAIL: Consultations Transitional
PRINCIPES DE DIRECTION MANUEL DE L INSTRUCTEUR
PRINCIPES DE DIRECTION MANUEL DE L INSTRUCTEUR Religion 180R Préparé par le Département d Éducation de l Église Publié par l Église de Jésus-Christ des Saints des Derniers Jours 2004 Intellectual Reserve,
The UNITECH Advantage. Copyright UNITECH International Society 2011. All rights reserved. Page 1
The UNITECH Advantage Copyright UNITECH International Society 2011. All rights reserved. Page 1 Two key aspects of UNITECH Distinctive by being selective Standing out while fitting in The Wide and Varied
Invitation / CTI. CeBIT 2015. «SWISS Pavilion» Research & Innovation Applied Research, Basic Research, Emerging Technologies, Start-ups, Spin-offs
Invitation / CTI «SWISS Pavilion» Research & Innovation Applied Research, Basic Research, Emerging Technologies, Start-ups, Spin-offs CeBIT 2015 Le pivot et la clé de voûte de l économie suisse des TIC
INTERNSHIP Application Form Fiche d Inscription Stage en Entreprise
INTERNSHIP Application Form Fiche d Inscription Stage en Entreprise Please complete all sections of this form in ENGLISH & BLOCK CAPITAL LETTERS. Should you require any help completing this form, please
Informatique / Computer Science
Informatique / Computer Science Vous trouverez ici les conditions de candidature pour les différentes voies de M2 de la mention «Informatique / Computer Science». Certaines formations ne seront cependant
Sommaire. Introduction. Nouveautés d Adobe InDesign CS3. Visite guidée d Adobe InDesign
Sommaire Introduction À propos de ce manuel................................ 1 Contexte d utilisation.................................. 2 Installation d Adobe InDesign.......................... 2 Installation
Le principe de non régression et la mise en œuvre du droit de l environnement
Le principe de non régression et la mise en œuvre du droit de l environnement Doyen Michel PRIEUR CRIDEAU-Université de Limoges Centre International de Droit Comparé de l Environnement IUCN / OIF /Abidjan
PRiCEWATERHOUSGOPERS 0
PRiCEWATERHOUSGOPERS 0 PricewaterhouseCoopers Inc. 1250, boulevard Rene-Levesque Ouest Bureau 2800 Montreal (Quebec) Canada H3B 2G4 Telephone +1 (514) 205 5000 Telec. direct +1 (514) 205 5694 PROVINCE
