FIKAMBANAN NY MPIARA-MAMAKY NY BAIBOLY. "Dieu qualifie ceux qui sont appelés", hoy Rakotolehibe Mamy, Talen ny FMMB



Documents pareils
Augustin Andriamananoro, dans son bureau ministériel, ce 26 mai 2010

mensuel d informations régionales 9è édition - Août 2011

REPOBLIKAN i MADAGASIKARA

Ny Vaovao Mahafaly. La Bonne Nouvelle

FTTAIYANA AI{':NSORAIRA NT trryorua}ibe TIONALE REPOBLIKA FAHAEFATRA FEPOTOANA FANAOVAN.DALANA VOALOHANY FOTOAM-PIVORIANA MANOKANA TAONA 2014

UN VECTEUR D AVENIR LE LAIT VITA NY FANAVAOZANA SY NY FANATSARANA LA CHARTE INFORMATIQUE INTERVIEW RAMANANTSOA EPI PLUS BESARETY

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara

FANABEAZANA OLOM-PIRENENA RECUEIL DES TEXTES SUR LA RECHERCHE DE CONSENSUS A MADAGASCAR (VOL. I)

Ecole Hôtelière LA RIZIERE Collège Saint François- Xavier B.P Antady, Fianarantsoa (301) Tél info@lariziere.

FINOANA SY FAHAZAVANA FOI ET LUMIERE

De la ferme à l usine

REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana MINISTERE DE L'ENVIRONNEMENT, DES EAUX ET FORETS DECRET MECIE

PRESIDENCE DE LA TRANSITION

Module 13 Fiofanana 5S eo amin ny sehatry ny Fahasalamana Modules de la formation pour le Personnel d appui (module en Malgache)

Kabarin Andriamatoa Praiminisitra RAVELONARIVO Jean FANDAHARANASA HO FANATANTERAHANA NY POLITIKA ANKAPOBEN NY FANJAKANA. Tsimbazaza : 11 febroary 2015

EXPOSE DES MOTIFS. Uniformisation du taux du Droit de Douane sur les machines et appareils ;

Tehindrazanarivelo Liva; Mamy Aimanantsoa; Toky Rabemanantsoa; Alex Objet:

FANILO MIAMPITA. TÉLÉPHONIE FIXE La honte. Encore sous le monopole Après le drame libanais, voilà que resurgit

ATRIKA Le journal de l ASMF

Analyse de quelques occurrences issues d un corpus oral (dialecte betsileo) Quelques pistes pour l apprenant

E1 403 VOL. 1 JIRO SY RANO MALAGASY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA JIRAMA

Pour plus de transparence

mensuel d informations régionales Edition Numéro 28 - mars 2013

ATTRIBUTIONS MESURES DE CONSERVATION

Retour au menu MinJustice

ISSN: Melanophylla angustior (Melanophyllaceae) Ravintsara

Fiche Technique ONG LALANA. En route pour le développement

- Sciences Agricoles. 3 ans Diplôme Universitaire de Technologie Antsirabe

Livret 2. Travailler la prononciation

ETUDE D UNE MUTUELLE D EPARGNE ET DE CREDIT EN MILIEU RURAL - CAS DE LA CAISSE OTIV A AMBOHITRIMANJAKA -

+$ JEKH EF;H7J;KHI + 77

PROJET D ASSISTANCE POUR LE DEVELOPPEMENT D UNE NOUVELLE POLITIQUE ET D UNE STRATEGIE DE L ENERGIE POUR LA REPUBLIQUE DE MADAGASCAR

Coopération non gouvernementale Secteur Eau / Assainissement / Hygiène

PRELIMINAIRE. Localisation. Source : Couverture (dos du livre) de Mythes, rites et transes à Madagascar, de JAOVELO DZAO (Robert)

ASMF : «Miorim-paka mba hanasoa olona» Oeuvrer au service d autrui Samedi 21 février 2009

touristique : quelle vision partager? Les perspectives de normalisation AFNOR Responsable Développement Sport, Loisirs

La chasse de la vanille bourbon. Solutions :

SITUATION GENERALE Description du phénomène

Projet : tous projets de WWF Date : Juillet 2014 Intitulé : Prestataire location de véhicule Référence : AO/

Le chant des chorales - Concours de Chants Acapella

Coopération non gouvernementale Secteur Santé

Quoi de neuf dans l Espace?

3 options. MBA1 MANAGER DU DEVELOPPEMENT INTERNATIONAL Où PARTIR EN 2015/2016?

TERMES DE REFERENCE Pour le recrutement d'un cabinet chargé de la. Collecte des informations pour alimenter une base de données sur les

Retour d expérience sur le management des processus

Edition Limitée CLASSIC 2. Spécial NOUVEL AN CHINOIS. recettes

Guide de Bonnes Pratiques d Hygiène de la filière vanille

Le son [v] Découpe et colle les images dans la bonne colonne. Prénom : Date : J entends [vi] J entends [va] J entends [vo]

Acronymes. N 002 juin Page Pourquoi. Appropriation. OPCI fonciers. Maintenir une. AFD BV Lac. Certificat Foncier

Mobilité du trait de côte et cartographie historique


Etude des opportunités d utilisation du Certificat Foncier comme garantie auprès des institutions financières dans la commune d Amparafaravola

Menu MBA Recherche

DECRET N fixant les attributions du Ministre de la Défense Nationale ainsi que l organisation générale de son Ministère.

TEST DE DÉPISTAGE DE L IMMUNITÉ CONTRE LE

Eglise paroissiale Saint-Martin

Paiements transfrontaliers

RANDRIAMAHEFA SUIVI ET EVALUATION DU PROGRAMME ELARGI DE VACCINATION AU CSB2 AMBAHIKILY - MOROMBE ( ) Thèse de Doctorat en Médecine

I RENALA. Research and Education Network for Academic and Learning Activities. The Madagascar NREN

+, -. / 0 1! " #! $ % % %! &' ( &))*

PLAN NATIONAL D ACTION POUR LA NUTRITION

DEMANDE EN TRAITEMENT D ORTHODONTIE A MADAGASCAR : INFLUENCE DE L AGE, DU SEXE ET DU STATUT SOCIO-ECONOMIQUE.

Madagascar Avec Beach Destination Ltd créateur de voyages inédits spécialisés, thématiques et solidaires à Madagascar

Groupe PlaNet Finance

REPOBLIKAN I MADAGASIKARA Tanindrazana Fahafahana Fandrosoana

Rev. Dr. Jean A. RAVALITERA, Docteur en Théologie, Pasteur Synodal, Président de la FPMA

À travers deux grandes premières mondiales

Informations techniques et questions

sommaire Introduction Fiches des 41 soldats disparus Le devoir de mémoire lettre à la mère de Maurice Quemin Glossaire / Sources

Conditions de participation

Lundi Mardi Mercredi Jeudi Vendredi Samedi Dimanche. Camp des Cactus Stanstead 16:30 18:30 FOOTBALL CADET D2

Chers membres, partenaires, amis du

MERCI DE NOUS RENVOYER VOTRE TEST A : info@soft-formation.com TEST ESPAGNOL NOM DU STAGIAIRE : PRENOM DU STAGIAIRE :

FILIERE VANILLE. Sommaire

Mise en place d un cabotage maritime regional dans le SO de l océan Indien

Un savoir faire juridique dans le domaine agricole

de saveurs LES RECETTES ********************************************

RAPPORT D ACTIVITES 2012

Lieux de stage des étudiants du Master 2 en Santé Internationale

Très chers amis, Merci de nous aider, vous êtes toujours bien présents dans nos prières quotidiennes. Dans le Cœur de Jésus,

Monplaisir, plus de 200 commerces pour vous faire rêver... pourquoi aller ailleurs? Eric Desbos - Président de l Espace commercial Monplaisir.

