UNION DES GROUPES BIBLIQUES DE MADAGASCAR BP - 101 Antananarivo - Tél 22 612 38 /033 11 832 26 E-mail <ugbm@wanadoo.mg



Documents pareils
REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana MINISTERE DE L'ENVIRONNEMENT, DES EAUX ET FORETS DECRET MECIE

EXPOSE DES MOTIFS. Uniformisation du taux du Droit de Douane sur les machines et appareils ;

REPOBLIKAN i MADAGASIKARA

Augustin Andriamananoro, dans son bureau ministériel, ce 26 mai 2010

FANABEAZANA OLOM-PIRENENA RECUEIL DES TEXTES SUR LA RECHERCHE DE CONSENSUS A MADAGASCAR (VOL. I)

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara

FTTAIYANA AI{':NSORAIRA NT trryorua}ibe TIONALE REPOBLIKA FAHAEFATRA FEPOTOANA FANAOVAN.DALANA VOALOHANY FOTOAM-PIVORIANA MANOKANA TAONA 2014

mensuel d informations régionales 9è édition - Août 2011

Module 13 Fiofanana 5S eo amin ny sehatry ny Fahasalamana Modules de la formation pour le Personnel d appui (module en Malgache)

Ecole Hôtelière LA RIZIERE Collège Saint François- Xavier B.P Antady, Fianarantsoa (301) Tél info@lariziere.

PRESIDENCE DE LA TRANSITION

De la ferme à l usine

Kabarin Andriamatoa Praiminisitra RAVELONARIVO Jean FANDAHARANASA HO FANATANTERAHANA NY POLITIKA ANKAPOBEN NY FANJAKANA. Tsimbazaza : 11 febroary 2015

UN VECTEUR D AVENIR LE LAIT VITA NY FANAVAOZANA SY NY FANATSARANA LA CHARTE INFORMATIQUE INTERVIEW RAMANANTSOA EPI PLUS BESARETY

FINOANA SY FAHAZAVANA FOI ET LUMIERE

E1 403 VOL. 1 JIRO SY RANO MALAGASY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA JIRAMA

FANILO MIAMPITA. TÉLÉPHONIE FIXE La honte. Encore sous le monopole Après le drame libanais, voilà que resurgit

Ny Vaovao Mahafaly. La Bonne Nouvelle

ATRIKA Le journal de l ASMF

Tehindrazanarivelo Liva; Mamy Aimanantsoa; Toky Rabemanantsoa; Alex Objet:

Retour au menu MinJustice

Analyse de quelques occurrences issues d un corpus oral (dialecte betsileo) Quelques pistes pour l apprenant

ATTRIBUTIONS MESURES DE CONSERVATION

Pour plus de transparence

mensuel d informations régionales Edition Numéro 28 - mars 2013

ISSN: Melanophylla angustior (Melanophyllaceae) Ravintsara

Livret 2. Travailler la prononciation

TABLEAU D ARCHIVAGE MODELE A DESTINATION DES LIGUES, COMITES ET CLUBS. Janvier 2008

Comment régler un litige avec son vendeur de produits financiers?

RANDRIAMAHEFA SUIVI ET EVALUATION DU PROGRAMME ELARGI DE VACCINATION AU CSB2 AMBAHIKILY - MOROMBE ( ) Thèse de Doctorat en Médecine

GUICHET UNIQUE DE CREATION D ENTREPRISE. Tél. (243) / guce@guichetunique.cd - Web :

S T A T U T S (Association loi 1901)

ASMF : «Miorim-paka mba hanasoa olona» Oeuvrer au service d autrui Samedi 21 février 2009

PRELIMINAIRE. Localisation. Source : Couverture (dos du livre) de Mythes, rites et transes à Madagascar, de JAOVELO DZAO (Robert)

Guide de Bonnes Pratiques d Hygiène de la filière vanille

Le chant des chorales - Concours de Chants Acapella

Notice d'exploitation

RÈGLES DE PRATIQUE RELATIVES AUX AFFAIRES DU CONSEIL D ADMINISTRATION ET AUX ASSEMBLÉES GÉNÉRALES

Routes bien entretenues Financement assuré

Séance du 15 juillet 2015

STATUTS DE l ASSOCIATION SPORTIVE ANTONY VOLLEY

Viandes, poissons et crustacés

Le projet de système des paiements en euros

STATUTS de l'association Bureau des Doctorants de Paris 3


Copyright 2014, Oracle and/or its affiliates. All rights reserved.

STATUTS de l association «Le Paris des Orgues» Modifiés à l AG ordinaire du 13 novembre 2013

CONTEC CO., LTD. Novembre 2010

DAT FIDELITE. Ce mémo est mis à votre disposition pour reprendre de façon simple et transparente les principales caractéristiques de ce contrat.

sommaire Introduction Fiches des 41 soldats disparus Le devoir de mémoire lettre à la mère de Maurice Quemin Glossaire / Sources

J AI PERÇU DES REVENUS EXCEPTIONNELS OU DIFFÉRÉS, comment les déclarer?

Réunion d information Marchés publics des Hauts-de-Seine

TP N 57. Déploiement et renouvellement d une constellation de satellites

Les status de l association miva Suisse

ENSEIGNEMENTS ET SÉMINAIRES

CONVOCATION. La Mutuelle du Personnel de l Assemblée nationale, dont vous êtes membre, tiendra sa première Assemblée générale statutaire le :

1348 Louvain-la-Neuve TVA BE RPM Nivelles

QUELQUES LIENS ENTRE L ANCIEN ET LE NOUVEAU TESTAMENT

STATUTS DE CONTACT PARIS ILE-DE-FRANCE

Procès-verbal de l'assemblée générale ordinaire. des actionnaires de la "SOCIETE ANONYME BELGE DE CONSTRUCTIONS AERONAUTIQUES"

Immatriculation d une société commerciale au RCS

Guide d information sur les OPCVM

URBAN PIERRE 3 - MODE D EMPLOI

+, -. / 0 1! " #! $ % % %! &' ( &))*

APM Alumni Polytech Marseille. Statuts de l Association des anciens de l'ecole Polytechnique Universitaire de Marseille (Polytech Marseille)

SAXO BANque. Offre spéciale TalenTs du Trading INSTRUCTIONS POUR REMPLIR CE FORMULAIRE

Plan. l influence de la convention de compte courant. I- les clauses de convention de compte. 1- les clauses générales. 2- les clauses statutaires II-

