TOROLALANA LALAO BIBLIA QUIZ Fanoroam-pejy: Fampidirana 2 Andininy 1 Lalao iraisam-pirenena 2 Andininy 2 Ireo fitaovana ampiasaina 2 Andininy 3 Ny Tranonkala misy ny lalao 2 Andininy 4 Ireo tenim-pirenena isafidianana amin ny lalao 2 Andininy 5 Lisi-panontaniana sy ny sarany 3 Andininy 6 Ny isa azo isaky ny valim-panontaniana marina 3 Andininy 7 Ireo karazana loka ho zaraina 3 Andininy 8 Ny fandrotsahana mialoha ny saram-pandraisana anjara sy ny laharana mifanaraka aminy 3 Andininy 9 Ny faharetan ny lalao 4 Andininy 10 Ny fomba androtsahana vola 4 Andininy 11 Ny endriky ny pejy misy ny lalao sy ireo faritra ho fenoina ao amin ny tranonkala 5 Andininy 12 Famaranana 6 1
Fampidirana: Fitaovam-panabeazana mitondra fiovana lalim-paka sy fandrosoana ny Baiboly hatramin ny nidirany teto Madagasikara. Mandraka ankehitriny dia tsy mitsahatra mitondra fivoarana sy fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo ny Tenin Andriamanitra. Ny FMBM, amin ny alalan izao lalao aterineto izao, dia mikendry hatrany ny fanabeazana ny mpiray tanindrazana mba hanana fahavonona hiatrika ny fanambin ny fiainana ankehitriny. Ho fanabeazana ny olona rehetra no anton izao lalao izao Biblia Quiz izao. Koa natao izany mba hampivelarana ny fahalalana ara-baiboly, ny fahalalana ankapobeny ary ny fahalalana ara-tantara. Anisan ny fitaovana ilàna fehezina sy ampiasaina amin ny lafiny miabo mba hampivelatra ny olona ny aterineto. Rehefa voataiza sy mivelatra amin ny fandrantoana fahalalana mahasoa ny saina, dia mitondra vokatra azo tsapain-tanana izany. Manambara izany reheteo Filamatry ny fandrosoana sy ny fandraharahana. Rehefa tsapatsika fa nanova antsika lalina ny Tenin Andiamanitra, dia hifanome tanana hanasongadina ny maha zava-dehibe ny asa fampielezana ny Baiboly isika. Koa ny fandraisanao anjara amin izao lalao Biblia Quiz izao dia efa fanohananao sahady ny fanamboarana ny Trano Foibe vaovao an ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, izay ho lova ho an ny taranaka mifandimby. TORO-MARIKA FILALAOVANA : 1. Andininy 1: Lalao iraisam-pirenena Azon ny rehetra andraisana anjara ny lalao Biblia Quiz, na ireo izay monina eto Madagasikara izany na ireo any amin ny firenena hafa. 2. Andininy 2: Ireo fitaovana ampiasaina: Azo ampiasaina hanatanterahana ny lalao ny karazam-pitaovana toy ny solosaina (Ordinateur de bureau na PC portable) ny ANDROÏD - ny SMARTPHONE na koa miditra amin ireny CYBER CAFE ireny. 3. Andininy 3: tranonkala misy ny lalao Ny varavarana idirana amin ny lalao dia ny tranonkala : www.bibliaquiz.com 4. Andininy 4: Tenim-pirenena isafidianana raha hilalao: Azon ny mpandray anjara (mpilalao) isafidianana ireto tenim-pirenena telo (3) ireto: Malagasy, Frantsay Anglisy. Raha mbola eo ampamenoana ny mombamomba azy ny mpandray anjara dia mbola mahazo manova ny teny nosafidiany hampiasaina. Rehefa voatsindrinao ny bokotra «valider», dia ilay teny nosafidianao no manankery amin iny fihodinana indray mandeha iny. Azo atao kosa ny miova ho amin ny tenim-pirenena hafa amin ny fihodinana manaraka. 2
5. Andininy 5: Lisi-panontaniana sy ny sarany Mba hahafahan ny mpandray anjara mandinika sy miomana tsara mialoha dia azony alaina (téléchargement) ao amin ilay tranonkala ity toro-marika ity sy ny lisi-panontaniana entina milalao. 60 no isan ny fanontaniana hovaliana ao anatin io lisitra io ary 3000 Ar (na 1 na 1$) no saran ny fandraisana anjara. Misy valiny amin ny tsanganana roa efa omena mialoha mba hisafidianana, ka ny iray amin ireo ihany no marina. 6. Andininy 6: Ny isa azo isaky ny valim-panontaniana marina Misy isa azo isaky ny valim-panontaniana raha toa ka marina ny valinteny, izay mitsinjara ho toy izao manaraka izao : 100 no isa tsotra. Ny tombon isa (Bonus) kosa dia manomboka amin ny 500 ka hatramin ny 13500 isaky ny valim-panontaniana marina. Ireo isa sy tombon isa ireo dia hitanao avy hatrany isaky ny fanontaniana. Raha sendra misy mpilalao mitovy isa dia omena fanontaniana tokana izy ireo ho fizarana ny filaharana. Mikisaka mifanaraka amin izany ny filaharana rehetra. 