NOS OFFRES SPECIALES

Le Moyen-Orient depuis `1990: carte `1

Title Sujet: Services Professionnelles MDM Solicitation No. Nº de l invitation Date: _A \9-05

Liste des livres existant au Ministère du commerce et de la consommation

Madagascar Participation & Poverty (P&P) Project Legal, Regulatory, Judicial Reform Activity. Scope of Work No. 33 bis REPORT ON

présente avec le soutien de la ville de Gennevilliers

Noël des enfants qui n'ont plus de maisons

Portrait de métier. sommaire du portrait de métier

L'important C'est la rose

Amicale des Anciens CFPI

Accueil Events, l accueil personnalisé des touristes d affaires Informations, bonnes adresses, réservations et découvertes!

CONSTRUIRE votre solution de sécurité

La Cible Sommaire F o c u s

Tableau de bord économique du tourisme en Maurienne Hiver 2005/2006

JOURNÉES PARIS 2006 AVIGNON MARS 2007

Dossier de presse 06/2015. SAS LUNDI MATIN Parc d activités Eurêka 836 rue du Mas de verchant Montpellier

Parcours MEM à l international

le futur centre des congrès de Rennes Métropole Illustrations Labtop / Jean Guervilly Couvent des Jacobins

GUIDE GÉNÉRAL SUR LE CCSP ET LA PRÉSENTATION DE L I N F O R M ATION FINANCIÈRE DES CONSEILS SCOLAIRES

Transcription:

Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 1 Gazetin ny Sampana Sekoly Alahady FJKM Andrainarivo Taniketsa Miseho isan-telo volana. Laharana faha 58. Septambra 2014. Vidiny: 400 Ariary. Tranokala: www.sa-andrainarivo.mg FIKAMBANAN NY MPIARA-MAMAKY NY BAIBOLY "Dieu qualifie ceux qui sont appelés", hoy Rakotolehibe Mamy, Talen ny FMMB Niresa-dresaka tamin' ny Talen'ny Fikambanan' ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly, Rakotolehibe Mamy, ny Gazety Taniketsa teny amin'ny Foibeny eny Mandriambero Ambohidratrimo. Izy no nisolo an i Pasteur Razafiarison Emilien. Nahaliana ny fanazavana sy ny hafatra nentiny ka manasa anao hamaky izany dinika izany. -Miarahaba anao tompoko. Azonao ambara fohifohy amin'ny mpamaky ve ny Fikambanan ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly? -Ny Fikambanan'ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly (FMMB) dia Fikambanana iraisam-pirenena. Niforona tamin'ny taona 1971 ny antsika teto Madagasikara. Ny FMMB iraisam-pirenena kosa, raha sitrapon'andriamanitra, dia hanamarika ny faha 150 taonany amin'ny taona 2017. (Tohiny P.3) Ratokolehibe Mamy Talen ny Fikambanan ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly (FMMB) Matoan-dahatsoratra Samy hafa ny asa "Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany". Antom-pisian ny Kristiana ny hitory ny famo njen i Jesoa Kristy. Ny Kristiana miara-miasa amin ny sehatra misy azy avy dia midika fahombiazan ny asa ampanaovin ny Tompo. Raha hitaona ny olona ho tia, hamaky ary hiaina ny Soratra Masina ny Fikambanan ny Mpiara-mamaky ny Baiboly. Ny mpitendry zavamaneno kosa dia mifanakaiky amin ny asa fanompoan ny Mpitandrina satria mitondra filaminan ny fanompoam-pivavahana. Na samy hafa aza ny asan ireo dia miara-miasa amin ny Fitoriana. TANIKETSA RANDRIANASOLO: 50 taona nitendrena zava-maneno (P.2) TONONKALO: Ny Fitiavana... (P.5) FANASINA "Koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava." Romana 13. 12b

KETSA Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 2 Fisaorana an Andriamanitra "Ny olona mahatsiaro fa nandray zavatra dia misaotra. Voalohany misaotra an'andriamanitra nanome ny talenta, faharoa misaotra ny Fiangonana izay nampivelatra sy nampiroborobo ny talenta". Izany no teny netin ny Filoham-boninahitry ny fanamarihana, Ralambomahay Lalatiana, nampahatsiahivina ny rehetra. "Antony hafa anaovana ny fanamarihana ato antranon Andriamanitra koa dia mba ho fitaizana ny Kristiana ao anatin'ny Fiangonana hahatsiaro ireny mpanompon'andriamanitra ireny sy mba ho fitaizana ireo nandray fahasoavana ka hiverina ao amin'ny loharano dia Andriamanitra. Fijoroana vavolombelona izany", hoy izy nanohy ny teniny. Fa iza moa Randrianasolo Raveloson? Ny fahalalan ny Fiangonana Andrainarivo azy dia "Vévé". Raha any amin ny toeram-piasana dia "Ravelo". Ny fianakaviana kosa miantso azy hoe "Ndrena". Ny fitendrena zava-maneno dia talenta nomen-janahary azy ary nolovany tamin ny Raibeny sy ny Rainy satria vao 4 taona monja izy dia efa nanomboka nitendry accordéon kely tao amin'ny Fiangonana Sabotsin'Anjiro. "Rehefa Krismasy dia teren i Dada mihira irery izahay mianadahy ka izy mitendry izaho mihira", hoy Bodo zandriny vavy nahatsiaro. Talenta notovonana fahalalana Na talenta aza ny fahaizany mitendry zava-maneno dia tsy nianona tamin izay Vévé fa nanitatra ny fahalalany. Fony izy mpianatry ny Frère tao amin'ny Saint François Xavier Antanimena (1970) dia nampirisihin ireo mpitantana (Frère Robin, Charles, Prefet) ka lasa mpitendry orgue mandritra ny lamesan'ny mpianatra tao amin'ny Ecar Antanimena. Atoa Ratefy koa dia nampianatra azy ka nampitombo ny fahaizany mitendry zava-maneno. Nalefan'ny Fiangonana nanatrika atelier momba ny mpitendry sy mpampianatra hiran'ny Fiangonana nokarakarain'ny FJKM sy nanaraka stage nomen'ny Conservatoire Supérieur de Vienne, études approfondies d'orgue. Nisy koa ny fiofanana niarahany tamin'ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy momba ny hiram-piangonana. Nahazo tombontsoa ny Fiangonana Rehefa noraisina Mpandray teto Andrainarivo izy (1978) dia nirotsaka tao amin'ny Sampana Antoko Mpihira (AMAM) ka lasa mpampianatra hira. Natao mpitendry zava-manenon ny KETSA RANDRIANASOLO Raveloson (Vévé) Jobily 50 taona nitendrena zava-maneno "Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko ; ny fanahiko no hihira sy hankalaza". (Sal 108. 1) Izany no Teny nanankinan-drandrianasolo Raveloson na Vévé ity taona faha 50 nitendreny zava-maneno ity. Ny Alahady 10 Aogositra 2014 tao amin ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana no nisaorana an Andriamanitra sy ny Fiangonana noho ny talenta nomen ny Tompo azy sy nilaza ny tantara niainany. Ramose Vévé maneho ny talentany Fiangonana niaraka tamin i Rakoto Yvon sy Rakoto Sahondra ihany koa. Ny Sampana rehetra koa dia nila an i Vévé. Ny AMAM sy ny Sampana Sekoly Alahady ohatra dia manokana olona mihitsy hitondra ny accordéon 82 basses rehefa manao antsampanahy any ivelany. Nizara traikefa Tsy Andrainarivo ihany no nahazo soa tamin ny fahaizany zava-maneno fa maro ireo Fiangonana niantso azy mba hampiofana ny mpitendry ao aminy. Teo koa ny Fiangonana manodidina nifanakalo traikefa. Toy ny Anosipatrana, Ambohibe Ilafy, Mandroseza Miray, Ambatoroka, Andohatanjona, Ankadindramamy, Ambohijanaka, Advantista Maroho, Mahazoarivo, Ecar Itaosy, Chapelle Militaire Ampahibe, Ambonin'Ampamarinana, Ambatonakanga, Andravoahangy Fivavahana, Andraisoro, Ecar Antanimena. Nantsoina manokana Ny taona 1970 izy dia efa nantsoina manokana hanao fandraisam-peo hira Fihirana tao amin'ny RNM toy ny "Faingana ry Mpanjaka", "Eo ankaikinao ry Ray". Nanao synphonique niaraka tamin'ny AMAM sady nihira ireny hira grand oeuvre ireny teto amin'ny Fiangonana ny taona 1979. "Eo an-dohafasanao", "Voninahitra lehibe". Nantsoina nitendry zava-maneno tamin'ny fankalazana ny faha 200 taonan'ny Firenena Amerikana. Mpamoron-kira koa Vévé Namoron-kira ho an ny Sampana Antoko Mpihira, Sekoly Alahady... ary ireo mankalaza jobily Raveloson. Ny zava-maneno fampiasainy dia ny accordéon, armonie, synthétiseur, piano, orgue. "Talenta mitohy ny an-draveloson satria efa mandray izany ny taranany. Ny mpitendry zava-maneno dia mifanakaiky amin'ny asa fanompoan'ny Mpitandrina satria rehefa izy no tsy mahafehy dia mokorontana tanteraka ny fanompoam-pivavahana. Ny firariana ho an i Vévé dia ho tsapany tokoa fa nomen'andriamanitra talenta izy ka ho entiny hanompoana an' Andriamanitra eo amin'ny fiainany manontolo izany", hoy Bodo anabaviny. José Ravoavison Dikan-teny Défaite = Faharesena Défaitiste = Tsy matoky ny handresy Défaveur = Fahaverezan-tombontsoa Défection = Fialana Défendre = Miaro, Mandrara Défense = Fiarovana, Fandrarana