S informer sur. Les assemblées générales des sociétés cotées en bourse

REGLEMENT INTERIEUR DU GIP ALFA CENTRE

DOSSIER D ADHESION AU CADR

COMPTE RENDU DE l ASSEMBLEE GENERALE DE LA MUTUELLE DU PERSONNEL DE L ASSEMBLEE NATIONALE LE 10 JUIN 2011 à 13 HEURES

I Buts, Composition et Ressources de l'association

Association des membres et amis* de l Institut Suisse de Rome (Istituto Svizzero di Roma - ISR)

PIECES A FOURNIR POUR LA CREATION D UNE ENTREPRISE

Baromètre 2013 des Rémunérations dans la

Dispositions de la loi de finances 2014 relatives à la contribution libératoire GUIDE PRATIQUE DE PLACE

SPIE Sud-Est. Restitution pour la publication du bilan des émissions de gaz à effet de serre. Déclaration Art 75 loi ENE SPIE Sud-Est 1

ESSEC Business School Mai *La réponse est en vous - Panorama des programmes

Constitution Ultimate New Brunswick. Article I Nom

STATUTS DU CLUB OHADA DE DJIBOUTI

<Insert Picture Here> Exadata Storage Server et DB Machine V2

COMMISSION SCOLAIRE DES GRANDES-SEIGNEURIES DIXIÈME SÉANCE ORDINAIRE DU COMITÉ EXÉCUTIF ( ) LE 9 AVRIL 2002

Offres prépayées rechargeables avec différentes recharges. Voir «Conditions de rechargement» ci-dessous

Jean Sykes Nereus, la collaboration européenne, et le libre accès

Renseignements pour l obtention d une ligne de cautions / garanties France et/ou Etranger

FLASH Projet de loi de finances rectificative pour 2011 Conseil des Ministres du 11/ 05/2011

AUTO ENTREPRENEUR EXERCANT UNE ACTIVITE ARTISANALE

STATUTS DE L ASSOCIATION «SEO CAMP «

STATUTS DE L ASSOCIATION «SEO CAMP»

ACCORD ENTRE LE GOUVERNEMENT DE LA PRINCIPAUTE DU LIECHTENSTEIN ET LE MATIERE FISCALE

StorageTek Tape Analytics

Ipsos Assemblée générale annuelle 7 avril Documents mis à disposition des actionnaires

Please kindly find below a synoptic table showing the various ways of transport from Mahe to La Digue, with a stop over on Praslin:

Statuts du Collectif des Plateformes d Affiliation

CONFÉRENCE INTERAFRICAINE DES MARCHÉS D'ASSURANCES. C () N SEI L n E S M l!\ 1 S T l{ l': S J) E S A S S II [{ A NeE S

Dossier individuel d admission

BANQUE CENTRALE DIRECTION GENERALE MARCHE DES BONS DU TRESOR PAR ADJUDICATION (BTA) MANUEL DE PROCEDURES

Le multiplicateur monétaire (de crédit) : hier et aujourd'hui

STATUTS DE L ASSOCIATION CARITAS JURA

RUBIS. Avis de convocation. /pa/prod/alpa/bases/pa100459/./lot204.xml lot V Département : 75 Rubrique : 276 Raison sociale : RUBIS

Transcription:

0 UNION DES GROUPES BIBLIQUES DE MADAGASCAR BP - 101 Antananarivo - Tél 22 612 38 /033 11 832 26 E-mail <ugbm@wanadoo.mg Notre vocation : présenter Jésus Christ aux élèves et étudiants

1 UGBM B.P 4181 Antananarivo 101 Tél. 22 612 38 e-mail :ugbm@wanadoo.mg Lot II F 35 Ter Antsahameva Andraisoro FITSIPIKA ANATINY - U G B M Savaranonando: Ny «Statuts» na ny Sata dia manoritsoritra ny maha-izy ny fikambanana. Izay fara fahakeliny takian ny lalàna ihany no voarakitra ao. Ny Fitsipika Anatiny kosa no mamelabelatra izay voalaza ao anatin ny Sata kanefa tsy voavahavaha. Izy koa no mirakitra izay rehetra tsy voalaza ao amin ny Sata kanefa tena mahakasika ny fiainan ny fikambanana araka ny voalaza ao amin ny andininy faha-19. Natao hiainana sy hampiharina eo amin ny fiainana an-davanandron ny fikambanana ny Fitsipika Anatiny, noho izany dia tokony ho fantatry ny mpikambana rehetra ary indrindra indrindra, tokony ho voafehin ny mpiandraikitra isan ambaratonga tsara. TITRE I: NY "BASE DOCTRINALE" And.1 - Tsy azo ovàna ny vontoatin ny "Base Doctrinale" ary tsy maintsy eken'izay rehetra te-hirotsaka ho mpikambana - Mila manao sonia azy io ny mpiandraikitra Foibe rehetra (ny mambran'ny Conseil d'administration (CA), ny mambran'ny Secrétariat Général (SG), ny Délégué UGBM) isaky ny fotoam-pivorian'ny Filan-Kevi-Pirenena (FKP) na ny mpiandraikitra vao voafidy izany, na izay nohavaozina tamin'ny andraikiny, na ny Matihanina. - Mila manao sonia azy io koa ny Komitin'ny Groupe Biblique Local (GBL) izay vao nofidiana. TITRE II: NY RAFI-PITANTANANA And. 2 Momba ny Filan-Kevi-Pirenana (FKP) Misy karazany roa ny FKP: - ny FKP tsotra - sy ny FKP manokana 2.1 Momba ny FKP tsotra FKP natao handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra momba ny fiainana an-davanandron'ny Fikambanana. 2.1.1 Fotoam-pivoriana, fetr'isa (quorum), fanomezam-pahefana (procuration) - Mivory isan-telo taona mandritra ny fotoana anaovana ny Zaikaben'ny Fikambanana ny FKP raha tsy misy zavatra tsy azo anoharana ka ny CA no manao antso - Faharetany: 4 10 andro - Toerana hanaovana FKP amin ny manaraka: manolo-kevitra toerana 3 ny FKP ary ny SG no mandalina ireny sy manapa-kevitra. - Fetr'isa (quorum) sy fanomezam-pahefana (procuration): Amin'ny fotoam-pivoriana tsotra dia azo tanterahina ny FKP raha ny an-tsasa-manila miampy iray amin'ny GB mivondrona ao amin'ny UGBM no tonga na voasolo tena. Azon'ny GBL tsy afaka hanatrika ny FKP atao ny manome fahefana GBL hafa hisolo tena azy sy handray fanapahan-kevitra amin'ny anarany antony manokana tena tsy azo anoharana anefa vao azo ekena ny fanomezam-pahefana, izay tsy maintsy ampahafantarina ny Foibe mialoha; ny fanomezam-pahefana dia tsy maintsy vita antsoratra ary voasonian'ny Tonia sy komity iray ka voamarin'ny Délégué UGBM eo an-toerana (raha misy), na ny Tonian'ny Sakaiza (raha tsy misy Délégué UGBM) 2.1.2 Ny mambra manan-jo hanapa-kevitra amin'ny FKP : - ny mambran ny CA - ny mambran ny SG afa-tsy ireo Matihanina - ny Délégué UGBM any amin ny GBL - ny solontenan ny GBL tsirairay (Universitaires, Secondaires, Amis) izay feran ny SG arakaraky ny tanjany ara isa (prorata numeris) ary ampahafantariny ny CA. Ny ho solon-tenan ny GBL dia izay.komity voafidy na hofidiana ka lohalaharana amin'izany ny Tonia Afaka manatrika ny FKP sy manome tolo-kevitra saingy tsy manapa-kevitra kosa : - Ny mambra rehetra amin ny UGBM sy ny avy amin ny GBUAF sy IFES - Ireo olona nasaina manokana (ny UGBM dia afaka miantso olona ivelan ny Fikambanana raha misy ilàna izany) 2.1.3 Ny birao mitarika ny FKP: Ny Filoha sy Filoha Lefitry ny CA ary ny Sekreteran ny UGBM no birao mitarika ny dinik'asa FKP rehetra ary tompon'andraikitra amin'ny fifehezana ny fotoam-pivoriana mba hahatrarana ny zava-kendrena. Toy izao amin'ny ankapobeny ny andraikitry ny Birao: a) Filoha

