Le rideau est tombé sur la levée de fonds et de dons organisée par l association Fitia, fondée et présidée par l épouse du président de la Haute Autorité de la Transition de Madagascar. Cette opération malgacho-malgache a engrangé plus d un milliard d anciens francs, sans compter les dons en nature. Voici le message de remerciement de Mialy Rajoelina, Première Dame de l Etat et le programme pour la suite. ============================================================= Hafatra fisaorana avy amin-dramatoa Mialy Rajoelina, filohan ny fikambanana Fitia Ry mpiray tanindrazana, Tompokovavy sy tompokolahy, 1 / 5
Tontosa soaman-tsara, ny hetsika lehibe voin-kava-mahatratra, Tolo-tanan ny firaisan-kina na Grande Caravane de la Solidarité izay nokarakarain-tsika nandritra ny efatra andro, teny amin ny ANS Ampefiloha. Fahombiazana tanteraka no azo nandritra izany hetsika izany, satria nampiseho nibaribary teo imason izao tontolo izao fa miray hina ny Malagasy ary mahay miara-mientana manolo-tanana ho an ireo Havana mpiray tanindrazana amintsika izay tra-pahavoazana tamin ny rivo-doza Hubert, any amin ny faritra atsimo-atsinanana, Vatovavy Fitovinany sy Alaotra Mangoro. Misy lanjany lehibe loatra ho ahy, sy ho an ireo havantsika rehetra tra-boina ireo, izao fihetsika nataontsika izao, satria natao tamim-pitiavana. Koa amin ny anaran ny Fikambanana Fitia izay tarihiko, sy amin ny anaran ireo Malagasy rehetra hahazo ny fanampiana no ananterako ny fisaorana feno sy ny fankasitrahaha eram-po eran-tsaina ny tolo-tanana izay nataonareo. Tsy nikely soroka ianareo, nisahirana nanangona ny fanampiana tany an-tokantrano tany, nanolotra izay vola na tahiry kely tokony mba azo nampiasaina kanefa dia foinareo natolotra tamin ny fo madio. Porofom-pitiavana lehibe loatra izany, ka mendrika ho deraina satria mbola mampiseho indray fa tanan-kavia sy havanana tokoa ny Malagasy rehetra, ka izay didia-maharary. 2 / 5
Misaotra indrindra koa amin ny fahatokisana izay napetrakareo tamin ny Fikambanana Fitia, izay hiezaka ho mendrika izany fitokisana nomenareo azy izany, ka nampanantena fa ho tonga soaman-tsara any amin ireo nanolorana azy avokoa ireo fanampiana rehetra, manomboka amin ny kely indrindra ka hatramin ny faran izay lehibe. Ny fahitana ny fihetsika nasehontsika tamin ity Tolo-tanan ny firaisan-kina ity, dia vao maika nanamafy ny fahavononana sy ny faharesen-dahatry ny Fikambanana Fitia mba hirotsaka bebe kokoa amin ny asa sosialy izay hataony, ho fanampiana ireo Malagasy rehetra sahirana manerana an i Madagasikara. Koa manentana fa mbola hitohy ny fifanomezan-tsika tanana satria mbola maro loatra ireo mila izany eto amin ity Nosintsika ity. Mialy RAJOELINA Vadin ny Filohan ny Fahefana Avon ny Tetezamita Filohan ny Fikambanana Fitia ======================================= 3 / 5
La première étape de «la Grande caravane de la solidarité» -levée de fonds et de dons à l ANS Ampefiloha-, s est achevée avec succès, et la Première Dame, Mialy Rajoelina, Présidente Fondatrice de l Association Fitia a adressé un message de remerciements à tous les donateurs qui ont participé et manifesté avec leurs gestes de générosité leur solidarité en faveur de leurs compatriotes sinistrés (son message intégral en malgache, ci-dessus). L acheminement des dons et leur distribution auprès des bénéficiaires constituera la seconde étape de l opération Mais en raison de l impraticabilité actuelle du réseau routier dans le Sud-Est de l île, le départ de la Grande Caravane se fera après les festivités pascales. L association Fitia remercie déjà ceux qui souhaiteraient mettre à sa disposition des véhicules pour le transport des dons. Pour des raisons d organisation pratique et de sécurité, l Association Fitia, par le biais d une équipe compétente et expérimentée dont elle dispose déjà à Antananarivo avec des relais locaux dans les régions de destination, s occupera exclusivement de l acheminement des dons jusqu à leurs destinations finales. Par ailleurs, la liste de tous les donateurs ainsi que la totalité des dons recueillis seront communiquées par voie de presse, au nom de la transparence que prône l Association Fitia dans ses actions. 4 / 5
L Association Fitia tient à informer le public que la collecte de fonds et de dons s est faite uniquement à l ANS Ampefiloha dans la capitale, et se dégage ainsi de toutes responsabilités quant à des utilisations non autorisées et abusives du nom de l Association dans d autres régions. L Association Fitia prend note des nombreuses demandes de participation pour ceux qui n ont pu apporter leurs contributions durant les quatre jours, et met ainsi à leur disposition le numéro vert TE LMA 034 30 808 88. Jeannot RAMAMBAZAFY 5 / 5