VAOVAO VAOVAO Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 3 "Dieu qualifie ceux qui sont appelés" Ny antom-pisiany dia ny hitaona ny olona ho tia, hamaky ary hiaina ny Soratra Masina. Somary afangaron'ny olona amin'ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) ihany izy io. Fikambanana mpirahavavy iraitampo ary tena mpiara-miasa akaiky izy roa ireo. Ny FMBM dia manatonta sy manaparitaka ny Baiboly. Ny FMMB kosa mampianatra ny olona ny famakiana ny Baiboly. -Iza no mandahatra ny "Mana isan' andro" ary ahoana ny fitsinjaran'asanareo amin'izany? -Ny Mana isan'andro dia Teny voalahatra ho vakina manerana an'ny Afrika. Ireo Mpitarika eto anivon'ny Foibe Rejionaly Afrika no mifantina ny Soratra Masina ho vakina mandritra ny taona. Ho antsika eto Madagasikara, ireny Teny ireny no tsinjaraina amin'ireo Mpanompon'Andriamanitra vitsivitsy ka anaovany famakafakana. Misy ny Mana boky sy ny Mana amin'ny fampielezam-peo. Natao hifameno ireo satria ny tanjona dia ny hahavonto sy hahazoan'ny olona rehetra, tsy ankanavaka, tsara ny ventin'ny Soratra Masina. -Nandimby mpanompon'andriamanitra "malaza" ianao dia Pasteur Razafiarison Emilien. Mavesatra be ve ny andraikitra noho izany? Ahoana ny fiatrehanao izany? -Tena marina mihitsy fa mpanompon'andriamanitra manana ny maha izy azy no nosoloina. Ny tena, amin'ny maha olombelona, dia nisalasala sy nametrampanontaniana : izaho ve? Betsaka ireo Pasteur sy Mpanompon'Andriamanitra tena mahavita!... Naka fotoana, nitokana nandritra ny telo volana, izahay mivady raha nandray ny taratasy amin'ny fomba ofisialy avy amin'ny Komitin'ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly, milaza ny fanendrena anay hisolo an'i Pasteur Emilien mivady. Ity teny ity no nomen'ny Tompo anay: "Dieu n'appelle pas les plus qualifiés, mais Il qualifie ceux qui sont appelés." Izany hoe ny Tompo no mametraka anao amin'ny toerana ka Izy no mahatonga ny asa ho tanteraka. Misaotra an'andriamanitra izahay fa tena mitarika Izy ary manome fitahiana. Ny ekipa izay miara-miasa aminay koa, isaoranay an'andriamanitra, fa ekipa vonona sy manolo-tena ho amin'ny fitoriana ny Filazantsara eto amin'ny Firenena. -Iza moa ianao tompoko? Ny làlana nombanao? Pasteur ve ianao? -Nanao teolojia tany Eropa aho. Tsy te hitondra ny anarana hoe Pasteur aho satria tsy tonga hatrany amin'ny ordination. Heveriko fa mety ny mijanona ho laika mba hahafahana miara-miasa amin'ny Fiangonana rehetra. Ny asa fitoriana ny Filazantsara amiko dia mila fiarahana amin'ny karazam-piangonana sy fikambanana Kristiana rehetra. Ny fototra azonay ankoatra ny teolojia dia ny fanofanana momba ny mpivady sy ny ankohonana. Raha teto Madagasikara dia niainga tamin'ny tsy nisy ny asa teo amin'ny mpivady sy ny ankohonana. Izahay no nampiasain'ny Tompo hanao fiofanana momba izany. Amintsika miteny izao dia faritra 14 no misy azy manerana an i Madagasikara. Tena manofana ny olona momba ny resaka fanambadiana sy ny ankohonana izahay. Iarahantsika mahita amin'izao fotoana izao fa mikorontana ny fanambadiana ary hita fa tsy resaka mandeha ho azy intsony izy io fa mila hofanina ny olona. Efa ho 11 taona izao izahay no nitarika ny FMMB teto Madagasikara. Manam-bady aho ary manan-janaka vavy telo. -Fantatra fa miditra amin'ny vanim-potoan'ny lasy ny FMMB. Inona no ataonareo amin'izany? -Ny fomba fiasan'ny FMMB dia ao anatin'ny Minisitera efatra : ankizy, tanora, mpivady sy ny ankohonana, biblika. Ireo sehatra ireo no manao lasy. Ny lasy ho an'ny ankizy dia any Mantasoa sy Antsirabe. Raha sitrapon'andriamanitra dia any Nosy Be Hell Ville ny tanora, misy olona eo amin'ny 100 mahery eo. Misy koa ny lasy eo amin'ny sehetra iraisam-pirenena any Maurice. Heverinay fa ny lasy dia tena fomba tsara ahafahana mitaona ny olona hiaina sy hahalala bebe kokoa ny Soratra Masina. Misy fanofanana atao amin'ireny lasy ireny. Namoaka boky koa izahay mitondra ny lohateny hoe : "Fivoriana mahomby". Betsaka ny manao fivoriana etsy sy eroa fa ahoana no ahalalana fa mahomby ireny? Ahoana no hahatonga iny fivoriana iny hitondra vokatra tsara ao am-piangonana na amin'ny asan'andriamanitra na fikambanana... Misy atrik'asa ataonay momba io boky io ary miaramiasa amin'ny Fiangonana isan-karazany izahay. Efa natao tao amin'ny Foibe FJKM izany. Azon'ny Sampana rehetra atao ny mivondrona ka miara-miatrika izany atrik'asa izany raha liana ianareo. -Teny indraim-bava tompoko momba ilay fanofanana lehibe "Se former pour le service" hatao ny 24-27 Septambra 2014? -"Se former pour le service" dia niainga tamin'ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly iraisam-pirenena. Raha tsorina dia ny mpiara-miasa matihanina ato amin'ny FMMB no manatrika izany. Ny fiofanana dia hamaliana sy handalinana ny fanontaniana hoe : "Inona ny vina (vision) napetrak'andriamanitra amiko amin'ny asa fanompoana tiany hampanaovina ahy?" "Inona ny vocation nametrahan'andriamanitra ahy?" Indraindray isika rehefa manao ny asa fanompoana dia toy ny manao asa an-tselika. Tsy tena misy vision. Hofanina ny Kristiana tsotra mba hanana izany vina izany ka hahalala ny sehatra hanompoany an'andriamanitra. Ohatra, eo amin'ny ankizy ve sa tanora sa vady sy ankohonana sa fitantanana Ny tadiavina dia ny hahatonga ny Kristiana hahomby amin'ny sehatra izay azony hanatanterahana ny asan'andriamanitra. Fanofanana manentana ny Kristiana mba hisokatra ny masony ka hahatonga azy hahafantatra fa hay tena sitrak'andriamanitra izy eo amin'ny toerana izay misy azy. José Ravoavison Ravaomalala Myriame Teny Malagasy Ny mariky ny fijanonan-tsoratra Fononteny: (...) Fonosina amin io mariky ny fononteny io ny teny fanampiny na ivelan ny foto-dresaka. Oh: Rehefa taitra izy (fa aza taitra kosa ianao) dia niantsoantso vonjeo.