2 - Mitarika sy mandrindra ny fivoriana - Mitandro ny hisian'ny filaminana hatrany ary manao izay hahalavorary ny laha-dinika ara-potoana. - Mamoaka olona na mampiato ny fivoriana raha misy ilàna izany. b) Filoha Lefitra: - Manampy ny Filoha Misolo toerana ny Filoha raha misy tsy fahafahany d) Sekretera: - Mandray an-tsoratra ny fizotry ny dinik'asa rehetra - Mamintina an-tsoratra ka atao FANAMBARANA, ny fizotry ny fotoana sy ny hevitra tapaky ny FKP rehetra. Fanamarihana: Ny fahefan'ny birao dia mandritra ny fotoam-pivoriana ihany, ary feran'ny Tenin'Andriamanitra sy ny Statuts ary ny Fitsipika Anatiny UGBM izany. 2.1.4 Momba ny dinik'asa sy ny lahadinika Ny soso-kevitra dinik'asa dia raisina avy amin'ny GB (U,S, A), CA sy SG ary mila tonga 2 volana mialohan'ny FKP ao amin'ny Foibe izany fara fahatarany. Izay soso-kevitra tonga aorian izany dia tsy raisina intsony. Ny CA no mandravona sy manivana izay tokony hodinihana any amin'ny FKP ary mandefa izany indray any amin'ny GBL iray volana mialohan'ny FKP. Na izany aza, ny FKP dia manana fahefana hanolotra lahadinika vaovao lany eran ny be sy ny maro, ankoatr'ireo efa voalahatra. 2.1.5 Fomba fifidianana Araka izay tapaka na ifanarahan'ny be sy ny maro avy amin'ny tolo-kevitry ny birao FKP Lany izay olona na fehin-kevitra eken'ny an-tsasa-manilan'ny mpifidy, afa-tsy amin'ny fandaniana Statuts na Règlement Intérieur izay mitaky ny faneken'ny roa ampahatelon'ny mpandatsa-bato (2/3) 2.1.6 Famaranana ny FKP Rehefa vita ny dinik'asa rehetra, dia fintinin'ny birao an-tsoratra ka atao Fanambaràna ny hevi-dehibe tapaky ny FKP. Eo am-pitsanganana no ihainoan'ny mpanatrika rehetra ny Fanambaràna izay vakian'ny Sekretera amin'ny fotoam-pamaranana ny fivoriana. Aorian'ny fanambarana ny fikatonan'ny FKP ataon'ny Filoha mpitarika, dia atolotry ny birao amin'ny Filoha vaovao na ny Filoha Lefitra vaovao na izay Mpanolo-tsaina zokiny indrindra vao voafidy ireo an-tontan-taratasy rehetra ary mifarana eo koa ny andraikitra sy fahefan'ny birao. 2.1.7 FKP voafetra (na restreint) FKP tsotra ihany izy ity (izany hoe handinihana ny fiainana an-davanandron'ny Fikambanana) kanefa noho ny toe-javamitranga eo amin'ny Firenena na eo amin'ny Fikambanana dia voatery ferana ihany ny isan'ny mpanatrika sy ny faharetany ka ny CA sy SG no miara-midinika momba izany. Ampiharina izay rehetra voalaza etsy ambony afa-tsy ny 2.1.1 2.2 Momba ny FKP manokana FKP antsoina manokana araka ny fangatahan'ny telo ampahaefatry ny mambra CA, na ny antsasaky ny GB mivondrona ao amin'ny UGBM, mba handinihana lohahevitra manokana sady lehibe mahakasika ny Fikambanana (oh. Fandravàna ny Fikambanana) 2.2.1 Fepetra a) Fetr'isa (quorum): Tsy misy fetr'isa fa afaka mivory izay tonga, saingy tsy maintsy mahafeno ny fepetra voalaza ao amin'ny d) etsy ambany vao lany ny fehin-kevitra antom-pivoriana. b) Ny manan-jo hanapa-kevitra: - ny mambran'ny CA - ny mambran'ny SG afa-tsy ny Matihanina - ireo Délégués UGBM any amin'ny GBL - solon-tena iray isaky ny GBL (U, S, A) d) Fahalanian'ny fehin-kevitra (validité du vote): Tsy lany ny fehin-kevitra raha tsy ny 3/4 ny olona rehetra manan-jo hifidy araka ny voalaza ao amin'ny b) etsy ambony no manaiky azy. Tsy ekena ary tsy manan-kery ny procuration fa takiana kosa ny handefasan'ny olona manan-jo hifidy na izay GBL tsy tonga ny heviny an-taratasy (vote par correspondance); izany anefa dia tsy maintsy manaraka ny fepetra voalaza ao amin'ny "Manuel du GB Titre II E 4 Ny fifidianana an-taratasy Fepetra" Raha tsy azo mandritra ny fotoam-pivoriana manokana izany dia asaina alefany any amin'ny Foibe ka ao anatin'ny iray volana no tsy maintsy haharaisan'ny Foibe azy. Tsy mana-kery ny fanehoan-kevitra amin'ny e-mail na an-telefaonina. Aorian'ny fahazoana ny hevitry ny olona rehetra vao avoakan'ny CA ny valin'ny fifidianana. 2.2.2 Momba ny fandravana ny Fikambanana Aorian'ny fahalanian'ny fehin-kevitra fandravàna, ny CA dia manendry olona 1 na 2 hiandraikitra ny famindrana ny fananan'ny UGBM amin'izay fikambanana mitovy tarigetra aminy And. 3 Momba ny Conseil d'administration 3.1 Andraikitry ny CA Ireto koa ny andraikitry ny CA ambonin'izay efa voalaza ao amin'ny Statuts - Article 10-10.3: - mandrafitra ny Plan stratégique ho amin'ny 3 taona, avy amin'ny sori-dalana nomen'ny FKP - manendry ireo olona ome-pahefana hanao sonia ny taratasim-bolan'ny UGBM - manendry ny Commissaire aux comptes