7. Andininy 7: Ireo karazana loka ho zaraina Ny mpandray anjara mahazo isa be indrindra amin ny fiafaran ny lalao no mahazo ny loka voalohany. Marihina fa ireo mpilalao 60 voalohany no ho tolorana Loka. Maro karazana ny loka hozaraina ka isan izany ireo vokatra vokarin ny FMBM. Ny laharana voalohany ka hatramin ny fahatelo no mahazo ireto loka manaraka ireto: 1. Ordinateur Portable Dell Inspiron N5110 Core i7 2nde Génération 2. Samsung Galaxy S7 Edge 3. Tablette Samsung Cover EF-BP520B Métal 8. Andininy 8: Fandrotsahana mialoha ny saram-pandraisana anjara sy ny laharana mifanaraka aminy Izay rehetra handray anjara amin ny lalao Biblia Quiz dia mila mandrotsaka ny saran ny fandraisana anjara amin ny alalan ny Orange Money na MVola na Paypal. Ny lalao manankery dia ireo izay nahazo laharana sy mampiasa n de transaction ho fandraisana anjara. Raha sendra tsy manana kaonty kosa ianao dia afaka mandrotsaka izany eny amin ny kiosque na Boutique na mindrana nomerao kaonty amin ny olon-kafa. Ny zava-dehibe dia ilay n transaction izay tsy maintsy ananana raha hilalao; 3
Tsy ferana ny vola arotsaka amin ny transaction iray fa mety hatrany izany rehefa 3000 avo heny ( 3 000 ar, 6 000 ar, 9000 ar, sns ) Raha tsy azo zaraina 3 000 ny vola arotsaky ny mpandray anjara, ka misy ambiny dia tsy afaka hilalaovana intsony izany fa raisina sahady ho toy ny fanampiana atao ho an ny FMBM. Arakaraka ny vola arotsakao no afaka handraisanao anjara amin ny lalao indray mandeha na maromaro. ( Ohatra: Raha te hilalao in-5 ianao dia mandrotsaka 5 x 3 000 ar = 15 000 ar, raha in- 10 kosa dia 10 x 3000 ar = 30 000 ar). Ny vola ambiny tsy nilalaovana amin ny fiafaran ny lalao dia mijanona ho fanampiana ny FMBM. Ny mpilalao tsirairay dia mahazo mandrotsaka vola araka izay tiany, saingy ilaina hatrany ny n de transaction. 9. Andininy 9: Faharetan ny lalao Ny faharetan ny lalao dia 4 volana (4 mois), manomboka ny 01 mars 2017 ka mifarana ny 30 Jona 2017. Azon ny FMBM atao anefa ny manitatra sy manohy io fe-potoana io ka tapa-bolana mialohan ny fiafaran ny lalao no hanambarana aminao izany vaovao izany. 10. Andininy 10: Fomba fandrotsahana vola Toy izao ny fomba fandrotsahana vola: Raha Orange Money dia: - Ho an ny olona manana kaonty Orange Money: Tsindrio ny #144# Safidio ny tolotra 6: «paiement marchand» Safidio ny 1 : «payer un marchand» Ampidiro ny «code marchand» tarehimarika 6 : 117231 (code FMBM) Ampidiro ny tarehim-bola saran ny fandraisanao anjara (3 000 ar avo heny) :. AR Miseho ny hafatra manamafy izany : «Vous allez payer.. AR auprès du marchand 117231.Veuillez entrer votre code secret pour confirmer ou taper 2 pour annuler» Fanambarana manaraka : «Paiement effectué. Vous allez recevoir un sms de confirmation» Maharay SMS fanamafisana indray ianao: «Votre paiement de.. Ar auprès du marchand 117231 est réussi.» Trans Id : exemple : «MP 144420.1535.A00005» - Ho an ny olona tsy manana Orange Money Alefaso amin ny laharana 0325856518 ny transfert d argent anao avy amin ny alalan ny kaonty Orange Money hafa na manantona kioska misy Orange Money raha tsy manana Izao manaraka izao kosa ny laharan ny «transaction» manokana azonao : 4
Trans Id : ohatra : «MP 144420.1535.A00005», izay tsy maintsy hangatahanao amin ilay nandray vola Io laharana manokana io dia voarain ny FMBM avy hatrany amin ny alalan ny SMS Orange Money «notification de paiement du client OM» nataon ilay mpandray anjara. Ny tena ilaina amin io laharana io dia ilay misoratra farany :.A00005 Io no ampidirina eo amin ny faritra natokana ho an ny N Transaction rehefa hilalao ny mpandray anjara. ** Adiny efatra ka hatramin ny adiny 6 eo ho eo aorian ny nandrotsahanao ny vola no afaka milalao ianao. Raha MVola dia: Fomba voalohany : Tsindrio #111*1*5*8# Nom du fournisseur :FMBMQUIZZ Nom du contrat : anaranao mpandray anjara Reference : QUIZZ Montant («multiple de 3 000 Ar») : saran ny fandraisanao anjara Sms de confirmation : maharay sms vaovao ianao, voarainao ny laharan