VAOVAO Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 4 Vaovao anatiny FIANGONANA ANDRAINARIVO Voka-dehibe "Tratra ny tanjona", hoy ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy, raha nisaotra ny Tompo sy ny Fiangonana ary ireo Komity nikely aina tamin ny faha vitan ny iray volan ny voka-dehibe (Jona). Hoy ny lohahevitra : "Mitsangàna" (Asa 12.7b). Dia namaly ny Fiangonana manontolo hoe : "Eka". Nofaranana tamin ny "sakafo agapé" sy rindran-kira izany vokatra-dehibe izany tamin io Alahady 29 Jona io. SAFIF ANDRAINARIVO Ivon ny fankalazana Ny Alahady 6 Jolay teo no ivon ny fankalazana an Andriamanitra noho ny faha 90 taonan ny Sampana Fifohazana eto Andrainarivo Fahasoavana. Nanome voninahitra izany sady nitory ny Tenin Andriamanitra ny Tonian ny SAFIF Foibe FJKM, ny Mpitandrina Rakotondramanana Harijaona. "Ny tena Fifohazam-panahy marina, hoy izy, dia ahitana ny fanovan'andriamanitra ny tantaran'ny olona iray sy ny fanomezany ny teny fikasany". Mamy ny fiarahana amin ny Tompon ny asa. Mamy toa izany koa ny fiarahana amin ny vahoakan Andriamanitra, ka nizara vatomamy sy Tenin Andriamanitra ho an ny mpivavaka tsirairay sy mofo mamy ho an ireo Raiamandrenim-piangonana ny Komity. Namidy tamin io koa ny tantaran ny SAFIF mitondra ny lohateny hoe "Asa lehibe no nataony". Fandaharam-potoana manaraka ny fanatrehana ny Fihaonambe Fifohazana FJKM any Mahajanga (Aogositra), sy ny famaranana ny fankalazana sady ampisakafoanana ireo madiniky ny Tompo (26 Oktobra). Vaovao ivelany FJKM AM-PITANDRANOMASINA Canada Montréal Nitombo iray indray ny FJKM any ampitan-dranomasina dia ny FJKM Canada Montréal. Antsan-kira-piderana, noelanelanina tantaran'ny FJKM nanomboka tamin'ny nahatongavan'ny Misiorena (1818) ka hatramin'ny nahaterahany (1968), no natao tao amin'ny Eglise Unie St-Jean, Montréal ny Asabotsy 24 Mey. Ny Alahady 25 Mey kosa no fotoam-pivavahana lehibe nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'andriamanitra noho ny fitokanana sy fanambarana am-pahibemaso ny fijoroan'izany Fiangonana izany, tao amin'ny Montréal Sarang Presbyterian Church. Nofaranana tamin'ny fiarahamisakafo ny fotoana. Teny Faneva : "Angony ny olona dia ampandrenesiko azy ny teniko" Deo 4.10 LIBRAIRIE ANTSO 40 taona Mankalaza an'andriamanitra noho ny faha 40 taonany (1974-2014) ny trano famoaham-boky Antso. Teny Faneva: "Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira ampanahy no hihira an-tsaina koa aho". I Kor 14. 15 Niorina ny taona 1974 ny trano famoaham-boky Antso. Sady trano famokarana sy fivarotam-boky no nisy teny Imarivolanitra Antananarivo tamin'izany. Ny hevitry ny anarana hoe "Antso" dia fanamby nataon'ny FJKM tamin'izany fotoana izany mba hampitaovana ireo sekoly amin'ny boky fampianarana sy fanabeazana, indrindra amin'ny teny Malagasy. Taty aoriana dia nivarotra boky momba ny fivavahana koa ny fivarotamboky Antso, toy ny Baiboly amin'ny teny Malagasy, dikateny Protestanta sy Fihirana FFPM ary ireo boky samihafa novokarin'ny Misionera fa indrindra ireo avy amin'ny Mpitandrina Malagasy ankehitriny. Ny fanamby apetraka amin'izao faha 40 taona izao dia ny fampiasana sy fampiroboroboana ny teknolojia vaovao (internet) ho tombotsoan'ny mpanjifa. Ankoatra an'antananarivo dia efa misy fivarotam-boky Antso koa any Toamasina, Mahajanga, Ambositra, Ambalavao, Tsiroanomandidy, Manakara, Moramanga. Fandaharam-potoana: -29 Jona: Fanompoam-pivavahana fanokafana FJKM Katedraly Analakely amin'ny 2 ora sy sasany -Jolay-Aogositra-Septambra: Conférences débats -1 Jolay-30 Septambra: Fifaninanana manoratra tantara na angano miompana amin ny lohahevitra hoe "Antsoy ny fahendrena" -20 Septambra: Ivon'ny fankalazana. Fitokanana "Fivarotam-boky Antso" Antsirabe -9 Novambra: Déjeuner Culturel Hotel A & C Ivato Tanàna amin'ny 12 ora sy sasany -21 Desambra: Antsan-kira Noely Palais des Sports Mahamasina amin'ny 2 ora sy sasany STK FOIBE FJKM Hanorina trano lehibe Ny Alahadin ny Sampana Tanora Kristiana teo no nahalalana fa ny 30 Novambra no famaranana ny faha 40 taonan ny STK Foibe. Ny ivony kosa dia ny Synodamparitany tsirairay no mamaritra azy. Tsangam-bato roa lehibe no fanamby dia fanangonana sy fanisana ny STK FJKM. Eo koa ny fanorenana trano lehibe eto Antananarivo. 500 Ar isan olona no takiana ho anjaran ny tanora tsirairay amin izany. Tsiahivina ny teny Faneva : "Koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fi adian'ny mazava". Romana 13. 12b Ny taona 2015 dia ho taona fanavaozana ny tompon andraikitra rehetra indray any amin ny Sampana, Syndoamparitany ary Foibe. Ny Fihaonambe faha 6 kosa dia hatao any Antsiranana. Finoana iainana Mpivady Kristiana -Lahy: lohany, tia ny vady, manao izay mety atao amin ny vavy... -Vavy: manaiky, manaja, manao izay mety atao amin ny lahy... Sary ivon ny faha 90 taonan ny SAFIF FJKM Andrainarivo Fahasoavana Lamina napetrak Andriamanitra izany