3 - mitandro ny hisian'ny firahalahiana sy fiainana ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Fikambanana Araka ny voalaza ao amin'ny And.1, ny mambra CA vao voafidy dia miara-manao sonia ny base doctrinale-n'ny UGBM Ny tondron'andraikitry ny mpikambana ao amin'ny CA dia voarakitra ao amin'ny Manuel du GB Annexe I-A 3.2 Fe-potoana iasana - Telo taona azo havaozina indroa fara fahabetsany, no fe-potoana azon ny mpikambana iray isahanana ny andraikitra maha CA. - Ny solon-tenan'ny mpianatra ao amin'ny CA, tsy mianatra intsony, dia soloin izay nahazo vato be indrindra nanarakaraka tamin ny fifidianana natao, fa raha tsy izany dia soloina mandritra ny CNU akaiky indrindra. - Ny solon-tenan ny Sakaiza ao amin ny CA izay tsy afaka hanohy intsony noho ny antony maro samihafa dia soloin izay nahazo vato be indrindra nanarakaraka tamin ny fifidianana natao fa raha tsy izany dia soloina mandritra ny AsCA akaiky indrindra. 3.3 Fotoam-pivoriana 3.3.1 Fivoriana ara-potoana: - Telo ny fivoriana ara-potoana ataon'ny CA mandritra ny taom-piasana: + ny voalohany, amin'ny Oktobra na Novambra: fandaniana (validation) ny tatitra farany (rapport final) ataon'ny Tonia UGBM ary fanitsiana ny programan'asa sy teti-bola (raha ilaina) + ny faharoa, amin'ny Février na Mars: anaovana tomban'ezaka antenantenany + ny fahatelo, amin'ny Jona na Jolay: anaovana tomban'ezaka farany, fandaniana (validation) ny PTA sy ny teti-bola entin'ny Tonia UGBM momba ny taom-piasana manaraka - Tsy azo atao ny fivoriana raha tsy ny an-tsasa-manilan'ny mpikambana no tonga. - Amin'ny fiantsoana faharoa dia afaka mivory sy manapa-kevitra izay tonga 3.3.2 Fivoriana tsy ara-potoana: Afaka mivory tsy ara-potoana ny CA raha misy antony lehibe ilàna izany, araka ny fanapahan-kevitry ny Filoha na ny fangatahan'ny antsasaky ny mambra ao aminy. 3.4 Fandanian-kevitra sy fitanana an-tsoratra - Amin ny fehin-kevitra tsotra, dia lany ny fehin-kevitra eken'ny an-tsasa-manilan'ny mpivory araka ny fomba izay neken'ny be sy ny maro (tsangan-tanana na latsa-bato miafina). - Amin ny fanapahan-kevitra lehibe kosa (grande orientation) sy ny fanendrena Tonia, dia takiana ny faneken ny 3 / 4 ny mpikambana ao amin ny CA - Ny Tonia UGBM dia tsy mandray anjara amin ny fifidianana. Izy no miandraikitra ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana rehetra ataon'ny CA 3.5 Ny biraon'ny CA 3.5.1 Ny mpikambana ao: - ny Filohan'ny CA - ny Filoha Lefitra - ny Mpitahiry vola - ny Tonia UGBM 3.5.2 Ny andraikiny: - mamaritra sy mandinika mialoha ny lahadinika sy ny votoatin-kevitra hodinihina ao amin ny fivorian ny CA ka mandefa izany folo andro mialoha any amin ny mambran ny CA - manara-maso ny fandehan ny ara-bola - mandray izay fanapahan-kevitra maika amin ny toe-java-miseho anelanelan ny fotoam-pivorian ny CA, fa tsy maintsy manao tatitra aminy ny amin izany; na izany aza, dia tsy azon'ny birao atao ny mandray fanapahan-kevitra lehibe mi-engager ny Fikambanana 3.5.3 Fomba fiasany - Ny Filoha no mampiantso sy mitarika ny fivoriana 2 herinandro mialohan'ny fivorian'ny CA mba hanomanana izany fivoriana izany - Afaka mivory tsy ara-potoana koa raha misy fanapahan-kevitra maika araka ny antson'ny Filoha noho ny toe-javamiseho na noho ny fangatahan'ny 2 amin'ireo birao. Ny fivoriana tsy ara-potoana anefa dia tsy tokony hihoatra ny in-2 eo anelanelan ny fivoriana ara-potoana roa. 3.6 Fepetra samihafa 3.6.1 Ny mambra CA amperin asa dia tsy azo fidiana hitana andraikitra eny anivon ny GBL 3.6.2 Fampiatoana na fanesorana mambra CA Ankoatr'izay voalaza ao amin'ny Titre III And.6-6.6 momba ny fampiatoana sy fanesorana mambra, dia azo ampiatoana amin'ny andraikiny fa toy ny manala tena izay mambra CA tsy nivory in-telo misesy kanefa tsy nampandre mialoha. Ny fanoloana azy dia manaraka ny fepetra voalaza ao amin ny 3.2 etsy ambony And.4 Momba ny Secrétariat Général 4.1 Ny andraikiny Fahefana mpanatanteraka ao amin'ny UGBM ny SG ka toy izao avy ny andraikiny amin''ny ankapobeny: - manao izay hahatratrarana ny tanjona napetraky ny CA araka ny sori-dalana nomen'ny FKP - mandrafitra ny programan asa hotanterahina (PTA) miainga avy amin ny «Plan Stratégique» aroson ny CA.