ny transaction (référence)nataonao amin ny alalan ny tarehimarika izay ampidiranao rehefa hilalao. Fomba faharoa : Ampiasao TELMA et MOI Tsindrio MVola Safidio Transférer argent P to p vers abonné MVola Ampidiro ny laharan ny finday : 034 87 353 94 Montant («multiple de 3 000 Ar») : saran ny fandraisanao anjara Description de transfert :BIBLIAQUIZZ Ampidiro ny code secret : xxxx Maharay sms manamafy izany ka ekeo Sms de notification : maharay sms vaovao ianao, voarainao ny laharan ny transaction (reference)nataonao amin ny alalan ny tarehimarika izay ampidirinao rehefa hilalao. Fomba fahatelo Tsindrio #111*1*2# Ampidiro ny laharan ny finday : 0348735394 Montant («multiple de 3 000 Ar») : saran ny fandraisanao anjara Description de transfert :BIBLIAQUIZZ Ampidiro ny code secret Maharay sms manamafy izany ka ekeo Sms de notification : maharay sms vaovao ianao, voarainao ny laharan ny transaction (reference)nataonao amin ny alalan ny tarehimarika izay ampidirinao rehefa hilalao. ** Adiny efatra ka hatramin ny adiny 6 eo ho eo aorian ny nandrotsahanao ny vola no afaka milalao ianao. 5
10. Andininy 11: Ny endriky ny pejy misy ny lalao sy ireo faritra fenoinao ao amin ny tranonkala Rehefa ao anaty lalao: Mahakasika ny MOMBAMOMBA ANAO Eto vao manomboka ny fahafantarana ny anaranao sy ny fanampin anaranao, ny taona nahaterahana, ny laharana finday, ary ny mailaka. Tsy maintsy ny daty marina nahaterahanao no apetrakao satria io no ahafana manamarina fa anaranao tokoa no nentinao amin ny alalan ny taratasy fanamarinana toy ny karapanondro na passeport na karatra maha-mpianatra, izay entina rehefa haka ny loka. Ny fanananao adiresy mailaka dia manamora ny fanjohianao ny valim-panontaniana izay voarainao avy hatrany raha vao mahavita fihodinana iray. Ny n de transaction apetraka eto dia ilay n nomen ny opérateur anao tamin ny nandrotsahanao vola. Koa na iza na iza olona voatendrinao nandrotsaka ny vola dia ianao izay mitondra ny anarana ihany no afaka mampiasa azy. Afaka milalao ianao mandra-pahatapitry ny vola tamin ny transaction iray. Ny olona iray raha vao milalao voalohany dia mahazo N d identification manokana entiny mandritra ny lalao, izay tazoniny sy voatahiry ho azy mandrapahavitan izany lalao izany. Ny lisitra iray dia misy fanontaniana 60 isa miaraka amin ny valin-teny roa hisafidianana satria ny iray amin ireo ihany no marina ahazoanao isa. Tsy voatery ho voavaly avokoa ny fanontaniana vao afaka manindry ny bokotra valider ianao, fa avy hatrany dia azo alefa. Misy fanamarihana azonao isaky ny milalao. Araho tsara araka ny filaharany ireo faritra fenoina. Transaction iray = mpilalao iray. Tsy azon ny mpilalao hafa ampiasaina intsony io laharana io Mpilalao iray = N d identification iray. Tsy mampiova ny isa efa azonao ny safidy eo amin ny tenim-pirenena hilalaovanao azy. Mpilalao iray = transaction maro araka izay fotoana tiany hilalaovana. Raha vao manindry ny bokotra valider ny valim-panontanianao ianao, dia mahazo hafatra fanamafisana ( confirmation de réponse ). Rehefa ekenao izany dia voarainay ny valinteninao. Mihena 3 000 ar avy hatrany ny kaontim-bolanao ary azonao avy hatrany kosa ny isa azonao, ny isan ny lalao vitanao, ny isan ny lalao mbola azonao atao amin ny ambim-bolanao, ny isan ny valin ny fanontaniana marina ( fanontaniana tsy misy valiny = diso), ny fitambaran ny isa azonao ( cumul de point ). Ny tranonkalan ny lalao BIBLIA QUIZ dia misokatra manomboka ny 01 Mars 2017 amin ny 00:00:01 ary mifarana ny 30 JONA 2017 amin ny 23:59:59 (ora malagasy, GMT +3). Ny pejy fanentanana momba ny lalao no miseho hatrany ao amin ny tranonkalan ny lalao BIBLIA QUIZ mandra-pigadon ny 01 Martsa 2017. Rehefa tapitra kosa ny lalao dia mbola io pejy fanentanana momba ny lalao io ihany no miseho mamarana azy. 6
11. Andininy 12: famaranana Manentana anao ary izahay mba handray anjara mavitrika amin izao lalao izao ho fanorenana ny trano foibe vaovao an ny FMBM ao Antaninarenina. Aza hadinoina fa mety ho ianao ilay hibata ny amboara voalohany! 7