VATSY Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 5 Daty malaza Tantaran ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) Aogositra 2007: Soratra Masina naely nandritry ny LAFANORAI 7. 21 Jona 2008: Nanoloran ny Life Publishers ny Baiboly "Fiainana Feno" tao amin ny Hotel Carlton. Novambra 2008: Famaranana ny fifaninanana Soratra Masina noho ny faha 180 taonan ny Filazantsaran i Lioka. Ny tarika avy any Vatovavy Fitovinany no voalohany. 17-20 Novambra 2008: Loa-bary andasy Iraisam-pirenena. 21 Jona 2009: Faha 200 taonan i Louis Braille tao amin ny Katedraly Anglikana Ambohimanoro. Jolay 2009: Ny Baiboly Malagasy ao amin ny finday. 16 Novambra 2009: Famoahana ny Baiboly Malagasy Anglisy. 31 Janoary 2010: Fanokafana ny fankalazana an Andriamanitra noho ny faha 175 taonan ny Baiboly Malagasy sy ny faha 45 taonan ny FMBM tao amin ny FLM Ambatovinaky. Nalaina tao amin ilay boky: Harena sarobidy Mpanoratra: Rakoto Marc T Edition "EODIA" Tantara mitohy Telo andro taorian ny niterahany, dia nody i Nivo sy Tiana. Asabotsy tokony ho tamin ny iraikambinifolo ora no nijanona teo am-bavahady ny fiarakaretsaka nitondra azy telo mianaka avy tany amin ny toeram-piterahana. Nihazakazaka nitsena azy ireo aho, ny hitrotro an i Tiana no masaka tao an-dohako. Tsy navelan i Neny anefa aho, fa nasainy nitehenan i Nivo izay mbola kely hery. Vao tonga tao an-trano izahay, ka tafandry teo amin ny fandriany i Nivo, dia ny zazakely no nahamay ahy. - Efa hadino aho, izany an, hoy i Nivo. - Aoka aloha aho, hijery ny zanatsika e; aiza hoe horaisiko, ry Neny? - Iny ary, nefa tandremo an... Nangovitra ny tànako. Efa nangataka ny handray azy aho, vao nahemotry ny saiko ny foko. Te-handray ny zanako aho, nefa mbola marefo ity izy, sady tsy zatra koa aho, satria lahitokana. Nahinjitro ny tànako handray azy. Toy ny zavatra sarobidy indrindra tratry ny saiko hofantarina no nikenakenako azy. - Aiza re izany e? hoy i Neny. Tononkalo "Ny Fitiavana..." Ny fikolokoloana ny fanambadiana, Dia làlana tokana raha toa ka ambara, Mahatsara ny fiainan ny tia sy ny tiana, Miara-mibanjina tanjona tsara. Ny fikolokoloana ny fanambadiana, Dia fitiavana feno raha atao indray milaza Fa fototra mafy iorenan ny dina, Ho tena Fitiavana mahay mifanaja. Ny tokim-pitiavana atolotro ho anao, Dia tsy haiko lazaina tsy haiko refesina, Mamaka sy miorina ao anatiko ao, Mandra-pihavin ny fahafatesana. Raha sendra farofy na areti-maharitra, Raha tojo ny mafy mahavery fanahy, Raha avy zay sedra sy mananosarotra, Dia hifanohana isika tsy ho be ahiahy. Ny Tompo Tsitoha no omem-boninahitra Fa Izy no mikolo ny fanambadiana, Deraintsika Izy, Mpanjaka, Mpandahatra Fa faly dia faly nandray Fitahiana! Ry mamiko indrindra ry toy ny tantely, Ndeha ary isika hifanoroka kely! Rakoto Mahefarinoro William René Loholona FJKM Andrainarivo Fahasoavana (Fetin ny fanambadiana 20/07/14) Fanambadiana tonga lafatra - Ho avy, ry Neny a; herinandro ihany, dia ho haiko e... Sahirana ery aho nanomboka teo. Tsy nanana mpanasa lamba moa izahay, fa i Nivo ihany no manasa ny lamba. Nanomboka teo amin ny nahaterahan i Nivo, dia izaho avokoa no nisikimponitra nanasa lamba, mandamindamina trano, manao ny sakafo ny maraina sy hariva, Ny antoandro dia i Neny no mikarakara izany. Ary dia mitrotrotrotro an i Tiana indraindray. Tsaroako torovana ny tenako nefa ny fijeriko an i Nivo sy Tiana dia nanome hery ahy. Matetika aho, no ihomehezan i Nivo, fa tsy mahay mandamindamin-trano, hono; mikaviavia manasa lamba; ary matetika aza ny sakafo no tsy dia ara-dalàna loatra: raha tsy mohaka ny vary, may ny laoka; raha tsy diso be sira, lasa ma tsatso. Nefa ny filazan i Nivo amiko eo am-pihinanana hoe : Tsara izany nahandron ise izany, no fifaliako. Telo andro toy izany ihany, ary ny andro fahefatra dia efa nitsangana i Nivo. Nanomboka hatreo dia zavatra tokana no niherehan ny sainay mivady. I Tiana kely. Nifantoka tany aminy avokoa ny VATSY Olo-malaza Rainimamonjy, Mpitandrina Ny tantaran'ny fanenjehana ny Kristiana teto Antananarivo dia misy firaisany amin'ny tantaran'ny Fiangonana Amparibe. Raha notapahin-doha tany Ambohipotsy ny 09 Jolay 1840 ry Paoly Rainitsihova sivy mianadahy, dia nahantona tamin'ny hazo lava ny lohany. Feno horohoro Antananarivo nefa ny alin'iny dia indro lehilahy iray vonton'ny fanahy Kristiana nanavatsava samy irery tao anatin'ny aizina ny làlana mankeny Ambohipotsy, sahy nifanandrina tamin'ny herin'ny mpitondra sy ny nifin'ny amboadia nifandrombaka te-hivoky ny fatin'ireo maritiora. Nangoniny ka nataony tao anaty kitapo ny lohan'izy sivy mianadahy, dia nentiny nody ka naleviny teto Amparibe. Ingahy Rainikoto na Dadabe Rainimamonjy, izay Mpitandrina voalohany teto Amparibe, izany lehilahy izany. Ny 18 Jolay 1847, maty notorahambato tao Fiadanana izy 11 lahy, Maritiora farany, dia notapahina ny lohany ary nahantona teny Ambohipotsy. Lasa indray ity Samaritana tsara fanahy Malagasy ity nitaona namana roalahy (Ingahy Rainijesy sy Ratsimiarana) nandevina azy ireo teto Amparibe. Nisy Kristiana niery koa tao Amparibe, nanao fanompoam-pivavahana tao amin'ireo lava-bary. Ny 21 Jolay 1857 indray, dia nisy voasambotra izy ireo ka natao sesitany tany Ambatondrazaka. saina aman eritreritray mivady. Izay hahasoa azy, izay hahasalama azy, izay hahaolom-banona azy, izay hamparanitra ny sainy, izay hananany fahendrena. Tsy mahagaga raha vao mainka nanampy ny filaminan ny tokantranonay ny fahatongavan i Tiana kely, satria iray saina sy hevitra izahay, dia ny amin ity zaza ity. Zaza hanao ahoana re io e? Matetika aho no mivavaka hoe : Misaotra anao izahay Andriamanitra, fa efa nomenao anay izay tena mahasoa sy notadiavinay taminao. Indreto izahay sy ny zaza izay nomenao ho anay. Hitombo saina sy tena izy, ka handroso fitia amin Andriamanitra sy ny olona. IV ADIM-PITIA Fa iny masoandro miposaka avy any atsinanana iny, mbola hilentika any andrefana. Dia toraka izany koa ny volana, ny alina ihany no hahazoana ny tarany. (Hitohy) Nosoratan i Ramarolahy Marc N