4 - mandray ny soso-kevitry ny CA sy ny fanamarihany momba ny programan'asa. - mitandro ny fampiharana ny Fitsipika Anatiny sy ny fanajana ny Sata eny anivon ny GBL - mitaiza sy manofana ny GBL, manara-maso ny fiainany sy ny fiasany - mandrafitra ny teti-bola isaky ny Departemanta sy manolotra izany amin ny CA - mitantana sy mikajy ny fananan ny UGBM - manendry ireo Délégué UGBM sy mampahafantatra azy amin'ny CA alohan'ny hanolorana azy any amin'ny FKP - mamaritra izay Cellule na Satellite horaisina ho GBL ary manolotra azy amin'ny CA alohan'ny itondrana azy holanian ny FKP 4.2 Ny firafitry ny SG sy ny fe-potoana iasany 4.2.1 Firafitra - Ny Tonian ny UGBM no mamaritra ny rafitra hitondrana ny asa ao amin ny ny SG (organigramme) sy manolotra izany amin ny CA mba holaniany. - Amin ny ankapobeny dia ireto avy no poste mety ho hita ao amin ny SG: + ny Tonian ny UGBM matihanina + ireo Sekretera Nasionaly matihanina dia: ny Secrétaire Administratif et Financier (SAF), ny Secrétaire National de Projet (SNP), ny Secrétaire National des Amis (SNA), ny Secrétaire National des Universitaires (SNU), ny Secrétaire National des Secondaires (SNS) + ireo Sekretera Rezionaly (SR) matihanina + ireo miandraikitra departemanta matihanina na tsia + ireo mitantana projets nasionaly (Responsable d un projet) matihanina na tsia - Ny Tonian ny UGBM no manendry ireo tsy matihanina ary manolotra amin ny CA kosa ireo olona hotendrena ho matihanina. 4.2.2 Fe-potoana iasana - Telo taona no fe-potoana iasan ireo tsy matihanina ao amin ny SG ary azo havaozina indroa izany. - Ny matihanina kosa dia manana fifanarahana arak asa (contrat de travail). Ny Fitsipika Anatiny mifehy azy ireo dia voarakitra ao amin ny "Règlement Intérieur régissant le personnel de l UGBM" Ny tondron andraikitry ny mpikambana ao amin ny SG dia voarakitra ao amin ny Manuel du GB Annexe I-B 4.3 Fivoriana - Mivory in-telo isan-taona ny Komity Mpanatanteraka ka ny Tonian ny UGBM no mampiantso sy mitarika izany. Amin ny fotoana tsy maha eo azy dia ny iray amin ireo Sekretera Nasionaly izay nametrahany ny andraikitra no mitarika izany - Ny Mpitantsoratra matihanin ny UGBM no miandraikitra ny fitanana an-tsoratra ny fizotry ny fivoriana. Afaka manome ny heviny mandritra ny fivoriana izy fa tsy mandray anjara amin ny fanapahan-kevitra. - Afaka miantso olona ivelan'ny SG, na ny Fikambanana, ny SG hakana hevitra amin-javatra manokana; tsy mandray anjara amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ireny olona asaina manokana ireny. And.5 Momba ny Secrétariat régional Ny Secrétariat régional no rantsana mpanatanteraky ny UGBM eny anivon'ny Faritra. Ny Secrétaire Régional no miandraikitra azy. Izy no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny Faritra iadidiany. Afaka manangana komity kely izy hanampy sy hanolo-tsaina azy amin'ny fitantanana ny Faritra. Amin'izao fiandohany izao dia ny SR no mifidy sy manendry izay olona hitany fa ilaina hampandehanana ny asa. Aoriana dia azo heverina ny mametraka rafitra maty paika kokoa. TITRE III: MOMBA NY GROUPE BIBLIQUE LOCAL And. 6 Famaritana sy fepetra samihafa 6.1 Famaritana Ny antsoina hoe GBL dia fitambaran ny Fikambanana G B (GBU, GBS, Sakaiza) eo amin ny toerana iray ka ny Délégué UGBM no mandrindra ny asa ao. Mety misy GBU sy GBS ary Sakaiza mitambatra ho GBL iray ; mety misy koa anefa tokana, na roa amin ireo fotsiny Ny GB iray dia tsy manana Statuts ara-panjakana manokana ho azy fa ny an'ny UGBM ihany no mitondra azy. Io no aseho sy ampiasaina amin'izay mety ilaàna azy eo an-toerana. Ny GB tsirairay kosa anefa dia tsara raha manana Fitsipika anatiny momba ny fifampitondrana (an-kasoavana na ankaratsiana) sy fandaminan-draharaha anatiny; izany anefa dia tsy tokony hifanohitra amin'ny FA-UGBM. 6.2 Fepetra fandraisana Cellule na Satellite ho GB Ireto avy ny fepetra takiana: - taratasy milaza fohifohy ny tantaran'ny "Cellule" na Satelita - taratasy fangatahana hiditra ho GB voasonian'ireo mpiandraikitra (03 raha kely) afaka miasa amin'ny taona manaraka, misy filazana ny faneken'ireo, tsy misy fepetra, ny Statuts sy F.A-UGBM,. Ireo taratasy roa ireo dia mila tonga any amin ny birao foiben ny UGBM roa (02) volana mialohan ny FKP Ny SR no manome ny fanazavana momba ireo Satelita na Cellule horaisina ho GB Voaray ny Cellule na Satelita raha eken'ny an-tsasa-manilan'ny FKP. 6.3 Fepetra fanafoanana GB Fisehoan-javatra azo anafoanana GB ny:

5 - Fanitsakitsahana ny Statuts sy/na FA-UGBM - Taratasy fametraham-pialana avy amin ny fivoriam-ben ny GB - Toerana tsy misy mambra na tsy misy fivoriana intsony eo anelanelan'ny FKP roa. 6.4 Fepetra hidirana ho mpikambana ao amin'ny GB Ekena ho mpikambana ao amin'ny GB iray izay mpianatra eny amin'ny Sekoly ambaratonga ambony (ho GBU), na Ambaratonga faharoa (ho GBS) sy izay tsy mpianatra (ho Sakaiza) efa nateraka indray ary nahavita ny fanambarana ampahibemaso dia ny Confession de foi sy Confession d adhésion tahaka izao: "Confession de foi" : Izaho Ra... dia manaiky marina fa mpanota ka mendrika ny fanamelohan' Andriamanitra ho faty, kanefa mino aho fa Jeso dia maty nisolo ny heloko teo ambony hazo fijaliana ho famonjena ahy. Koa mino an i Kristy ho Mpamonjy ahy aho ary manaiky Azy ho Tompoko amin ny fiainako rehetra. "Confession d'adhésion" : Izaho Ra... dia manaiky tsy misy fepetra ny Statuts sy Fitsipika Anatiny UGBM rehefa namaky sy nanazavana izany. Koa vonona aho hiara-miasa amin'ny Groupe Biblique eto an-toerana sy eran i Madagasikara. Andro samy hafa no anaovana ireo confessions roa ireo raha tsy amin'ny tranga manokana izay ny Komity eo an-toerana no mahalala azy. Ny Confession d'adhésion dia tsy maintsy atao eo anatrehan'ny Fivoriamben'ny GB aorian'ny dinika ifanaovana amin'ny Komity, fa ny "Confession de foi" kosa dia azo atao any amin'ny cellule. 6.5 Fepetra momba ny fifamofoana Ny mpikambana izay hifamofo ho amin'ny fanambadiana dia tsy maintsy manao fanambarana eo anivon'ny fivoriamben'ny GB misy azy. 6.6 Fampiatoana, fanesorana mambra Ny Komity Groupe Biblique miaraka amin ny Délégué UGBM eo amin'ny GBL no manam-pahefana amin izany. Antony azo ampiatoana na anesorana mambra iray : - fangatahana fialana avy amin'ilay olona - fanitsakitsahana ny Statuts, na ny F.A-UGBM na ny F.A-GBL - fikirizana amin'ny toetra amam-pitondran-tena tsy mifanaraka amin ny ny Filazantsara sy/na manalabaraka ny Fikambanana. Raha misy mambra sendra izany tranga izany dia adidin'ireo tompon andraikitra ery aloha no manao ny ala-olana rehetra, izany hoe manatona sy mihaona amin'ilay mambra, mampianatra sy mananatra ary manitsy azy araka ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra. Raha mbola tsy miova amin'izany ilay olona dia na aato amin'ny andraikiny izy na esorina tsy ho mambra ka izy ireo no tompon'ny fanapahan-kevitra amin'izany. Ambarany amin'ny Fivoriambe, ary tsy hiadian-kevitra, ny fanapahan-kevitra fa izay mila fanazavana manokana dia manatona ny Délégué, na ny Komity. Tsy maintsy lazaina amin'ny SR, izay hampita amin ny Foibe (C.A & SG) rehefa avy eo, ny anaran'izay voan'izany sy ny antony. 6.7 Famerenana mambra naato na nesorina - Izay naato tamin ny andraikiny na amin ny maha-mambra azy rehefa tapitra ny fe-potoana fampiatoana ka feno ny fepetra nangatahina taminy dia miverina avy hatrany ho mambra. - Izay nesorina tsy ho mambra kosa kanefa maniry hiverina indray, na dia hitan'ny mpiandraikitra aza ny fiovàny dia tsy maintsy manao réadhésion And.7 Momba ny GBU sy GBS 7.1 Momba ny Komitin'ny mpianatra sy ny fifidianana azy Ireto avy ny postes mety ho hita ao amin ny komity GBU na GBS iray: Tonia, Tonia Lefitra, Sekretera, Mpiandraikitra ny FIFI, Literatiora, Kolontsaina, Fitaovana, Vola ary ny Vaovao sy Vavaka. Tsy voatery hisy olona avokoa ireo postes ireo fa arakaraky ny tanjaky ny GB sy izay ilain'ny eo an-toerana no andrafetana azy. Fidiana isan-taona ny Komitin'ny mpianatra, ary azo havaozina indroa fara fahabetsany. Tsara raha aloha kelin ny fiafaran ny taom-pianarana no anaovana izany. Raha vao misy mpiandraikitra 3 na 4 vonona sy mazoto tsara dia afaka manomboka ny asan'ny Komity. Ny Fivoriamben'ny GB no mifidy ny Komity. Ny Délégué UGBM eo an-toerana na Sakaiza, raha misy, no mitarika ny fifidianana; raha tsy izany dia izay mambra tranainy tsy milatsaka hofidiana na izay nomen'ny Komity am-perin'asa fahefana. Lany avy hatrany izay mahazo vato antsasaky ny mpifidy mihoatra iray. Raha tsy tratra izany dia averina fanindroany amin ny izay roa be vato indrindra ny fifidianana ka izay be vato amin'izany no lany. Raha mbola mitovy dia izay tranainy amin ny naha-mambra no omena ny toerana. Mila mivory indray mandeha isam-bolana fara-fahakeliny ny Komity: hiarahany mivavaka sy miofana ary handinihany ny raharahan'ny GB. 7.2 Tondron'andraikitry ny Komitin'ny mpianatra amin'ny ankapobeny - mitantana ka manao izay hampandroso ny GB: mambra mitombo isa ary tsara ofana. - mitandro ny fanajana ny Statuts ary mampihatra ny Fitsipika Anatiny misy. - mandrafitra ny programam-pitoriana sy fanofanana ary ny asan'ny GB rehetra ka manolotra izany holanian ny Fivoriambe ary mandrindra ny fanatanterahana azy ireny ireo programa ireo dia tokony hifanaraka amin ny toro-marika ampitain ny Foibe mandritra ny CNU, na CRS na FKP. - manomana ny budget-n ny GB ho entina amin'ny Fivoriambe - manao izay hahatanteraka ny hevitra tapaky ny FKP araka izay tandrify ny GB tarihiny. - miara-mientana amin'ny Fikambanana amin'ny fanatanterahana ny fandaharan'asa iombonana - mampirisika ny fijoroan'ny cellule isan-tsekoly ambaratonga faha-2 na isaky ny Faculté na filière na toeram-ponenana eny amin ny université; izy no manendry ny "Chef de Cellule".