ZEZIKA ZEZIKA Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 6 Fantaro ireo Mpitandrina niza-draharaha teto Andrainarivo "Resy lahatra tanteraka aho" "Hatramin ny fahazazana ny antso" Inona no nisafidiananao ny asa fanompoan'ny Mpitandrina fa tsy zavatra hafa? Mamilalaina Lalaoharisoa Rindra (4 Mey 2014-24 Aog 2014) Tsy niasa aho fa nikarakara tokantrano. Tao anatin'izay fotoana izay no namangy ahy ny Fikambanana Campus pour Christ. Afaka telo volana dia nan tsoina hiofana mba ho matihanina tao amin'io Fikambanana io izahay mivady. Ny Tenin'ny Tompo nandreseny lahatra ahy tanteraka dia ity: "Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no avo razana; fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin' Andriamanitra hampahamenatra ny hendry". Folo taona niasana tao amin'ny Campus pour Christ Madagascar izahay. Mi ssionnaire tany Toliara nefa narary be aho dia tsy maintsy niakatra taty Antananarivo. Nisy anefa fanapahana nivoaka Andrianiaina Jean Louis (27 okt 2013-27 Apr 2014) Nisafidy ny hanao ny asa fanompoan'ny Mpitandrina aho satria efa hatramin'ny fahazazana mihitsy no tsapa fa nisy ny antso. Tany ambanivohitra no nisy anay, lavitry ny Fiangonana, hany ka mifandimbindimby ny mivavaka sy mianatra Sekoly Alahady. Raha vao anjarako no mijanona dia isan'ireo zaza mitomany aho. Rehefa mirava indray ny Sekoly Alahady ka mody fa tsy manatrika fanompoam-pivavahana dia mitomany eny an-dàlana aho. Efa hatrany izany no nisian'ny antso izay tsapa tao anaty. Nanao fanadinana aho rehefa tonga tany amin'ny fahafenoan-taona. Nanala indray mandeha dia afaka ka nanao ny 1ère année tany Mandritsara (2010-2013). fa "tsy afaka manao an'io asa io Notohizana taty Antananarivo teny intsony ny vehivavy". Teo aho no nandray ny antso maha Mpitandrina. amin'ny Kolejy Teolojika Ivato ny 20013-2014. Teto Andrainarivo ianao no niza-draharaha, ahoana ny fahitanao ny Mahafinaritra ny Fiangonana Andrainarivo satria mahay mandray vahiny sady manana fanomezam-pahasoavana manohana amin'ny lafiny rehetra. Hita fa misy fitiavana sy fanohanana ny mpanompon'andriamanitra. Tsapanay izany tamin'ireny fanomananay ny lahatsoratra famaranana ireny (boky sy fitafiana). Isaoranay Ralambomahay Hendrininosy, Mpitandrina mivady fa nanohana sy nahay nandresy lahatra ary nanentana ny olon'ny Fiangonana. Mahafinaritra ny fifandraisana fa misaotra. Fiangonana Andrainarivo Fahasoavana? Teto Andrainarivo sy tany Faravohitra Avaratra, ambanivohitry Sabotsy Namehana aho no niza-draharaha. Ny fahitako an Andrainarivo dia tena tsy mbola nahita Fiangonana ohatra ity aho hatramin'izay nanompoana ny Tompo. Amin'ny lafiny rehetra izany. Fifandraisana eo amin'ny Kristiana sy ny Mpitan drina. Ny fiaraha-miasa dia hita fa tahaka ny mpiray tampo avokoa ny Kristiana ato Andrainarivo. Feno fitsikitsikiana ny rehetra. Tena mahafinaritra be teto Andrainarivo Fahasoavana. Azonao lazaina ve tompoko ny mombamomba anao? Zanaky Mamilalao Harisoa Noël, mpanao fitanterana tao amin'ny Kofimanga, sy Rambolaharisoa Jacqueline, mpampianatra misotro ronono, aho. Dada dia avy eny Ambatomanga. Ny mamako kosa dia valovotaka tany Ambatondrazaka sady zanaka Pasteur. Randriafaly Max no anaran ny vadiko. Manan-janaka dimy mi anadahy izahay. Telo vavy, roa lahy. Ny toerana nanendrena anay dia any amin ny Synodamparitany Tsiroanomandidy. Miandraikitra Fiangonana 4. Mbola mpitovo aho ary 26 taona. Valo mianadahy izahay. Rakotoarimanana, mpampianatra misotro ronono ny Raiko. Razafindramino Nirinarisoa ny Reniko, Biraom-piangonana ao amin'ny FJKM Andriatsivalana. Notendrena any amin'ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao, Fitandremana Andasibe, distrika Vavatenina aho. Misy Fiangonana 14 iadidiako ka ny 22 oktobra aho no miala eto Antananarivo. Ny Alahady 27 Jolay 2014, tolakandro tao Antsahamanitra no nanaovana ny fanompoampivavahana fanirahana ireo Mpiasa vaovao hirotsaka eo an-tanimbolin'ny Tompo. Mpitandrina 69 mianadahy sy Mpampianatra 53 mianadahy, mitondra ny andiany FANILO, FANASINA, FAHAZAVANA ireo. Ny Alahady 31 Aogositra 2014 kosa no natao veloma teto Andrainarivo Fahasoavana izy mianadahy. Ny tanànantsika Carion Tanàna rakotra ala fahiny, ary toerana sarotra andehanana amin'ny alina. Tanàna nataon'ny Malagasy fahiny ho toeram-pamaharana raha tonga ny vahiny mpananibohitra. Nanorenana Gara fiantsonan ny fiarandalamby tao ary misy ny tranon'ireo mpiasa tamin'izany. Tsy lavitra eo ny tanàna atao hoe Nandihizana, izay nanana ny tan tarany tamin'ny taona 1947. Sambaina Raha ny lovantsofina dia nosambain'ny Mpanjaka ny tanàna raha nandalo teto hanafaka ny foko Bezanozano (Vonizongo) sy ny Vakiniadiana Andrianampoinimerina. Manjakandriana Heniheny sy honahona ary vohitra no nanodidina an'io Tanàna io ary ny ilany avaratra dia rakotra ala sy havona. Resy ny mpikomy ka Manjaka andriana ny vahoaka. Ireo papa nifandimby Jean XVII : 1003 (enim-bolana) Jean XVIII : 1004-1009 Sergius IV : 1009-1012 Benoit VIII : 1012-1024 Jean XIX : 1024-1032 Tsara ho fantatra Natao tany Brésil (12 Jona - 13 Jolay 2014) ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an ny baolina kitra. Voahosotra ka nahazo ny amboara ny Allemand. Fantaro ireo Firenena efa nahazo izany. 1930 URUGUAY 1934 ITALIE 1938 ITALIE 1950 URUGUAY 1954 R.F.A 1958 BRÉSIL 1962 BRÉSIL 1966 ANGLETERRE 1970 BRÉSIL 1974 R.F.A 1978 ARGENTINE 1982 ITALIE 1986 ARGENTINE 1990 R.F.A 1994 BRÉSIL 1998 FRANCE 2002 BRÉSIL 2006 ITALIE 2010 ESPAGNE

SAMIHAFA Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 7 Sakafo Fricassé de poulet au coco Zavatra ilaina: Huile d olive. Courgette 1. Carotte 1. Carry. Thyn. Lait de coco 1 boite. Voatabia 3. Vary masaka 1 bol. Sel. Poivre. Ail (vovony). Cuisse de poulet 4. Fikarakarana azy: Andrahoina ho masaka ny akoho. Maka vilany lalindalina na lapoaly efa misy menaka mafana. Endasina ao ny carotte voavaofy sy courgette efa no tetehina manify lavalava. Ampiana thyn tsy miaraka amin ny tahony, ail, carry, voa tabia voatetika lavalava, lait de coco ary ilay akoho miaraka amin ny ranony nandrahoana azy eran ny vera. Ketrehina kely dia asiana sira araka izay tiana. Tsy saronana. Rehefa mandroso azy eo amin ny lovia dia ampiarahina amin ny vary (bol renversé). Mazotoa homana ô Kilalaon-tsaina A-Valin ny kilalaon-tsaina (Jona 2014) 1-2- Satria tia izao fiainana izao izy (II Tim 4. 10) 3- Dariosa 2 9 4 7 5 3 6 1 8 4- Na zovy na zovy no tsy mito ndra ny hazofijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. 5- Sudoku N 20 4 1 7 5 9 8 2 6 3 3 8 2 4 7 6 1 9 5 6 5 9 2 1 3 8 7 4 1 7 6 9 2 5 3 4 8 8 3 4 7 6 1 5 2 9 2 9 5 3 8 4 6 1 7 7 4 8 6 5 2 9 3 1 9 2 1 8 3 7 4 5 6 5 6 3 1 4 9 7 8 2 B-Kilalao vaovao 1- Fenoy zana-tsoratra ny banga dia soraty izay tiany hambara F...k. s.m. h.s.r.n. l.mb. f.s..n.n. n..l.n s. n. b.b. f..mp. SAMIHAFA 2- Ampiasao ireto marika ireto ka lazao ny teny voasoratra A=8 D=11 D=3 E=24 F=13 G=2 H=21 I=16 J=25 K=23 L=10 M=7 N=5 O=15 P=12 R=17 S=20 T=19 V=14 X=9 Z=6 Atao eo ambonin ny tarehimarika ny teny 21 8 5 15 7 12 15 8 5 16 25 24 21 15 14 8 21 16 6 8 21 8 9 3- Alaharo ireto ka asio nomerao eo amin ny efitra anoloan ny teny andriamani-kafa aza ihany fa 5- Sudoku N 21 Tsiky kely Jesoa no herinay Hoy Ramatoa vadin i Pasitera raha nanontany azy nandritra ny mondialy. -Hono ho aho Rangahy, ny ekipa Afrikana izany saika mitondra anarambiby daholo? Ny Malagasy izao "Barea", ny Kamerona toa "Liona", ny Ivoriana "Elefanta", ny Nizeriana "Voromahery", ary ilay resy farany teo "Gana"! -Ghana Ramatoa fa tsy gana izany a! Itafio Jesoa Mba niresaka momba ny mondialy ireto Dorkasy roa vavy. -Hono ho aho aky, samy manana ny hetim-bolo mampiavaka azy ireto mpilalao ireto kah! Variana mihitsy aho. -Zay aky no maha coupe du monde azy a! Samy manana ny coupem-bolony. Mitsangàna izaho 9 3 7 1 3 2 4 4 5 5 9 8 6 3 2 8 8 5 4 9 9 6 6 1 5 2 3 2 7 Gaga i Pasitera fa vao nandeha kely ny toriteny dia resin-tory daholo ny mpivavaka fa reraky ny mondialy. Avy dia nipetraka koa izy sady niteny anakampo hoe "aleo hatory koa aho fa iza irery no hiari-tory eto!" Nanolotra tsiky kely ho anao : Mamisoa Fahasalamana Ny fampinonoana Fomba fampinonoana Amin izao fotoana izao, dia vao teraka ora vitsy monja ny zazakely dia asaina mitsetsitra ny lohanono satria arakaraky ny hisintonan ny zaza azy no hiforonan ilay nono haingana, izany hoe avy dia mampinono mihitsy ilay reny izany. Omena nono isak izay mitady ny zaza (allaitement à la demande) ary izy ihany no mametra ny fe-potoana tiany hinonoana, izany hoe atsahatra ny fampinonoana rehefa avoakany ny loha-nono avy ao am-bavany, ka tsapa fa tsy mitady intsony izy. Isaky ny mampinono dia tokony ho ny nono ilany ihany no omena ny zaza, ary dia ampifandimbiasina hatrany ny fanomezana izany. Rehefa voky ilay zaza dia tsy ha dinoina ny mampiarinarina ny lohany mba tsy hampandoa azy, ary atao avoavo noho ny tenany ny lohany mba tsy hampisondrovaka azy. Ry reny mampinono, omeo nono isaky ny mitady ny zaza. Etsy kely anie 40 taona ny STK FJKM (Hitohy) Manaova toa an i Zakaiosy : mitady an i Jesoa, manaiky ovany, manary ny asan ny maizina, mba ho mendrika ny anaran i Kristy