6 - manomana izay ho mpisolo (na relève ) azy ny mambra tsirairay ao amin'ny Komity. Momba an'io dia tokony hiasa "par équipe" ny departemanta tsirairay mba ho fianaran-draharaha ho an'ny mambra sy hanamora ny fanomanana relève. And.8 Momba ny Sakaiza 8.1 Antom-pisiana, adidy sy andraikitra Antom-pisian ny Sakaiza (mission): - hanohana ny UGBM ary hanohana ny GBS sy/na ny GBU eo amin ny tanàna misy azy - hifanohana amin ny Sakaiza eo an-toerana sy eran i Madagasikara Adidy (rôle): - hitaiza sy hampy ny GBL eo an-toerana ara-panahy, ara-toro hevitra, ara-pianarana, ara-tsosialy, ara-pitaovana sy arabola (encadrement spirituel, moral, éducatif, social, materiel et financier des GBL de sa localité) - hifampitaiza sy hifanampy amin'ny samy sakaiza [encadrement mutuel avec les autres Amis] Andraikitra (responsabilité) : - manao izay hampandeha ny GBL misy azy, koa tompon'andraikitra feno ny amin'ny fandeha sy fiafaran'ny GBL eo antoerana miaraka amin'ny komitin'ny GBL sy ny Délégué UGBM izy amin'izany (co-responsable du sort du GBL de sa localité avec le Délégué UGBM et les comités locaux) 8.2 Rafi-pandaminana: 8.2.1 Momba ny Komitin ny Sakaiza: Tsy voatery hasiana departemanta toy ny an ny mpianatra fa malalaka izy amin ny rafi-pandaminana tiany hatao. Tsara anefa raha fara-faharatsiny misy Tonia, Mpitantsoratra, Mpitahiry vola ary Mpanolotsaina 1 na 2, araka izay azo atao. Fidiana isaky ny 2 na 3 taona ny komitin ny Sakaiza ary azo havaozina in-droa izany. Ny Sakaiza mantsy mitoetra. 8.2.2 Momba ny Corps Professionnels Atsangana eo anivon ny Sakaiza ny Corps professionnel izay ivondronan ireo mambra nivoaka tamin ny lalam-piofanana mitovitovy, na miasa amin'ny sehatra mitovitovy (ohatra: corp des opérateurs économiques, corp des médecins et paramédicaux, corp des femmes au foyer ) Ny "Corps" dia sehatra natao hifanampiana, hifampandrosoana, hifanakalozana vaovao sy traik'efa manodidina ny asa, hanomanana ny mambra indrindra ireo zandry amin'ny carrière professionnelle, sehatra koa ahafahana maneho hevitra momba ny zava-misy amin'ny maha-kristiana, ary sehatra ahafahana miara-mikaon-doha hanohanana ny UGBM araka ny talenta sy fahaizana ananana. TITRE IV : NY ARA-BOLA SY FANANANA And.9 Ny souscription sy don - Ny souscription dia fanomezana raikitra isam-potoana (isam-bolana na isan-telo volana ets ) Ny mambra tsirairay dia mila manao souscription ao amin ny Groupe Biblique misy azy, ary ny Groupe Biblique tsirairay dia mila manao souscription amin ny Foibe UGBM. Izany dia tokony hatao malalaka, amin'ny fitiavana, araka izay ananana (2Kor.8:12; 9:7) - Ny don kosa dia fanomezana malalaka tsy ara-potoana fa atao araka izay ahafahana manao izany. Ny mambra dia ampirisihina hanome don araka izay azony atao ho fanohanana ny asan'ny Fikambanana. Izany koa dia tokony hataony amin'ny nahim-pony, malalaka sy amin'ny fitiavana ary araka izay ananana And.10 Ny amin'ny famatsiam-bola ny GB - Ny GB tsirairay dia mila manana ny teti-bolany sy mizaka tena ara-bola, ka ny Sakaiza no manao ho foto-draharaha ny famatsiam-bola ny Fikambanana mba hampandehanana ny asa. - Raha misy tsy fahafenoan'ny mambra sy ny Sakaiza ny teti-bola, ny Groupe Biblique mpianatra dia afaka mitady fomba hamatsiana ara-bola ny asan ny fikambanana amin izay fomba tsy mifanohitra amin ny Tenin Andriamanitra, fa kendrena mba tsy hanelingelina ny fianarany na ny fotoanan ny GB izany. Fampitandremana sy tari-dalana: - Tsara kokoa rehefa manao hetsika itadiavam-bola no tsy mampiasa billet. Aleo fantatry ny olona hoe ny GB sady tsy mividy no tsy mivarotra billet, mba hisorohana ny atero ka alao tsy misy farany. - Ny fotoan-dehibe ataon ny GB dia tsy hanatazan-drakitra akory fa hasiana vata na harona kosa hanomezan ny mambra sy ny olona manatrika izay foiny. N.B: Marihina koa fa raha fitoriana ny Filazantsara no atao dia tsy asiana na vata handrotsahan ny olona izay foiny aza mba tsy hiheveran ny sasany fa misy sandany ara-bola ny Filazantsara. Raisina an-tanan-droa kosa anefa izay te-handray anjara an-kalalahana tamin ny fandaniana natao tamin ny fikarakarana (hofan-trano, sono, jiro, sns) And.11 Ny amin'ny volan'ny Foibe Ny volan ny UGBM dia apetraka any amin ny banky. Ny Mpitahiry vola sy ny Tonia ary ny SAF no omem-pahefana hanao sonia ny taratasim-bola. Tsy maintsy sonian olona roa amin ireo telo vao manan-kery hamoahana ny vola amin ny banky. Ny CA dia manana fahefana hanolo mpanao sonia iray na mihoatra amin ny fotoana heveriny fa ilàna izany noho ny antony lehibe (oh. abus financier, abus de confiance ) ka ny mpanao sonia avy amin ny CA soloana mambra CA ary ny SG soloana avy ao amin ny SG. Ny famoaham-bola rehetra sy ny fandaniana natao dia tsy maintsy misy taratasy mazava (pièces justificatives) And.12 Ny Mpandini-bola