FANDALINANA FANDALINANA Taniketsa - Laharana faha 58 - Septambra 2014 8 Boky Masina Isaia Ny bokin'i Isaia, boky voalohany amin'ny mpaminany lehibe, laharana faha 23 ao amin'ny Baiboly Protestanta no jerentsika. Toko 66 no mandrafitra azy. Manodidina ny boky Boky 3 no natambatra ho iray ka nanome ny boky Isaia. Voarakitra ao ny faminaniana mahakasika an'i Joda sy Jerosalema, ny fahababoana, ny fiverenana an-tsesitany, ny fiavian'i Mesia, Jerosalema vaovao. Voalaza ao koa ny faharavan ny firenena Avaratra sy ireo firenena Jentilisa. Mpanoratra sy daty nanoratana Mihasinkasina ireo vanim-potoana 3, toerana 3 mifanaraka amin'ireo boky 3 natambatra: Joda talohan'ny fahababoana, sesitany tany Babylona, fiverenana any Palestina. Maro ireo mpandinika milaza fa ny toko 1-39 ihany no nosoratan'i Isaia (750 taona taljk). Ny toko 40-55 (Deotero- Isaia) sy 56-66 (Trito-Isaia) kosa dia nosoratan'olona hafa. Teo anelanelan'ny taona 740 sy 450 taljk no nanoratana ny toko 40-66. Taorian'ny fahababoana no nanambarana ny boky. Iza moa Isaia? "Mamonjy Andriamanitra" no dikan'ny anarany. Israelita avy amin'ny fokon'i Joda, teraka tokony tamin'ny 800 taljk, maty martiora tamin'ny andron'i Manase tamin'ny 700 taljk, araka ny lovantsofina izy. Manambady mpaminanivavy, manan-janaka roalahy izy. Sangany amin'ireo mpaminany lehibe efatra izy (Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela). Tia tanindrazana sady be herim-po izy ka nanaiky ho iraka mpitondra ny Tenin'i Jehovah tao Jerosalema tamin'ny vanimpotoana tena sarotra. Ny toko fahaenina no ahitana ny fian tsoana sy fanirahana an'i Isaia. Nodiovina izy ary sahy namaly am-pahasahiana ny antson'ny Tompo ka nanao hoe : "Inty aho, iraho aho" (6.8). Niara-belona tamin'i Ozia, Jotama, Ahaza, Hezekia, Manase mpanjakan'i Joda izy. Tamin'ny 740 taljk, taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka, izy no nanomboka niasa, nandritra ny 44 taona. Zava-kendrena: Fitoriana ny Filazantsara Amosa sy Hosea no mpaminany tany Avaratra tamin'izany ary Mika tany Atsimo. Menahema, Pekahia, Peka ary Hosea no nanjaka tao amin'ny firenena Isiraely tamin'ny androny. Fahavelony no rava ny fanjakana Avaratra (722 taljk). Ny taona 734 taljk, raha nanjaka tany Jerosalema Ahaza, no nandrenesana voalohany an'isaia. Nokianin'i Isaia mafy ny filan'i Joda fiarovana tany amin'ny Asyriana. Mpanolo-tsainan'ny mpanjaka Hezekia, nanampy azy tamin'ny fanitsiam-pivavahana Isaia. Tsy nankasitrahan'i Isaia ny filana vonjy tany amin'ny Egyptiana nataon i Hezekia. Miteny mivantana, tsy misorona rehefa mananatra hany ka tsy tian'ny olona. Mamaky batsilana ny haratsian'ny mpitondra, ny kolikoly, ny fitsarana miangatra, ny fitondrana mampahory vahoaka, ny fiankinan-doha amin'ny firenen-kafa izy. Nanoro hevitra ny mpitondra fanjakana, niaro ny madinika sy ny mahantra, nampianatra momba ny fivavahana sy ny finoana. Niteny tamin'ny vavany tokoa Andriamanitra saingy tsy nihaino azy ny olona. Firafitry ny boky Mizara 3 ny boky: 1.Miteny Andriamanitra (1-39). Manameloka ny faharatsiana iloman'i Joda, Izy. Faharatsiana vokatry ny fikomiana sy fialana Aminy. Filana vonjy amin'ny firenena jentilisa, fitokiana amin'ny sampy. Mitaky fibebahana Andriamanitra. Tezitra Izy ka hanafay, raha tsy miova fo ka miala amin'ny ratsy fanaony ny olony. Mifarana amin'ny tantaran'i Hezekia mpanjaka izany. Hita ato koa ny faminaniana mikasika an'i Samaria sy ny firenena jentilisa. 2.Mampionona Andriamanitra (40-55). Ravan'ny Babyloniana Jerosalema tamin'ny 587 taljk: resy ny firenen'i Joda, nodorana ny Tempoly, nobaboina sy natao sesitany ny mponina. Tratry ny famoizam-po lalina ny Jiosy lavitra an'i Jerosalema. Mampahery sy mampionona eto ny mpaminany. Tonga ny famonjena amin'ny alalan'ny mpanompon'i Jehovah, Kyrosy mpanjakan'i Persia. Mahazo miverina an-tanindrazana ny babo, an isan'ireny ny Jiosy. Amporisihana ny voasesitany hatoky sy hifikitra amin'andriamanitra. Mibahan-toerana eto ny momba ilay Mpanompon'i Jehovah, ny Mesia, miseho amin'ny endriky Kyrosy ary itarafana an'i Kristy (42.1-7). 3.Manorina fanantenana Andriamanitra (56-66). Miandrandra fiainam-baovao sy fanavotana ireo sisa niverina. Atrehina ny zava-misy: tanàna rava, vahoaka mahantra. Aorina ny manda, atsangana ny Tempoly, na dia sarotra aza ny fiainana (tsy rariny, fahantrana, fanompoantsampy). Ampaherezina ny olona, aely ny Vaovao Mahafaly dia ny fanafahana ho an'ny ory sy ny mahantra. Torina ny tena famonjena dia ny fiankinana tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitra. Ambara fa Jerosalema vaovao, jiro hanazava ny jentilisa, no loharanom-pamonjena ny firenena rehetra (49.1,6; 60). Hafatra sy fiainam-panahy -Andriamanitra masina, tia sy mamonjy, no asehon'i Isaia eto. Andriamanitra mankahala ny ratsy, manafay nefa be famindrampo sy mamela heloka. Mampanantena famonjena ny olony amin'ny la finy rehetra. Ny jentilisa koa dia efa tafiditra amin'ny tetikasam-pamonjeny. Famonjena amin'ny alalan'i Mesia, fampanantenana an'i Jerosalema vaovao. -Mitarika ny Kristiana ahatakatra ny zara fanompoan'i Kristy, ny maha zavadehibe ny maha Kristiana ary ny fiandrasana ny fiverenan'i Mesia ny boky. -Nitarafana matetika an'i Jesoa Kristy sy ny zara fanompoany ao amin'ny TV ny bokin'i Isaia (Mat 1.22-23 ; Lio 4.16-21). Fehiny Mpaminany lehibe, niasa tamin'ny fotoana nahatezitra mafy an'i Jehovah, i Isaia. Nananatra sy nanakiana ny diso ary niantso ny olona hiankina hatrany amin' Andriamanitra. Andriamanitra be famindrampo koa anefa Izy ka mamela heloka, mitondra famonjena amin'ny alalan'i Mesia, manome fiainam-baovao ho an'ny olony, mampanantena Jerosalema vaovao. Niry Ravonison Taniketsa Gazety avoakan ny Sampana Sekoly Alahady FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA Talen ny famoahana: RAVOAVISON José Tél: 033 14 755 43 Tonian ny fanoratana: RAJOELISON Daniel Tél: 033 12 856 99 Mpitantsoratry ny fanoratana: RAVONISON Nirinasoa Tél: 033 14 515 36 Tale ara-barotra: ANDRIANARIVO Raphaël Tél: 033 12 749 19 Adiresy: Lot II U 57 Bis Andrainarivo - 101 Antananarivo Madagascar Site: www.sa-andrainarivo.mg E-mail: sa_andrainarivo@yahoo.fr Printy: Imprimerie du Centre Nivoaka: Septambra 2014 Natonta: 250