7 Ny Fikambanana dia manana mpandini-bola izay tendren ny CA: olona manana fahalalana avo lenta momba ny fitantanam-bola, kristiana ary mahafantatra tsara ny fikambanana. Hanamarina ny fitantanam-bolan ny fikambanana araka ny lalàna misy eo amin ny fitantanam-bola no andraikiny ary tokony hanao tatitra isan-taona momba izany eo anivon ny CA izy. And.13 Ny amin ny fananan ny UGBM - Ny fananana mila soratana ara-panjakana rehetra toy ny tany, trano, fiara, dia tsy maintsy atao amin ny anaran ny UGBM noho ny tsy fananan ny GBL Statuts ara-panjakana manokana ho azy, fa tompon andraikitra amin ny fitantanana ireny kosa ny Groupe Biblique eo an-toerana izay notolorana izany. - Ny FKP no manapaka ny amin'ny fivarotana ireo fananana lehibe voasoratra ara-panjakana toy ny tany sy trano, ary ny CA sy ny SG no manatanteraka ny fivarotana. Ny fananana hafa kosa dia apetraka eo ambany fahendren'ny CA sy SG. - Ny fitrandrahana ny fananan'ny UGBM dia adidin'ny CA sy SG. TITRE V: FIFANDRAISANA AMIN'NY HAFA And;14 Ny UGBM sy ny Fikambanana hafa Ny Groupe Biblique dia miara-miasa amin ny fikambanana mitovy firehana sy foto-pampianarana aminy toy ny Fikambanana Mampiely Baiboly (FMB), ny Fikambanan'ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly (Ligue pour la Lecture de la Bible), ny Campus pour Christ. Izay Fikambanana mampisalasala kanefa maniry hiara-miasa amin ny GBL dia mila hakana hevitra amin ny ambaratongan-drafitra eo ambony aloha. - Mila fitandremana ny fanasana olon'ny fikambanana hafa hitondra fampianarana ao amin'ny GB: tsy ampirisihina ny fanasana olona izay tsy fantatra ny momba azy sy ny foto-pampianarany. Adidin ny Sakaiza izay manatrika no manitsy izay fampianaran-diso mety tafita (aorian ny fivoriana rehefa lasa ilay vahiny). Tandroina hatrany ny voninahitry ny Tompo sy ny maha-ugbm ny UGBM amin'izay fiaraha-miasa atao amin'ireny Fikambanana ireny. And.15 Ny UGBM sy ny Fiangonana -Ny mambra rehetra dia tsy maintsy manana Fiangonana raikitra. -Anjaran'ny mambra tsirairay ao amin'ny GB ny mampahafantatra ny Mpitondra Fiangonana sy ny Loholona ao ny atao hoe GB sy ny maha-izy azy indrindra fa ny hoe: - Tsy fiangonana ny GB fa fikambanana ara-pilazantsara tsotra. Noho izany dia tsy fanaon ny UGBM ny Sakramenta toy ny: Batisa na Batemy, Kominio na Fanasan ny Tompo, fanamasinana mariazy, sns satria fomba amam-panao eo amin ny fiangonana izany. - Tsy antoko mpihira ny GB fa fikambanana mitory Filazantsara. Koa amin'ny fanasana izay mety hataon'ny Fiangonana dia aoka hiangaviana hampiarahina amin'ny fijoroana vavolombelon'i Kristy na Toriteny na fampahafantarana ny GB ny hira fa tsy hira fotsiny. - Tsy azo atao Alahady maraina ny fivorian'ny GB fanao isan-kerinandro, fa fotoana famonjen'ny tsirairay ny fiangonany izany. - Ny olona vaovao avy nanolo-tena ho an i Kristy vokatry ny asa fitoriana nataon ny Fikambanana ka tsy mbola manana fiangonana dia asaina misafidy amin izay fiangonana akaiky azy ary hita fa mety hiorenany sy hivelarany amin ny finoana. Raha toa kosa ka efa manana fiangonana izy dia amporisihina hazoto hamonjy ny fiangonany. Tsy azo atao velively ny hanery azy hiala ao raha tsy vokatry ny nahimpony irery ihany. And.16 Ny UGBM sy ny Firenena - Araka ny Tenin'Andriamanitra dia mila mivavaka ho an'ny firenena ny GB, manaiky ny fanjakana misy sy manao izay tsara, ary mandray andraikitra amin'izay tandrify azy avy. Marihina fa ny fanatontosana tsara ny fianarana sy ny asa ampanaovin Andriamanitra ny mpikambana tsirairay eo anivon ny GB amin ny fahatahorana Azy dia efa fandraisana anjara goavana eo amin ny fampandrosoana ny firenena eo amin ny lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy ary indrindra ara-panahy. - Mila ampahafantarina ny amin'ny GB sy ny tarigetrany ary ny fomba fiasany ny manam-pahefana ao an-toerana: vangiana izy ireny amin'ny tonon-taona, omena statuts, hatonina rehefa hangataka fahazoan-dalana hanao zavatra, omena fanasana amin'ny fotoan-dehibe, sns... And.17 Fandraràna - Tsy azon'ny mpikambana atao ny mitaona ny mpikambana namany hifindra Fiangonana - Tsy azon'ny mpikambana atao ny mitondra ny fomba amam-panaon'ny Fiangonany sy/na ny teolojiany eo anivon'ny Fikambanana satria ny mpikambana dia avy amin'ny Fiangonana samy hafa. - Raràna ny fisian'ny mpihavana akaiky ao anatin ny Komity iray afa-tsy noho ny antony tsy azo anoharana noho ny tsy fisian olona hafa azo atao mpiandraikitra. - Ny Groupe Biblique dia tsy manao hetsika ara-tsendikaly sy ara-politika. Ny tsirairay dia manana zo hanao izany amin ny anaran ny tenany manokana saingy tsy azony atao ny mampiditra izany eo anivon ny Fikambanana. Na izany aza, ny mambran ny CA sy SG, ny Délégué UGBM ary ny komity mpitantana GBL dia tsy tokony hiseho mivantana amina fihetsiketsehana ara-politika na sendikaly mandritra ny fe-potoana iasany ato amin ny UGBM. Izay mpiandraikitra hita fa manao izany dia esorina, ka izay manam-pahefana amin ny fanoloana no manatanteraka ny fanesorana sy fanoloana. - Tsy misy mpikambana, amin ny anarany manokana, afaka mampiasa ny anaran ny Fikambanana na ny fananany na amin ny inona na amin ny inona; raha tsy nahazo alalana. Ny Filan-Kevi-Pirenena (FKP) na ny Filan-Kevi-Pitantanana (CA) na ny

8 Komity Mpanatanteraka Foibe (SG) eo amin ny fivoriany no manana fahefana hanome izany alalana izany. Ny engagement nataon olona samy irery tsy nahazoana alalana dia tsy manan-kery And.18 Samihafa - Ny taom-piasan ny UGBM dia manomboka ny 1er Septembre (N) ary mifarana ny 31 Août (N+1) - Ny UGBM dia manana Manuel izay mifameno amin ny Statuts sy ity Fitsipika Anatiny ity. - Amin ny ny tranga manokana tsy voalaza ao amin ny Statuts, na ato amin ity Fitsipika Anatiny ity, na ao amin ny Manuel du GB, dia adidin'ny mpiandraikitra mahefa ny mijery akaiky izany sy ny fomba hiatrehana azy. - Ampiharina ary tsy maintsy eken'ny mpikambana rehetra ao anatin'ny UGBM ity Fitsipika Anatiny ity izay nolaniana teto Toliary ny 26 Aogositra 2007 nandritra ny FKP faha-30. Ny Filohan ny UGBM Etienne RANDRIANARISON